< Fitomaniana 5 >

1 Tiahio, ry Iehovà, i nifetsak’ ama’ay zay; vazohò vaho oniño ty fisalara’ay!
Jehovah ô, tsarovy izay nanjo anay; Hevero sy diniho ny latsa mahazo anay.
2 Natolotse amo ambahinio ty lova’ay, amo rene-taneo o akiba’aio.
Ny lovanay dia afindra ho an’ ny vahiny ary ny tranonay ho an’ ny hafa firenena.
3 Bode zahay henaneo, toe bode rae; remavoiñe o rene’aio.
Efa kamboty izahay ka tsy manan-dray, ny reninay dia toy ny mpitondra-tena.
4 Tsy mete tsy vilie’ay ty rano hinome’ay; kaloeñe o hatae avori’aio.
Na dia ny loharanonay aza dia andoavanay vola vao azonay isotroana, ary ny kitay hazonay dia vidinay vao azo.
5 Ampisoañeñe o hatò’aio; màmake zahay tsy maharendre-pitofàñe.
Rambondrambonan’ ny mpanenjika amin’ ny hatokay izahay; Reraka izahay fa tsy manam-pitsaharana.
6 Fa nanolo-pitàñe amy Mitsraime zahay naho amy Asore, hitakara’ay mofo mahàtsake.
Nanolo-tanana tamin’ ny Egyptiana sy ny Asyriana izahay mba ho voky hanina.
7 Nandilatse o roae’aio; tsy eo ka iereo; zahay avao ty mivave o hakeo’eo.
Nanota ny razanay tsy etỳ intsony izy; Ary izahay no mivesatra ny helony.
8 Fehe’ o ondevoo, fe tsy eo ty hamotsots’anay am-pità’ iareo.
Andevo no manapaka anay; Tsy misy manafaka anay amin’ ny tànany.
9 Mampamoe’ aiñe ty ahazoa’ay haneñe, amy fibara an-dratraratray.
Noho ny sabatra mamely any an-efitra dia manao vy very ny ainay izahay vao mahazo hanina.
10 Mahamainte ty holi’ay hoe toñake I kerè matrovokey.
Mahamay toy ny fatana ny hodi-tray noho ny fahamaimaizana avy amin’ ny mosary.
11 Vahorañe e Tsione ao o rakemba’aio, naho amo rova’ Iehodào o somondrara’aio.
Nosavihina ny vehivavy tao Ziona ary ny virijina tao amin’ ny tanànan’ ny Joda.
12 Aradorado am-pità’e o roandriañeo; tsy iasiañe ty lahara’ o androanavio.
Nahantona tamin’ ny tànany ny lehibe; Ary ny antitra tsy mba nohajaina.
13 Azitse handisañe ty ajalahy naho midaleandaleañe o jolingao te mijiny hatae.
Ny zatovo nitondra ny fikosoham-bary; Ary ny ankizy madinika nivembena nitondra ny hazo.
14 Napo’ o androanavio ty lalam-bey, nado o ajalahio ty bekobeko.
Ny loholona tsy misy eo am-bavahady, ary ny zatovo tsy mitendry zava-maneno intsony.
15 Nijihetse ty hafalean’ arofo’ay; nifotetse ho fandalàñe o tsinja’aio.
Ny hafalian’ ny fonay dia nitsahatra, ary ny dihinay niova ho fitomaniana.
16 Po-tsabaka zahay; feh’ohatse fa niota!
Efa afaka ny satro-boninahitra tamin’ ny lohanay; Idiran-doza izahay, fa efa nanota!
17 Izay ty mahasiloke o tro’aio, izay ty mahalopelope o fihaino’aio;
Ary noho izany dia reraka ny fonay, eny, noho izany dia maizina ny masonay,
18 toe i Vohi-Tsione mangoakoakey; mitingañ’ ao o farasio.
Noho ny amin’ ny tendrombohitra Ziona, izay efa lao sady ikarenjen’ ny amboahaolo.
19 Fa Ihe ry Iehovà, nainai’e tsy modo ty fifehea’o; pak’amo tariratse fara-mandimbeo ty fiambesa’o.
Jehovah ô, ianao no mipetraka mandrakizay, eny, ny seza fiandriananao no maharitra hatramin’ ny taranaka fara mandimby.
20 Akore t’ie naforintse’o? Amoea’o andro maro hao zahay?
Ahoana no dia anadinoanao anay mandrakizay sy ahafoizanao anay andro lava?
21 Ampolio ama’o, ry Iehovà, hibodaña’ay; vaò manahake o andro taoloo o andro’aio—
Jehovah ô, ampivereno aminao izahay, mba hiverenanay; Havaozy ho toy ny fahiny ny andronay.
22 Fa naitoa’o zafezanake, naho loho niviñera’o.
Moa dia nandà anay tokoa va Hianao sy tezitra aminay indrindra?

< Fitomaniana 5 >