< Esaias 65 >
1 Jeg bød mig frem for dem som ikke spurte; jeg var å finne for dem som ikke søkte mig; jeg sa til et hedningefolk som ikke var kalt med mitt navn: Se. her er jeg, her er jeg!
Notadiavin’ zay tsy naniry Aho sy hitan’ izay tsy nitady; hoy Izaho tamin’ ny firenena izay tsy nantsoina tamin’ ny anarako: Inty Aho! Inty Aho!
2 Jeg bredte ut mine hender hele dagen til et gjenstridig folk, som går på den vei som ikke er god, efter sine egne tanker,
Namelatra ny tanako mandritra ny andro Aho tamin’ ny firenena miodina, izay mandeha amin’ ny lalana tsy tsara araka ny fisainany ihany,
3 til et folk som alltid krenker mig like i mitt åsyn, som ofrer i havene og brenner røkelse på teglstenene,
Dia firenena izay nahatezitra ahy mandrakariva na dia eo imasoko aza, izay mamono zavatra hatao fanatitra eo amin’ ny tanimboly Ary mandoro ditin-kazo manitra eny ambonin’ ny tanimanga,
4 som sitter i gravene og overnatter i avkrokene, som eter svinekjøtt, og hvis kar er fulle av vederstyggelig suppe,
Dia izay mipetraka any amin’ ny fasana ary mitoetra mandritra ny alina ao am-pierena, sady mihinana henan-kisoa, ary ny ron’ ny hena fahavetavetana no ao amin’ ny loviany,
5 som sier: Hold dig unda, kom mig ikke nær, for jeg er hellig for dig! De folk er en røk i min nese, en ild som brenner hele dagen.
Izay manao hoe: Mihataha, fa aza manakaiky ahy, fa izaho no masìna, fa tsy ianao, ireny dia setroka ao am-bavoroko, eny, afo mirehitra mandritra ny andro.
6 Se, det står skrevet for mitt åsyn: Jeg vil ikke tie før jeg får betalt det, ja betalt det i deres fang,
Indro, izao no voasoratra eo anatrehako: Tsy hangina Aho mandra-pamaliko anareo eny, mandra-pamaliko ho ao an-tratranareo
7 både eders misgjerninger og eders fedres misgjerninger, sier Herren, at de brente røkelse på fjellene og hånte mig på haugene; deres lønn vil jeg fremfor alt tilmåle dem i deres fang.
Ny helokareo sy ny heloky ny razanareo koa, hoy Jehovah, dia izay olona nandoro ditin-kazo manitra teny an-tendrombohitra ary nihaika Ahy teny amin’ ny havoana; eny, hamatra ny valin’ ny asany ho ao an-tratrany Aho aloha.
8 Så sier Herren: Likesom folk sier når de finner saft i druen: Ødelegg den ikke, for det er en velsignelse i den, således vil jeg gjøre for mine tjeneres skyld og ikke ødelegge hele folket.
Izao no lazain’ i Jehovah: Tahaka ny ranom-boaloboka hita ao antsampahony ka ataon’ ny olona hoe: Aza simbana, fa misy fitahiana ao anatiny dia toy izany no hataoko noho ny amin’ ny mpanompoko, ka tsy hanimba azy rehetra Aho.
9 Men jeg vil la en ætt komme av Jakob og av Juda en arving til mine fjell, og mine utvalgte skal arve landet, og mine tjenere skal bo der.
Hahatonga taranaka avy amin’ i Jakoba Aho sy mpandova ny tendrombohitro avy amin’ i Joda; Ary ireo voafidiko no handova azy, eny, ny mpanompoko no honina ao.
10 Og Saron skal bli til en beitemark for småfe, og Akors dal til et hvilested for storfe, til gagn for mitt folk, som søker mig.
Sarona ho tonga fiandrasana ondry ary ny lohasaha akora ho fandrian’ omby, ho an’ ny oloko izay nitady Ahy.
11 Men I som forlater Herren, som glemmer mitt hellige berg, som dekker bord for Gad, og som fyller begeret med krydret vin for Meni,
Fa ny aminareo izay mahafoy an’ i Jehovah sy manadino ny tendrombohitro masìna, sady mamelatra latabatra ho an’ i Gada sy mampidina divay noharoharoan-javatra ho an’ i Meny,
12 eder vil jeg overgi til sverdet, og I skal alle sammen måtte bøie eder ned for å slaktes, fordi jeg kalte, og I ikke svarte, fordi jeg talte, og I ikke hørte, men gjorde det som ondt var i mine øine, og valgte det jeg ikke hadde behag i.
Dia hotendreko ho voan’ ny sabatra ianareo ka hankohofina hovonoina avokoa, satria niantso Aho, fa tsy namaly ianareo, niteny Aho, fa tsy nihaino ianareo, fa nanao izay ratsy eo imasoko, ary izay tsy sitrako no nofidinareo.
13 Derfor sier Herren, Israels Gud, så: Se, mine tjenere skal ete, men I skal hungre; se, mine tjenere skal drikke, men I skal tørste; se, mine tjenere skal glede sig, men I skal skamme eder;
Koa izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Indro, ny mpanompoko hihinana, fa ianareo kosa ho mosarena; Indro, ny mpanompoko hisotro, fa ianareo kosa ho main-tenda; indro, ny mpanompoko hifaly, fa ianareo kosa ho menatra;
14 se, mine tjenere skal juble av hjertens lyst, men I skal skrike av hjertets pine og hyle i fortvilelse.
Indro, ny mpanompoko hihoby noho ny faharavoam-po, fa ianareo kosa hitoloko noho ny alahelom-po sy hidradradradra noho ny fahoriam-panahy.
15 Og I skal efterlate eders navn til en ed for mine utvalgte, og Herren, Israels Gud, skal drepe dig; men sine tjenere skal han kalle med et annet navn,
Ary hamela ny anaranareo ho fiozonana amin’ ireo voafidiko ianareo, ary hahafaty anao Jehovah Tompo; fa ny mpanompony kosa dia homeny anaram-baovao;
16 så den som velsigner sig på jorden, skal velsigne sig i den trofaste Gud, og den som sverger på jorden, skal sverge ved den trofaste Gud. For de forrige trengsler er glemt og skjult for mine øine.
Ka izay miarahaba tena etỳ ambonin’ ny tany dia hanao izany amin’ ny anaran’ Andriamanitry ny Amena; ary izay mianiana etỳ ambonin’ ny tany dia hianiana amin’ Andriamanitry ny Amena, satria efa hadino ny fahoriana taloha, sady voafina izany ka tsy hitan’ ny masoko.
17 For se, jeg skaper en ny himmel og en ny jord, og de første ting skal ikke minnes og ikke mere rinne nogen i hu.
Fa, indro, Izaho mahary lanitra vaovao sy tany vaovao, ka dia tsy hotsarovana intsony ny taloha, na ho mby ao an-tsaina akory aza.
18 Men gled og fryd eder til evig tid over det jeg skaper! For se, jeg skaper Jerusalem til jubel og dets folk til fryd.
Fa mifalia kosa sy miravoravoa mandrakizay, satria mahary izany Aho; fa, indro, mahary an’ i Jerosalema ho fifaliana Aho ary ny olony ho firavoravoana.
19 Og jeg vil juble over Jerusalem og fryde mig i mitt folk, og det skal ikke mere høres gråt eller skrik der.
Dia ho faly amin’ i Jerosalema Aho sy ho ravoravo amin’ ny oloko; ary ny feo mitomany tsy ho re any intsony, na ny feo mitaraina.
20 Det skal ikke mere komme derfra noget diebarn som bare lever få dager, eller en gammel mann som ikke fyller sine dagers mål; nei, en ung mann skal den være som dør hundre år gammel, og hundre år gammel skal den synder bli som forbannes.
Ary na dia ny zaza minono any aza dia tsy ho fohy andro, ary tsy hisy anti-panahy izay tsy nahatapitra ny androny; fa mbola zatovo ihany izay maty na dia efa zato taona aza, ary ny mpanota aza, dia hahatratra zato taona vao hozonina.
21 Og de skal bygge hus og bo i dem og plante vingårder og ete deres frukt;
Hanao trano ny olona ka hitoetra ao; Ary hanao tanim-boaloboka ny olona ka hihinana ny vokatra aminy.
22 ikke skal de bygge og en annen bo, ikke skal de plante og en annen ete; nei, som treets dager skal mitt folks dager være, og mine utvalgte skal selv få nyte frukten av sine henders gjerning.
Tsy hanao trano hitoeran’ olon-kafa izy, Na hamboly zavatra hohanin’ olon-kafa; Fa ho tahaka ny andron’ ny hazo ny andron’ ny oloko, Ary ireo voafidiko dia hanaram-po amin’ ny asan’ ny tanany.
23 De skal ikke gjøre sig møie forgjeves og ikke føde barn til en brå død; for de er en ætt velsignet av Herren, og sitt avkom får de ha hos sig.
Tsy hisasatra foana izy, na hitera-jaza ho tratry ny loza tampoka; Fa taranak’ izay notahin’ i Jehovah ireo, Ary ny terany ho ao aminy.
24 Og det skal skje: før de roper, skal jeg svare, mens de ennu taler, skal jeg høre.
Raha tsy mbola miantso aza izy dia hamaly Aho; Ary raha mbola miteny izy, dia hihaino Aho.
25 Ulven og lammet skal beite sammen, og løven skal ete halm som oksen, og ormens føde skal være støv; ingen skal gjøre noget ondt og ingen ødelegge noget på hele mitt hellige berg, sier Herren.
Ny amboadia sy ny zanak’ ondry hiara-komana, Ary ny liona hihina-mololo tahaka ny omby, Ary ny menarana, dia vovoka no ho fihinany; Ary tsy handratra na hanimba eran’ ny tendrombohitro masìna izy, hoy Jehovah.