< प्रस्थान 16 >

1 मानिसहरूले एलीमबाट यात्रा थाले र मिश्र देशबाट प्रस्थान गरेको दोस्रो महिनाको पन्ध्रौँ दिनमा इस्राएलीहरूका सारा समुदाय एलीम र सीनै पर्वतको बिचमा पर्ने सीनको उजाड-स्थानमा आइपुगे ।
Ary tamin’ ny andro fahadimy ambin’ ny folo tamin’ ny volana faharoa taorian’ ny nialany tany amin’ ny tany Egypta dia nifindra niala tao Elima ny fiangonana, dia ny Zanak’ Isiraely rehetra, ka nankany amin’ ny efitra Sina, izay eo anelanelan’ i Elima sy Sinay.
2 उजाड-स्थानमा इस्राएलीहरूका सारा समुदायले मोशा र हारूनको विरुद्धमा गनगन गरे ।
Dia nimonomonona tamin’ i Mosesy sy Arona tany an-efitra ny fiangonana, dia ny Zanak’ Isiraely rehetra,
3 इस्राएलीहरूले तिनीहरूलाई भने, “हामी मासुको भाँडानेर बसेर अघाउञ्‍जेल रोटी खाइरहँदा मिश्र देशमा नै परमप्रभुको हातद्वारा मरेको भए हुनेथियो । किनकि तपाईंहरूले हाम्रो पुरै समुदायलाई भोकले मार्न हामीलाई उजाड-स्थानमा ल्याउनुभएको छ ।”
ka nanao taminy hoe: Inay anie izahay mba matin’ ny tànan’ i Jehovah tany amin’ ny tany Egypta, raha nipetraka teo anilan’ ny fahandroan-kena ka nihinan-kanina ho voky; fa nitondra anay nivoaka ho atỳ an-efitra ianareo hahafaty mosary izao fiangonana rehetra izao.
4 तब परमप्रभुले मोशालाई भन्‍नुभयो, “म तिमीहरूका निम्ति स्वर्गबाट रोटी बर्साउनेछु । तिनीहरू मेरो विधि मान्छन् वा मान्दैनन् भनी जाँच गर्न हरेक दिन एक दिनको भाग जम्मा गर्न मानिसहरू बाहिर जानेछन् ।
Ary hoy Jehovah tamin’ i Mosesy: Indro, Izaho handatsaka mofo avy any an-danitra ho anareo; dia hivoaka ny olona ka hanangona izay sahaza hohaniny isan’ andro, hizahako toetra azy, na handeha manaraka ny lalako izy, na tsia.
5 छैटौँ दिनमा तिनीहरूले पहिले हरेक दिनमा बटुल्ने भन्दा दुई गुणा बटुल्नेछन्, र तिनीहरूले त्यसलाई भित्र ल्याएर पकाउनेछन् ।”
Ary raha mby amin’ ny andro fahenina dia hamboariny izay azony; ary hisy indroa toraka izay angoniny isan’ andro.
6 तब मोशा र हारूनले इस्राएलका सबै मानिसलाई भने, “मिश्र देशबाट तिमीहरूलाई निकालेर ल्याउनुहुने परमप्रभु नै हुनुहुन्छ भनी साँझमा तिमीहरूले थाहा पाउनेछौ ।
Ary hoy Mosesy sy Arona tamin’ ny Zanak’ Isiraely rehetra: Anio hariva dia ho fantatrareo fa Jehovah no nitondra anareo nivoaka avy tany amin’ ny tany Egypta;
7 बिहान तिमीहरूले परमप्रभुको महिमा देख्‍नेछौ किनकि तिमीहरूले उहाँको विरुद्धमा गरेको गनगन उहाँले सुन्‍नुभएको छ । हाम्रो विरुद्धमा गनगन गर्ने तिमीहरूका लागि हामी को हौँ र?
ary rahampitso maraina dia ho hitanareo ny voninahitr’ i Jehovah, fa efa reny ny fimonomononanareo tamin’ i Jehovah; fa izahay moa no inona, no imonomononanareo?
8 मोशाले यसो पनि भने, “तिमीहरूले उहाँको विरुद्धमा गरेको गनगन उहाँले सुन्‍नुभएकोले उहाँले तिमीहरूलाई साँझमा मासु र बिहान रोटी अघाउञ्‍जेल दिनुहुँदा तिमीहरूले यो जान्‍नेछौ । हारून र म को हौँ र? तिमीहरूको गनगन हाम्रा विरुद्धमा नभई परमप्रभुको विरुद्धमा हो ।”
Ary hoy koa Mosesy; Ho hitanareo izany, raha homen’ i Jehovah hena hohanina ianareo anio hariva, ary mofo hahavoky rahampitso maraina; fa efa ren’ i Jehovah ny fimonomononanareo, izay nimonomononanareo taminy; fa izahay moa no inona? Tsy izahay no imonomononanareo, fa Jehovah.
9 मोशाले हारूनलाई भने, “इस्राएलका सारा समुदायलाई भन्‍नुहोस्, 'परमप्रभुको नजिक आओ किनकि उहाँले तिमीहरूको गनगन सुन्‍नुभएको छ' ।”
Ary hoy Mosesy tamin’ i Arona: Lazao amin’ ny fiangonana, dia ny Zanak’ Isiraely rehetra, hoe: Manatòna eo anatrehan’ i Jehovah; fa efa reny ny fimonomononanareo.
10 हारून इस्राएलको सारा समुदायसित बोल्दा तिनीहरूले उजाड-स्थानतिर हेरे र परमप्रभुको महिमा बादलमा देखियो ।
Ary raha Arona mbola niteny tamin’ ny fiangonana, dia ny Zanak’ Isiraely rehetra, dia nijery nanatrika ny efitra izy ireo, ka, indro, ny voninahitr’ i Jehovah niseho teo amin’ ny rahona.
11 तब परमप्रभुले मोशालाई यसो भन्‍नुभयो,
Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:
12 “मैले इस्राएलका मानिसहरूको गनगन सुनेको छु । तिनीहरूलाई भन्, 'साँझमा तिमीहरूले मासु खानेछौ, र बिहानचाहिँ तिमीहरूले अघाउञ्‍जेल रोटी खानेछौ । तब म नै तिमीहरूका परमप्रभु परमेश्‍वर हुँ भनी तिमीहरूले जान्‍नेछौ' ।”
Efa reko ny fimonomononan’ ny Zanak’ Isiraely, koa mitenena aminy hoe: Anio hariva dia hihinan-kena ianareo, ary rahampitso maraina kosa dia ho voky mofo ianareo, ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah Andriamanitrareo.
13 साँझमा बट्टाई चराहरू आएर तिनीहरूको छाउनी नै ढाकिदिए । बिहान छाउनीको वरिपरि शीत परेको थियो ।
Ary nony hariva dia niakatra ny papelika, ka rakotra azy ny toby; ary nony maraina dia nisy ando manodidina ny toby;
14 शीत सुकेपछि जमिनमा देखा परेको तुसारोझैँ स-साना डल्लाहरू उजाड-स्थानको सतहमा थिए ।
ary nony niala ny ando, dia, indro, nisy zava-madinika boribory teny amin’ ny efitra, madinika toy ny fanala amin’ ny tany.
15 इस्राएलका मानिसहरूले यसलाई देखेपछि तिनीहरूले एक-अर्कालाई भने, “यो के हो?” यो के थियो भनी तिनीहरूलाई थाहा थिएन । मोशाले तिनीहरूलाई भने, “यो परमप्रभुले तिमीहरूलाई खानलाई दिनुभएको रोटी हो ।
Ary rehefa hitan’ ny Zanak’ Isiraely izany, dia nifanontany hoe izy: Inona itony? satria tsy fantany ireny. Dia hoy Mosesy taminy: Itony no mofo izay nomen’ i Jehovah ho fihinanareo.
16 परमप्रभुले दिनुभएको आज्ञा यस्तो छः तिमीहरू हरेकले आफूलाई चाहिने बटुल अर्थात् तिमीहरूका मानिसहरूको सङ्ख्याअनुसार हरेकलाई एक-एक ओमेर बटुल । तिमीहरूको पालमा बस्‍ने हरेक व्यक्तिलाई पर्याप्‍त हुने गरी बटुल' ।”
Izao no teny izay nandidian’ i Jehovah: Samia manangona azy ianareo araka izay tokony ho laninareo avy, dia eran’ ny vata omera avy ho amin’ ny isan-olona, araka ny isanareo; samia mitondra ianareo rehetra ho an’ izay ao an-dainy avy.
17 इस्राएलका मानिसहरूले त्यसै गरे । कसैले धेरै बटुले भने कसैले थोरै ।
Dia nanao izany ny Zanak’ Isiraely, ka samy nanangona: ny sasany nanangona be, ary ny sasany kosa kely.
18 तिनीहरूले ओमेरले नाप्दा धेरै बटुल्नेहरूको बढ्ता भएन र कम बटुल्नेहरूलाई पनि अपुग भएन । हरेक व्यक्तिले आफ्नो आवश्यकताअनुसार बटुल्यो ।
Ary raha nafatrany tamin’ ny vata omera izany, dia tsy nanana amby ny nanangona be, ary ny nanangona kely tsy nanana ny tsy ampy; samy nanangona araka izay fihinany avy izy.
19 तब मोशाले तिनीहरूलाई भने, “बिहानसम्म तिमीहरू कसैले पनि यसबाट नउबार ।”
Ary hoy Mosesy taminy: Aza misy mamela sisa ho tra-maraina.
20 तर तिनीहरूले मोशाको कुरा मानेनन् । कसैले बिहानसम्म अलिकति उबारे, तर त्यसमा किरा लागेर त्यो गन्हायो । त्यसपछि मोशा तिनीहरूसित रिसाए ।
Kanefa tsy mba nanaraka ny tenin’ i Mosesy izy, fa namela sisa ho tra-maraina ihany ny olona sasany, dia niteraka olitra izany ka maimbo; ary dia tezitra tamin’ ny olona Mosesy.
21 तिनीहरूले बिहानैपिच्छे बटुल्थे । हरेकले त्यस दिनलाई पुग्‍ने बटुल्थ्यो । घाम चर्केपछि त्यो पग्लन्थ्यो ।
Ary nanangona ny mana isa-maraina ny olona, dia samy araka izay fihinany avy; ary nony nafana ny andro, dia levona ireny.
22 छैटौँ दिनमा तिनीहरूले दुई गुणा रोटी बटुले अर्थात् हरेकको लागि दुई ओमेर बटुले । समुदायका सारा धर्म-गुरुहरू आएर मोशालाई यो कुरा बताए ।
Ary nony tamin’ ny andro fahenina dia nanangona avy sasaka noho ny isan’ andro ny olona, dia indroan’ ny vata omera ho an’ ny isan-olona avy; dia avy ny lohan’ ny fiangonana ka nanambara tamin’ i Mosesy.
23 तिनले तिनीहरूलाई भने, “परमप्रभुले यसो भन्‍नुभएको छः भोलि विश्रामको दिन हो अर्थात् परमप्रभुको दृष्‍टिमा पवित्र शबाथ हो । तिमीहरू जे पकाउन चाहन्छौ, सो पकाओ र जे उमाल्न चाहन्छौ, सो उमाल । उब्रेको जति सबै बिहानसम्म आफ्नो लागि राख्‍नू' ।”
Ary hoy Mosesy taminy: Izao no lazain’ i Jehovah: Rahampitso dia tena andro fitsaharana masìna ho an’ i Jehovah; koa manendasa izay hendasinareo, ary mahandroa izay handrahoinareo, ary izay sisa rehetra dia avelao ho anareo, hotehirizina ho tra-maraina.
24 त्यसैले तिनीहरूले मोशाले निर्देशन दिएजस्तै यसलाई बिहानसम्म राखे ।
Dia namela izany ho tra-maraina izy, araka izay nandidian’ i Mosesy; ary tsy mba maimbo na niteraka olitra izany.
25 मोशाले भने, “त्यो खाना आज खाओ किनकि आजको दिन परमप्रभुको निम्ति अलग गरिएको शबाथ हो । आज तिमीहरूले यो खाना जमिनमा पाउनेछैनौ ।
Ary hoy Mosesy: Hano ireny anio, fa Sabata ho an’ i Jehovah anio, ka anio no tsy hahitanareo azy any an-tsaha.
26 छ दिनसम्म तिमीहरूले यो बटुल्नेछौ, तर सातौँ दिनचाहिँ शबाथ हो ।
Henemana no hanangonanareo azy; fa Sabata ny andro fahafito, ka dia tsy hisy amin’ izany.
27 सातौँ दिनमा त्यहाँ मन्‍न हुनेछैन ।” सातौँ दिनमा पनि केही मानिसहरू मन्‍न बटुल्न गए, तर तिनीहरूले केही पाएनन् ।
Ary nony tamin’ ny andro fahafito dia nisy olona nivoaka hanangona, fa tsy nahita na dia kely akory aza.
28 तब परमप्रभुले मोशालाई भन्‍नुभयो, “कहिलेसम्म तिमीहरू मेरा आज्ञा र विधिहरू मान्‍नलाई इन्कार गर्छौ?
Ary hoy Jehovah tamin’ i Mosesy: Mandra-pahoviana no handavanareo tsy hitandrina ny didiko sy ny lalàko?
29 परमप्रभुले तिमीहरूलाई शबाथ दिनुभएको छ । त्यसैले छैटौँ दिनमा उहाँले तिमीहरूलाई दुई दिनको लागि रोटी दिँदै हुनुहुन्छ । हरेक आ-आफ्नै ठाउँमा बस्‍नू । सातौँ दिनमा कोही पनि आफ्नो ठाउँबाट बाहिर नजानू ।”
Saino fa Jehovah no nanome anareo ny Sabata, koa izany no anomezany anareo mofo ampy ho indroa andro amin’ ny andro fahenina; samia mitoetra eo amin’ ny fitoerany avy ianareo, ka aoka tsy hisy hiala amin’ ny fitoerany amin’ ny andro fahafito.
30 त्यसैले मानिसहरूले सातौँ दिनमा विश्राम गरे ।
Dia nitsahatra ny olona tamin’ ny andro fahafito.
31 इस्राएलका मानिसहरूले त्यस खानालाई “मन्‍न” भने । यो धनियाँको गेडाजस्तो सेतो थियो र यसको स्वाद महमा बनाइएको बाबरजस्तो थियो ।
Ary ny anarany dia nataon’ ny taranak’ Isiraely hoe Mana; ary tahaka ny voan-drafy izy sady fotsy; ary ny fanandramana azy dia tahaka ny mofo misy tantely.
32 मोशाले भने, “परमप्रभुले दिनुभएको आज्ञा यही होः एक ओमेर मन्‍न तिमीहरूको पुस्तौँसम्मको लागि राख ताकि तिमीहरूका सन्तानहरूले मैले तिमीहरूलाई मिश्र देशबाट निकालेर ल्याएपछि उजाड-स्थानमा खुवाएको यो रोटी देख्‍न सकून्' ।”
Ary hoy Mosesy: Izao no teny izay nandidian’ i Jehovah: Analao eran’ ny vata omera izy hotehirizina hatramin’ ny taranakareo fara mandimby, mba ho hitany ny mofo izay nampihinaniko anareo tany an-efitra, raha nitondra anareo nivoaka avy tany amin’ ny tany Egypta Aho.
33 मोशाले हारूनलाई भने, “एउटा भाँडोभित्र एक ओमेर मन्‍न हाल्नुहोस् । पुस्तौँसम्म यसलाई परमप्रभुको सामु सुरक्षित राख्‍नुहोस् ।”
Ary hoy Mosesy tamin’ i Arona: Makà vilany, ka asio mana eran’ ny vata omera eo anatiny, dia apetraho eo anatrehan’ i Jehovah mba hotehirizina hatramin’ ny taranakareo fara mandimby.
34 परमप्रभुले मोशालाई आज्ञा गर्नुभएझैँ हारूनले यसलाई करारको सन्दुकको छेउमा राखे ।
Ary araka izay nandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy no nametrahan’ i Arona izany teo anatrehan’ ny Vavolombelona mba hotehirizina.
35 इस्राएलीहरू मानिसहरू बसोबास गरेको भूमिमा नआउञ्‍जेलसम्म तिनीहरूले चालिस वर्षसम्म मन्‍न खाइरहे । तिनीहरू कनान देशका सिमानाहरूमा नआउञ्‍जेलम्म यो खाइरहे ।
Ary ny Zanak’ Isiraely nihinana mana mandritra ny efa-polo taona mandra-pahatongany tany amin’ izay tany misy monina: eny, mana no nohaniny mandra-pahatongany tany amin’ ny sisin’ ny tany Kanana.
36 एक ओमेर आधा पाथी हुन्छ ।
Ary ny omera dia ampahalofon’ ny vata efaha.

< प्रस्थान 16 >