< Nomery 29 >

1 Amy andro valoha’ i volam-pahafitoy, le hanao fañohara-miavake nahareo. Tsy hitolon-draha, fa andro fipoñafam-peo ho anahareo.
Ary amin’ ny andro voalohany ny volana fahafito dia hisy fivoriana masìna ho anareo, aza manao tao-zavatra akory; ho andro fitsofan-trompetra ho anareo izany.
2 Mañengà soroñe, hàñin-kanintsiñe am’ Iehovà: ty bania, ty añondrilahy vaho ty vik’ añondrilahy fito tsy aman-kandra.
Ary izao no atero ho fanatitra odorana, ho hanitra ankasitrahana ho an’ i Jehovah: vantotr’ ombilahy iray sy ondrilahy iray ary zanak’ ondry fito, izay iray taona avy sady tsy misy kilema,
3 Ty enga-mahakama’e le mona linaro menake: telo am-pahafolo’ ty efà ho amy baniay, le roe am-pahafolo’ ty efà ho amy añondrilahiy,
ary koba tsara toto voaharo diloilo ho fanatitra hohanina momba azy (telo ampahafolon’ ny efaha amin’ ny isam-bantotr’ ombilahy iray, roa ampahafolon’ ny efaha amin’ ny isan-ondrilahy iray,
4 le songa fahafolo’ ty efà ty vik’ añondrilahy amy fito rey;
ary ampahafolon’ ny efaha amin’ ny isan-janak’ ondry, dia ny zanak’ ondry fito)
5 vaho ty vik’ oselahy ho engan-kakeo hañeferañe anahareo,
ary osilahy iray ho fanatitra noho ny ota, hanaovana fanavotana ho anareo,
6 ho tovo’ i enga hisoroñañe amy pea-bolañeiy, rekets’ i enga-mahakama’ey naho i soroñe boak’ àndroy rekets’ o enga-mahakama’eo naho o enga-rano’eo miomba ty fañè’ iareo, ho hàñin-kanintsiñe soroñañe am’Iehovà.
ho fanampin’ ny fanatitra dorana noho ny voaloham-bolana sy ny fanatitra ho hanina momba azy ary ny fanatitra dorana mandrakariva sy ny fanatitra hohanina momba azy sy ny fanatitra aidina momba azy, araka ny fanaony, ho hanitra ankasitrahana, dia fanatitra atao amin’ ny afo ho an’ i Jehovah.
7 Amy andro faha-folo’ i volam-paha-fitoy ty hanoa’ areo fañohara-miavake, le hilie-batañe tsy hifanehak’ amo tolon-draha’ areoo.
Ary amin’ ny andro fahafolo amin’ izany volana fahafito izany dia hisy fivoriana masìna ho anareo, dia hampahory ny tenanareo ianareo; aza manao raharaha akory.
8 Hañenga soroñe am’ Iehovà nahareo; hàñin-kanintsiñe: bania raike, añondrilahy raike, naho vik’ añondrilahy fito, songa tsy aman-kandra.
Ary izao no atero ho fanatitra dorana ho hanitra ankasitrahana ho an’ i Jehovah: vantotr’ ombilahy iray sy ondrilahy iray ary zanak’ ondry fito izay iray taona avy (dia izay tsy misy kilema no haterinareo)
9 Ty enga-mahakama ama’e le mona linaro menake: fahafolo’ ty efà telo i baniay, fahafolo’ ty efà roe i añondrilahiy,
ary koba tsara toto voaharo diloilo ho fanatitra hohanina momba azy (telo ampahafolon’ ny efaha amin’ ny isam-bantotr’ ombilahy iray, roa ampahafolon’ ny efaha amin’ ny isan-ondrilahy iray,
10 naho sindre fahafolo’ ty efà ty vik’ añondry amy vi’e fito rey;
ary ampahafolon’ ny efaha amin’ ny isan-janak’ ondry, dia amin’ ny zanak’ ondry fito)
11 vaho ty vik’oselahy ho engan-kakeo, ho tovo’ i engan-kakeo ho, fijebañañey naho i soroñe boak’ àndroy rekets’ o enga-mahakama’eo naho o enga-rano’eo.
ary osilahy iray ho fanatitra noho ny ota, ho fanampin’ ny fanatitra noho ny ota hanaovana fanavotana sy ny fanatitra dorana mandrakariva sy ny fanatitra hohanina momba azy ary ny fanatitra aidina momba azy.
12 Amy andro faha folo-lime-ambi’ i volam-paha-fitoy, manoa fañohara-miavake le ko mitolon-draha, vaho ano sabadidak’ am’ Iehovà fito andro.
Ary amin’ ny andro fahadimy ambin’ ny folo amin’ ny volana fahafito dia hisy fivoriana masìna ho anareo; aza manao tao-zavatra akory, fa mitandrema ny andro firavoravoana hafitoana ho an’ i Jehovah.
13 Mañengà soroñe, engan-koroañe ho hàñin-kanintsiñe am’ Iehovà: bania folo-telo’ amby, añondrilahy roe naho vik’ añondrilahy folo-efats’ amby, songa tsy aman-kandra.
Ary izao no atero ho fanatitra dorana, dia fanatitra atao amin’ ny afo ho hanitra ankasitrahana ho an’ i Jehovah: vantotr’ ombilahy telo ambin’ ny folo sy ondrilahy roa ary zanak’ ondry efatra ambin’ ny folo, izay iray taona avy sady tsy misy kilema.
14 Ty enga-mahakama’ iareo, le mona linaro menake: songa ty faha­folo’e telo i bania folo-telo’amby rey, sindre ty faha­folo’e roe i añondrilahy roe rey,
ary koba tsara toto voaharo diloilo ho fanatitra hohanina momba azy (telo ampahafolon’ ny efaha amin’ ny isam-bantotr’ ombilahy, dia ny vantotr’ ombilahy telo ambin’ ny folo, ary roa ampahafolon’ ny efaha amin’ ny isan-ondrilahy, dia ny ondrilahy roa
15 vaho sambe ty fahafolo’e i vik’ añondrilahy folo-efats’ amby rey
ary ampahafolon’ ny efaha amin’ ny isan-janak’ ondry, dia ny zanak’ ondry efatra ambin’ ny folo)
16 le ty vik’ose ho engan-kakeo, tovo’ i soroñe boak’ andro rey, naho i enga-mahakama’ey naho i enga-rano’ey.
ary osilahy iray ho fanatitra noho ny ny ota, ho fanampin’ ny fanatitra dorana mandrakariva sy ny fanatitra hohanina momba azy ary ny fanatitra aidina momba azy.
17 Amy andro faha-roey: bania folo-ro’ amby; añondrilahy roe, vik’ añondry folo-efats’ amby tsy aman-kandra,
Ary amin’ ny andro faharoa koa dia vantotr’ ombilahy roa ambin’ ny folo sy ondrilahy roa ary zanak’ ondry efatra ambin’ ny folo, izay iray taona sady tsy misy kilema,
18 naho ty enga-mahakama naho enga-rano amy bania rey naho amy añondrilahy rey vaho amy vik’ añondrilahy rey, ty amy ia’ iareo naho i fañè’ey; le ty vik’oselahy ho engan-kakeo,
ary ny fanatitra hohanina momba azy sy ny fanatitra aidina momba azy, dia amin’ ny isam-bantotr’ ombilahy sy ny isan-ondrilahy ary ny isan-janak’ ondry, araka ny isany avy, araka ny fanao,
19 tovo’ i soroñe boak’ àndroy naho i enga-mahakama’ey vaho i enga-rano’ey.
ary osilahy iray ho fanatitra noho ny ota, ho fanampin’ ny fanatitra dorana mandrakariva, sy ny fanatitra hohanina momba azy ary ny fanatitra aidina momba azy.
20 Amy andro faha teloy: bania folo-raik’amby; añondrilahy roe, vik’ añondry folo-efats’amby tsy aman-kandra,
Ary amin’ ny andro fahatelo koa dia vantotr’ ombilahy iraika ambin’ ny folo sy ondrilahy roa ary zanak’ ondry efatra ambin’ ny folo, izay iray taona sady tsy misy kilema,
21 naho ty enga-mahakama naho enga-rano amy bania rey naho amy añondrilahy rey vaho amy vik’ añondrilahy rey, ty amy ia’ iareo naho i fañè’ey;
ary ny fanatitra hohanina momba azy sy ny fanatitra aidina momba azy, dia amin’ ny vantotr’ ombilahy sy ny ondrilahy ary ny zanak’ ondry, araka ny isany avy, araka ny fanao,
22 le vik’ oselahy raike ho engan-kakeo, tovo’ i soroñe boak’ àndroy naho i enga-mahakama’ey naho i enga-rano’ey.
ary osilahy iray ho fanatitra noho ny ota, ho fanampin’ ny fanatitra dorana mandrakariva, sy ny fanatitra hohanina momba azy ary ny fanatitra aidina momba azy.
23 Amy andro fahefatsey: bania folo, añondrilahy roe, vik’añondry folo-efats’ amby tsy aman-kandra,
Ary amin’ ny andro fahefatra koa dia vantotr’ ombilahy folo sy ondrilahy roa ary zanak’ ondry efatra ambin’ ny folo, izay iray taona sady tsy misy kilema,
24 naho ty enga-mahakama naho enga-rano amy bania rey naho amy añondrilahy rey vaho amy vik’ añondrilahy rey, ty amy ia’ iareo naho i fañè’ey;
ary ny fanatitra hohanina momba azy sy ny fanatitra aidina momba azy, dia amin’ ny vantotr’ ombilahy sy ny ondrilahy ary ny zanak’ ondry, araka ny isany avy, araka ny fanao,
25 le ty vik’oselahy ho engan-kakeo, tovo’ i soroñe boak’ àndroy naho i enga-mahakama’ey vaho i enga-rano’ey.
ary osilahy iray ho fanatitra noho ny ota, ho fanampin’ ny fanatitra dorana mandrakariva, sy ny fanatitra hohanina momba azy ary ny fanatitra aidina momba azy.
26 Amy andro fahalimey: bania sive, añondrilahy roe, vik’ añondry folo-efats’amby tsy aman-kandra,
Ary amin’ ny andro fahadimy koa dia vantotr’ ombilahy sivy sy ondrilahy roa ary zanak’ ondry efatra ambin’ ny folo, izay iray taona sady tsy misy kilema,
27 naho ty enga-mahakama naho enga-rano amy bania rey naho amy añondrilahy rey vaho amy vik’ añondrilahy rey, ty amy ia’ iareo naho i fañè’ey;
ary ny fanatitra hohanina momba azy sy ny fanatitra aidina momba azy, dia amin’ ny vantotr’ ombilahy sy ny ondrilahy ary ny zanak’ ondry, araka ny isany avy, araka ny fanao,
28 le ty vik’ oselahy ho engan-kakeo tovo’ i soroñe boak’ àndroy naho i enga-mahakama’ey vaho i enga-rano’ey.
ary osilahy iray ho fanatitra noho ny ota, ho fanampin’ ny fanatitra dorana mandrakariva, sy ny fanatitra hohanina momba azy ary ny fanatitra aidina momba azy.
29 Amy andro faheneñey: bania valo, añondrilahy roe, vik’ añondry folo-efats’amby tsy aman-kandra,
Ary amin’ ny andro fahenina koa dia vantotr’ ombilahy valo sy ondrilahy roa ary zanak’ ondry efatra ambin’ ny folo, izay iray taona sady tsy misy kilema,
30 naho ty enga-mahakama naho enga-rano amy bania rey naho amy añondrilahy rey vaho amy vik’ añondrilahy rey, ty amy ia’ iareo naho i fañè’ey;
ary ny fanatitra hohanina momba azy sy ny fanatitra aidina momba azy, dia amin’ ny vantotr’ ombilahy sy ny ondrilahy ary ny zanak’ ondry, araka ny isany avy, araka ny fanao,
31 le ty vik’ oselahy ho engan-kakeo tovo’ i soroñe boak’ àndroy naho i enga-mahakama’ey vaho i enga-rano’ey.
ary osilahy iray ho fanatitra noho ny ota, ho fanampin’ ny fanatitra dorana mandrakariva, sy ny fanatitra hohanina momba azy ary ny fanatitra aidina momba azy.
32 Amy andro faha-fitoy: bania fito, añondrilahy roe, vik’ añondry folo-efats’amby tsy aman-kandra,
Ary amin’ ny andro fahafito koa dia vantotr’ ombilahy fito sy ondrilahy roa ary zanak’ ondry efatra ambin’ ny folo, izay iray taona sady tsy misy kilema,
33 naho ty enga-mahakama naho enga-rano amy bania rey naho amy añondrilahy rey vaho amy vik’ añondrilahy rey, ty amy ia’ iareo naho i fañè’ey;
ary ny fanatitra hohanina momba azy sy ny fanatitra aidina momba azy, dia amin’ ny vantotr’ ombilahy sy ny ondrilahy ary ny zanak’ ondry, araka ny isany avy, araka ny fanao,
34 le ty vik’ oselahy ho engan-kakeo, tovo’ i soroñe boak’ àndroy naho i enga-mahakama’ey vaho i enga-rano’ey.
ary osilahy iray ho fanatitra noho ny ota, ho fanampin’ ny fanatitra dorana mandrakariva, sy ny fanatitra hohanina momba azy ary ny fanatitra aidina momba azy.
35 Amy andro faha-valoy le manoa fifanontoñañe miavake naho ko mitolon-draha.
Ary amin’ ny andro fahavalo dia hisy fara-fivoriana ho anareo; aza manao tao-zavatra akory.
36 Mañengà soroñe, banabana oroañe, hàñin-kanintsiñe am’ Iehovà: ty bania, le ty añondrilahy naho vik’ añondrilahy fito tsy aman-kandra,
Ary izao no atero ho fanatitra odorana, dia fanatitra atao amin’ ny afo ho hanitra ankasitrahana ho an’ i Jehovah: vantotr’ ombilahy iray sy ondrilahy iray ary zanak’ ondry fito, izay iray taona avy sady tsy misy kilema,
37 naho ty enga-mahakama naho enga-rano amy baniay naho amy añondrilahy rey vaho amy vik’ añondrilahy rey, ty amy ia’ iareo naho i fañè’ey;
ary ny fanatitra hohanina momba azy sy ny fanatitra aidina momba azy, dia amin’ ny vantotr’ ombilahy sy ny ondrilahy ary ny zanak’ ondry, araka ny isany avy, araka ny fanao,
38 le vik’oselahy raike ho engan-kakeo, tovo’ i soroñe boak’ àndroy naho i enga-mahakama’ey vaho i enga-rano’ey.
ary osilahy iray, ho fanatitra noho ny ota, ho fanampin’ ny fanatitra dorana mandrakariva, sy ny fanatitra hohanina momba azy ary ny fanatitra aidina momba azy.
39 Ie ty hengae’ areo am’ Iehovà amo andro namantañañeo, (mandikoatse ze enga-ava-panta ndra engan-tsatrin’ arofo’ areo) ho fisoroña’ areo naho ho enga-rano’ areo vaho ho engam-pañanintsi’ areoo.
Ireo no haterinareo ho an’ i Jehovah amin’ ny fotoam-pivavahanareo afa-tsy ny fanati-panalamboadinareo sy ny fanati-tsitraponareo izay aterinareo ho fanatitra dorana sy fanatitra hohanina sy fanatitra aidina ary fanati-pihavanana.
40 Aa le nitaroñe’ i Mosè amo ana’ Israeleo, ze hene nafanto’ Iehovà amy Mosèy.
Dia nolazain’ i Mosesy tamin’ ny Zanak’ Isiraely izany, araka izay rehetra efa nandidian’ i Jehovah azy.

< Nomery 29 >