< Salamo 88 >

1 Ry Iehovà, Andrianañaharem- pandrombahañe ahiko, itoreovako handro an-kaleñe añatrefa’o,
Tonon-kira. Salamo nataon’ ny Koraïta. Ho an’ ny mpiventy hira. Almahalath-leanoth. Maskila nataon’ i Hemana Ezrahita. Jehovah ô, Andriamanitry ny famonjena ahy, Andro aman’ alina no itarainako eo anatrehanao;
2 Ehe te hiatrek’ azo ty halaliko; atokilaño mb’amy fikaihakoy ty ravembia’o;
Aoka ny fivavako ho tonga eo anatrehanao; Atongilano amin’ ny fitarainako ny sofinao;
3 Fa losotse ty hasosoram-piaiko, vaho manòto-kibory ty haveloko. (Sheol h7585)
Fa diboka ny fahoriana ny fanahiko; Ary ny aiko manakaiky ny fiainan-tsi-hita. (Sheol h7585)
4 Volilieñe amo migodoñe mb’an-davak’ ao iraho; hoe ondaty nipitso-pañimba.
Natao ho isan’ izay midìna any an-davaka aho Ary efa tahaka izay tsy manan-kery;
5 Mihoriñe amo vilasio iraho, manahake o vinono mitsalalampatse an-kiborio, o tsy tiahi’o kañeo, o naito am-pità’oo.
Efa nafoy ho any amin’ ny maty aho, Tahaka izay voavono, mandry ao am-pasana, Izay tsy tsarovanao intsony, Fa voafongotry ny tananao.
6 Navotra’o ami’ty loho herakerak’ ao an-toe’e mimoromoroñe an-dalek’ ao.
Efa nametraka ahy any an-davaka ambany indrindra Hianao, Ao amin’ ny maizina, dia ao amin’ ny lalina.
7 Napok’ amako o fifombo’oo, naho naniloke ahy o kinera’oo. Selà
Ny fahatezeranao manindry ahy mafy, Ary ny alon-dranonao rehetra azeranao amiko. (Sela)
8 Fa naveve’o lavitse ahy o rañekoo, nampirihie’o ahiko. migoboñe atoan-draho tsy mahafiakatse;
Efa nampanalavirinao ahy ny olona nahazatra ahy; Efa nataonao fahavetavetana eo imasony aho; Voahidy aho ka tsy afa-mivoaka.
9 Mitike amy hasotriakoy o masokoo. fa nikanjieko boak’andro, ry Iehovà; fa namelarako tañañe.
Ny masoko efa pahina noho ny fahoriana; Jehovah ô, miantso Anao isan’ andro aho, Mamefy tanana aminao aho.
10 Hanoa’o raha tsitantane hao o loloo? Hitroatse hañandriañ’ Azo hao o angatseo? Selà
Haneho fahagagana amin’ ny maty va Hianao? Ny matoatoa va no hitsangana hidera Anao?
11 Ho talilieñe an-donak’ ao hao ty fiferenaiña’o? an-tsikeokeok’ ao hao ty figahiña’o?
Hotorina any am-pasana va ny famindram-ponao, Ary ny fahamarinanao any amin’ ny fandringanana?
12 Hampahafohineñe am-pimoromoroñañe ao hao o halatsà’oo, naho an-tanem-pandikofañe ao hao ty havañona’o?
Ho fantatra ao amin’ ny maizina va ny fahagagana ataonao, Ary ny fahamarinanao ao amin’ ny tany fanadinoana?
13 Aa naho izaho, ihe ry Iehovà ty itoreovako; mifanalaka ama’o boak’andro o halalikoo.
Fa raha izaho, dia Hianao no itarainako, Jehovah ô; Ary ny fivavako tonga eo anatrehanao nony maraina.
14 Ry Iehovà akore te farie’o ty fiaiko? Ino ty añetaha’o laharañ’ amako?
Jehovah ô, nahoana no manary ny fanahiko Hianao Ka manafina ny tavanao amiko?
15 Nalovilovy ho nikenkan-draho ampara’ ty nahajalahy ahiko, fa nivavèko ty hetraketra’o, vaho voretra.
Ory aho ka efa ho faty hatramin’ ny fahazazako; Raha itambesa-ran’ ny fampitahoranao aho, dia very hevitra;
16 Fa nandipotse ahy ty fifombo’o miforoforo; vaho fa nañito ahy ty firevendreveñañe ama’o.
Manafotra ahy ny fahatezeranao; Matin’ ny fampitahoranao aho;
17 Niropak’ amako lomoñandro hoe rano, le nanaron-kohok’ ahy.
Mandifotra ahy mandrakariva tahaka ny rano ireny; Miara-manodidina ahy izy.
18 Toe nampihankàñe’o amako ty mpikoko naho rañetse; atehenako ty hamoromoroñañe.
Efa nampanalavirinao ahy ny olona tia ahy sy ny sakaizako; Ireo nahazatra ahy dia fahamaizinana.

< Salamo 88 >