< Salamo 51 >
1 Ry Andrianañahare, matariha amy hafatraram-pikokoa’o, faopaoho o fiolàkoo amo hara’elahim-piferenaiña’oo,
Ho an’ ny mpiventy hira. Salamo nataon’ i Davida, fony Natana mpaminany nankao aminy rehefa naka an’ i Batseba izy. Mamindrà fo amiko, Andriamanitra ô, araka ny fahasoavanao; araka ny haben’ ny fiantranao vonoy ny fahadisoako.
2 Kotriño hitoratsike amo tahikoo, liovo amo fandilarakoo.
Sasao madio aho mba ho afa-keloka, ary diovy aho mba ho afa-pahotana.
3 Apotako o fiolàkoo: vaho miatrek’ ahy nainai’e o hakeokoo.
Fa tsaroako ny fahadisoako, ary eo anatrehako mandrakariva ny fahotako.
4 Ama’o, le ama’o avao ty nandilarako; naho nanao hatsivokarañe am-pivazohoa’o; soa te ho rendreke to t’ie mitsara, vaho vantañe te mizaka.
Taminao dia taminao ihany no nanotako, ary izay ratsy eo imasonao no efa nataoko, mba ho marina Hianao, raha miteny, ary tsy hanan-tsiny Hianao, raha mitsara.
5 Toe naterak’ an-kakeo iraho, naho an-tahiñe t’ie niareñen-drene.
Indro, tamin’ ny heloka no niterahana ahy, ary tamin’ ny fahotana no torontoronina ahy ny reniko.
6 Inao, mipay hatò añ’ova ao irehe, aa le ampandrendreho hìhitse mietake iraho.
Indro, fahamarinana ao am-po no sitrakao; ary fahendrena ao amin’ ny miafina no ampahafantarinao ahy.
7 Efero an-tseva iraho, hikotritriake; ampandrò ho foty matsatsaoke te amo volovasoo.
Diovy hysopa aho ho afa-pahotana, dia hadio; sasao aho, dia ho fotsy mangatsakatsaka.
8 Ampitsanoño firebehañe naho hafalean-draho; soa te hiankahake o taolañe dinemo’oo.
Ampandreneso fifaliana sy faharavoravoana aho, hifalian’ ny taolana izay voavakivakinao.
9 Aetaho amo tahikoo ty lahara’o, ehe fonga forò o hakeokoo.
Afeno ny tavanao ny fahotako ary vonoy ny heloko rehetra.
10 Itseneo fo vao ry Andrianañahare; le vaò añ’ovako ao ty troke migahiñe.
Amorony fo madio aho, Andriamanitra ô; ary havaozy hiorina marina ny fanahiko ato anatiko.
11 Ko ahifike tsy ho añatrefa’o eo iraho, le ko apitsok’ amako i Arofo’o Masiñey.
Aza manary ahy hiala eo anatrehanao; ary aza manaisotra ny Fanahinao Masìna amiko.
12 Ampolio amako ty hafalea’ i fandrombaha’oy, itohano ho aman-troke mahimbañe.
Ampodio amiko ny fifaliana amin’ ny famonjenao; ary tohàny fanahy mazoto aho.
13 Le hampahafohineko o aman-kakeoo o lala’oo, hampipoliañe o mpanan-tahiñeo.
Dia hampianatra ny olon-diso ny lalanao aho; ary ny mpanota hampiverenina aminao.
14 Hahao ami’ty lio-màlin-draho, ry Andrianañahare, Andrianañaharem- pandrombahañ’ ahikoy; le ho saboen-delako o havantaña’oo.
Vonjeo ho afaka amin’ ny valin-drà aho, Andriamanitra ô, Andriamanitry ny famonjena ahy; hihoby ny fahamarinanao ny vavako.
15 O Talè, sokafo o soñikoo hitaroñam-bavako ty fandrengeañ’ Azo
Tompo ô, sokafy ny molotro, dia hanambara ny fiderana Anao ny vavako.
16 Toe tsy mahafale Azo o soroñeo, fa ho nibanabanaeko; tsy no’o o soroñe oroañeo.
Fa tsy fanatitra no sitrakao; raha izany dia nomeko ihany; ny fanatitra dorana tsy mahafaly Anao.
17 Ty soron’ Añahare, le troke mihoto; tsy ho sirikae’o ry Andrianañahare, ty arofo rofotse naho mikoretse.
Ny fanatitra ho an’ Andriamanitra dia fanahy torotoro; ny fo torotoro sy mangorakoraka, Andriamanitra ô, tsy mba ataonao tsinontsinona.
18 Hasoao i Tsiône ami’ty fatariha’o; atroaro o kijoli’ Ierosalaimeo.
Manaova soa amin’ i Ziona araka ny fahasoavanao; ataovy ny mandan’ i Jerosalema.
19 Izay vaho ho no’o o sorom-bantañeo: o soroñe oroañeo naho soroñ’ añoñeo; le hengaeñe bania ambone’ i kitreli’oy.
Dia ho sitrakao ny fanati-pahamarinana sy ny fanatitra dorana ary ny fanatitra levonina amin’ ny afo; dia hanatitra vantotr’ ombilahy eo amin’ ny alitaranao ny olona.