< Josoa 9 >

1 Ie añe, naho fa jinanji’ o mpanjaka iaby alafe’ Iardeney, am-bohibohitse naho am-bavatane ey naho añolo’ i Riake Jabajabay pak’ e Lebanone añeo; i nte-Kete naho i nte-Amore, i nte-Kanàne, i nte-Perizý, i nte-Kivý, vaho i nte-Iebosý;
Ary rehefa nandre izany ny mpanjaka rehetra izay etỳ an-dafin’ i Jordana, na ny tany amin’ ny tany havoana, na ny tany amin’ ny tany lemaka amoron-tsiraka, na ny tany amoron’ ny Ranomasina Lehibe tandrifin’ i Libanona, dia ny Hetita, ny Amorita, ny Kananita, ny Perizita, ny Hivita ary ny Jebosita,
2 le nikabija, nifañosoñe hialy amy Iehosoa naho am’Israele.
dia niray hina niangona hiady amin’ i Josoa sy ny Isiraely izy.
3 Fe jinanji’ o mpimone’ i Giboneo ty nanoe’ Iehosoa am’ Ieriko naho amy Ay,
Ary ny mponina tao Gibeona nahare izay nanaovan’ i Josoa an’ i Jeriko sy Ay,
4 le nikilily famañahiañe: nimb’eo iereo nisare sorotà; ninday voro-gony am-borìke naho kontran-divay toro naho rota nitakefeñe;
dia nanao hafetsena kosa izy ka nandeha, ary nody ho iraka ka nitondra lasaka tonta nasampiny teo amin’ ny borikiny sy siny hoditra tonta sady triatra ka nofehipehezina nasiany divay,
5 naho tsoron-kana sinosok’ am-pan­dia’e naho sikiñe voroboro’e ho saro’ iareo; mbore nimaike vaho ni­voravora ty mofo iaby fivati’ iareo.
ary kapa tonta sady nitampintampina teo amin’ ny tongony, ary lamba tonta notafiny; ary efa maina sy bobongolo ny mofo rehetra izay vatsiny.
6 Niheo mb’ amy Iehosoa an-tobe e Gilgale ao iereo, nanao ty hoe ama’e naho amo lahilahi’ Israeleo; Boake tsietoitane añe zahay; aa ehe ifañinào.
Dia nankany amin’ i Josoa teo an-toby tany Gilgala izy ireo ka niteny taminy sy tamin’ ny Isiraelita nanao hoe: Avy any an-tany lavitra izahay; koa ankehitriny mba manaova fanekena aminay ianareo.
7 Le hoe ondaty ana’ Israeleo amo nte-Kiveo: Hera t’ie mpimo­neñe ama’ay atoy; aa le aia ty hifañinà’ay.
Ary hoy ny Isiraelita tamin’ ireo Hivita ireo: Angamba mponina ato aminay ihany ianareo, ka hataonay ahoana no fanao fanekena aminareo?
8 Le hoe ty asa’ iareo am’ Iehosoa: Mpitoro’ areo zahay. Le hoe ty nanoe’ Iehosoa: Ia v’inahareo naho boak’aia?
Fa hoy izy tamin’ i Josoa: Mpanomponao izahay. Ary hoy Josoa taminy: Iza moa ianareo, ary avy aiza?
9 Le hoe ty asa’ iareo ama’e: Boake tsietoitane añe o mpitoro’oo t’ie nivotrak’ atoy ty tahina’ Iehovà An­drianañahare’ areoy; fa jinanji’ay ty enge’e naho ze hene fitoloña’e e Mitsraime ao,
Dia hoy izy ireo taminy: Avy tany an-tany lavitra indrindra izahay mpanomponao noho ny anaran’ i Jehovah Andriamanitrao; fa efa renay ny lazany sy izay rehetra nataony tany Egypta
10 naho ze he’e nanoe’e amy mpanjaka roe nte-Amore alafe’ Iardeney añe rey, toe amy Sihone mpanjaka i Khesbone naho amy Oge mpanjaka’ i Basane e Astarote añe.
ary izay rehetra nataony tamin’ ny mpanjaka roa tamin’ ny Amorita, izay tany an-dafin’ i Jordana, dia Sihona, mpanjakan’ i Hesbona, sy Oga, mpanjakan’ i Basana, izay tany Astarta.
11 Aa le nisaontsy ama’ay o mpiaolo’aio naho o fonga mpimoneñe an-tane’aio, nanao ty hoe: Mindesa vaty amy liay, le akia mifañaoña am’ iereo vaho ano am’ iereo ty hoe: Mpitoro’ areo zahay; ie amy zao, ehe ifañinao.
Dia niteny taminay ny loholonay sy ny mponina rehetra amin’ ny taninay ka nanao hoe: Mitondrà vatsy eny an-tananareo ho any amin’ ny haleha, dia mandehana hitsena azy, ka lazao aminy hoe: Mpanomponao izahay; koa ankehitriny manaova fanekena aminay.
12 Intoy ty mofo nendese’ay ho vaty ie mbe nimae boak’ añ’ aki­ba’ay amy andro nion­jona’ay hihitrifa’ay mb’ama’ areo mb’ etoay, hehe t’ie maike vaho demodemoke.
Itony mofonay itony dia vao mafana no nalainay tany an-tranonay ho vatsy tamin’ ny andro nivoahanay hankatỳ aminareo; fa ankehitriny, indro, efa maina sy bobongolo izy;
13 Le nivao o kontran-divay retoa t’ie fineno’ay, ingo te mikoneatse; hehe ka o siki’aio naho o hana’aio, ie fa modo iaby ty amy halavi’ i liay.
ary vaovao ireto siny hoditra misy divay ireto izay nofenoinay; fa, indreo, efa triatra izy; ary efa rovitra ireto lambanay sy kapanay ireto noho ny halavitry ny naleha.
14 Nangala’ o lahilahio ty vati’ iareo, f’ie tsy nihalaly fanoroañe am-palie’ Iehovà.
Ary nangalan’ ny olona ny vatsin’ ireo, nefa tsy nanontany tamin’ ny vavan’ i Jehovah izy.
15 Aa le nifampilongo am’ iereo t’Ie­hosoa vaho nifañina t’ie hengañe ho veloñe le nifanta ama’e ka o roandria’ i valobohòkeio.
Ary Josoa dia nanao fihavanana taminy ka nanao fanekena taminy mba tsy hamono azy; ary ny lohan’ ny fiangonana koa dia nianiana taminy.
16 Ie telo andro añe te nifañina le jinanji’ iareo t’ie mpañohoke naho mpimoneñe añivo’ iareo ao avao.
Ary nony efa afaka hateloana no nanaovany fanekena taminy, dia reny fa mifanakaiky aminy ihany ireo sady mitoetra eo aminy.
17 Ie nañavelo le nivotrak’ amo rova’ iareoo amy andro faha-teloy o ana’ Israeleo. Ty rova’ iareo: i Gibone, le i Kefirà, i Birote vaho i Kiriate-iearime.
Dia niainga ny Zanak’ Isiraely ka tonga tany an-tanànan’ ireo tamin’ ny andro fahatelo. Ary Gibeona sy Kefira sy Berota ary Kiriata-jearima no tanànany.
18 Tsy pinao’ o ana’ Israeleo iereo, ty amy nifantà’ o roandria’ i valobohòkeio amy Iehovà Andrianañahare’ Israele. Aa le niñeoñeoñe amo roandriañeo i valobohòkey.
Fa tsy namely azy ny Zanak’ Isiraely, satria Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, no efa nianianan’ ny lohan’ ny fiangonana taminy. Dia nimonomonona tamin’ ireo loholona ny fiangonana rehetra.
19 Fe hoe o roandriañeo amy valobohòkey: Fa nifanta’ay amy Iehovà Andrianañahare’ Israele; aa le ko paoheñe.
Fa hoy ny loholona rehetra tamin’ ny fiangonana rehetra: Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, no efa nianiananay taminy; koa ankehitriny tsy mahazo mamely azy isika.
20 Zao ty hanoan-tika: hadoñe ho veloñe; tsy mone ho aman-tika ty haviñerañe, ty amy fanta nifantà’ay am’ iereoy.
Fa izao no hataontsika aminy: Havelantsika ho velona ihany izy, fandrao hisy fahatezerana mahatratra antsika noho ny fianianana nataontsika taminy.
21 Le hoe o roandriañeo ty am’ iereo: Angao ho veloñe; le nanoeñe mpamatsi-katae naho mpitari-drano ho a i valobohòkey, ty amy nitaroña’ o roandriañeo.
Ary hoy koa ny loholona taminy: Aoka ihany ho velona izy. Dia tonga mpikapa hazo sy mpantsaka rano ho an’ ny fiangonana rehetra izy, araka ny teny nataon’ ny loholona taminy.
22 Kinoi’ Iehosoa, vaho nisaon­tsie’e ty hoe: Akore ty namañahia’ areo anay ami’ty hoe: Boa-davitse anahareo zahay, ie mpimo­neñe añivo’ay atoy avao?
Dia niantso azy ireo Josoa ka nanao taminy hoe: Nahoana no namitaka anay ianareo ka nanao hoe: Lavitra anareo indrindra izahay, kanjo eto aminay ihany no onenanareo?
23 Aa le fokom-patse nahareo; nainai’e tsy ho modo t’ie ho mpitoroñe, mpamatsike hatae vaho mpitari-drano ho añ’ anjomban’ Añahareko.
Koa ankehitriny voaozona ianareo, ary tsy hisy ho afaka, fa ho andevo sy ho mpikapa hazo ary ho mpantsaka rano ho an’ ny tranon’ Andriamanitro ianareo.
24 Nanoiñe Iehosoa ami’ty hoe iereo; Amy te toe natalily amo mpitoro’oo te linili’ Iehovà Andrianañahare’o i mpitoro’e Mosèy te hatolo’e anahareo i tane iabiy le ho mongoreñe aolo’ areo ze fonga mpimone’ i taney, aa le nampirevendreveñe anay o fiai’aio ty ama’ areo; izay ty nanoe’ay o raha zao.
Dia namaly an’ i Josoa izy ireo ka nanao hoe: Satria nambara tokoa taminay mpanomponao fa Jehovah Andriamanitrao efa nandidy an’ i Mosesy mpanompony hanome anareo ny tany rehetra sy handringana ny mponina rehetra amin’ ny tany eo anoloanareo, ary natahotra ny ho faty izahay noho ny aminareo, ka dia nanao izany zavatra izany;
25 Ie henane zao, ingo, am-pità’o zahay: aa le ano ama’ay ze atao’o soa naho to am-pi­vazohoa’ areo.
koa ankehitriny, indreto, eto an-tananao izahay, koa araka izay ataonao ho tsara sy marina hatao aminay dia ataovy.
26 Aa le izay ty nanoe’e am’ iereo, vaho rinomba’e am-pità’ o ana’ Israeleo, fa tsy vinono;
Dia nanao izany taminy izy ka namonjy azy tamin’ ny tanan’ ny Zanak’ Isiraely, mba tsy hahafaty azy ireo.
27 ie nanoe’ Iehosoa mpama­tsi-katae naho mpitari-drano amy andro zay ho amy valobohòkey naho ho a i kitreli’ Iehovày ampara henaneo, amy toetse ho joboñe’ey.
Dia natolotr’ i Josoa tamin’ izany andro izany ireo ho mpikapa hazo sy ho mpantsaka rano ho an’ ny fiangonana sy ho an’ ny alitaran’ i Jehovah mandraka androany eo amin’ ny tany izay hofidiny.

< Josoa 9 >