< Nomery 26 >
1 Ie añe i angorosiy le nitsara amy Mosè naho i Elazare ana’ i Aharone mpisoroñe t’Iehovà nanao ty hoe:
Ary rehefa afaka ny areti-mandringana, dia hoy Jehovah tamin’ i Mosesy sy Eleazara, zanak’ i Arona mpisorona:
2 Volilio o valobohò’ Israeleo, ze roapolo taoñe mañambone, amo anjomban-droae’ iareoo, ze hene mahafiatrek’ aly e Israele ao.
Alao isa ny fiangonana, dia ny Zanak’ Isiraely rehetra, hatramin’ ny roa-polo taona no ho miakatra, araka ny fianakaviany avy, dia izay rehetra amin’ ny Isiraely azo halefa hanafika.
3 Aa le nisaontsy am’ iereo t’i Mosè naho i Elazare a montom-bei’ i Moabe marine’ Iardeney tandrife Ierikò, ami’ ty hoe:
Ary Mosesy sy Eleazara mpisorona dia nilaza taminy teo Arbota-moaba, teo amoron’ i Jordana tandrifin’ i Jeriko, ka nanao hoe:
4 Volilio ondatio, ze roapolo taoñe mañambone, ami’ty nandilia’ Iehovà i Mosè, naho o ana’ Israele niavotse an-tane Mitsraimeo:
Ny hatramin’ ny roa-polo taona no ho miakatra no alao isa; araka izay nandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy sy ny Zanak’ Isiraely izay nivoaka avy tany amin’ ny tany Egypta.
5 I Reòbene ty tañoloñoloña’ Israele. O tarira’ i Reòbeneo: boak’ amy Hanoke, o nte-Hanokeo; boak’ amy Palò o nte-Palòo,
Robena, lahimatoan’ Isiraely; ary ny zanak’ i Robena dia Hanoka sy ny fokon’ ny Hanokita; avy tamin’ i Palo ny fokon’ ny Paloïta;
6 boak’ amy Ketsrone o nte-Ketsroneo, boak’ amy Karmý o nte-Karmio.
avy tamin’ i Hezrona ny fokon’ ny Hezronita; avy tamin’ i Karmy ny fokon’ ny Karmita.
7 Zao o hasavereña’ o nte-Reòbeneoo: ze niaheñe ama’e ni-efats’ ale-tsi-telo-arivo-tsi-fiton-jato-tsi-telopolo.
Ireo no fokon’ ny Robenita; ary izay voalamina taminy dia telo-polo amby fiton-jato sy telo arivo sy efatra alina.
8 Le o tarira’ i Palòo: i Eliabe,
Ary ny zanak’ i Palo dia Eliaba.
9 o ana’i Eliabeo: i Nemoele, i Datane, i Abirame nisolom-bata’ i valobohòkeiy nirekets’ amy Korahke, ie niola amy Mosè naho i Aharone vaho niola am’ Iehovày,
Ary ny zanak’ i Eliaba dia Nemoela sy Datana ary Abìrama. Ireo dia ilay Datana sy Abìrama, olom-boafidin’ ny fiangonana, izay nila ady tamin’ i Mosesy sy Arona, teo amin’ ny antokon’ i Kora, raha nila ady tamin’ i Jehovah izy,
10 ie nanokafa’ i taney vava, nampigedrañ’e i Korahke naho nañomake i màroy, vaho namorototo indaty roanjato-tsi-limampolo rey añ’afo, hanjaria’ iareo hatahata.
ary nisokatra ny tany ka nitelina azy mbamin’ i Kora, tamin’ ny nahafatesan’ izany antokony izany, ary levon’ ny afo koa ny dimam-polo amby roan-jato lahy ka tonga fananarana.
11 Fe tsy nihomake o ana’ i Korahkeo.
Kanefa ny zanak’ i Kora tsy mba maty.
12 O tarira’ i Simone amo hasavereña’eoo boak’amy Nemoele o nte-Nemoeleo, boak’ am’ Iamine o nte-Iamineo, boak’ am’ Iakine o nte-Iakineo,
Ny taranak’ i Simeona, araka ny fokony, dia izao: avy tamin’ i Nemoela ny fokon’ ny Nemoelita; avy tamin’ i Jamina ny fokon’ ny Jaminita; avy tamin’ i Jakina ny fokon’ ny Jakinita;
13 boak’amy Zerake o nte-Zerakeo, boak’ amy Saòle o nte-Saòleo;
avy tamin’ i Zera ny fokon’ ny Zerita; avy tamin’ i Saoly ny fokon’ ny Saolita.
14 zao o hasavereña’ i Simoneo: ro’ ale-tsi-ro’ arivo-tsi-roan-jato.
Ireo no fokon’ ny Simeonita, dia roanjato amby roa arivo sy roa alina.
15 O tarira’ i Gade amo hasavereña’eoo: boak’ amy Tsefone o nte-Tsefoneo, boak’ amy Kagý o nte-Kagio; boak’ amy Soný o nte-Sonìo;
Ny taranak’ i Gada, araka ny fokony, dia izao: avy tamin’ i Zefona ny fokon’ ny Zefonita; avy tamin’ i Hagy ny fokon’ ny Hagita; avy tamin’ i Sony ny fokon’ ny Sonita;
16 boak’ amy Ozný o nte-Oznio, boak’ amy Airý o nte-Airio;
avy tamin’ i Ozny ny fokon’ ny Oznita; avy tamin’ i Erỳ ny fokon’ ny Erita;
17 boak’ amy Arode o nte-Arodeo, boak’ amy Arelý o nte-Arelio;
avy tamin’ i Aroda ny fokon’ ny Arodita; avy tamin’ i Arely ny fokon’ ny Arelita.
18 zao o hasavereña’ i Gadeo, amo niaheñe ama’eo, efats’ale-tsi-liman-jato.
Ireo no fokon’ ny zanak’ i Gada, araka izay voalamina taminy, dia diman-jato amby efatra alina
19 Ty ana’ Iehodà, i Ere naho i Onane; fe nihomak’ an-tane Kanàne añe t’i Ere naho i Onane,
Ny zanak’ i Joda dia Era sy Onana; kanefa Era sy Onana dia maty tany amin’ ny tany Kanana ihany.
20 le o tarira’ Iehodà an-kasavereña’eo: boak’amy Selà o nte-Selao; boak’ amy Peretse o nte-Peretseo; boak’ amy Zèrake o nte-Zèrakeo.
Ary ny taranak’ i Joda, araka ny fokony, dia izao: avy tamin’ i Sela ny fokon’ ny Selita; avy tamin’ i Fareza ny fokon’ ny Farezita; avy tamin’ i Zera ny fokon’ ny Zerita.
21 Le ty ana’ i Peretse: boak’ amy Ketsròne o nte-Ketsroneo; le boak’ amy Kamòle o nte-Kamoleo.
Ary ny taranak’ i Fareza dia izao: avy tamin’ i Hezrona ny fokon’ ny Hezronita; avy tamin’ i Hamola ny fokon’ ny Hamolita.
22 Zao o hasavereña’ Iehodà amo niaheñeoo: fito-ale-tsi-eneñ’arivo-tsi-liman-jato.
Ireo no fokon’ i Joda, araka izay voalamina taminy, dia diman-jato amby enina arivo sy fito alina.
23 O tarira’ Isakhare amo hasavereña’eoo: boak’ amy Tolà o nte-Tolào; boak’ amy Poà o nte-Poao;
Ny taranak’ Isakara, araka ny fokony, dia izao: avy tamin’ i Tola ny fokon’ ny Tolita; avy tamin’ i Pova ny fokon’ ny Povita;
24 boak’am’ Iasòbe o nte-Iasobeo; boak’ amy Simrone o nte-Simroneo;
avy tamin’ i Jasoba ny fokon’ ny Jasobita; avy tamin’ i Simrona ny fokon’ ny Simronita,
25 zao o hasavereña’ Isakhare amo niaheñeoo: eneñ’ale-tsi-efats’ arivo-tsi-telonjato.
Ireo no fokon’ Isakara, araka izay voalamina taminy, dia telon-jato amby efatra arivo sy enina alina.
26 O tarira’ i Zebolone amo hasavereña’eoo: boak’ amy Serede o nte-Seredeo; boak’amy Elone o nte-Eloneo; boak’am’ Iakleèle o nte-Iakleeleo;
Ny taranak’ i Zebolona, araka ny fokony, dia izao: avy tamin’ i Sereda ny fokon’ ny Seredita; avy tamin’ i Elona ny fokon’ ny Elonita; avy tamin’ i Jahalela ny fokon’ ny Jahalelita.
27 zao o hasavereña’ i Zeboloneo amo niaheñeo: eneñ’ ale-tsi-liman-jato.
Ireo no fokon’ ny Zebolonita, araka izay voalamina taminy, dia diman-jato amby enina alina.
28 Ty ana’ Iosèfe amo tarira’ i Menasè naho i Efraimeo: O tarira’ i Menasè amo hasavereña’eoo:
Ny zanak’ i Josefa, araka ny fokony, dia Manase sy Efraima.
29 boak’amy Makìre o nte-Makireo, le nasama’ i Makìre t’i Gilàde, o hasavereña’ Gilàdeo;
Ny taranak’ i Manase dia izao: avy tamin’ i Makira ny fokon’ ny Makirita; ary Makira niteraka an’ i Gileada; avy tamin’ i Gileada ny fokon’ ny Gileadita.
30 zao ro ana’ i Gilade: boak’ am’ Ièzere o nte-Iezereo; boak’ amy Kàileke o nte-Kailekeo;
Izao no taranak’ i Gileada: avy tamin’ i Jezera ny fokon’ ny Jezerita; avy tamin’ i Heleka ny fokon’ ny Helekita;
31 boak’ amy Asrièle o nte-Asrieleo; boak’ amy Sèkeme o nte-Sèkemeo; boak’
ary avy tamin’ i Asriela ny fokon’ ny Asrielita; ary avy tamin’ i Sekema ny fokon’ ny Sekemita;
32 amy Semidà o nte-Semidao; boak’ amy Kàifere o nte-Kaifereo;
ary avy tamin’ i Semida ny fokon’ ny Semidita; ary avy tamin’ i Hefera ny fokon’ ny Heferita.
33 tsy nanañ’ anadahy t’i Tselofekhàde ana’ i Kàifere; ty añara’ o anak’ ampela’eo le Maklà, i Noà, i Koglà, i Milkà, vaho i Tirtsà.
Ary Zelofada, zanak’ i Hefera, tsy mba nanan-janakalahy, fa zanakavavy ihany; ary ny anaran’ ny zanakavavin’ i Zelofada dia Mahala sy Noa sy Hogla sy Milka ary Tirza.
34 O niaheñe amo hasavereña’ i Menasèo: lime-ale-tsi-ro’arivo-tsi-fitonjato.
Ireo no fokon’ i Manase; ary izay voalamina taminy dia fiton-jato amby roa arivo amby dimy alina.
35 O tarira’ i Efraime amo hasavereña’eoo: boak’ amy Sotèlake o nte-Sotèlakeo; boak’ amy Bèkere o nte-Bekereo; boak’ amy Tàkane o nte-Takaneo;
Izao no taranak’ i Efraima, araka ny fokony: avy tamin’ i Sotela ny fokon’ ny Sotelita; avy tamin’ i Bekera ny fokon’ ny Bekerita; avy tamin’ i Tahana ny fokon’ ny Tahanita.
36 le amo ana’ i Sotèlakeo: boak’ amy Eràne o nte-Eraneo.
Ary izao no taranak’ i Sotela: avy tamin’ i Erana ny fokon’ ny Eranita.
37 Aa o niaheñe amo hasavereña’ i Efraimeoo: telo-ale-tsi-ro’ arivo-tsi-liman-jato. Izay o tarira’ Iosèfe amo hasavereña’eoo.
Ireo no fokon’ ny taranak’ i Efraima, araka izay voalamina taminy, dia diman-jato amby roa arivo sy telo alina. Ireo no taranak’ i Josefa araka ny fokony.
38 O tarira’ i Beniamène amo hasavereña’eoo: boak’ amy Bèla o nte-Belao; boak’ amy Asbèle o nte-Asbeleo; boak’ amy Akiràme o nte-Akirameo;
Ny taranak’ i Benjamina, araka ny fokony, dia izao: avy tamin’ i Bela ny fokon’ ny Belita; avy tamin’ i Asibela ny fokon’ ny Asibelita; avy tamin’ i Ahirama ny fokon’ ny Ahiramita;
39 boak’ amy Sefofàme o nte-Sefofameo; boak’ amy Kofàme o nte-Kofameo.
avy tamin’ i Sefofama ny fokon’ ny Sefofamita; avy tamin’ i Hofama ny fokon’ ny Hofamita.
40 O ana’ i Belao: i Arde naho i Naamàne: boak’ amy Arde o nte-Ardeo; boak’ amy Naamane o nte-Naamaneo.
Ary ny taranak’ i Bela dia Arda sy Namana; dia ny fokon’ ny Ardita; ary avy tamin’ i Namana ny fokon’ ny Namanita.
41 Aa o niaheñe amo hasavereña’ i Beniamèneoo: efats’ ale-tsi-lime-arivo-tsi-enenjato.
Ireo no taranak’ i Benjamina araka ny fokony; ary izay voalamina taminy dia enin-jato amby dimy arivo sy efatra alina.
42 O tarira’ i Dane amo hasavereña’eoo: boak’ amy Sokàme o nte-Sokameo; Zao o tarira’ i Dane amo hasavereña’eoo;
Izao no taranak’ i Dana, araka ny fokony: avy tamin’ i Sohama ny fokon’ ny Sohamita. Ireo no fokon’ i Dana, araka ny fokony.
43 le ty ia’ o nte-Sokàmeo amo niaheñeo: eneñ’ ale-tsi-efats’ arivo-tsi-efa-jato.
Ny fokon’ ny Sohamita rehetra, araka izay voalamina taminy, dia efa-jato amby efatra arivo sy enina alina.
44 O tarira’ i Asere amo hasavereña’eoo: boak’ am’ Imnà o nte-Imnao; boak’am’ Isvý o nte-Isvìo; boak’ amy Berìa o nte-Beriao.
Ny taranak’ i Asera, araka ny fokony dia izao: avy tamin’ i Jimna ny fokon’ ny Jimnita; avy tamin’ i Jisvy ny fokon’ ny Jisvita; avy tamin’ i Bena ny fokon’ ny Berita;
45 Aa naho o ana’ i Beriao: boak’ amy Kèbere o nte-Kèbereo; boak’ amy Malkièle o nte-Malkieleo;
avy tamin’ ny zanak’ i Bena dia izao: avy tamin’ i Hebera ny fokon’ ny Heberita; avy tamin’ i Malkiela ny fokon’ ny Malkielita.
46 le Sèrake ty tahina’ ty anak’ ampela’ i Asere.
Ary ny anaran’ ny zanakavavin’ i Asera dia Sera.
47 Zao o tarira’i Asere amo hasavereña’e niaheñeoo lime-ale-tsi-telo-arivo-tsi-efa-jato.
Ireo no fokon’ ny taranak’ i Asera, araka izay voalamina taminy, dia efa-jato amby telo arivo sy dimy alina.
48 O tarira’i Naftalý an-kasavereña’eo: boak’ am’ Iaktseèle o nte-Iaktseèleo; boak’ amy Goný o nte-Gonio;
Ny taranak’ i Naftaly, araka ny fokony, dia izao: avy tamin’ i Jaziela ny fokon’ ny Jazielita; avy tamin’ i Gony ny fokon’ ny Gonita;
49 boak’ am’ Iètsere o nte-Iètsereo; boak’ amy Silème o nte-Silemeo;
avy tamin’ i Jezera ny fokon’ ny Jezerita; avy tamin’ i Silema ny fokon’ ny Silemita.
50 Zao o tarira’ i Asere amo hasavereña’e niaheñeo: efats’ ale-tsi-lime-arivo-tsy efa-jato.
Ireo no fokon’ i Naftaly araka ny fokony; ary izay voalamina taminy dia efa-jato amby dimy arivo sy efatra alina.
51 Aa le ty ia’ o ana’ Israele niaheñeo: enen-ketse-tsi-arivo-tsi-fitonjato-tsi-telopolo.
Ireo no voalamina tamin’ ny Zanak’ Isiraely, dia telo-polo amby fiton-jato sy arivo sy enina hetsy.
52 Le hoe ty nitsara’ Iehovà amy Mosè:
Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:
53 Amo retiañe ty anjaràñe i taney ho lova ty ami’ty ia’ o tahinañeo.
Ireo no hizarana ny tany ho lovany, araka ny isany.
54 Ho tolora’o lova bey ty maro le hanjarà’o lova kede ty tsy ampeampe; songa hanoloran-dova ami’ty hamaro’ o vinolily ama’eo.
Ny maro isa homenao zara-tany bebe kokoa, ary ny vitsy isa homenao kelikely kokoa; samy araka ny voalamina taminy no hanomezana ny zara-taniny.
55 Le an-tsapake ty hanjarañe i taney; ami’ty tahinan-droae’ o fifokoañeo ty handovà’ iareo aze.
Kanefa filokana no hizarana ny tany; araka ny anaran’ ny firenen’ ny razany no hahazoany zara-tany.
56 Tsato-piso ty hanjarañe i lovay añivo’ ty maro naho ty tsy ampeampe.
Dia filokana no hizarana ny tany ho lovany, na ny ho an’ ny maro, na ny ho an’ ny vitsy.
57 Le zao ty famoliliañe o nte-Levio amo amori’eo: boak’ amy Geresòne o nte-Geresoneo, boak’ amy Kehàte o nte-Kehàteo; boak’amy Merarý o nte-Merario;
Ary izao no voalamina tamin’ ny taranak’ i Levy, araka ny fokony: avy tamin’ i Gersona ny fokon’ ny Gersonita; avy tamin’ i Kehata ny fokon’ ny Kehatita; avy tamin’ i Merary ny fokon’ ny Merarita.
58 le zao ty hasavereña’ o nte-Levio: ty hasavereña’ o nte-Libnìo, ty hasavereña’ o nte-Kebronio, ty hasavereña’ o nte-Maklìo; ty hasavereña’ o nte-Mosìo; vaho ty hasavereña’ o nte-Korahkìo. Le nisamake i Amrame t’i Kehate;
Izao no fokon’ i Levy: ny fokon’ ny Libnita, ny fokon’ ny Hebronita, ny fokon’ ny Mahalita, ny fokon’ ny Mosita, ny fokon’ ny Koralta. Ary Kehata niteraka an’ i Amrama.
59 Iokèbede ana’ i Levy ty tahina’ ty vali’ i Amrame, nasama’ i Amrame t’i Aharone naho i Mosè vaho i Miriame rahavave’ iareo.
Ary ny anaran’ ny vadin’ i Amrama dia Jokebeda, zanakavavin’ i Levy, izay naterany tany Egypta; dia niteraka an’ i Arona sy Mosesy ary Miriama anabaviny tamin’ i Amrama izy.
60 Nasama’ i Aharone t’i Nadàbe naho i Abihò naho i Elazare vaho Itamare;
Ary ny naterak’ i Arona dia Nadaba sy Abiho sy Eleazara ary Itamara.
61 sambe nihomake t’i Nadabe naho i Abiho, ie nañenga afo tsie am’ Iehovà.
Fa maty Nadaba sy Abiho tamin’ izy nanatitra afo tsy izy teo anatrehan’ i Jehovah.
62 Ty ia’ o niaheñe am’ iereoo: ro’ale-tsi-telo-arivo, songa lahilahy vola’e raike mañambone; ie tsy niaheñe amo ana’ Israeleo, amy te tsy nanoloran-dova amo ana’Israeleo.
Ary izay voalamina taminy dia telo arivo amby roa alina, dia ny lahy rehetra hatramin’ ny iray volana no ho miakatra; fa tsy niaraka nalamina tamin’ ny Zanak’ Isiraely izy, satria tsy mba nomena zara-tany teo amin’ ny Zanak’ Isiraely.
63 Irezay ty namolilia’ i Mosè naho i Elazare mpisoroñe, ie namolily o ana’ Israeleo an-tanemira’ i Moabe añ’olo’ Iardeney tandrife’ Ierikò eo.
Ireo no voalamin’ i Mosesy sy Eleazara mpisorona, izay nandamina ny Zanak’ Isiraely teo Arbota-moaba, teo amoron’ i Jordana tandrifin’ i Jeriko.
64 Le amo vinolilio, leo raike tsy niahe’ i Mosè naho i Aharone mpisoroñe tamy famoliliañe o ana’ Israeleo am-patrambey Sinaiy.
Ary tamin’ ireo dia tsy nisy olona avy tamin’ izay efa voalamin’ i Mosesy sy Arona mpisorona tamin’ izy nandamina ny Zanak’ Isiraely tany an-efitr’ i Sinay.
65 Amy tsinara’ Iehovà am’ iareo ty hoe: Toe hivetrak’ am-patrambey ao iereo, aa le tsy nengàn-dahilahy naho tsy i Kalebe ana’ Iefone naho Iehosoa ana’ i None avao.
Fa Jehovah efa nilaza azy hoe: Ho faty any an-efitra tokoa ireo. Koa dia tsy nisy olona sisa tamin’ ireny afa-tsy Kaleba, zanak’ i Jefone, sy Josoa, zanak’ i Nona, ihany.