< Salamo 1 >

1 Haha t’indaty tsy mañavelo am-panoroa’ o lo-tserekeo, naho tsy mijohañe an-dala’ o beihakeoo, vaho tsy miambesatse am- pitoboha’ o mpañinjeo;
Sambatra ny olona izay tsy mandeha eo amin’ ny fisainan’ ny ratsy fanahy, ary tsy mijanona eo amin’ ny lalana falehan’ ny mpanota, ary tsy mipetraka eo amin’ ny fipetrahan’ ny mpaniratsira;
2 Fa ty Hà’ Iehovà ro mampinembanembañ’ aze, ninihe’e handro an-kaleñe i Hà’ey
Fa ny lalàn’ i Jehovah no sitrany; eny ny lalàny no saintsaininy andro aman’ alina.
3 Ie ho hambañe aman-katae namboleñe añ’olon-torahañe eo, mamoa an-tsa’e naho tsy miheatse o rave’eo, miraorao ze hene anoe’e.
Dia tahaka ny hazo ambolena eo amoron’ ny rano velona izy, izay mamoa amin’ ny fotoany, ny raviny koa tsy mba malazo; ary ny asany rehetra dia ataony lavorary avokoa.
4 Tsy manahake Izay o lo-tserekeo, fa hambañe amo kafokafo aboelen-tiokeo.
Fa tsy mba toy izany ny ratsy fanahy fa toy ny akofa aelin’ ny rivotra izy.
5 Toly ndra tsy haha-fitroatse amy zakay o tsivokatseo, ndra ami’ty fivori’ o vañoñeo o mpanan-tahiñeo.
Ary noho izany ny ratsy fanahy dia tsy hahajanona eo amin’ ny fitsarana, na ny mpanota eo amin’ ny fiangonan’ ny marina.
6 Arofoana’ Iehovà ty fañaveloa’ o vantañeo, fe ho modo ty fandenà’ o tsivoatsoloo.
Fa fantatr’ i Jehovah ny lalan’ ny marina, fa ny lalan’ ny ratsy fanahy kosa dia mankany amin’ ny fahaverezana.

< Salamo 1 >