< Amos 3 >

1 Høyre dette ordet som Herren hev tala imot dykk, de Israels søner, mot heile den ætti som eg hev ført upp frå Egyptarland:
Henoy izao teny izao, izay lazain’ i Jehovah ny aminareo, ry Zanak’ Isiraely, dia ny amin’ io taranaka rehetra nentiko niakatra avy tany amin’ ny tany Egypta io:
2 Dykk einast kannast ved av alle ætter på jordi. Difor eg heimsøkjer dykk for alt det vonde de hev gjort.
Hianareo ihany no fantatro tamin’ ny firenena rehetra ambonin’ ny tany, koa noho izany dia hovaliako ianareo noho ny helokareo rehetra.
3 Gjeng tvo-eine saman tru, utan dei samstelte vart?
Ho tafara-dalana va ny roa, raha tsy efa nifanaiky?
4 Tru løva burar i skogen utan eit rov det gjeld? Let ungløva høyra sitt mål, når i hola ho ligg, utan ho fengdi fekk?
Mierona any an’ ala va ny liona, raha tsy mahita toha? Manerona ao an-davany va ny liona tanora, raha tsy mahazo zavatra?
5 Tru fuglen i snara på jordi fell, utan at snara er uppsett? Tru vel at glefsa sprett att, utan at noko sit fast?
Voan’ ny fandrika etỳ an-tany va ny vorona, raha tsy nisy tadivavarana? Mikatona va ny fandrika, raha tsy mahavoa zavatra?
6 Eller ljomar luren i by, utan at folket fær støkk? Eller hender ulukka i by, utan at Herren hev gjort det?
Tsofina va ao an-tanàna ny anjomara, ka tsy hatahotra ny vahoaka? Misy loza ao an-tanàna va, raha tsy Jehovah no nahatonga izany?
7 For ikkje gjer Herren, Herren nokon ting, utan han tenarom sine, profetom, forkynner si løynråd.
Tsy manao na inona na inona tokoa Jehovah Tompo, raha tsy milaza ny heviny amin’ ny mpaminany mpanompony.
8 Når løva mun bura, kven må ikkje ræddast? Når han talar Herren, Herren, kven vert ikkje då profet?
Ny liona no mierona, ka iza no tsy hatahotra? Jehovah Tompo no miteny, ka iza no tsy haminany?
9 Rope ut yver Asdod borger og yver borger i Egyptarland: «Dykk samle på Samariafjelli og sjå kor fælt eit ståk der er, og valdsverk som der råder!»
Ambarao ao an-tranoben’ i Asdoda sy ao an-tranobe any amin’ ny tany Egypta, ka ataovy hoe: Miangona any an-tendrombohitr’ i Samaria ianareo, ary jereo ny tabataba be ao aminy sy ny fampahoriana ao anatiny.
10 Dei hev ikkje vit på framferd rett, segjer Herren, dei som haugar valdsverk og tjon i borgerne sine i hop.
Fa tsy mahalala hanao ny marina izy ireo, hoy Jehovah, dia ireo izay mitahiry fandozana sy roba ao an-tranobeny.
11 Difor, so segjer Herren, Herren: Fiendar herset ditt land. Di magt skal støytast i knas, dine borger plundrast.
Koa izao no lazain’ i Jehovah Tompo: He, misy fahavalo manodidina ny tany! Hazerany ho afaka aminao ny herinao, ary hobaboina ny tranobenao.
12 So segjer Herren: Som hyrdingen friar frå løvegap eit par bein ell’ ein øyrelapp, so bergast dei skal, dei Israels-søner, som i Samaria sit i sofa-krå, på putebenk.
Izao no lazain’ i Jehovah: Toy ny famonjin’ ny mpiandry ondry ny tongotr’ ondry roa na ny sombin-tsofina eny am-bavan’ ny liona, dia toy izany no ho famonjy ny Zanak’ Isiraely, izay mipetraka ao Samaria, eo an-jorom-parafara sy eo amin’ ny lamba fandriandriana avy any Damaskosy.
13 Høyr og vitna mot Jakobs hus! segjer Herren, Herren, allhers Gud:
Henoinareo, ka ambarao hamelezana ny taranak’ i Jakoba, hoy ny Tompo, Jehovah, Andriamanitry ny maro:
14 Den dagen eg straffar Israel brot, då straffar eg Betels altar, og altarhorni vert hogne, og dei skal falla til jordi.
Amin’ ny andro hamaliako ny Isiraely noho ny fahotana ao aminy no hamaliako ny alitara ao Betela dia hokapaina ny tandroky ny alitara ka hianjera amin’ ny tany.
15 Eg vinterstova hogg ned, sumarstova med. Filsbeinssalar skal falla, og mange hus skal verta øydde, segjer Herren.
Hamely ny trano ririnina sy ny trano fahavaratra Aho; Ary ho rava ny trano ivory, sady ho fongana ny trano maro, hoy Jehovah.

< Amos 3 >