< 2 Amakhosi 16 >
1 Ngomnyaka wetshumi lesikhombisa kaPheka indodana kaRemaliya uAhazi indodana kaJothamu inkosi yakoJuda waba yinkosi.
Tamin’ ny taona fahafito ambin’ ny folo nanjakan’ i Peka, zanak’ i Remalia, no vao nanjakan’ i Ahaza, zanak’ i Jotama, mpanjakan’ ny Joda.
2 UAhazi wayeleminyaka engamatshumi amabili lapho esiba yinkosi; wabusa iminyaka elitshumi lesithupha eJerusalema. Kenzanga-ke okulungileyo emehlweni eNkosi uNkulunkulu wakhe, njengoDavida uyise.
Roa-polo taona Ahaza, fony izy vao nanjaka, ary enina ambin’ ny folo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ary tsy nanao izay mahitsy eo imason’ i Jehovah Andriamaniny tahaka ny nataon’ i Davida rainy izy;
3 Kodwa wahamba ngendlela yamakhosi akoIsrayeli, yebo, futhi wenza indodana yakhe idabule emlilweni, njengezinengiso zezizwe iNkosi eyazixotsha elifeni phambi kwabantwana bakoIsrayeli.
fa nandeha tamin’ ny lalan’ ny mpanjakan’ ny Isiraely izy; eny, ny zananilahy aza dia nampamakiny ny afo, araka ny fahavetavetan’ ny jentilisa izay noroahin’ i Jehovah tsy ho eo anoloan’ ny Zanak’ Isiraely.
4 Wanikela imihlatshelo watshisa impepha endaweni eziphakemeyo laphezu kwamaqaqa langaphansi kwaso sonke isihlahla esiluhlaza.
Ary namono zavatra hatao fanatitra izy sady nandoro ditin-kazo manitra teny amin’ ny fitoerana avo sy teny amin’ ny havoana ary teny ambanin’ ny hazo maitso rehetra.
5 Khona uRezini inkosi yeSiriya loPheka indodana kaRemaliya, inkosi yakoIsrayeli, benyukela eJerusalema ukulwa, bamvimbezela uAhazi kodwa kababanga lakho ukunqoba.
Ary tamin’ izany dia niakatra hanafika an’ i Jerosalema Rezina, mpanjakan’ i Syria, sy Peka, zanak’ i Remalia, mpanjakan’ ny Isiraely; ary nanao fahirano an’ i Ahaza izy, nefa tsy naharesy azy.
6 Ngalesosikhathi uRezini inkosi yeSiriya wabuyisela iElathi eSiriya, waxotsha amaJuda eElathi; amaSiriya asesiza eElathi ahlala khona kuze kube lamuhla.
Tamin’ izany andro izany Rezina, mpanjakan’ i Syria, dia nahalasa an’ i Elota ho isan’ ny fanjakan’ i Syria ka nandroaka ny Jiosy hiala tao; ary ny Syriana nankany Elota ka monina ao mandraka androany.
7 UAhazi wasethuma izithunywa kuTigilathi Pileseri inkosi yeAsiriya esithi: Ngiyinceku yakho lendodana yakho; yenyuka ungisindise esandleni senkosi yeSiriya lesandleni senkosi yakoIsrayeli abangivukelayo.
Ary Ahaza naniraka olona ho any amin’ i Tiglato-pilesera, mpanjakan’ i Asyria, hanao hoe: Mpanomponao sy zanakao aho; miakara, ka vonjeo aho tsy ho azon’ ny mpanjakan’ i Syria sy ny mpanjakan’ ny Isiraely, izay efa mitsangana hiady amiko.
8 UAhazi wasethatha isiliva legolide okwakutholwa endlini kaJehova lenothweni yendlu yenkosi, wathumela isipho enkosini yeAsiriya.
Ary nalain’ i Ahaza ny volafotsy sy ny volamena izay hita tao an-tranon’ i Jehovah sy tao amin’ ny rakitry ny tranon’ ny mpanjaka, dia nampanateriny ho fanomezana ho an’ ny mpanjakan’ i Asyria.
9 Inkosi yeAsiriya yasimlalela, ngoba inkosi yeAsiriya yenyuka imelene leDamaseko yayithumba, yabathumbela eKiri abantu bayo, yabulala uRezini.
Dia nanaiky ny teniny ny mpanjakan’ i Asyria ka niakatra hamely an’ i Damaskosy ary nahafaka azy; dia nentiny ho any Kira ny olona nobaboiny, fa Rezina kosa novonoiny.
10 Inkosi uAhazi yasisiya eDamaseko ukuhlangana loTigilathi Pileseri inkosi yeAsiriya, yabona ilathi elaliseDamaseko. Inkosi uAhazi yasithumela kuUriya umpristi isimo selathi lomfanekiso walo njengokwenziwa kwalo konke.
Ary nandeha Ahaza mpanjaka hitsena an’ i Tiglato-pilesera, mpanjakan’ i Asyria, any Damaskosy; ary nony nahita ny alitara tao Damaskosy izy, dia nampitondra ny mariky ny alitara sy ny sariny araka ny fombany rehetra ho any amin’ i Oria mpisorona.
11 U-Uriya umpristi wasesakha ilathi njengakho konke uAhazi akuthumela kuvela eDamaseko; uUriya umpristi wenza njalo, yaze yafika inkosi uAhazi ivela eDamaseko.
Ary Oria mpisorona dia nanao alitara: araka ny marika rehetra nampitondrain’ i Ahaza mpanjaka avy tany Damaskosy no nanaovan’ i Oria mpisorona azy mandra-pihavin’ i Ahaza mpanjaka avy tany Damaskosy.
12 Inkosi isibuyile eDamaseko inkosi yalibona ilathi. Inkosi yasondela elathini, yanikela phezu kwalo.
Ary nony tonga avy tany Damaskosy ny mpanjaka, dia nandeha nizaha azy izy ary nanatona ka nanatitra fanatitra teo amboniny.
13 Yasitshisa umnikelo wayo wokutshiswa lomnikelo wayo wokudla, yathela umnikelo wayo wokunathwayo, yafafaza igazi leminikelo yokuthula eyayilayo phezu kwelathi.
Ary nandoro ny fanatitra dorany sy ny fanatitra hohaniny teo izy ary nanidina ny fanatitra aidiny sady nanopy ny ran’ ny fanati-pihavanany tamin’ ny alitara.
14 Kodwa ilathi lethusi elaliphambi kweNkosi yaliletha lisuka phambi kwendlu, lisuka phakathi kwelathi lendlu yeNkosi, yalifaka ehlangothini lwenyakatho lwelathi.
Ary ny alitara varahina kosa, izay teo anatrehan’ i Jehovah, dia nafindrany hiala eo anoloan’ ny trano dia eo anelanelan’ ny alitara vaovao sy ny tranon’ i Jehovah ka nataony teo avaratry ny alitarany.
15 Inkosi uAhazi yasimlaya uUriya umpristi isithi: Phezu kwelathi elikhulu tshisa umnikelo wokutshiswa wekuseni, lomnikelo wokudla wantambama, lomnikelo wokutshiswa wenkosi, lomnikelo wayo wokudla, lomnikelo wokutshiswa wabo bonke abantu belizwe, lomnikelo wabo wokudla, leminikelo yabo yokunathwayo; ufafaze phezu kwalo lonke igazi lomnikelo wokutshiswa lalo lonke igazi lomhlatshelo. Kodwa ilathi lethusi lizakuba ngelami ukubuza ngalo.
Ary Ahaza mpanjaka nandidy an’ i Oria mpisorona hoe: Eo ambonin’ ny alitara lehibe no andoroy ny fanatitra dorana maraina sy ny fanatitra hohanina hariva sy ny fanatitra dorana mbamin’ ny fanatitra hohanina izay ho an’ ny mpanjaka, ary ny fanatitra dorana mbamin’ ny fanatitra hohanina sy ny fanatitra aidina izay ho an’ ny vahoaka rehetra ary ny rà rehetra avy amin’ ny fanatitra dorana sy ny fanatitra alatsa-drà hafa dia hatopinao aminy; ary ny amin’ ny alitara varahina dia mbola hataoko fanontanian-javatra
16 U-Uriya umpristi wasesenza njengakho konke inkosi uAhazi eyayikulayile.
Ary Oria mpisorona dia nanao araka izay rehetra nandidian’ i Ahaza mpanjaka.
17 Inkosi uAhazi yasiquma imiphetho yezisekelo, yasusa inditshi yokugezela kuzo, yethula ulwandle phezu kwenkabi zethusi ezazingaphansi kwalo, yalubeka phezu kokugandelwe ngamatshe.
Ary nesorin’ i Ahaza mpanjaka ny kibon ny fitoeran-tavin-drano; ary nesoriny ny tavin-drano, ary ilay tavin-drano lehibe dia nampidininy niala tamin’ ireo omby varahina: izay teo ambaniny ka nataony teo ambony lampivato.
18 Lokwembesiweyo kwesabatha ababekwakhe endlini, lentuba yenkosi phandle, yakususa endlini yeNkosi, ngenxa yenkosi yeAsiriya.
Ary ny Fialofana tamin’ ny Sabata, izay natao teo akaikin’ ny trano, sy ny fidirana ivelany izay an’ ny mpanjaka, dia nafindrany ho ao an-tranon’ i Jehovah noho ny tahony ny mpanjakan’ i Asyria.
19 Ezinye-ke zezindaba zikaAhazi azenzayo, kazibhalwanga yini egwalweni lwemilando yamakhosi akoJuda?
Ary ny tantaran’ i Ahaza sisa, tsy efa voasoratra ao amin’ ny bokin’ ny tantaran’ ny mpanjakan’ ny Joda va izany?
20 UAhazi waselala laboyise, wangcwatshelwa kuboyise emzini kaDavida. UHezekhiya indodana yakhe wasesiba yinkosi esikhundleni sakhe.
Ary Ahaza lasa nodi-mandry any amin’ ny razany, dia nalevina tao amin’ ny razany tao an-Tanànan’ i Davida izy; ary Hezekia zanany nanjaka nandimby azy.