< 2 Kingi 24 >

1 I ona ra ka haere mai a Nepukaneha kingi o Papurona; na ka pononga a Iehoiakimi ki a ia, e toru tau. Katahi tera ka tahuri, ka whakakeke ki a ia.
Tamin’ ny andro nanjakan’ i Joiakima no niakaran’ i Nebokadnezara, mpanjakan’ i Babylona, ary nanoa azy telo taona Joiakima, dia nivadika ka niodina taminy.
2 Na ka ngarea mai e Ihowa ki a ia nga ope o nga Karari, me nga ope o nga Hiriani, me nga ope o nga Moapi, me nga ope o nga tama a Amona; a ngarea ana mai ratou e ia ki a Hura hei huna mo reira, i rite ai te kupu a Ihowa i korerotia e ana pononga, e nga poropiti.
Ary Jehovah nampandeha ny miaramilan’ ny Kaldeana sy ny miaramilan’ ny Syriana sy ny miaramilan’ i Moaba ary ny miaramilan’ ny taranak’ i Amona hiady aminy: dia nampandehaniny hiady amin’ ny Joda ireo mba handrava azy araka ny tenin’ i Jehovah, izay nampilazainy ny mpaminany mpanompony.
3 He pono, na te kupu a Ihowa i pa ai tenei ki a Hura, hei whakawatea atu i a ratou i tona aroaro, mo nga hara o Manahi, ara mo ana mea katoa i mea ai ia,
Dia araka ny tenin’ i Jehovah ihany no nahatongavan’ izany tamin’ ny Joda, hanesorany azy tsy ho eo imasony noho ny fahotan’ i Manase tahaka izay rehetra nataony
4 Mo te toto harakore hoki i whakahekea e ia; i kapi katoa hoki a Hiruharama i a ia i te toto harakore, a kihai a Ihowa i pai kia whakarerea noatia tenei.
sy noho ny rà marina izay nalatsany koa; fa nofenoiny rà marina Jerosalema; koa izany no tsy netezan’ i Jehovah hamela ny helony.
5 Na, ko era atu meatanga a Iehoiakimi me ana mea katoa i mea ai ia, kihai ianei i tuhituhia ki te pukapuka o nga meatanga o nga ra o nga kingi o Hura?
Ary ny tantaran’ i Joiakima sisa mbamin’ izay rehetra nataony, tsy efa voasoratra ao amin’ ny bokin’ ny tantaran’ ny mpanjakan’ ny Joda va izany?
6 Na ka moe a Iehoiakimi ki ona matua, a ko Iehoiakini, ko tana tama, te kingi i muri i a ia.
Ary Joiakima lasa nodimandry any amin’ ny razany, ka Joiakina zanany no nanjaka nandimby azy.
7 Na heoi ano putanga o te kingi o Ihipa i tona whenua; kua riro hoki i te kingi o Papurona nga wahi katoa o te kingi o Ihipa, no te awa ra ano o Ihipa tae noa ki te awa ki Uparati.
Ary ny mpanjakan’ i Egypta tsy nivoaka avy tany amin’ ny taniny intsony; fa lasan’ ny mpanjakan’ i Babylona izay rehetra an’ ny mpanjakan’ i Egypta hatramin’ ny lohasahan-driak’ i Egypta ka hatramin’ ny ony Eofrata.
8 Kotahi tekau ma waru nga tau o Iehoiakini i tona kingitanga, a e toru nga marama i kingi ai ia ki Hiruharama. A ko te ingoa o tona whaea ko Nehuhuta, he tamahine na Erenatana o Hiruharama.
Valo ambin’ ny folo taona Joiakina, fony izy vao nanjaka, ary telo volana no nanjakany tany Jerosalema. Ary ny anaran-dreniny dia Nehosta, zanakavavin’ i Elnatana, avy any Jerosalema.
9 A he kino tana mahi ki te titiro a Ihowa, i rite ki nga mea katoa i mea ai tona papa.
Ary nanao izay ratsy eo imason’ i Jehovah izy tahaka izay rehetra nataon-drainy.
10 I taua wa ka whakaekea a Hiruharama e nga tangata a Nepukaneha kingi o Papurona, a whakapaea ana te pa.
Tamin’ izany andro izany no niakaran’ ny mpanompon’ i Nebokadnezara, mpanjakan’ i Babylona, hamely an’ i Jerosalema, ary nataony fahirano ny tanàna.
11 Na ka haere mai a Nepukaneha kingi o Papurona ki te pa, i te mea e whakapaea ana a reira e ana tangata.
Dia tonga koa Nebokadnezera, mpanjakan’ i Babylona, hamely ny tanàna, raha mbola nanao fahirano azy ny mpanompony.
12 Na ka puta a Iehoiakini kingi o Hura ki te kingi o Papurona, a ia, tona whaea, ana tangata, ana rangatira, me ana kaiwhakahaere: na kua mau i te kingi o Papurona i te waru o nga tau o tona kingitanga.
Ary Joiakina, mpanjakan’ ny Joda, nivoaka nankany amin’ ny mpanjakan’ i Babylona, dia izy sy ny reniny ary ny mpanompony sy ny mpanapaka mbamin’ ny tandapany; ary nentin’ ny mpanjakan’ i Babylona izy tamin’ ny taona fahavalo nanjakany.
13 Na maturia atu ana e ia i reira nga taonga katoa o te whare o Ihowa, me nga taonga o te whare o te kingi; tapatapahia ana hoki e ia nga oko koura katoa i hanga e Horomona kingi o Iharaira ki te temepara o Ihowa, pera ana me ta Ihowa i korero ai.
Ary navoakan’ i Nebokadnezara avy tao ny rakitra rehetra tao an-tranon’ i Jehovah sy tao an-tranon’ ny mpanjaka, dia nendahany ny volamena rehetra izay nataon’ i Solomona, mpanjakan’ ny Isiraely, tao amin’ ny tempolin’ i Jehovah, araka izay nolazain’ i Jehovah.
14 Whakahekea katoatia ana hoki e ia a Hiruharama katoa, nga rangatira katoa, me nga marohirohi katoa, tekau mano nga parau, me nga kaimahi katoa, me nga parakimete; kihai tetahi i mahue, heoi ano ko te hunga rawakore o te whenua.
Ary nentiny ho babo ny tao Jerosalema rehetra sy ny mpanapaka rehetra sy ny lehilahy mahery rehetra, dia olona iray alina, mbamin’ ny mahay tao-zavatra rehetra sy ny mpanefy koa, ka tsy nisy sisa navelany afa-tsy izay tompon-tany faraidina.
15 A i whakahekea e ia a Iehoiakini ki Pupurona; me te whaea o te kingi, me nga wahine a te kingi, me ana kaiwhakahaere, me te hunga nunui o te whenua; whakahekea ana ratou e ia i Hiruharama hei parau ki Papurona.
Ary nitondra an’ i Joiakina koa ho babo any Babylona izy; ary ny renin’ ny mpanjaka sy ny vadin’ ny mpanjaka sy ny tandapa sy ny lehilahy mahery amin’ ny tany dia nentiny ho babo avy tany Jerosalema ho any Babylona.
16 Me nga toa, e whitu mano, nga kaimahi, nga parakimete, kotahi mano, nga marohirohi katoa e pai ana hei whawhai: kawea ana ratou e te kingi hei parau ki Papurona.
Ary ny lehilahy mahery rehetra, dia fito arivo, ary ny mahay tao-zavatra sy ny mpanefy arivo lahy, izay samy mahery sy mahay miady, dia nentin’ ny mpanjakan’ i Babylona ho babo tany Babylona avokoa.
17 Na meinga ana e te kingi o Papurona ko Matania, teina o tona papa, hei kingi i muri i a ia, whakawhitia ketia ana tona ingoa ko Terekia.
Ary Matania, rahalahin-drainy, no notendren’ ny mpanjakan’ i Babylona ho mpanjaka hisolo an’ i Joiakina, ka novany hoe Zedekia no anarany.
18 E rua tekau ma tahi nga tau o Terekia i tona kingitanga, a kotahi tekau ma tahi nga tau i kingi ai ki Hiruharama. A ko te ingoa o tona whaea ko Hamutara, he tamahine na Heremaia o Ripina.
Iraika amby roa-polo taona Zedekia, fony izy vao nanjaka, ary iraika ambin’ ny folo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ary ny anaran-dreniny dia Hamotala, zanakavavin’ i Jeremia, avy any Libna.
19 A he kino tana mahi ki te titiro a Ihowa; i rite ki nga mea katoa i mea ai a Iehoiakimi.
Ary nanao izay ratsy eo imason’ i Jehovah izy, tahaka izay rehetra nataon’ i Joiakima.
20 Na reira, i a Ihowa ka riri nei, ka puta te aitua ki Hiruharama, ki a Hura, a maka noatia atu ratou i tona aroaro: a whakakeke ana a Terekia ki te kingi o Papurona.
Fa ny fahatezeran’ i Jehovah no nahatongavan’ izany tamin’ i Jerosalema sy ny Joda ambara-pandroakany azy tsy ho eo anatrehany. Ary Zedekia niodina tamin’ ny mpanjakan’ i Babylona.

< 2 Kingi 24 >