< Nomery 17 >
1 Le hoe ty nitsara’ Iehovà amy Mosè:
Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:
2 Misaontsia amo ana’ Israeleo naho mangala kobay amo anjomban-droae iabio, ze talèn’ anjomban-droae—kobay folo-ro’amby, ie songa hanokitse ty tahina’e amy kobai’ey.
Mitenena amin’ ny Zanak’ Isiraely, ka analao tehina iray avy araka ny fianakaviany izy, ka ny lohan’ ny fireneny rehetra araka ny fianakaviany avy no hanalana azy, dia tehina roa ambin’ ny folo; ary samy soraty eo amin’ ny tehiny avy ny anaran’ izy rehetra.
3 Le sokiro an-kobai’ i Levy eo ty tahina’ i Aharone. Sindre kobain-droae raike ami’ty talèn’ anjomban-droae’ey, vaho
Fa ny anaran’ i Arona no hosoratanao amin’ ny tehin’ i Levy; fa tehina iray avy no ho an’ ny lohan’ ny fianakaviany.
4 apoho an-kibohom-pamantañañe aolo’ i fañina fifampikaoñan-tikañey.
Dia hataonao ao amin’ ny trano-lay fihaonana ireo, dia eo anoloan’ ny Vavolombelona, izay ihaonako aminareo.
5 Ie amy zao, hitaroke ty kobai’ ondaty ho joboñeko; le hijihetse ty fitoreo’ o ana’ Israeleo amako, i fiñeoñeoñe ama’o lomoñandroy.
Ary ny tehin’ ny lehilahy izay hofidiko dia hitsimoka; ka dia hampanginiko ny fimonomononan’ ny Zanak’ Isiraely amiko, izay imonomononany aminareo.
6 Aa le nisaontsy amo ana’ Israeleo t’i Mosè vaho songa nanolotse kobay raike o talèo, ty aman-talèn’ anjomban-droae’e; kobay folo-ro’ amby; le nitraok’ amo kobai’ iareoo ty kobai’ i Aharone
Ary Mosesy dia niteny tamin’ ny Zanak’ Isiraely, ka ny lohan’ ny firenena dia samy nanatitra tehina iray avy teo aminy araka ny fianakaviany, dia tehina roa ambin’ ny folo; ary ny tehin’ i Arona dia teo afovoan’ ireo tehiny ireo.
7 vaho napo’ i Mosè añatrefa’ Iehovà amy kibohom-pañinay i kobaiñe rey.
Dia napetrak’ i Mosesy teo anatrehan’ i Jehovah, dia tao amin’ ny trano lain’ ny Vavolombelona ireo tehina ireo.
8 Aa naho nimoak’ amy kibohom-pañinay t’i Mosè te loak’andro, hehe te nitaroke naho namotiboty naho namòñe vaho namoa mahabibo àñoñe ty kobai’ i Aharone añ’anjomba’ i Levy.
Ary nony ampitso dia niditra tao amin’ ny trano-lain’ ny Vavolombelona Mosesy, ary indro fa nitsimoka ny tehin’ i Arona, izay ho an’ ny taranak’ i Levy, dia nanaroka sy namony ka namoa amygdala.
9 Le naaka’ i Mosè boak’ añatrefa’ Iehovà mb’ amo ana’ Israele iabio i kobay rey; nahaisake iereo vaho sambe nandrambe ty kobai’e.
Dia nentin’ i Mosesy nivoaka hiala eo anatrehan’ i Jehovah ny tehina rehetra, ho eo amin’ ny Zanak’ Isiraely rehetra; dia nijery izy, ka samy nandray ny tehiny avy.
10 Le hoe t’Iehovà amy Mosè, Ampolio aolo’ i fañinay ty kobai’ i Aharone ho viloñe amo manjehatseo, hampigadoñe ty fañinjea’ iareo ahy tsy mone hikenkañe.
Dia hoy Jehovah tamin’ i Mosesy: Avereno ny tehin’ i Arona ho eo anoloan’ ny Vavolombelona, hotehirizina ho famantarana ho an’ ny mpiodina, ka dia hatsahatrao hiala amiko ny fimonomononany, mba tsy ho faty izy.
11 Aa le nanoe’ i Mosè izay; i nandilia’ Iehovà azey ty nanoe’e.
Dia nataon’ i Mosesy izany; araka izay efa nandidian’ i Jehovah azy no nataony.
12 Le hoe o ana’Israeleo amy Mosè, Mihamomoke zahay, motso, fonga mongotse!
Dia niteny tamin’ i Mosesy ny Zanak’ Isiraely ka nanao hoe: Indro, maty izahay, ringana izahay, eny, ringana avokoa izahay rehetra.
13 Ndra iaia mitotoke mb’eo, naho mañarine i kivoho’ Iehovày le havetrake. Kila hibanìtse hao zahay?
Ho faty izay rehetra manakaiky, dia izay manakaiky ny tabernakelin’ i Jehovah; ho lany maty va izahay?