< UJeremiya 37 >
1 UZedekhiya indodana kaJosiya wabekwa nguNebhukhadineza inkosi yaseBhabhiloni ukuba abe yinkosi yakoJuda; wabusa esikhundleni sikaJehoyakhini indodana kaJehoyakhimi.
Ary Zedekia mpanjaka, zanak’ i Josia, dia nanjaka nandimby an’ i Jekonia, zanak’ i Joiakima, fa nampanjakain’ i Nebokadnezara, mpanjakan’ i Babylona, tao amin’ ny tanin’ ny Joda izy;
2 Yena lezinceku zakhe kanye labantu baselizweni kabawanakanga amazwi kaThixo ayewakhulume ngoJeremiya umphrofethi.
nefa na izy, na ny mpanompony, na ny vahoaka, dia samy tsy nihaino ny tenin’ i Jehovah, izay nampilazainy an’ i Jeremia mpaminany.
3 Kodwa uZedekhiya inkosi, wathuma uJehukhali indodana kaShelemiya lomphristi uZefaniya indodana kaMaseya kuJeremiya umphrofethi belaleli ilizwi, elithi, “Ake usikhulekele kuThixo uNkulunkulu wethu.”
Ary Zedekia mpanjaka naniraka an’ i Jehokala, zanak’ i Selemia, sy Zefania, zanak’ i Mahaseia, mpisorona, ho any amin’ i Jeremia mpaminany hanao hoe: Mba ivavaho amin’ i Jehovah Andriamanitsika re izahay.
4 Ngalesisikhathi uJeremiya wayesekhululekile ukuza lokuhamba phakathi kwabantu, ngoba wayengakafakwa entolongweni.
Ary Jeremia mbola niditra sy nivoaka teo amin’ ny olona ihany; fa tsy mbola nataony tao an-trano-maizina izy.
5 Ibutho likaFaro laseliphumile eGibhithe, kwasekusithi amaKhaladiya ayevimbezele iJerusalema esezwe umbiko ngalo, asuka eJerusalema.
Ary efa niainga avy tany Egypta ny miaramilan’ i Farao, ka raha nahare izany ny Kaldeana izay nanao fahirano an’ i Jerosalema, dia niala tany Jerosalema izy.
6 Kwasekufika ilizwi likaThixo kuJeremiya umphrofethi lisithi:
Dia tonga tamin’ i Jeremia mpaminany ny tenin’ i Jehovah hoe:
7 “UThixo, uNkulunkulu ka-Israyeli uthi, tshelani inkosi yakoJuda elithume ukuba lizengibuza lithi, ‘Ibutho likaFaro eseliphume ukuba lizelisekela, lizabuyela elizweni lalo eGibhithe.
Izao no lazain’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Izao no lazaonareo amin’ ny mpanjakan’ ny Joda, izay naniraka anareo hankatỳ amiko hanontany amiko: Indro, ny miaramilan’ i Farao, izay efa niainga hamonjy anareo, dia hiverina ho any Egypta taniny;
8 Emva kwalokho amaKhaladiya azaphenduka ahlasele idolobho leli; azalithumba alitshise ngomlilo.’
fa ho avy indray ny Kaldeana ka hamely ity tanana ity sady hanafaka azy sy handoro azy amin’ ny afo.
9 UThixo uthi: Lingazikhohlisi licabange lithi, ‘AmaKhaladiya azasuka kithi impela.’ Kawayikusuka!
Izao no lazain’ i Jehovah: Aza mamita-tena foana ianareo ka manao hoe: Hiala amintsika tokoa ny Kaldeana; fa tsy hiala izy tsy akory.
10 Lanxa linganqoba lonke ibutho lamaKhaladiya alihlaselayo, kusale abantu abalimeleyo kuphela emathenteni abo, bazaphuma balitshise idolobho leli ngomlilo.”
Fa na dia mamely ny miaramilan’ ny Kaldeana rehetra izay miady aminareo aza ianareo, ka izay voalefona no ho sisa velona, ireo aza dia samy hitsangana avy ao anaty lainy ka handoro ity tanàna ity amin’ ny afo.
11 Kwathi ibutho lamaKhaladiya selisukile eJerusalema ngenxa yebutho likaFaro,
Ary raha niala tany Jerosalema ny miaramilan’ ny Kaldeana noho ny amin’ ny miaramilan’ i Farao,
12 uJeremiya wasuka edolobheni ukuba aye elizweni lakoBhenjamini ukuba ayethatha isabelo sakhe selifa phakathi kwabantu khonale.
dia nivoaka Jeremia avy tao Jerosalema hankany amin’ ny tanin’ ny Benjamina mba handray izay anjarany eo amin’ ny vahoaka.
13 Kodwa kwathi esefikile eSangweni lakoBhenjamini, induna yabalindi ebizo layo lalingu-Irija indodana kaShelemiya, indodana kaHananiya, wambopha wasesithi kuye, “Ubalekela kumaKhaladiya wena!”
Ary raha tonga teo am-bavahadin’ i Benjamina izy, dia, indro, ny kapitenin’ ny mpiambina, atao hoe Jiria, zanak’ i Selemia, zanak’ i Hanania, no teo; dia nisambotra an’ i Jeremia mpaminany izy ka nanao hoe: Miray tetika amin’ ny Kaldeana ianao.
14 UJeremiya wathi, “Akusiqiniso lokho! Kangibalekeli kumaKhaladiya.” Kodwa u-Irija kamlalelanga; esikhundleni salokho, wabopha uJeremiya wamusa ezikhulwini.
Fa hoy Jeremia: Lainga izany. Tsy miray tetika amin’ ny Kaldeana aho. Nefa tsy nino azy ireo, ka dia nosamborin’ i Jiria ihany Jeremia ary nentiny ho ao amin’ ny mpanapaka.
15 Izikhulu zamthukuthelela uJeremiya zalaya ukuba atshaywe aphinde avalelwe endlini kaJonathani umabhalani, ezaseziyenze yaba yintolongo.
Ary tezitra tamin’ i Jeremia ny mpanapaka ka nikapoka azy, dia nandatsaka azy tao an-trano-maizina tao amin’ ny tranon’ i Jonatana mpanoratra; fa izany no nataony trano-maizina.
16 UJeremiya wafakwa esitokisini esiyingubhe emgodini oyintolongo lapho ahlala khona okwesikhathi eside.
Ary nony tafiditra tao an-trano-maizina, tao amin’ ilay niefitrefitra, Jeremia, ka efa nitoetra tao andro maro,
17 Inkosi uZedekhiya wathi kayethathwa alethwe esigodlweni lapho ambuzela khona ensitha esithi, “Kulelizwi elivela kuThixo na?” UJeremiya waphendula wathi, “Yebo, wena uzanikelwa enkosini yaseBhabhiloni.”
dia naniraka haka azy Zedekia mpanjaka; ary ny mpanjaka nanontany azy mangingina tao an-tranony nanao hoe: Moa misy teny avy tamin’ i Jehovah tokoa va? Dia hoy Jeremia: Eny, misy; ary hoy koa izy: Hatolotra eo an-tànan’ ny mpanjakan’ i Babylona ianao.
18 UJeremiya wabuye wathi kuZedekhiya inkosi, “Ngoneni kuwe loba ezikhulwini zakho kumbe kulababantu, uze ungifake entolongweni nje?
Ary hoy koa Jeremia tamin’ i Zedekia mpanjaka: Inona no ratsy nataoko taminao, na tamin’ ny mpanomponao, na tamin’ ity firenena ity, no dia nataonareo tao an-trano-maizina aho?
19 Bangaphi abaphrofethi bakho abaphrofetha kuwe besithi, ‘Inkosi yaseBhabhiloni kayiyikukuhlasela wena kanye lelizwe leli’?
Aiza moa ireo mpaminaninareo, izay naminany taminareo hoe: Tsy ho avy hiady aminareo na hamely ity tany ity ny mpanjakan’ i Babylona?
20 Kodwa khathesi, nkosi yami, ake ulalele. Ngivumela ngethule isicelo sami kuwe: Ungangibuyiseli endlini kaJonathani umabhalani, hlezi ngifele khona.”
Koa trarantitra ianao, ry tompokolahy mpanjaka, henoy kely ange! aoka hoborahina eto anatrehanao ny fifonako, ka aza averina ho ao amin’ ny tranon’ i Jonatana mpanoratra aho, fandrao dia maty ao.
21 UZedekhiya inkosi waselaya ukuba uJeremiya afakwe egumeni labalindi aphiwe isinkwa esivela emgwaqweni wabapheki bezinkwa usuku ngalunye izinkwa zonke zize ziphele edolobheni. Ngakho uJeremiya wahlala egumeni labalindi.
Dia nasain’ i Zedekia mpanjaka nataony teo amin’ ny kianjan’ ny trano fiambenana Jeremia, ka nasainy nomena mofo iray isan’ andro isan’ andro avy any amin’ ny fitoeran’ ny mpanao mofo izy, ambara-pahalanin’ ny mofo rehetra tao an-tanàna. Toy izany no nitoeran’ i Jeremia teo amin’ ny kianjan’ ny trano fiambenana.