< Josoa 20 >

1 Nitsara am’ Iehosoa t’Iehovà ami’ty hoe:
Ary Jehovah niteny tamin’ i Josoa ka nanao hoe:
2 Saontsio amo ana’ Israeleo ty hoe: Tendreo o rovam-pitsolohañe nita­roñeko ama’ areo am-pità’ i Mosèo;
Lazao amin’ ny Zanak’ Isiraely hoe: Fidio ny tanàna fandosirana izay nasaiko nolazain’ i Mosesy taminareo,
3 ie amy zay, i mañoho-doza ama’ ondaty tsy nitsatrie’ey, ty hilay mb’eo, toe ho fitsoloham-pamale-fate.
handosiran’ izay nahafaty olona tsy nahy; dia ho fandosirana ho anareo izany mba tsy ho azon’ ny mpamaly rà
4 Ie hitriban-day mb’ ami’ty raik’ amy rova rezay, naho hijohañe an-dalambei’ i rovay, naho hitaroñe ty aze an-dravembia’ o androanavi’ i rovaio; le hampihovae’ iareo amy rovay vaho ho tolora’ iareo toetse himoneña’e am’ iareo.
Ary raha misy mandositra ho ao amin’ ny anankiray amin’ ireo tanàna ireo ka mijanona eo anoloan’ ny vavahady ary mandahatra ny teniny eo anatrehan’ ny loholona amin’ izany tanàna izany, dia hampidiriny ho ao an-tanàna izy ka homeny toerana, mba hitoetra ao aminy.
5 Naho mañoridañe aze i mpamale-fatey le tsy hasese’ iereo am-pità’e i namonoy amy te tsy ni-satrie’e ty nanjevoñe i rañe’ey ie tsy niheje’e taolo.
Ary raha manenjika azy ny mpamaly rà, dia tsy hanolotra ilay nahafaty olona ho eo an-tànany izy, satria nahafaty tsy nahy ny namany, fa tsy dia nankahala azy teo aloha.
6 Himoneña’e i rovay ampara’ te mijohañe añatrefa’ ty fivory ty hizaka aze; am-para’ ty fihomaha’ ty mpisorom-bey henane zay; himpoly amy zao i mpamonoy mb’ an-drova’e naho mb’añ’akiba’e, mb’ amy rova nihirifa’e an-daiy.
Dia hitoetra ao amin’ izany tanàna izany izy mandra-pisehony eo anatrehan’ ny fiangonana hotsaraina, sy mandra-pahafatin’ izay mpisoronabe amin’ izany andro izany; dia hiverina ilay nahafaty olona ka hody any an-tanànany sy any an-tranony, dia any amin’ ny tanàna izay nialany fony izy nandositra.
7 Aa le navì’ iareo ty Kedese e Ga­lilà am-bohibohi’ i Naftalý ao naho i Sekeme am-bohibohi’ i Efraime ao, vaho i Kiriate-arbà (i Ke­brone Izay), am-bohibohi’ Iehoda ao.
Dia nanokana an’ i Kadesy any Galilia any amin’ ny tany havoan’ i Naftaly izy sy Sekema any amin’ ny tany havoan’ i Efraima ary Kiriat-arba (Hebrona izany) any amin’ ny tany havoan’ i Joda.
8 Naho alafe’ Iardeney, atiñana’ Ieriko, le tinoro’ iereo i Betsere am-patrambey an-tane pisakey boak’ am-pifokoa’ i Reobene ao, naho i Ramote e Gilade amy fifokoa’ i Gadey, vaho i Golane e Basane amy fifokoa’ i Menasè.
Ary dia nifidy an’ i Bezera any an-efitra amin’ ny tany lemaka izay an’ ny firenen’ i Robena izy, ary Ramota izay any Gileada, an’ ny firenen’ i Gada, ary Golana any Basana, izay an’ ny firenen’ i Manase, any an-dafy atsinanan’ i Jordana, tandrifin’ i Jeriko.
9 Ie o rova natoro amo hene ana’ Israeleo naho amo renetane mañialo am’ iareoo, te eo ty mañoho-doza ama’ ondaty tsy nitsatrie’e le añe ty itribaha’e an-day tsy hivetrake am-pità’ i mpamale-fatey am-para’ ty ijohaña’e añatrefam-pivory.
Ireo no tanàna voafidy ho an’ ny Zanak’ Isiraely rehetra sy ny vahiny eo aminy handosiran’ izay rehetra nahafaty olona tsy nahy, mba tsy ho fatin’ ny tanan’ ny mpamaly rà izy mandra-pisehony eo anatrehan’ ny fiangonana.

< Josoa 20 >