< Marka 4 >
1 Ie niorotse nañoke añ’olon-driake eo indraike le akore ty hamaron-dahialeñe nihipoke ama’ey kanao nijon-dakañe le niambesatse an-driake ey, vaho tañ’ olotse, an-tamboho ey i màroy.
Ary nampianatra teo amoron’ ny ranomasina indray Jesosy; ary nisy vahoaka betsaka nanatona Azy, dia niditra teo an-tsambokely Izy ka nipetraka teo amin’ ny ranomasina; ary ny vahoaka rehetra dia teny an-tanety amoron-dranomasina.
2 Le nitaroña’e raha maro am-pandrazàñañe, vaho hoe re te nañoke:
Ary nampianatra azy zavatra maro tamin’ ny fanoharana Izy ka nilaza tamin’ ny fampianarany azy hoe:
3 Inao: Teo te niavotse mb’eo ty mpandrara-tabiry handrarake.
Mihainoa: Indro, nivoaka ny mpamafy mba hamafy.
4 Ie nandrarake, le nipoke añ’ olon-dalañe eo ty ila’e vaho nimb’eo o voroñeo nitsimok’ aze.
Ary raha namafy izy, ny sasany dia voafafy teny amoron-dalana, dia avy ny vorona ka nandany izany.
5 Ty ila’e nipoke ami’ty lamilamy marivo tane, fe nitiry aniany, amy te tsy nilaleke i taney,
Ary ny sasany dia voafafy teny amin’ ny tany marivo ambony vatolampy; dia nalaky nitrebona ireny, satria tsy nisy tany lalina.
6 ie nanjirike i àndroy, fe nimae, vaho niforejeje amy te tsy niam-bahatse.
Fa rehefa niposaka ny masoandro, dia nalazo ireny; ary satria tsy nanam-paka, dia maty izy.
7 Nipoke am-patike ao ka ty ila’e, fe nitiram-patike nampidageañe aze vaho tsy namoa.
Ary ny sasany dia voafafy teny amin’ ny tsilo; ary ny tsilo naniry ka nangeja azy, dia tsy namoa izy.
8 Ty ila’e nipoke an-tane hoba, le nitiry naho nandrevake vaho namokatse, teo ty telo-polo, teo ty enem-polo, vaho teo ty zato.
Ary ny sasany dia voafafy teny amin’ ny tany tsara, ary raha naniry sy namoa, dia vokatra, fa namoa: ny sasany avy telo-polo heny, ary ny sasany avy enim-polo heny, ary ny sasany avy zato heny.
9 Le hoe re: Ze aman-dravembia mahajanjiñe, Le mijanjiña.
Ary hoy Izy: Izay manan-tsofina ho enti-mihaino, aoka izy hihaino.
10 Ie nitolake, le nañontanea’ o mpiama’eo naho i folo ro’amby rey i nirazañe’ey,
Ary raha tao amin’ ny mangingina Izy, dia nanontany Azy ny amin’ ny fanoharana ireo nomba Azy mbamin’ ny roa ambin’ ny folo lahy.
11 vaho nanoa’e ty hoe: Inahareo ro nitolorañe ty tafatoño’ i Fifehean’ Añaharey, fe hene razañeñe o alafe’eo
Ary hoy Izy taminy: Hianareo no efa nomena ny zava-miafina ny amin’ ny fanjakan’ Andriamanitra; fa amin’ ireny izay any ivelany kosa ny zavatra rehetra dia atao amin’ ny fanoharana;
12 soa te: ie miisake, ro hañisake fe tsy hahaoniñe; ie mitsendreñe, ro hijanjiñe, fe tsy haharendreke; ke hitolike, vaho ho hahàñe o tahi’iareoo.
mba hijery mandrakariva ihany izy, fa tsy hahita; ary mba handre mandrakariva ihany izy, fa tsy hahafantatra; fandrao hibebaka izy, ka havela ny helony.
13 Le hoe re tam’ iereo: Tsy nirendre’ areo hao i ohatse zay? aa le akore ty haharendreha’ areo o fandrazañañe iabio?
Ary hoy Izy taminy: Tsy azonareo va ilay fanoharana teo? koa hataonareo ahoana no fahafantatra ny fanoharana rehetra?
14 Mandrarake o tsarao i mpandrarakey.
Ny mpamafy dia mamafy ny teny.
15 O añ’olon-dalañeo, amy nandrarahañe i tsaraiy, ie mijanjiñe, pok’eo aniany i mpañìnjey manoitse i tsara nararake am’ iareoy.
Ary ireto no ilay teo amoron-dalana, dia izay amafazana ny teny, fa rehefa nandre izy, dia avy miaraka amin’ izay Satana ka manaisotra ny teny izay nafafy tao aminy.
16 Manahake izay o nararake am-batovatoeñeo, ie mahatsendreñe i tsaray le mandrambe aze an-kaehake amy zao;
Ary tahaka izany koa, ireto no ilay voafafy teny amin’ ny tany marivo ambony vatolampy, dia izay mandre ny teny ka malaky mandray izany amin’ ny hafaliana;
17 f’ie tsy amam-bahatse, le aniany avao te mitojeha ty hasilofañe ndra ty fampisoañañe ty amy tsaray le torifike iareo.
nefa tsy manam-paka ao anatiny ireny, fa maharitra vetivety foana; koa rehefa afaka izany, ka tonga izay fahoriana na fanenjehana noho ny teny, dia tafintohina miaraka amin’ izay izy.
18 I nararake am-patike ao rezay, le o mijanjiñe i tsaraio,
Ary misy hafa koa izay voafafy teny amin’ ny tsilo, dia ireo no ilay nandre ny teny,
19 fe mitsamoake ao ty fihakahaka’ ty tane toy, naho ty hakalitaha’ o varao, naho ty hatea-raha ila’e, ze mahadageañe i tsaray tsy hamokatse. (aiōn )
fa ny fiahiahiana izao fiainana izao sy ny fitaky ny harena ary ny filàna ny zavatra hafa miditra, dia mangeja ny teny, ka tsy mamoa izy. (aiōn )
20 O retoañe nararake an-tane soao, le mijanjiñe i tsaray naho mandrambe aze vaho mamokatse: eo ty telo-polo, eo ty enem-polo, vaho eo ty zato.
Ary ireto no ilay voafafy teny amin’ ny tany tsara, dia izay mandre ny teny ka mandray azy dia mamoa: ny sasany avy telo-polo heny, ny sasany avy enim-polo heny, ary ny sasany avy zato heny.
21 Le hoe re tam’ iereo: Endeseñe ho rongonan-karoñe hao ty jiro? ke hazilike ambane fandreañe ao? tsy hàmake t’ie apoke am-panampezan-jiro ey hao?
Ary hoy Izy taminy: Moa entina va ny jiro mba hosaronan’ ny vata famarana, na hatao ao ambanin’ ny farafara? Tsy hatao amin’ ny fanaovan-jiro va izy?
22 Toe tsy ao ty naetake ze tsy ho bentareñe, vaho tsy ao ty nitsikoeñe ze tsy ho boraheñe.
Fa tsy misy takona izay tsy ho hita, na miafina izay tsy haseho.
23 Ze aman-dravembia hijanjiñe, Mijanjiña.
Raha misy olona manan-tsofina ho enti-mihaino, aoka izy hihaino.
24 Le hoe re tam’ iereo: Ereñereo o janjiñe’ areoo; fa ami’ty fañarànañe añaràna’ areo ro añarànañe ama’ areo vaho ho tompeañe ama’areo mijanjiñe.
Ary hoy Izy taminy: Diniho izay teny renareo; araka ny ohatra anoharanareo ihany no hanoharana ho anareo, ary homena mihoatra aza ianareo.
25 Ho tovoñeñe ze manañe, fa ami’ty tsy manañe ndra ty kedekedek’ ama’e ro sintoneñe.
Fa izay manana no homena; ary ny amin’ ny tsy manana, na dia izay ananany aza dia halaina aminy.
26 Le hoe re: Razañeñe amy t’indaty mandrarake tabiry an-tane eo i Fifehean’ Añaharey,
Ary hoy Izy: Toy izao ny fanjakan’ Andriamanitra: tahaka ny lehilahy mamafy voa amin’ ny tany
27 mirotse re te haleñe naho mitroatse boak’ andro; mitiry naho mitombo i tabiriy, fe tsy apota’e te manao akore.
ka matory sy mahatsiaro isan’ alina sy isan’ andro; ary ny voa dia mitsimoka ka maniry, nefa tsy fantany ny faniriny
28 Mampitiry ho aze i taney: i losoy aolo, le i toka-tsofi’ey, vaho izay o voa’e matoe an-doha’eo.
Fa ny tany mahavokatra ho azy: voalohany misy tahony, dia teraka, ary rehefa izany, dia feno voa.
29 Ie rifo le ahitri’e i mesoy fa tondroke ty fitatahañe.
Fa rehefa azo jinjana izy, dia jinjany miaraka amin’ izay, fa efa tonga ny fararano.
30 Hoe ka re: Inoñe ty handrazañan-tika i Fifehean’ Añaharey? Ohatse manao akore ty ampidodean-tika aze?
Ary hoy Izy: Ahoana no hanoharantsika ny fanjakan’ Andriamanitra, ary inona no fanoharana hanoharantsika azy?
31 Ampanahafeñe ami’ty voa-nonoke, ie amboleañ’ an-tane ro kede amy ze tabiry an-tane atoy;
Tahaka ny voantsinapy izy, izay kely noho ny voa rehetra, raha vao afafy amin’ ny tany;
32 f’ie tongisañe, le mitiry naho midorenake mandikoatse ze hatae an-tetek’ao vaho ampandrevahe’e tsampañe hanoa’ o voron-dikerañeo traño añ’alo’e ao.
Fa rehefa voafafy kosa izy, dia maniry ka tonga lehibe noho ny anana rehetra, ary mandrantsana vaventy, ka azon’ ny voro-manidina itoerana ny alokalony.
33 Maro ty fandrazañañe nitsarae’e hoe izay ty amy nahafijanjiña’ iareo.
Ary fanoharana maro toy izany no nanambarany ny teny taminy, araka izay hainy hohenoina.
34 Le tsy nitaroña’e naho tsy am-pandrazañañe avao; ie nitolake vaho nampalange ze he’e amo mpiama’eo.
Ary raha tsy tamin’ ny fanoharana dia tsy niteny taminy Izy; ary tamin’ ny mangingina no nilazany tamin’ ny mpianany ny hevitr’ ireo rehetra ireo.
35 Ie niroñe ho hariva i àndroy, le hoe re am’iereo: Antao hitsake mb’andafe eñe.
Ary androtrizay ihany, rehefa hariva ny andro, dia hoy Izy taminy: Andeha isika hita ho eny am-pita.
36 Nienga i lahialeñey iereo naho nendesen-dre, ie tan-dakañe ao avao. Nindre lia ama’e ka ty lakañe ila’e.
Ary rehefa nampodin’ ny mpianany ny vahoaka, dia nentiny tamin’ io sambokely io tamin’ izao ihany Jesosy. Ary nisy sambokely sasany koa niaraka taminy.
37 Nikofaok’ amy zao ty tio-bey, le trinabotrabo’ o onjao i lakañey, vaho nañaly ho pea.
Ary nisy tafio-drivotra mahery, ary nianjerazeran’ ny alon-drano ny sambokely ka nila ho feno rano.
38 Tam-boli’ i lakañey re nirotse añ-akalañe, le nampivañoneñe ami’ty hoe: O Talè, tsy ahoa’o hao t’ie òpo?
Ary Jesosy natory teo am-bodin’ ny sambokely tambonin’ ny ondana; ary namoha Azy izy ireo ka nanao taminy hoe: Mpampianatra ô, tsy mampaninona Anao va izao hahafatesanay izao?
39 Nitroatse re nitrevoke i tiokey naho nanao ty hoe amy riakey, Manintsiña, mipendreña. Le nijihetse i tiokey vaho nipendreñe ami’ty do’e.
Ary nifoha Izy, dia niteny mafy ny rivotra sady nilaza tamin’ ny ranomasina hoe: Mangìna, mitsahara. Ary dia nitsahatra ny rivotra, ka tony tsara ny andro.
40 Le hoe re tam’ iereo: Ino ty ihembaña’ areo? Mboe tsy am-patokisañe hao?
Ary hoy Izy taminy: Nahoana no saro-tahotra ianareo? Tsy mbola manam-pinoana va ianareo?
41 F’ie nianifañe, nifanao ty hoe: Ondaty manao akore v’itoio, te ivohora’ i tiokey naho i riakey!
Ary natahotra indrindra izy ireo ka niresaka hoe: Iza moa Ity, fa ny rivotra sy ny ranomasina aza manaiky Azy?