< Tonon-kiran'i Solomona 8 >
1 Ho ni-soa naho ni-rahalahiko irehe, i ninono am-patroan-drenekoy! Ie amy zay, naho nitendrek’ ama’o alafe’e ao iraho vaho nañorok’ azo, le tsy ho nifosae’ ondatio.
Enga anie ka ho tahaka ny anadahiko, izay ninono an’ ineny, ianao! Dia ho nahita anao teny ala-trano aho ka ho nanoroka anao. Eny tsy ho azon’ olona notevatevaina aho.
2 Ho nikozozoteko mb’añ’ anjomban- dreneko mb’eo, mb’amy nañoke ahikoy. ho nampinomeko divay mandrove, naho ty ron-draketako.
Dia ho entiko ka hampidiriko ho ao an-tranon’ ineny ianao, ary hampianarinao aho; Hampisotroiko divay noharoharoan-java-manitra mbamin’ ny ranon’ ampongaben-danitro ianao.
3 Iondana’ ty lohako ty fità’e havia, vaho mañohoñ’ ahy ty fità’e havana.
Aoka hanondana ahy ny tànany ankavia, ary aoka hanohona ahy ny tànany ankavanana.
4 Afantoko ama’ areo, ry anak’ ampela’ Ierosalaimeo; ko mampitsekake fikokoañe am-para’ te irie’e.
Mampianiana anareo aho, ry zanakavavin’ i Jerosalema: Aza manaitra na mamoha ny fitiavana, raha tsy efa sitrapony.
5 Ia o mionjomb’etoy misazok’ amy fikokoa’eio? Nampivañoneko ambane’ i takokoy irehe; amy nampitsongoa’o i rene’o; teo ty nitsongoa’ i nahatoly azoy.
Iza moa iry vehivavy miakatra avy any an-efitra, mitehina amin’ ny malalany? Teo ambanin’ iny hazo poma no namohazako anao; Teo no niterahan-dreninao anao, eny, teo no nahararian’ ilay niteraka anao.
6 Apetaho hoe voli-fitomboke añ’arofo’o ao iraho, hoe alama am-pità’o eo; fa mira ami’ty haozaran-kavilasy ty fikokoañe, manahake ty hagàñe i tsikeokeokey ty famarahiañe; misolebotse o lel’afo’eo, toe lel’afo milebaleba. (Sheol )
Ataovy toy ny fanombohan-kase ao am-ponao aho sy toy ny fanombohan-kase eo an-tsandrinao; Fa mahery toy ny fahafatesana ny fitiavana, masiaka tahaka ny fiainan-tsi-hita ny fahasaro-piaro; Ny lelafony dia lelafo midedadeda, eny, lelafon’ i Jehovah. (Sheol )
7 Rano tsifotofoto tsy mahasaoke ty fikokoañe; naho tsy mahaopo aze ty fisorotombahañe; ie hatolo’ t’indaty ze hene vara añ’anjomba’e ao hahazoa’e fikokoañe, le ho vata’e onjirañe.
Na dia ny ony maro aza tsy mahavono ny afon’ ny fitiavana, ary ny renirano tsy mahapaoka azy; Na dia misy olona manome ny fananany rehetra ao an-tranony aza hamidy fitiavana, dia hatao tsinontsinona izy.
8 Manan-jay ampela zahay f’ie mbe tomoe-nono, hanoe’ay akore i zai’aiy amy andro fifofoañe azey?
Manana zandrivavy tsy mbola misy nono izahay; Ahoana no hataonay amin’ ny zandrivavinay, raha mby amin’ izay andro hangatahan’ olona azy ho vady?
9 Naho kijoly re le handranjia’ay fitilik’abo volafoty; ie lalambey, le harikatoha’ay varamba-mendoraveñe.
Raha manda izy, dia hanangananay tilikambo volafotsy eo an-tampony; Fa raha varavarana kosa izy, dia hotampenanay hazo fisaka sedera.
10 Kijoly iraho, hoe fitilik’abo o nonokoo; hoe t’ie minday fañanintsiñe am-pihaino.
Mànda aho, dia toy ny tilikambo ny nonoko. Raha eo imasony dia toy ny efa mahita soa aho.
11 Nanan-tondam-bahe e Baale-Kamone ao t’i Selomò; nafondro’e ama’ ondaty. Songa mañondroke volafoty arivo ama’e ty amo voka’eo.
Solomona nanan-tanim-boaloboka tao Bala-hamona; Nahofany tamin’ olona mpiandry voly ny tanim-boaloboka, ka samy tsy maintsy mitondra sekely volafotsy arivo ho solon’ ny vokatra.
12 Aoloko eo i tanem-bahekoy, azo ry Selomò i arivoy, roan-jato ty a o mpañalahala i voka’eio.
Ny tanim-boaloboko, eny, ilay an’ ny tenako, dia eto anatrehako, Ny arivo kosa dia anao, ry Solomona, ary ny roan-jato ho an’ izay mpiandry voly.
13 O ry mpimoneñe an-goloboñe ao, te hijanjiñe ty fiarañanaña’o o mpiamakoo, ehe ampitsanoño ahy!
Ry mitoetra eny an-tsaha! Te-hihaino ny feonao ireo namako; Mba ampandreneso izany koa aho.
14 Mipitsiha ry kokoakoo, manahake o fanalokeo naho o farasy ambone vohitse iregoregoan-kafirio.
Mandosira, ry malalako, ary aoka ianao mba ho toy ny gazela na ny diera tanora eny an-tendrombohitry ny zava-manitra.