< Levitikosy 26 >

1 Ko mamboatse saren-drahare, ndra mampitroatse sare-sokitse ndra hazomanga, ndra mampipoke vato-lahy hiambaneañe an-tane’ areo; amy te Izaho ­Iehovà Andrianañahare’ areo.
Aza manao andriamani-tsi-izy; ary aza manangana sarin-javatra voasokitra, na manao tsangambaton-tsampy na manorina vato soratana hiankohofana eo amin’ ny taminareo: fa Izaho no Jehovah Andriamanitrareo.
2 Ambeno o Sabatakoo le añeveño i toeko miavakey: Izaho Iehovà.
Tandremo ny Sabatako, ary hajao ny fitoerako masìna: Izaho no Jehovah.
3 Aa naho orihe’ areo o fañèkoo naho ambena’ areo o lilikoo, t’ie anoeñe,
Raha manaraka ny lalàko sy mitandrina ny didiko ianareo ka mankatò izany,
4 le hampahaviako orañe an-tsa’e le hampibodobodoe’ i taney ty voka’e vaho hiegoego o voan-katae an-kivokeo.
dia hanome anareo ranonorana amin’ ny fotoany Aho, ka hahavoka-javatra ny tany, ary hamoa ny hazo any an-tsaha.
5 Hitakatse ty sam-panontoña’ areo ty sam-pamofohañe, naho ho ta­kare’ i fanontoñañey ty sam-pitongisañe; ho ànjañe mahakama nahareo vaho hiaiñañoleñañe an-tane’ areo ao.
Ary ny taom-pivelezanareo dia ho tratry ny taom-piotazam-boaloboka, ary ny taom-piotazam-boaloboka dia ho tratry ny taom-pamafazana dia hihinana ianareo ka ho voky; ary handry fahizay eo amin’ ny taninareo.
6 Hampanintsiñeko i taney, ie handre tsy eo ty hañembañe; hafahako amy taney ze biby mpijoy, vaho tsy ho rangàem-pibara ty tane’ areo.
Any homeko fiadanana eo amin’ ny tany ianareo ka handry fahizay, ary tsy hisy hanaitaitra, fa hofongorako ny biby masiaka amin’ ny tany, ary tsy hotetezin-tsabatra ny taninareo.
7 Ho horidañe’ areo o rafelahi’ areoo, le hampitsingoritrirem-pibara añatrefa’ areo eo.
Dia hanenjika ny fahavalonareo ianareo, ka ho lavon-tsabatra eo anoloanareo izy.
8 Hañinjake zato ty lime ama’ areo naho haño­ridañe ty alen-dahy ty zato ama’ areo; hampitsingorom-pibara aolo’ areo o rafelahi’ areoo.
Ary ny dimy aminareo hanenjika ny zato, ary ny zato aminareo hanenjika ny iray alina; any ny fahavalonareo ho lavon-tsabatra eo anoloanareo.
9 Ho toliheko, le hampibodobodoeko naho hañaretaheko; vaho hajadoko ama’ areo ty fañinako.
Any hijery anareo Aho ka hahamaro ny taranakareo sy hampitombo anareo, ary hanonina ny fanekeko aminareo Aho.
10 Ho kamae’ areo i nahaja elay le hakare’ areo i elay aolo’ i vaoy.
Any hihinana ny tranainy ianareo, sady hamoaka ny tranainy hasiana ny vao.
11 Hapoko añivo’ areo ao i kivohokoy le tsy ho falain-troko.
Ary ny tabernakeliko dia hataoko eo aminareo; ary tsy ho halan’ ny fanahiko ianareo.
12 Hijelanjelañe ama’ areo ao iraho le ho Andrianañahare’ areo vaho hondatiko nahareo.
Ary handeha eo aminareo Aho ka ho Andriamanitrareo; ary ianareo ho oloko.
13 Izaho i Iehovà Andrianañahare’ areo ninday anahareo nienga an-tane Mitsraime añe tsy ho ondevo’ iareo; fa nipozaheko ty baon-joka’ areo vaho nampijaradoñeko.
Izaho no Jehovah Andriamanitrareo, Izay nitondra anareo nivoaka avy tany amin’ ny tany Egypta, mba tsy ho andevony ianareo; ary nanapaka ny zioga izay teo aminareo Aho ka nampandeha anareo mijoro,
14 F’ie manjehatse ahiko, tsy miambeñe o hene liliko retoañe,
Fa raha tsy mihaino Ahy kosa ianareo ka tsy mankatò ireo didy rehetra ireo,
15 naho sirikàe’ areo o fañèkoo, naho heje’ ty tro’ areo o fepèkoo, tsy ho henefe’ areo o fandiliakoo, fe mivalik’ amy fañinakoy,
ary hamavoinareo ny didiko, na halan’ ny fanahinareo ny fitsipiko, ka tsy ankatoavinareo ny didiko rehetra, fa ivadihanareo ny fanekeko,
16 le inao ka ty hanoeko ama’ areo: Hanendreako feh’ ohatse; hike naho angorosy ty hampandò o fihaino’ areoo vaho hampitìke ty sandriñe. Tsy hanjofake ty tabiry ho tongise’ areo, fa habotse’ o rafelahi’ areoo.
Izaho kosa dia hanao izao aminareo hanisy fampitahorana aminareo Aho, dia areti-mahasahozanina sy tazo mahamay, izay manimba ny maso sy mandany ny aina; ary hafafinareo foana ny voan-javatrareo, fa ny fahavalonareo no hihinana azy.
17 Hatreatrèn-daharako, ie ho zevoñeñe aolo’ o rafelahi’ areoo. Hifehea’ ty malaiñe anaha­reo naho hivoratsake ty lay ndra te tsy horidañeñe.
Dia hanandrina anareo ny Tavako, ka ho resy eo anoloan’ ny fahavalonareo ianareo; ary izay mankahala anareo no hanapaka anareo; dia handositra ianareo, na dia tsy misy manenjika aza.
18 Ie amy zay, naho mbe tsy mañaoñe ahy ty am’irezay, le hatomboko im-pito ty fandilovako ty amo hakeo’ areoo.
Ary raha mbola tsy mihaino Ahy ihany ianareo amin’ izany rehetra izany, dia mbola hampijaly anareo impito Aho noho ny fahotanareo.
19 Ho pozaheko ty engen-kaozara’ areo; le hanoeko viñe ty likera’ areo naho torisìke ty tane’ areo.
Ary horavako ny reharehan’ ny herinareo, ka hataoko toy ny vy ny lanitrareo, ary toy ny varahina ny taninareo; ary ny herinareo ho lany foana;
20 Le ho mokoreñe tsy vente’e ty hafatrara’ areo; naho tsy hahatoly sabo ty tane’ areo, vaho tsy hamoa o hatae an-taneo.
fa tsy hahavoka-javatra ny taninareo, any tsy hamoa ny hazo amin’ ny tany.
21 Ie amy zay, naho mifandietse amako, tsy mete mijanjiñe, le hatomboko ama’ areo im-pito ty lafa ty amo tahi’ areoo.
Ary raha mbola manohitra Ahy ihany ianareo, ka tsy mety mihaino Ahy, dia hasiako kapoka impito koa ianareo araka ny fahotanareo.
22 Hahitriko ama’ areo o bibin-kivokeo hitavañe amo ana’ areoo, naho hamono o hare’ areoo naho hadoñe tsy ampeampe nahareo vaho ho­ bangìñe o lalan-damo’ areoo.
Ary hampandehaniko eo aminareo ny bibi-dia, ka handany ny zanakareo sy handringana ny biby fiompinareo ireny ka hahavitsy isa anareo; ary ny lalambenareo ho tonga efitra.
23 Aa ie mbe tsy mañaom-panoroañe amako amy rezay vaho mbe manjehatse ahy,
Any raha tsy mandray ny anatro amin’ izany ianareo, fa mbola manohitra Ahy ihany,
24 le ho zehareko ka, naho ho fofoheko im-pito indraike ty amo fandilara’ areoo.
Izaho dia Izaho kosa no hamely anareo ka hampijaly anareo impito indray noho ny fahotanareo.
25 Le hindesako fibaram-pamaleañe, hamaleako ty amy fañinay; ie mihipok’ an-drova’ areo ao, le hañirahako angorosy, vaho hasese am-pitàn-drafelahy.
Dia hampiditra sabatra aminareo Aho ho valin’ ny nivadihanareo ny fanekena; ary rehefa tafangona eo anatin’ ny tanànanareo ianareo, dia hanatitra areti-mandringana aminareo Aho; ary hatolotra eo an-tànan’ ny fahavalo ianareo.
26 Ie pozaheko ty mahakama fitoño’ areo le rakemba folo ty hanoñake ty mofo’ areo an-toñake raike, vaho hazotso’e an-danja’e i mahakay; hikama nahareo fa tsy ho anjañe.
Raha tapahiko ny vary, izay tohan’ ainareo, dia fanendasa-mofo iray ihany no hanendasan’ ny vehivavy folo ny mofonareo, ary an-danjany no hizarany azy, dia hihinana ianareo, fa tsy ho voky.
27 Ie amy zay, naho mboe tsy hañaoñ’ ahy fe manjehatse avao,
Ary raha mbola tsy mihaino Ahy amin’ izany indray ianareo, fa mbola manohitra Ahy ihany,
28 le izaho ka ty hanjehatse am-poroforo; Izaho, eka izaho, ty handilo anahareo im-pito ty amo sata-rati’ areoo.
dia hamely anareo amin’ ny fahatezerana kosa Aho; ary Izaho dia Izaho no hampijaly anareo impito indray noho ny fahotanareo.
29 Ho kamae’ areo ty nofon’ ana-dahi’ areo, eka, ty nofon’ anak’ ampela’ areo ty ho hane’ areo.
Dia hihinana ny nofon’ ny zanakareo-lahy sy ny zanakareo-vavy ianareo.
30 Haro­tsako o toets’ abo’ areoo, ho firaeko o ajiba’ i àndroio, le havokovokoko amo lolo niatoa’areoo ty lolo’ areo, vaho halaim-bintañe anahareo ty troko.
Ary horavako ny fitoerana avonareo, sy hokapaiko ny tsangan-kazonareo ho an’ ny masoandro, ary ny fatinareo dia hariako eo ambonin’ ny fatin’ ny sampinareo, ary ho halan’ ny fanahiko ianareo.
31 Ho koàheko o rova’ areoo, le hampangoakoaheko o toe-miava’ areoo vaho tsy hantso­ñeko ty hamañi’ o embo-areoo.
Ary horavako ny tanànanareo, ka hatao lao ny fitoera-masinareo, ary tsy hamboloiko ny hanitrareo ankasitrahana.
32 Hampanjarieko bangý i taney vaho ho latsa ty rafelahi’ areo mivotrak’ ao,
Ary hataoko lao ny tany, ka ho talanjona amin’ izany ny fahavalonareo izay monina eo.
33 ie ampivarakaiheko amo fifeheañeo, naho hapontso­ako ama’ areo ty fibara; ho bangý ty tane’ areo vaho ho kòake o rova’ areoo.
Ary ianareo dia haeliko any amin’ ny jentilisa, any hanatsoaka sabatra ho enti-manenjika anareo Aho; ary ny taninareo ho lao, any ny tanànanareo ho rava.
34 Izay vaho havahañe amy taney o fitofà’eo amo hene andro idoña’e ho kòakeo, ie an-tanen-drafelahy añe; eka hitofa i taney vaho havahañe ama’e o Sabata’eo.
Ary amin’ izany ny tany dia hanonitra ny sabatany amin’ ny andro rehetra izay hahafoanany, raha any amin’ ny tanin’ ny fahavalonareo ianareo; dia hitsahatra ny tany ka hanonitra ny sabatany;
35 Ie midòñe amy habangì’ey ro hitofa, i fitofañe tsy niazo’e amo Sabata’ iareooy, ie nimoneñe ama’e ao nahareo.
amin’ ny andro hahafoanany rehetra no hitsaharany ho solon’ izay tsy nitsaharany tamin’ ny sabatanareo, raha mbola nonina teo ianareo.
36 Aa ty amo sehanga’ areoo, le hañitrifako havakà ty añ’arofo’ iareo an-tanen-drafelahy añe kanao higoridañe anahareo ty feon-draven-katae mikatsa­katsàñe; ie hirimatse mb’eo hoe hinjahem-pibara le hikatràboke eo f’ie tsy amam-pañorìdañe.
Ary ny amin’ ny sisa aminareo any amin’ ny tanin’ ny fahavalony, dia hampiditra faharerahana ao am-pony Aho, ka na dia ny feon’ ny ravin-kazo voapaoka aza dia hampandositra azy; ary handositra tahaka ny mandosi-tsabatra izy ka ho lavo, na dia tsy misy manenjika aza.
37 Hifampihotrake iereo hoe aolom-pibara, t’ie tsy eo mpañoridañe, le ho po-kaozarañe tsy hahafijohañe añatrefa’ o rafelahi’ areoo.
Ary ho lavo mifanindry toy ny mandosi-tsabatra izy, na dia tsy misy manenjika aza; ka dia tsy hahajanona eo anoloan’ ny fahavalonareo ianareo.
38 Hikoromak’ amo kilakila ondatio añe nahareo vaho hagodra’ ty tanen-drafe­lahi’ areo.
Any dia ho lany ringana any amin’ ny jentilisa ianareo, any ho lanin’ ny tanin’ ny fahavalonareo ianareo.
39 Aa le hitìke an-tanen-drafelahi’ areo añe o hongaha’ areoo ty amo hakeo’ areoo; vaho o tahin-droae’ iareoo ty hitraofa’ iareo fimomoke.
Ary ny sisa eo aminareo dia ho levona any amin’ ny tanin’ ny fahavalonareo noho ny helony sy ny heloky ny razany koa.
40 Naho isolohoa’ iareo o hakeo’eo naho o tahin-droae’eo ty amo fandilara’ iareo nandilarañe amakoo naho ty fanjehara’ iareo;
Fa raha hiaiky ny helony sy ny heloky ny razany izy, dia ny fahadisoany izay nandisoany tamiko tamin’ ny nanoherany Ahy,
41 ie nifankalaiñe am’iereo, nanese iareo an-tanen-drafelahy añe; fa naho hirèke o arofo’ iareo tsy sinava­tseo naho miantoke lilo ty amo hakeo’ iareoo,
ary Izaho kosa namely azy ka nitondra azy ho any amin’ ny tanin’ ny fahavalony, raha hietry amin’ izany ny fony tsy voafora, any hanonitra ny amin’ ny helony izy,
42 le ho tiahiko ty fañinako am’ Iakòbe naho i fañinako am’ Ietsàkey naho i fañinako amy Avrahamey vaho ho tiahiko i taney,
dia hotsarovako ny fanekeko tamin’ i Jakoba sy ny fanekeko tamin’ Isaka ary ny fanekeko tamin’ i Abrahama; ary hotsarovako koa ny tany.
43 i tane nifarie’ iareo ho bangiñey, hañavahañe o Sabata’eo ie màndre kòake ty am’iereo tsy ao, vaho hondrohañe am’iereo ty valen-kakeo, ty amy nanjehara’ iareo o lilikoo, naho nisirikae’ iareo o fepèkoo naho nihejen-tro’ iareo o fañèkoo.
Ary ny tany hilaozan’ ny olona ka hanonitra ny sabatany, raha mitoetra foana tsy misy olona izy; ary ny olona hanonitra ny amin’ ny helony, satria nandà ny fitsipiko Izy, ary halan’ ny fanahiny ny didiko.
44 Ndra te eo iaby izay, ie an-tanen-drafelahy ao, le tsy haforintseko tsy ho hejeko t’ie handrotsahako ho mongotse, hivalihako amy fañinako am’ iereoy, amy te Izaho Iehovà Andrianañahare’ iareo.
Ary na dia izany rehetra izany aza, raha any amin’ ny tanin’ ny fahavalony izy, dia tsy holaviko ary tsy ho halako, fandrao lany ringana izy rehetra, ka rava ny fanekeko taminy; fa Izaho no Jehovah Andriamaniny.
45 Le ho tiahiko ty ama’ iareo i fañinako aman-droae’ iareo t’ie nakareko an-tane Mitsraime añe am-pahaisaha’ o kilakila ondatioy, le ho Andrianañahare’ iareo; Izaho Iehovà.
Fa ny hitahiako azy no hahatsiarovako ny fanekena tamin’ ny razany, izay nentiko nivoaka avy tany amin’ ny tany Egypta teo Imason’ ny jentilisa, mba ho Andriamaniny Aho: Izaho no Jehovah.
46 Ie o fañè naho fepètse naho fetse nanoe’ Iehovà añivo’e naho o ana’ Israeleo ambohi-Sinay añe am-pità’ i Mosèo.
lreo no didy sy fitsipika ary lalàna izay nataon’ i Jehovah ho aminy sy amin’ ny Zanak Isiraely, teo an-tendrombohitra Sinay ka nampilazainy an’ i Mosesy.

< Levitikosy 26 >