< लेवीहरू 14 >

1 परमप्रभु मोशासँग यसरी बोल्‍नुभयो,
Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:
2 “रोग लागेको मानिसको शुद्धिकरणको दिनको निम्ति विधि यी नै हुन् । त्यसलाई पुजारीकहाँ लगिनुपर्छ ।
Izao no lalàna ny amin’ ny boka amin’ ny andro fanavotana azy: ho entina any amin’ ny mpisorona izy;
3 छालाको सरुवा रोग निको भएको छ वा छैन भनेर हेरेर त्यस मानिसलाई जाँच्‍नको निम्ति पुजारी छाउनीभन्दा बाहिर जाने छ ।
dia hivoaka eny ivelan’ ny toby ny mpisorona ka hizaha azy; Ary raha hitany fa sitrana amin’ ny habokany ny boka,
4 त्यसपछि कोही शुद्ध हुनको निम्ति दुई जीवित, शुद्ध चराहरू, देवदारुको काठ, सिन्दुरे रङ्गको धागो, र हिसप ल्याउनू भनी पुजारीले आज्ञा गर्ने छ ।
dia vorona roa velona sady madio sy hazo sedera sy jaky ary hysopa no hasain’ ny mpisorona ho an’ ilay hodiovina;
5 पुजारीले माटोको भाँडामा भएको ताजा पानीमाथि दुई चराहरूमध्ये एउटालाई मार्नू भनी आज्ञा गर्ने छ ।
Ary hasainy hovonoina ny vorona anankiray eo ambonin’ ny vilany tany izay misy rano nalaina tamin’ ny rano mandeha;
6 पुजारीले त्यसपछि जीवित चरा र देवदारुको काठ, र सिन्दुरे रङ्गको धागो र हिसप लिने छ, र यी सबैलाई ताजा पानीमाथि मारिएको चराको रगतमा चोप्‍ने छ ।
Ary halainy ny vorona velona sy ny hazo sedera sy ny jaky ary ny hysopa, dia hatsobony ireo mbamin’ ny vorona velona eo amin’ ny ran’ ny vorona izay novonoina teo ambonin’ ny rano nalaina tamin’ ny rano mandeha.
7 त्यसपछि पुजारीले यस पानीलाई रोगबाट शुद्धिकरण गरिनुपर्ने मानिसमाथि सात पटक छर्कने छ, र त्यसलाई शुद्ध घोषणा गर्ने छ । त्यसपछि पुजारीले जीवित चरालाई भने खुला ठाउँमा छोडिदिने छ ।
Dia hofafazany impito ilay hodiovina ho afaka amin’ ny habokany ka hataony hoe madio, ary halefany ny vorona velona.
8 शुद्धिकरण भइरहेको मानिसले आफ्‍ना लुगाहरू धुने छ, आफ्‍नो सबै कपाल खौरने छ, र पानीले नुहाउने छ, र त्यो शुद्ध हुने छ । त्यसपछि त्यो छाउनीभित्र आओस्, तर त्यो सात दिनसम्‍म आफ्नो पालभन्दा बाहिरै बसोस् ।
Ary ilay hodiovina dia hanasa ny fitafiany sy hanaratra ny volon-dohany rehetra ary handro amin’ ny rano, ka hadio izy; ary rehefa faka izany dia hankeo an-toby izy, kanefa hitoetra eo ivelan’ ny lainy hafitoana.
9 सातौँ दिनमा त्यसले आफ्नो शिरको कपाल, र आफ्‍नो दाह्री र आँखीभुइँ खौरोस् । त्यसले आफ्‍नो सबै कपाल खौरोस्, र आफ्‍ना लुगाहरू धोओस् र पानीले नुहाओस्, अनि त्यो शुद्ध हुने छ ।
Ary amin’ ny andro fahafito dia hanaratra ny volony rehetra izy, na ny volon-dohany, na ny somony, na ny manja-masony; ny volony rehetra hoharatany avokoa ary hanasa ny fitafiany izy sady handro amin’ ny rano, dia hadio izy.
10 आठौँ दिनमा त्यसले दुईवटा निष्‍खोट भेडाका पाठा, एउटा निष्‍खोट एक वर्षे भेडाको पाठी, र अन्‍नबलिको निम्ति तेलसँग मुछिएको डेढ पाथी मसिनो पिठो, र आधा माना तेल ल्याओस् ।
Ary amin’ ny andro fahavalo dia haka zanak’ ondrilahy roa tsy misy kilema izy ary zanak’ ondrivavy iray tsy misy kilema izay iray taona ary koba tsara toto telo ampahafolon’ ny efaha voaharo diloilo ho fanatitra hohanina ary diloilo iray loga.
11 शुद्ध गर्ने पुजारीले शुद्ध गरिनुपर्ने मानिसलाई ती सर-सामानहरूसँगै परमप्रभुको अगि भेट हुने पालको प्रवेशद्वारमा खडा गराओस् ।
Ary ny mpiosorona izay manadio ilay lehilahy hodiovina dia hametraka azy sy ireo zavatra ireo eo anatrehan’ i Jehovah, eo anoloan’ ny varavaran’ ny trano-lay fihaonana;
12 पुजारीले दुईवटा भेडाका पाठामध्ये एउटा लिने छ र आधा माना तेलसँगै दोषबलि अर्पण गर्ने छ, र परमप्रभुको अगि डोलाइने बलिको रूपमा उसले त्यो डोलाउने छ ।
dia haka ny zanak’ ondrilahy iray ny mpisorona ka hanatitra azy ho fanati-panonerana mbamin’ ny diloilo iray loga ka hahevahevany ho fanatitra ahevaheva eo anatrehan’ i Jehovah.
13 उसले त्यो भेडाको पाठोलाई पवित्रस्थानमा पापबलिहरू र होमबलिहरू मारिने ठाउँमा मारोस्, किनभने पापबलि र दोषबलि पुजारीको भागको हो, कारण त्यो अति पवित्र हो ।
Ary hamono ny zanak’ ondrilahy eo amin’ ny famonoana ny fanatitra noho ny ota sy ny fanatitra dorana izy, dia eo amin’ ny fitoerana masìna; fa ho an’ ny mpisorona ny fanatitra noho ny ota, toy ny fanati-panonerana, ho masìna dia masìna izany.
14 पुजारीले दोषबलिको केही रगत लिने छ र शुद्ध गरिनुपर्ने मानिसको दाहिने कानको टुप्‍पोमा, दाहिने हातको बुढी औँलामा, र दाहिने खुट्‍टाको बुढी औँलामा लगाउने छ ।
Dia hangalan’ ny mpisorona ny ran’ ny fanati-panonerana, ka hotentenany ny tendron’ ny ravin-tsofina ankavanan’ ilay hodiovina sy ny ankihiben-tànany ankavanana sy ny ankihiben-tongony ankavanana,
15 पुजारीले मानाबाट तेल लिएर आफ्नै देब्रे हातको हत्‍केलामा खन्‍याउने छ र
ary ny diloilo iray loga dia hangalan’ ny mpisorona ka haidiny eo am-pelatanany ankavia;
16 र आफ्नो देब्रे हातमा भएको तेलमा आफ्नो दाहिने औँला चोपेर परमप्रभुको अगि केही तेल सात पल्‍ट छर्कने छ ।
dia hatsoboky ny mpisorona ny fanondrony ankavanana eo amin’ ny diloilo izay eo am-pelatanany ankavia ka hafafiny impito eo anatrehan’ i Jehovah.
17 पुजारीले आफ्नो हातमा बाँकी रहेको तेललाई शुद्ध गरिनुपर्ने मानिसको दाहिने कानको टुप्‍पो, दाहिने हातको बुढी औँला, र दाहिने खुट्‍टाको बुढी औँलामा लगाउने छ ।
ary ny diloilo sisa eo am-pelatanany dia hanentenan’ ny mpisorona ny tendron’ ny ravin-tsofina ankavanan’ ilay hodiovina sy ny ankihiben-tànany ankavanana ary ny ankihiben-tongony ankavanana eo amin’ ilay nasiana ny ran’ ny fanati-panonerana;
18 अनि पुजारीले आफ्नो हातमा बाँकी रहेको तेलचाहिँ शुद्ध गरिनुपर्ने मानिसको शिरमा खन्याउने छ, र पुजारीले परमप्रभुको अगि त्यो मानिसको निम्ति प्रायश्‍चित्त गर्ने छ ।
ary ny diloilo mbola sisa eo ampela-tànan’ ny mpisorona dia hataony amin’ ny lohan’ ilay hodiovina; ary hanao fanavotana ho azy eo anatrehan’ i Jehovah ny mpisorona.
19 अनि पुजारीले पापबलिलाई अर्पण गर्ने छ र आफ्नो अशुद्धताको कारण शुद्ध गरिनुपर्ने मानिसको निम्ति प्रायश्‍चित्त गर्ने छ, र पछि उसले होमबलिलाई मार्ने छ ।
Ary ny mpisorona dia hanatitra ny fanatiny noho ny ota ka hanao fanavotana ho an’ ilay hodiovina hahafahany amin’ ny fahalotoany; ary rehefa afaka izany, dia hamono ny fanatitra dorana izy;
20 त्यसपछि पुजारीले होमबलि र अन्‍नबलिलाई वेदीमा अर्पण गर्ने छ । पुजारीले त्यस मानिसको निम्ति प्रायश्‍चित्त गर्ने छ, अनि त्यो शुद्ध हुने छ ।
ary ny mpisorona dia hanatitra ny fanatitra dorana sy ny fanatitra hohanina eo ambonin’ ny alitara ka hanao fanavotana ho an’ ilay olona hodiovina, dia hadio izy.
21 तर यदि त्यो मानिस गरिब छ, र यी बलिदानहरू ल्याउने त्यसको औकात छैन भने, त्यसले एउटा भेडाको पाठोलाई डोलाइनको निम्ति दोषबलिको रूपमा आफ्नै निम्ति प्रायश्‍चित्त गर्नलाई ल्याओस्, र अन्‍नबलिको निम्ति तेलमा मुछिएको आधा पाथी मसिनो पिठो, र आधा माना तेल,
Fa raha malahelo kosa izy, ka tsy tratry ny ananany izany, dia hitondra zanak’ ondry iray hatao fanati-panonerana havehaveva izy, hanaovana fanavotana ho azy, ary koba tsara toto iray ampahafolon’ ny efaha voaharo diloilo hatao fanatitra hohanina sy diloilo iray loga
22 र आफूले ल्याउन सक्‍ने जति दुईवटा ढुकुर वा परेवाका दुई बचेरा ल्याओस् । एउटा चराचाहिँ पापबलि हुने छ र अर्कोचाहिँ होमबलि हुने छ ।
ary domohina roa, na zana-boromailala roa, araka izay tratry ny ananany, ka ny anankiray hatao fanatitra noho ny ota, ary ny anankiray hatao fanatitra dorana.
23 आठौँ दिनमा त्यसले यी सबै आफ्नो शुद्धिकरणको निम्ति पुजारीकहाँ परमप्रभुको अगि भेट हुने पालको प्रवेशद्वारमा ल्याओस् ।
Dia ho eniny any amin’ ny mpisorona ireo amin’ ny andro fahavalon’ ny fanadiovana azy, ho eo anoloan’ ny varavaran’ ny trano-lay fihaonana eo anatrehan’ i Jehovah.
24 पुजारीले बलिदानको निम्ति भेडाको बच्‍चा लिने छ, र त्यससँगै उसले आधा माना जैतूनको तेल लिने छ, र उसले ती माथि उठाएर परमप्रभुको अगि अर्पण गर्ने छ ।
Dia horaisin’ ny mpisorona ny zanak’ ondrilahy izay hatao fanati-panonerana sy ny diloilo iray loga ka hahevahevany ho fanatitra ahevaheva eo anatrehan’ i Jehovah.
25 उसले दोषबलिको निम्ति भेडाको बच्‍चालाई मार्ने छ, र दोषबलिको केही रगत लिएर शुद्ध गरिनुपर्ने मानिसको दाहिने कानको टुप्‍पो, दाहिने हातको बुढी औँला, र दाहिने खुट्‍टाको बुढी औँलामा लगाउने छ ।
Dia hovonoina ny zanak’ ondry izay hatao fanati-panonerana, dia hangalan’ ny mpisorona ny ran’ ny fanati-panonerana, ka hotentenany ny tendron’ ny ravin-tsofina ankavanan’ ilay hodiovina sy ny ankihiben-tànany ankavanana ary ny ankihiben-tongony ankavanana;
26 त्यसपछि पुजारीले केही तेल आफ्नो देब्रे हातको हत्‍केलामा खन्‍याउने छ,
ary hangalan’ ny mpisorona ny diloilo ka haidiny eo ampela-tànany ankavia;
27 र उसले आफ्नो दाहिने हातको औँलाले आफ्नो देब्रे हातमा भएको तेलबाट केही परमप्रभुको अगि सात पटकसम्‍म छर्कने छ ।
dia hangalan’ ny mpisorona amin’ ny fanondrony ankavanana ny diloilo izay eo ampela-tànany ankavia, ka hafafiny impito eo anatrehan’ i Jehovah;
28 त्यसपछि पुजारीले आफ्नो हातमा भएको तेलबाट केही लिएर दोषबलिको रगत जहाँ-जहाँ लगाएको थियो अर्थात् शुद्ध गरिनुपर्ने मानिसको दाहिने कानको टुप्‍पो, दाहिने हातको बुढी औँला, र दाहिने खुट्‍टाको बुढी औँलामा लगाउने छ ।
dia hotentenan’ ny mpisorona amin’ ny diloilo izay eo an-tànany ny tendron’ ny ravin-tsofina ankavanan’ ilay hodiovina sy ny ankihiben-tànany ankavanana sy ny ankihiben-tongony ankavanana, eo amin’ ilay nasiana ny ran’ ny fanati-panonerana;
29 परमप्रभुको अगि शुद्ध गरिनुपर्ने मानिसको निम्ति प्रायश्‍चित्त गर्नलाई उसले आफ्नो हातमा भएको बाँकी तेल त्यस मानिसको शिरमा लगाइदिने छ ।
ary ny diloilo sisa eo ampela-tànan’ ny mpisorona dia hataony amin’ ny lohan’ ilay hodiovina hanaovana fanavotana ho azy eo anatrehan’ i Jehovah.
30 उसले ढुकुरहरूमध्ये वा परेवाका बचेराहरूमध्ये एउटालाई आफ्नो क्षमताअनुसार अर्पण गरोस्-
Dia hateriny koa ny domohina anankiray, na ny zana-boromailala anankiray, araka izay tratry ny ananany,
31 अन्‍नबलिसँगै उसले एउटाचाहिँ पापबलि र अर्को होमबलिको निम्ति अर्पण गरोस् ।
dia ny anankiray hatao fanatitra noho ny ota, ary ny anankiray kosa hatao fanatitra dorana, mbamin’ ny fanatitra hohanina; ary ny mpisorona dia hanao fanavotana ho an’ ilay hodiovina eo anatrehan’ i Jehovah.
32 छालामा सरुवा रोग भएको मानिस जसले आफ्नो शुद्धिकरणको निम्ति आवश्‍यक बलि ल्याउन सक्‍दैन, त्यसको निम्ति विधि यी नै हुन् ।”
Izany no lalàna ny amin’ ny boka, raha tsy tratry ny ananany izay hanadiovana azy.
33 परमप्रभुले मोशा र हारूनलाई यसो भन्‍नुभयो,
Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy sy Arona ka nanao hoe:
34 “मैले तिमीहरूलाई अधिकार गर्न दिएको कनान देशमा पुगेपछि तिमीहरूको अधिकार हुने त्यस देशमा यदि मैले तिमीहरूका घरमा फैलिने ढुसी पठाएँ भने,
Rehefa tonga any amin’ ny tany Kanana izay omeko ho taninareo ianareo, ka misy trano hasiako habokana amin’ ny tany fanananareo,
35 घरको मालिकले आएर पुजारीलाई त्यसबारे बताओस् । त्यसले भनोस् ‘मैले मेरो घरमा ढुसीजस्तै केही देखेको छु ।’
dia handeha ny tompon-trano ka hilaza amin’ ny mpisorona hoe: Toa misy aretina miseho ao amin’ ny tranoko.
36 त्यसपछि पुजारीले त्यहाँ गएर ढुसी छ वा छैन भनेर हेर्नुभन्दा अगि तिनीहरूले त्यो घर खाली गर्नू भनेर उसले आज्ञा गर्ने छ, ता कि घरमा भएको कुनै पनि कुरा अशुद्ध नहोस् ।
Dia hasain’ ny mpisorona hesorina aloha ny entana ao an-trano mandra-pihaviny hizaha ny aretina, mba tsy hahalotoan’ ny zavatra rehetra ao an-trano; ary rehefa vita izany, dia ho avy ny mpisorona hizaha ny trano;
37 घरका पर्खालहरूमा ढुसी आएको छ वा छैन र त्यसले पर्खालका सतहहरूमा हरियो वा रातो रेखाहरू बनाएको छ वा छैन भनेर उसले जाँच गर्ने छ ।
ary raha zahany ny aretina, ka hitany fa mihady eo amin’ ny rindrin’ ny trano izy ka maitsomaitso na menamena, ary milentika eo amin’ ny rindrin-trano no fijeriny azy,
38 यदि घरमा ढुसी आएको छ भने, पुजारी घरबाट बाहिर जाने छ र घरको ढोका सात दिनसम्‍म बन्‍द गरिदिने छ ।
dia hivoaka ho eo am-baravarana ny mpisorona ka hanidy ny trano tsy hivoha hafitoana.
39 सातौँ दिनमा पुजारी फर्कने छ र घरका पर्खालहरूमा ढुसी फैलिएको छ वा छैन भनेर जाँच गर्ने छ ।
Ary hiverina ny mpisorona amin’ ny andro fahafito, ary raha zahany ny aretina, ka hitany fa nanitatra teo amin’ ny rindrin’ ny trano izy,
40 यदि फैलिएको छ भने, पुजारीले ढुसी देखा परेका ढुङ्गाहरूलाई झिकेर सहरभन्दा बाहिर कुनै एउटा अशुद्ध स्थानमा फ्याँक्‍न आज्ञा गर्ने छ ।
dia hasain’ ny mpisorona hesorina ny vato izay misy azy ka hariana amin’ izay fitoerana maloto eo ivelan’ ny tanàna;
41 घरका सबै भित्री पर्खालहरू खुर्कनुपर्ने छ, र खुर्किएर निकालिएको फोहोर वस्‍तुलाई सहरबाट बाहिर लगेर कुनै अशुद्ध स्थानमा फ्याँक्‍नुपर्छ ।
dia hasainy hokikisana ny ati-trano rehetra, ary ny kikiny dia harian’ ny olona amin’ izay fitoerana maloto eny ivelan’ ny tanàna.
42 तिनीहरूले अरू ढुङ्गाहरू लिएर ती झिकिएका ढुङ्गाहरूका स्थानमा राखून् र घरका पर्खालहरू पोत्‍नको निम्ति नयाँ माटो प्रयोग गरून् ।
Ary dia haka vato hafa kosa ny olona, ka hasolony ny vato teo; ary haka feta koa izy ka handalotra ny trano.
43 ढुङ्गाहरू निकालिएको र पर्खाल खुर्किएर पोतिएको घरमा फेरि ढुसी देखा पर्‍यो र त्यो फैलियो भने,
Fa raha tàhiny miseho indray ny aretina ka mifariparitra eo amin’ ny trano, rehefa voaisotra ny vato, ary rehefa voakiky sady voalalotra ny trano,
44 पुजारी आएर घरमा ढुसी फैलिएको छ वा छैन भनेर जाँच गर्ने छ । यदि त्यो फैलिएको छ भने, त्यो हानि गर्ने ढुसी हो र त्यो घर अशुद्ध हुन्छ ।
ary tonga ny mpisorona ka mizaha, ary hitany fa nanitatra teo amin’ ny trano ny aretina, dia habokana mafy eo amin’ ny trano izany, ka dia maloto izy.
45 त्यो घर भत्‍काइयोस् । त्यस घरका ढुङ्गाहरू, काठहरू र पोतिएको माटो सबै सहरभन्दा बाहिर कुनै अशुद्ध स्थानमा लगियोस् ।
Ary horavana ny trano, dia ny vato sy ny hazo ary ny lalotra rehetra, ka ho entina ho amin’ izay fitoerana maloto eny ivelan’ ny tanàna.
46 साथै, त्यो घर बन्‍द गरिएको बेला त्यहाँ प्रवेश गर्ने मानिस साँझसम्म अशुद्ध हुने छ ।
Ary izay miditra ao amin’ izany trano izany amin’ ny andro rehetra izay hihidiany dia haloto mandra-paharivan’ ny andro;
47 त्यस घरमा सुतेका वा खाएका जोसुकैले आफ्ना लुगाहरू धोऊन् ।
ary izay mandry ao dia hanasa ny fitafiany; ary izay mihinana ao dia hanasa ny fitafiany koa.
48 घरलाई पोतिसकेपछि त्यहाँ ढुसी फैलिएको छ वा छैन भनेर पुजारी त्यस घरभित्र जाँच्‍नको निम्ति जाँदा यदि ढुसी बिलाइसकेको रहेछ भने, उसले त्यो घरलाई शुद्ध घोषणा गर्ने छ ।
Kanefa kosa raha tonga ny mpisorona ka mizaha azy, ary hitany fa tsy nanitatra teo amin’ ny trano ny aretina, rehefa voalalotra ny trano, dia hataon’ ny mpisorona hoe madio ny trano, satria efa afaka ny aretina.
49 त्यसपछि पुजारीले घरलाई शुद्ध गर्नको निम्ति दुईवटा चरा, देवदारुको काठ, सिन्दुरे रङ्गको धागो र हिसप लिओस् ।
Ary haka vorona roa sy hazo sedera sy jaky ary hysopa izy hanadiovana ny trano.
50 उसले माटोको भाँडाको ताजा पानीमाथि एउटा चरालाई मार्ने छ ।
Dia hovonoiny eo ambonin’ ny vilany tany izay misy rano nalaina tamin’ ny rano mandeha ny vorona anankiray;
51 उसले देवदारुको काठ, हिसप, सिन्दुरे रङ्गको धागो, र जीवित चरा लिएर ती सबैलाई मारिएको चराको रगत र ताजा पानीमा चोप्‍ने छ र घरमा सात पटक छर्कने छ ।
dia horaisiny ny hazo sedera sy ny hysopa sy ny jaky ary ny vorona velona, ka hatsobony eo amin’ ny ran’ ny vorona izay novonoina sy eo amin’ ny rano nalaina tamin’ ny rano mandeha, dia hamafazany ny trano impito.
52 उसले त्यो घरलाई चराको रगत र ताजा पनि, जीवित चरा, देवदारुको काठ, हिसप र सिन्दुरे रङ्गको धागोले शुद्ध गर्ने छ ।
Dia hanadio ny trano amin’ ny ran’ ny vorona izy sy amin’ ny rano nalaina tamin’ ny rano mandeha sy amin’ ny vorona velona sy amin’ ny hazo sedera sy amin’ ny hysopa ary amin’ ny jaky.
53 तर उसले जीवित चरालाई भने सहरबाट बाहिर खुला मैदानहरूमा जान दिने छ । यसरी उसले त्यो घरको निम्ति प्रायश्‍चित्त गरोस्, र त्यो शुद्ध हुने छ ।
Fa hasainy ho entina eny ivelan’ ny tanàna ny vorona velona ka halefa; dia hanao fanavotana ho an’ ny trano izy, ka dia hadio izany.
54 सबै प्रकारका सरुवा रोगहरू र त्यस्ता रोग ल्याउने वस्‍तुहरू र चिलाउने रोग,
Izany no lalàna ny amin’ ny habokana rehetra sy ny kongonina,
55 लुगा र घरभित्रको ढुसी,
ary amin’ ny habokana amin’ ny fitafiana sy amin’ ny trano,
56 सुनिएर फुलेको ठाउँ, डाबर, र उज्‍ज्‍वल दागलाई,
ary ny amin’ ny mamontsina sy ny manako-pery ary ny mifaritra fotsy mangirana,
57 ती कुन बेला अशुद्ध छन् र कुन बेला शुद्ध छन् भनेर निर्धारण गर्नका निम्ति विधि यी नै हुन् । छालाका सरुवा रोगहरू र ढुसीको निम्ति विधि यी नै हुन् ।”
hampianatra hahalalana ny andro hahadiovana sy ny andro hahalotoana. Izany no lalàna ny amin’ ny habokana.

< लेवीहरू 14 >