< Uumama 8 >
1 Waaqni garuu Nohin, bineensotaa fi horii isa wajjin doonii keessa turan hunda yaadate. Innis bubbee lafatti erge; bishaanichis gad gale.
Ary Andriamanitra nahatsiaro an’ i Noa mbamin’ ny bibi-dia rehetra ary ny biby fiompy rehetra, izay niara-nitoetra taminy tao anatin’ ny sambo-fiara; ary Andriamanitra nampandeha rivotra eran’ ny tany, ka dia nihena ny rano.
2 Burqaawwan tuujubawwaniitii fi foddaawwan samiiwwanii ni cufaman; bokkaan samii keessaa gad roobus ni caame.
Ary tampina ny loharanon’ ny lalina sy ny varavaran’ ny lanitra, ka nitsahatra ilay ranonorana nivatravatra avy tany an-danitra.
3 Bishaan sunis suutuma suuta lafa irraa hirʼachaa deemee dhuma bultii dhibba tokkoo fi shantamaatti gad buʼe.
Ary nihena niandalana niala tamin’ ny tany ny rano; ary rehefa afaka dimam-polo amby zato andro, dia efa nihena ny rano.
4 Dooniin sunis guyyaa kudha torbaffaa jiʼa torbaffaatti tulluu Araaraati gubbaa qubate.
Dia nipetraka teo amin’ ny tendrombohitra any Ararata ny sambo-fiara tamin’ ny andro fahafito ambin’ ny folo tamin’ ny volana fahafito.
5 Bishaanichi hamma jiʼa kurnaffaatti gaduma galaa deeme. Guyyaa jalqaba jiʼa kurnaffaattis mataawwan tulluuwwanii mulʼatan.
Ary ny rano dia mbola nihena niandalana hatramin’ ny volana fahafolo; tamin’ ny andro voalohany tamin’ ny volana fahafolo dia niseho ny tampon’ ny tendrombohitra.
6 Guyyaa afurtama booddee Nohi foddaa dooniitti baasee ture sana bane;
Ary rehefa afaka efa-polo andro, dia novohan’ i Noa ny varavarankelin’ ny sambo-fiara izay efa nataony.
7 innis arraagessa tokko gad dhiise; arraagessi sunis hamma bishaanichi lafa irraa gogutti asii fi achi deddeebiʼaa ture.
Dia namoaka goaika anankiray izy, ary niverimberina mandra-paharitry ny rano tamin’ ny tany iny.
8 Ergasii immoo akka bishaanichi lafa irraa hirʼate hubachuuf gugee tokko erge.
Dia namoaka voromailala anankiray izay teo aminy izy, hizahany na efa kely ny rano tambonin’ ny tany, na tsia.
9 Garuu sababii bishaan lafa hunda irra guutee jiruuf gugeen sun iddoo qubatu dhabdee gara Nohi dooniitti deebite. Innis harka isaa gad hiixatee gugee sana gara dooniitti iddoo ofii jirutti ol galche.
Fa tsy hitan’ ilay voromailala izay hipetrahan’ ny faladiany, dia niverina tamin’ i Noa tao anatin’ ny sambo-fiara izy, satria mbola nisy rano tambonin’ ny tany rehetra; ary Noa naninjitra ny tànany ka nandray sy nampiditra azy ho ao aminy tao anatin’ ny sambo-fiara.
10 Ammas guyyaa torba turee gugee sana doonii keessaa gad baasee erge.
Ary mbola niandry hafitoana koa izy; dia namoaka ilay voromailala tamin’ ny sambo-fiara indray izy.
11 Gugeen sunis galgala yommuu gara isaatti deebitetti kunoo, baala ejersaa kan amma kutame afaanitti qabattee turte. Kanaanis Nohi akka bishaanichi gad hirʼate beeke.
Dia niditra teo aminy ilay voromailala nony hariva ny andro; ary, indro, nisy ravin’ oliva maitso teo am-bavany; izany no nahafantaran’ i Noa fa efa kely ny rano tambonin’ ny tany.
12 Ammas guyyaa biraa torba turee gugee sana deebisee erge; gugeen sun garuu lammata gara isaatti hin deebine.
Ary mbola niandry hafitoana indray izy, dia namoaka ilay voromailala; ary tsy niverina teo aminy intsony iny.
13 Umurii Nohii waggaa dhibba jaʼaa fi tokkoffaatti, guyyaa tokkoffaa jiʼa jalqabaatti, bishaanichi lafa irraa goge. Nohis qadaada doonii sanaa irraa fuudhee ilaalee kunoo akka lafti gogde arge.
Ary tamin’ ny andro voalohany tamin’ ny volana voalohany tamin’ ny taona fahiraika amby enin-jato, dia ritra ny rano teo ambonin’ ny tany; ary nanaisotra ny tafon’ ny sambo-fiara Noa ka nijery, ary, indro, efa maina ny tany.
14 Guyyaa digdamii torbaffaa jiʼa lammaffaatti lafti guutummaan guutuutti gogde.
Ary tamin’ ny andro fahafito amby roa-polo tamin’ ny volana faharoa, dia maina ny tany.
15 Waaqnis Nohiin akkana jedhe;
Ary Andriamanitra dia niteny tamin’ i Noa ka nanao hoe:
16 “Atii fi niitiin kee, ilmaan keetii fi niitonni ilmaan keetii kottaa doonii keessaa baʼaa.
Mivoaha amin’ ny sambo-fiara ianao sy ny vadinao aman-janakao ary ny vinantonao vavy miaraka aminao.
17 Akka isaan lafa irratti baayʼataniif, akka isaan horanii lafa irratti baayʼataniif, gosa uumamawwan lubbu qabeeyyii si wajjin jiran hunda jechuunis simbirroota, bineensotaa fi uumamawwan lafa irra munyuuqan hunda gad baasi.”
Ary ny zava-manan’ aina rehetra, izay eo aminao, avy tamin’ ny nofo rehetra, dia ny vorona sy ny biby fiompy sy ny biby rehetra izay mandady na mikisaka amin’ ny tany, dia ento mivoaka miaraka aminao; ary aoka hiteraka be eny ambonin’ ny tany sy ho maro anaka ary hihabetsaka eny ambonin’ ny tany ireny.
18 Kanaafuu Nohi ilmaan isaatii fi niitii isaa, niitota ilmaan isaa wajjin gad baʼe.
Dia nivoaka Noa mbamin’ ny vadiny aman-janany ary ny vinantonivavy niaraka taminy;
19 Bineensonni hundii fi uumamawwan lafa irra munyuuqan hundinuu, simbirroonni hundi jechuunis wanni lafa irra jiraatu hundi gosuma gosaan doonii sana keessaa gad baʼan.
Ny zava-manan’ aina rehetra sy ny biby rehetra izay mandady na mikisaka ary ny vorona rehetra mbamin’ izay rehetra mihetsiketsika eny ambonin’ ny tany dia samy nivoaka avy tao amin’ ny sambo-fiara araka ny karazany.
20 Nohis Waaqayyoof iddoo aarsaa ijaare; horii fi simbirroota qulqulluu hunda keessaa fuudhee iddoo aarsaa sana irratti aarsaa gubamu dhiʼeesse.
Ary Noa dia nanorina alitara ho an’ i Jehovah; ary ny biby madio rehetra sy ny vorona madio rehetra dia nanalany ka nataony fanatitra odorana teo ambonin’ ny alitara.
21 Waaqayyos foolii tolaa sana urgeeffatee garaa isaa keessatti akkana jedhe; “Yoo wanni namni ijoollummaa isaatii jalqabee garaa isaatti yaadu hammina taʼe illee ani sababii namaatiif jedhee lammata lafa hin abaaru. Ani akkan kanaan dura godhe sana deebiʼee uumamawwan jiraatoo hunda hin balleessu.
Dia nandre ny hanitra ankasitrahana Jehovah, ka hoy Izy tam-pony: Tsy mba hanozona ny tany intsony noho ny amin’ ny olona Aho; fa ny fisainan’ ny fon’ ny olona dia ratsy hatramin’ ny fahazazany; ary tsy mba handringana ny velona rehetra intsony Aho tahaka izay nataoko.
22 “Hamma lafti jirtutti, midhaan facaasuu fi walitti qabuun, dhaamochii fi hoʼi, bonnii fi ganni, halkanii fi guyyaan gonkumaa hin hafan.”
Raha mbola maharitra koa ny tany, dia tsy hanam-pitsaharana ny taom-pamafazana sy ny taom-pijinjana, ary ny hatsiaka sy ny hafanana ary ny fahavaratra sy ny ririnina, ary ny andro sy ny alina.