< U-Eksodusi 33 >

1 UThixo wasesithi kuMosi, “Suka kule indawo wena labantu owabakhupha elizweni laseGibhithe, uye elizweni engalithembisa u-Abhrahama lo-Isaka loJakhobe ngifunga ngisithi, ‘Ngizalinika inzalo yakho.’
Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy hoe: Mandehana miakatra hiala atỳ ianao sy ny firenena izay nentinao niakatra avy tany amin’ ny tany Egypta, ho amin’ ny tany izay nianianako tamin’ i Abrahama sy Isaka ary Jakoba hoe: Ny taranakao no homeko azy.
2 Ngizathuma ingilosi ihambe phambi kwakho ixotshe amaKhenani, ama-Amori, amaHithi, amaPherizi, amaHivi lamaJebusi.
Ary haniraka Anjely Aho hitarika anao eo aloha (ka horoahiko ny Kananita sy ny Amorita sy ny Hetita sy ny Perizita sy ny Hivita ary ny Jebosita),
3 Yana elizweni eligeleza uchago loluju. Kodwa mina angiyikuhamba lani ngoba lingabantu abantamo zilukhuni, hlezi ngilibhubhise endleleni.”
dia ho amin’ izay tany tondra-dronono sy tantely; nefa tsy hiara-miakatra aminao Aho (satria olona mafy hatoka ianao), fandrao handringana anao eny an-dalana Aho.
4 Kwathi lapho abantu sebezwe amazwi la adabukisayo baqalisa ukukhala, akwaze kwaba loyedwa owagqiza izigqizo zakhe.
Ary rehefa ren’ ny olona izany teny mampahory izany, dia nanjoretra izy, ka tsy nisy olona niravaka intsony.
5 Phela uThixo wayethe kuMosi, “Tshela abako-Israyeli uthi, ‘Lina lingabantu abantamo zilukhuni. Nxa ngingahamba lani loba okomzuzwana nje, ngingalibhubhisa. Khathesi khululani izigqizo zenu; ngizakwenza isinqumo ukuthi ngenzeni ngani.’”
Ary hoy Jehovah tamin’ i Mosesy: Lazao amin’ ny Zanak’ Isiraely hoe: Hianareo dia olona mafy hatoka; koa raha hiara-miakatra aminao Aho, na dia indray mipi-maso aza, dia handringana anao Aho; koa ankehitriny, esory ny firavakao hiala aminao, mba ho fantatro izay hataoko aminao.
6 Ngakho-ke abako-Israyeli bazikhipha izigqizo zabo entabeni yeHorebhi.
Ary ny Zanak’ Isiraely dia nanala ny firavany hatreo an-tendrombohitra Horeba.
7 UMosi wayejwayele ukuthatha ithente ayelimisa ngaphandle bucwadlana lezihonqo. Walibiza ngokuthi “lithente lokuhlangana.” Ubani lobani owayedinga uThixo wayesiya ethenteni lokuhlangana ngaphandle kwezihonqo.
Ary fanaon’ i Mosesy ny maka ny lay ka manorina azy eo ivelan’ ny toby lavidavitra, ary ny anarany dia nataony hoe Ny trano-lay fihaonana. Ary izay rehetra nitady an’ i Jehovah dia nivoaka ho eny amin’ ny trano-lay fihaonana izay teo ivelan’ ny toby.
8 Kwakusithi-ke lapho uMosi ephuma esiya kulelothente abantu bonke babesukuma bame eminyango yamathente abo bakhangele uMosi aze angene ethenteni.
Ary raha nivoaka ho eo amin’ ny lay Mosesy, dia nitsangana ny olona rehetra, ka samy nijanona teo anoloan’ ny varavaran’ ny lainy avy, dia nitazana an’ i Mosesy mandra-pahatongany ao amin’ ny lay.
9 Kwakusithi uMosi esengena ethenteni insika yeyezi yehlele phansi ime emnyango wethente lapho uThixo ekhuluma loMosi.
Ary raha niditra tao amin’ ny lay Mosesy, dia nidina ny andri-rahona ka nijanona teo anoloan’ ny varavaran’ ny lay, ary Jehovah dia niresaka tamin’ i Mosesy.
10 Kwakusithi abantu bangabona insika yeyezi isimi emnyango wethente basukume bonke bakhonze; lowo lalowo emnyango wethente lakhe.
Ary hitan’ ny olona rehetra ny andri-rahona nijanona teo anoloan’ ny varavaran’ ny lay; dia nitsangana ny olona rehetra, ka samy niankohoka teo anoloan’ ny varavaran’ ny lainy avy.
11 UThixo wayekhuluma loMosi ubuso ngobuso njengomuntu ekhuluma lomngane wakhe. Ngemva kwalokho uMosi wayebuyela ezihonqweni, kodwa umncedisi wakhe owayesesemncane, uJoshuwa indodana kaNuni, wayengasuki ethenteni.
Ary Jehovah niteny nifanatrika tamin’ i Mosesy, tahaka ny olona miresaka amin’ ny sakaizany. Ary niverina nankeo amin’ ny toby izy; fa ny mpanompony, dia Josoa zatovo, zanak’ i Nona, tsy niala tamin’ ny lay.
12 UMosi wathi kuThixo, “Ubulokhu ungitshela usithi, ‘Khokhela abantu laba,’ kodwa kawungazisanga ukuthi ngubani ozamthuma ukuba ahambe lami. Utshilo wathi, ‘Ngiyakwazi ngebizo, njalo ufumene umusa kimi.’
Ary hoy Mosesy tamin’ i Jehovah: Indro fa Hianao milaza amiko hoe: Ento miakatra ity firenena ity, ary Hianao tsy mbola nampahafantatra ahy izay hirahinao hiaraka amiko; kanefa Hianao efa nilaza hoe: Mahalala anao tokoa Aho, ary efa nahita fitia eo imasoko koa ianao.
13 Nxa uthokoza ngami, ngifundisa izindlela zakho ukuze ngikwazi, ngiqhubeke ngithola umusa kuwe. Khumbula futhi lokuthi isizwe lesi singabantu bakho.”
Koa ankehitriny, raha nahita fitia eo imasonao aho, dia ampahafantaro ny lalanao hahalalako Anao, mba hahitako fitia eo imasonao; ary hevero fa olonao ity firenena ity.
14 UThixo waphendula wathi, “NgoBukhona bami ngizahamba lawe ngikuphumuze.”
Dia hoy Izy: Ny Tavako no handeha, dia hanome anao fitsaharana Aho.
15 UMosi wathi kuye, “Nxa uBukhona bakho bungahambi lathi, ungasisusi lapha.
Fa hoy Mosesy taminy: Raha tsy handeha ny Tavanao, dia aza mitondra anay hiakatra hiala atỳ.
16 Umuntu angakwazi njani ukuthi mina labantu bakho sifumene umusa kuwe ngaphandle kokuba uhamba lathi na? Kuyini okunye okungasiphawula, mina labantu bakho, kwabanye abantu bonke emhlabeni na?”
Fa inona anefa no hahafantarana fa nahita fitia eo imasonao izaho sy ny olonao? moa tsy amin’ ny handehananao miaraka aminay va? dia ho voavaka amin’ ny firenena rehetra ambonin’ ny tany izahay, dia izaho sy ny olonao.
17 UThixo wathi kuMosi, “Ngizakwenza khona kanye lokhu okucelileyo ngoba ngiyathokoza ngawe, njalo ngikwazi ngebizo.”
Ary hoy Jehovah tamin’ i Mosesy: Izao zavatra nolazainao izao dia hataoko koa; fa nahita fitia eo imasoko ianao, ary mahalala anao tokoa Aho.
18 UMosi wasesithi, “Ngicela ukuba ungitshengise inkazimulo yakho.”
Ary hoy Mosesy: Mba ampahitao ny voninahitrao aho.
19 UThixo wasesithi, “Ngizakwenza ukulunga kwami kudlule phambi kwakho, njalo ngizamemezela ibizo lami, uThixo, phambi kwakho. Ngizakuba lesihawu kulowo engizakuba lesihawu kuye njalo ngibe lesisa kulowo engizakuba lesisa kuye.”
Fa hoy kosa Jehovah: Izaho hampandalo ny fahatsarako rehetra eo anatrehanao ka hanonona ny anaran’ i Jehovah eo anatrehanao; fa hiantra izay hiantrako Aho, ary hamindra fo amin’ izay hamindrako fo.
20 UThixo waqhubeka wathi, “Kodwa, ubuso bami awungeke ububone, ngoba kakho ongangibona aphile.”
Ary hoy koa Izy: Tsy mahazo mahita ny tavako ianao; fa tsy misy olona mahita Ahy ka ho velona.
21 UThixo wabuya wathi, “Kulendawo phansi kwami lapho ongema khona phezu kwedwala.
Dia hoy Jehovah: Indro, misy fitoerana eto anilako; dia hijanona eo ambonin’ ny harambato ianao;
22 Kuzakuthi lapho inkazimulo yami isedlula eduze, ngizakufaka emnkenkeni wedwala ngikusithe ngesandla sami ngize ngidlule.
koa raha mandalo ny voninahitro, dia hataoko eo an-tsefaky ny harambato ianao, ka hosaronako ny tanako ianao mandra-pandaloko.
23 Emva kwalokho ngizasusa isandla sami ubone umhlane wami; kodwa ubuso bami akumelanga ububone.”
Dia hanaisotra ny tanako Aho, ka hahita ny vohoko ianao; fa ny tavako tsy ho hita.

< U-Eksodusi 33 >