< Hebreerne 6 >

1 La oss derfor gå forbi barnelærdommen om Kristus og skride frem mot det fullkomne, så vi ikke atter legger grunnvollen med omvendelse fra døde gjerninger og tro på Gud,
Koa aoka hilaozantsika ny abidim-pianarana ny amin’ i Kristy, fa aoka handroso ho amin’ ny tanteraka isika ka tsy hanao fanorenana indray, dia fibebahana hahafahana amin’ ny asa maty sy finoana an’ Andriamanitra,
2 med lære om dåp og håndspåleggelse, om dødes opstandelse og evig dom (aiōnios g166)
ary fampianarana ny amin’ ny fisasana maro sy ny fametrahan-tanana, ary ny fitsanganan’ ny maty sy ny fitsarana mandrakizay. (aiōnios g166)
3 Og dette vil vi gjøre, om Gud gir lov til det.
Ary izany no hataontsika, raha avelan’ Andriamanitra.
4 For det er umulig at de som engang er blitt oplyst og har smakt den himmelske gave og fått del i den Hellige Ånd
Fa izay efa nohazavaina indray mandeha sady efa nanandrana ny fanomezana avy any an-danitra sy efa nandray ny Fanahy Masìna
5 og har smakt Guds gode ord og den kommende verdens krefter, (aiōn g165)
ary efa nanandrana ny teny tsaran’ Andriamanitra sy ny herin’ ny fiainana ho avy, (aiōn g165)
6 og så faller fra, atter kan fornyes til omvendelse, da de på ny korsfester Guds Sønn for sig og gjør ham til spott.
nefa nihemotra, dia tsy azo havaozina indray ho amin’ ny fibebahana, satria manombo ny Zanak’ Andriamanitra indray amin’ ny hazo fijaliana ka manao Azy ho fahamenarana.
7 For den jord som drikker regnet som ofte faller på den, og som bærer gagnlig grøde for dem den dyrkes for, den får velsignelse fra Gud;
Fa izay tany mifoka ny ranonorana milatsaka aminy matetika ka maniry anana tsara ho an’ ny olona iasana azy dia mahazo fitahiana avy amin’ Andriamanitra;
8 men bærer den torner og tistler, da er den uduelig og forbannelse nær, og enden med den er å brennes.
fa izay maniry tsilo sy songosongo kosa dia lavina sady akaikin’ ny ozona, ary ny hiafarany dia ny hodorana.
9 Men om eder, I elskede, er vi visse på det som bedre er, og som hører til frelse, enda vi taler således.
Nefa, ry malala, na dia miteny izany aza izahay, dia manantena zavatra tsara ny aminareo, dia izay momba ny famonjena.
10 For Gud er ikke urettferdig, så han skulde glemme eders verk og den kjærlighet I har vist mot hans navn, idet I har tjent og ennu tjener de hellige.
Fa Andriamanitra tsy mba tsy marina hanadino ny asanareo sy ny fitiavana izay nasehonareo ho voninahitry ny anarany, raha nanompo ny olona masìna ianareo sady mbola manompo ihany.
11 Men vi ønsker at enhver av eder må vise den samme iver for den fulle visshet i håpet inntil enden,
Ary mbola irinay ianareo rehetra samy haneho izany fahazotoana izany mba hahazo ny fahatokiana be ny amin’ ny fanantenana hatramin’ ny farany;
12 forat I ikke skal bli trege, men efterfølge dem som ved tro og tålmod arver løftene.
mba tsy hiketraka ianareo, fa hanahaka ireo mandova araka ny teny fikasana amin’ ny finoana sy ny faharetana.
13 For da Gud gav Abraham løftet, svor han ved sig selv, eftersom han ingen større hadde å sverge ved, og sa:
Fa Andriamanitra nanao teny fikasana tamin’ i Abrahama ary satria tsy nisy lehibe noho ny tenany izay azony nianianana, dia nianiana tamin’ ny tenany Izy
14 Sannelig, jeg vil rikelig velsigne dig og storlig mangfoldiggjøre dig;
ka nanao hoe: “Hitahy anao tokoa Aho ary hahamaro dia hahamaro anao”.
15 og da han således hadde ventet tålmodig, opnådde han det som var lovt.
Ary araka izany, rehefa naharitra tsara Abrahama, dia nahazo ny teny fikasana.
16 For mennesker sverger jo ved den større, og eden er dem en ende på all motsigelse, til stadfestelse.
Fa ny olona dia mianiana amin’ izay lehibe noho ny tenany; ary ny fianianana dia ataony mba hahamafy ny teny hampitsahatra ny fifandirana rehetra.
17 Derfor, da Gud vilde enn mere vise løftets arvinger hvor uryggelig hans vilje var, gikk han imellem med en ed,
Ary amin’ izany, raha Andriamanitra ta-haneho kokoa amin’ ny mpandova araka ny teny fikasana ny tsi-fiovan’ ny sitrapony, dia nataony mafy tamin’ ny fianianana izany,
18 forat vi ved to uryggelige ting, hvori Gud umulig kunde lyve, skulde ha en sterk trøst, vi som har tatt vår tilflukt til å gripe det håp som venter oss,
mba ho zavatra roa loha tsy mety miova, izay tsy hain’ Andriamanitra andaingana, no hahazoantsika famporisihana mafy, dia isika izay nandositra hihazona ny fanantenana napetraka eo anoloantsika,
19 det vi har som et anker for sjelen, et som er trygt og fast og når innenfor forhenget,
izay ananantsika ho vatofantsiky ny aina sady mafy no tsy mihetsika ary miditra any anatin’ ny efitra lamba;
20 hvor Jesus gikk inn som forløper for oss, idet han blev yppersteprest til evig tid efter Melkisedeks vis. (aiōn g165)
tany no nidiran’ i Jesosy ho Mpialoha antsika, rehefa tonga Mpisoronabe “mandrakizay araka ny fanaon’ i Melkizedeka” Izy. (aiōn g165)

< Hebreerne 6 >