< پیدایش 3 >
و مار از همه حیوانات صحرا که خداوندخدا ساخته بود، هشیارتر بود. و به زن گفت: «آیا خدا حقیقت گفته است که از همه درختان باغ نخورید؟» | ۱ 1 |
Ary ny menarana dia fetsy noho ny bibi-dia rehetra izay nataon’ i Jehovah Andriamanitra. Ary hoy izy tamin-dravehivavy: Hanky! efa nataon’ Andriamanitra hoe: Aza ihinananareo ny hazo rehetra amin’ ny saha?
زن به مار گفت: «از میوه درختان باغ میخوریم، | ۲ 2 |
Fa hoy ravehivavy tamin’ ny menarana: Ny voan’ ny hazo eo amin’ ny saha dia azonay ihinanana ihany;
لکن از میوه درختی که در وسط باغ است، خدا گفت از آن مخورید و آن را لمس مکنید، مبادا بمیرید.» | ۳ 3 |
fa ny voan’ ny hazo eo afovoan’ ny saha kosa no efa nataon’ Andriamanitra hoe: Aza hihinanareo na tendrenareo izany, fandrao maty ianareo.
مار به زن گفت: «هر آینه نخواهید مرد، | ۴ 4 |
Ary hoy ny menarana tamin-dravehivavy: Tsy ho faty tsy akory ianareo;
بلکه خدا میداند درروزی که از آن بخورید، چشمان شما باز شود ومانند خدا عارف نیک و بد خواهید بود.» | ۵ 5 |
fa fantatr’ Andriamanitra fa na amin’ izay andro hihinananareo azy dia hahiratra ny masonareo, ka ho tahaka an’ Andriamanitra ianareo, hahalala ny ny tsara sy ny ratsy.
و چون زن دید که آن درخت برای خوراک نیکوست وبنظر خوشنما و درختی دلپذیر دانش افزا، پس ازمیوهاش گرفته، بخورد و به شوهر خود نیز داد و اوخورد. | ۶ 6 |
Ary hitan-dravehivavy fa tsara ho fihinana ny hazo sady mahafinaritra ny maso ary hazo mahatsiriritra hampahahendry, dia nanotazany ny voany ka nihinanany; ary nomeny koa ny vadiny; ka dia nihinana izy.
آنگاه چشمان هر دو ایشان باز شد وفهمیدند که عریانند. پس برگهای انجیر به هم دوخته، سترها برای خویشتن ساختند. | ۷ 7 |
Dia nahiratra ny mason’ izy mivady, ka fantany fa mitanjaka izy; ary nanjaitra ravin’ aviavy izy, ka nataony sikina ho azy.
و آواز خداوند خدا را شنیدند که در هنگام وزیدن نسیم نهار در باغ میخرامید، و آدم و زنش خویشتن را از حضور خداوند خدا در میان درختان باغ پنهان کردند. | ۸ 8 |
Ary nandre an’ i Jehovah Andriamanitra nitsangantsangana teo amin’ ny saha izy, rehefa ho hariva ny andro; ary ralehilahy sy ny vadiny niery ny tavan’ i Jehovah Andriamanitra tao anaty hazo tao amin’ ny saha.
و خداوند خدا آدم راندا درداد و گفت: «کجا هستی؟» | ۹ 9 |
Ary Jehovah Andriamanitra dia niantso an-dralehilahy ka nanao taminy hoe: Aiza moa ianao?
گفت: «چون آوازت را در باغ شنیدم، ترسان گشتم، زیرا که عریانم. پس خود را پنهان کردم.» | ۱۰ 10 |
Dia hoy izy: Nandre Anao tao amin’ ny saha aho; dia natahotra aho, satria mitanjaka, ka dia niery.
گفت: «که تورا آگاهانید که عریانی؟ آیا از آن درختی که تو راقدغن کردم که از آن نخوری، خوردی؟» | ۱۱ 11 |
Ary hoy Izy: Iza moa no nanambara taminao fa mitanjaka ianao? Efa nihinanao va ny hazo izay nandrarako anao tsy hihinananao?
آدم گفت: «این زنی که قرین من ساختی، وی از میوه درخت به من داد که خوردم.» | ۱۲ 12 |
Dia hoy ralehilahy: Ny vehivavy izay nomenao ho namako, izy no nanome ahy ny voankazo, ka dia nihinana aho.
پس خداوندخدا به زن گفت: «این چهکار است که کردی؟» زن گفت: «مار مرا اغوا نمود که خوردم.» | ۱۳ 13 |
Ary hoy Jehovah Andriamanitra tamin-dravehivavy: Inona izao nataonao izao? Dia hoy ravehivavy: Ny menarana no namitaka ahy, ka dia nihinana aho.
پس خداوند خدا به مار گفت: «چونکه این کار کردی، از جمیع بهایم و از همه حیوانات صحرا ملعون تر هستی! بر شکمت راه خواهی رفت و تمام ایام عمرت خاک خواهی خورد. | ۱۴ 14 |
Ary hoy Jehovah Andriamanitra tamin’ ny menarana: Satria nanao izany ianao, koa amin’ ny biby fiompy rehetra sy ny bibi-dia rehetra dia ianao no voaozona: ny kibonao no handehananao, ary vovo-tany no hohaninao amin’ ny andro rehetra hiainanao.
وعداوت در میان تو و زن، و در میان ذریت تو و ذریت وی میگذارم؛ او سر تو را خواهد کوبید وتو پاشنه وی را خواهی کوبید.» | ۱۵ 15 |
Dia hampifandrafesiko ianao sy ny vehivavy ary ny taranakao sy ny taranany: izy hanorotoro ny lohanao, ary ianao kosa hanorotoro ny ombelahin-tongony.
و به زن گفت: «الم و حمل تو را بسیار افزون گردانم؛ با الم فرزندان خواهی زایید و اشتیاق تو به شوهرت خواهد بود و او بر تو حکمرانی خواهد کرد.» | ۱۶ 16 |
Ary hoy koa Izy tamin-dravehivavy: Hahabe dia hahabe ny fahorianao Aho, indrindra fa raha manan’ anaka ianao; ary fahoriana no hiterahanao zanaka; ary ny vadinao no hianteheran’ ny fanirianao, ka izy no hanapaka anao.
و به آدم گفت: «چونکه سخن زوجه ات راشنیدی و از آن درخت خوردی که امرفرموده، گفتم از آن نخوری، پس بسبب توزمین ملعون شد، و تمام ایام عمرت از آن بارنج خواهی خورد. | ۱۷ 17 |
Ary hoy koa Izy tamin’ i Adama: Satria efa nihaino ny feon’ ny vadinao ianao, ka nihinananao ny hazo, izay nandrarako anao hoe: Aza ihinananao izany, dia voaozona ny tany noho izay nataonao; fahoriana no hihinanao ny vokany amin’ ny andro rehetra hiainanao.
خار و خس نیز برایت خواهد رویانید و سبزه های صحرا را خواهی خورد، | ۱۸ 18 |
Ary haniry tsilo sy hery ho anao izy; ary hohaninao ny anana famboly.
و به عرق پیشانی ات نان خواهی خوردتا حینی که به خاک راجع گردی، که از آن گرفته شدی زیرا که تو خاک هستی و به خاک خواهی برگشت.» | ۱۹ 19 |
Ny fahatsembohan’ ny tavanao no hahazoanao hanina mandra-piverinao any amin’ ny tany; fa ny tany no nanalana anao; fa vovoka ianao, ary hiverina ho amin’ ny vovoka indray ianao.
و آدم زن خود را حوا نام نهاد، زیرا که اومادر جمیع زندگان است. | ۲۰ 20 |
Ary ralehilahy nanao ny anaran’ ny vadiny hoe Eva, satria izy no renin’ ny olombelona rehetra.
و خداوند خدارختها برای آدم و زنش از پوست بساخت وایشان را پوشانید. | ۲۱ 21 |
Ary Jehovah Andriamanitra nanao akanjo hoditra ho an’ i Adama sy ny vadiny ka nampiakanjo azy.
و خداوند خدا گفت: «هماناانسان مثل یکی از ما شده است، که عارف نیک وبد گردیده. اینک مبادا دست خود را دراز کند و ازدرخت حیات نیز گرفته بخورد، و تا به ابد زنده ماند.» | ۲۲ 22 |
Ary hoy Jehovah Andriamanitra: Indro, ny olona efa tonga tahaka ny anankiray amintsika ka hahalala ny tsara sy ny ratsy; ary ankehitriny, andrao haninjitra ny tànany izy ka hakany koa ny hazon’ aina, ary hohaniny, ka ho velona mandrakizay izy;
پس خداوند خدا، او را از باغ عدن بیرون کرد تا کار زمینی را که از آن گرفته شده بود، بکند. | ۲۳ 23 |
ka dia nesorin’ i Jehovah Andriamanitra tamin’ ny saha Edena izy hiasa ny tany izay nanalana azy.
پس آدم را بیرون کرد و به طرف شرقی باغ عدن، کروبیان را مسکن داد و شمشیرآتشباری را که به هر سو گردش میکرد تا طریق درخت حیات را محافظت کند. | ۲۴ 24 |
Eny, noroahiny ny olona; ary nampitoeriny tany atsinanan’ ny saha Edena ny kerobima sy ny lelafon’ ny sabatra mihebiheby hiambina ny lalana mankany amin’ ny hazon’ aina.