< Jaona 16 >
1 Nitaroñako irezay soa t’ie tsy hitsikapy.
Izany teny izany dia efa nolazaiko taminareo, mba tsy hahatafintohina anareo.
2 Haitoañe amo fitontonañeo nahareo; eka, ho tondroke ty ora, te inao, mitoroñe an’Andrianañahare ze mamono anahareo.
Handroaka anareo hiala amin’ ny synagoga izy; eny, ho avy ny andro, ka hataon’ izay rehetra mamono anareo fa manatitra fanompoam-pivavahana ho an’ Andriamanitra izy.
3 Hanoe’ iereo amy te tsy nahafohiñe an-dRae naho ahy.
Ary izany no hataony, satria tsy fantany ny Ray na Izaho.
4 Fe nitaroñako, soa te, ie tsatoke ty ora’e, le ho tiahi’ areo te nivolañeko. Tsy nitaroñako hey i entañe zay am-pifotora’e, itika mbe nitraoke.
Fa izany teny izany efa nolazaiko taminareo, mba hotsaroanareo, raha tonga ny fotoan’ androny, fa Izaho efa nilaza izany taminareo. Ary tsy mba nolazaiko taminareo hatramin’ ny voalohany izany, satria mbola tatỳ aminareo ihany Aho.
5 Fe hionjoñe mb’amy nañitrik’ ahiy mb’eo iraho henaneo, le tsy ama’ areo ty mañontane ahy ty hoe: Aia ty homba’o?
Fa ankehitriny mankany amin’ izay naniraka Ahy Aho, ary tsy misy aminareo manontany Ahy hoe: Hankaiza Hianao?
6 F’ie mioremeñe añ’arofo ty amy entako ama’ areoy.
Fa satria nilaza izany taminareo Aho, dia vonton’ alahelo ny fonareo.
7 Fe ivolañako ty hato, te mahasoa anahareo t’ie hienga, fa naho tsy mienga le tsy hitotsaha’ i Mpañolotsey; aa naho mb’eo iraho le hahitriko mb’ama’areo mb’ etoan-dre.
Fa Izaho milaza ny marina aminareo; mahatsara anareo ny fialàko; fa raha tsy hiala Aho, dia tsy ho avy aminareo ny Mpananatra; fa raha handeha Aho, dia hirahiko hoy aminareo Izy.
8 Ie avy, ro hampiheve maso ty voatse toy ty ami’ty tahiñe naho ty havantañañe vaho ty fizakàñe.
Ary raha tonga Izy, dia hampiaiky izao tontolo izao ny fahotana sy ny fahamarinana ary ny fitsarana:
9 O tahiñeo, amy te tsy miato amako iareo.
ny fahotana, satria tsy mino Ahy izy;
10 I havantañañey, fa homb’ aman-dRaeko mb’eo iraho vaho tsy hahaisak’ ahy ka nahareo.
ny fahamarinana, satria mankany amin’ ny Ray Aho, ka tsy mahita Ahy intsony ianareo;
11 I zakay, fa nafàtse ty mpifehe’ ty voatse toy.
ny fitsarana, satria ny andrianan’ izao tontolo izao dia efa voatsara.
12 Mbe maro ty hitaroñako fa tsy leo’ areo heike.
Mbola manana zavatra maro holazaina aminareo Aho, nefa tsy zakanareo ankehitriny.
13 Ie pok’ atoy i Arofon-katòy le ie ty hiaolo anahareo amy ze hene hatò. Tsy hisaontsy ty aze, fa o janjiñe’eo avao ty ho taroñe’e vaho haboa’e ama’ areo o raha ho avio.
Fa raha tonga ny Fanahin’ ny fahamarinana, dia Izy no hitari-dalana anareo ho amin’ ny marina rehetra; fa tsy hiteny ho Azy Izy, fa izay ho reny dia holazainy avokoa; ary ny zavatra ho avy aza dia hambarany aminareo.
14 Handrenge ahy re naho handrambe amako vaho hañento ama’areo,
Izy hankalaza Ahy; fa handray avy amin’ ny Ahy Izy ka hanambara izany aminareo.
15 ahiko iaby ze aman-dRaeko, izay ty nitaroñako te hangalak’ amy ahikoy re le hentoe’e nahareo.
Izay rehetra ananan’ ny Ray dia Ahy avokoa, koa izany no nilazako fa mandray avy amin’ ny Ahy Izy ka hanambara izany aminareo.
16 Tsy ho isa’ areo iraho te aniany; fa betebeteke le ho oni’ areo indraike.
Vetivety foana dia tsy hahita Ahy intsony ianareo; ary vetivety foana indray dia hahita Ahy ianareo.
17 Hoe ty vesoveso’ o mpiama’e ila’eo: Inoñe i tsarae’e amantikañey, ty hoe: Tsy ho oni’ areo iraho te aniany, le ho oni’ areo indraike te aniany, amy te homb’ aman-dRaeko mb’eo?
Ary ny mpianany sasany niresaka hoe: Inona izany nolazainy tamintsika hoe: Vetivety foana dia tsy hahita Ahy ianareo; ary vetivety foana indray dia hahita Ahy ianareo, ary, satria mankany amin’ ny Ray Aho?
18 Nindrae’ iareo ty hoe: Inoñe ze o Anianike sinaontsi’e zao? Nofi’ay i saontsi’ey.
Ary hoy koa ireo: Inona izany lazainy hoe vetivety foana izany? Tsy fantatsika izay lazainy.
19 Niarofoana’ Iesoà ty ho nañontanea’ iareo vaho nanoa’e ty hoe: Ifañontaneañe hao i asakoy ty hoe: Tsy ho oni’ areo iraho te aniany; naho ty hoe, Hahaisak’ ahy ka nahareo te aniany?
Ary Jesosy nahalala fa ta-hanontany Azy ireo, dia hoy Izy taminy: Mifanontany va ianareo, satria hoy Izaho: Vetivety foana dia tsy hahita Ahy ianareo, ary vetivety foana indray dia hahita Ahy ianareo?
20 Eka, to t’itaroñako t’ie hirovetse naho hangololoike ty tañy, fe hitohàke ty voatse toy. Ho azo ty velo-mihontoke nahareo, fe hifotetse ho firebehañe ty fihonto’ areo.
Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Hitomany sy hisaona ianareo, fa izao tontolo izao kosa hifaly; ary ianareo halahelo, nefa ny alahelonareo hody fifaliana.
21 Tsimboetse ty ampela mitsongo naho tsatoke i ora’ey; f’ie mahatoly ajajamena le haliño’e i ajale’ey, vaho isoloa’e haehake, amy te toly an-tane atoy t’indaty.
Manam-pahoriana ny vehivavy raha miteraka, satria tonga ny fotoany; fa rehefa velon-jaza izy, dia tsy tsaroany intsony ilay fahoriany, noho ny fifaliany fa misy zaza nateraka ho ambonin’ ny tany.
22 Aa le hiotsòtse hey nahareo henaneo, f’ie ho treako indraike le hirebeke ty arofo’ areo vaho tsy hasinta’ ondaty ama’ areo ty haehake.
Ary ianareo dia manana alahelo ankehitriny; fa hahita anareo indray Aho, dia ho faly ny fonareo, ary tsy misy olona manaisotra ny fifalianareo aminareo.
23 Tsy hañontane ahy ndra inoñ’ inoñe nahareo amy andro zay. Eka! to t’itaroñako te, ze halalie’ areo aman-dRaeko ami’ty añarako ro hatolo’e.
Ary amin’ izany andro izany dia tsy hanontany Ahy na inona na inona ianareo; lazaiko aminareo marina dia marina tokoa fa na inona na inona hangatahinareo amin’ ny Ray dia homeny anareo amin’ ny anarako izany.
24 Pake henàne tsy eo ty nangataha’ areo ami’ty añarako. Mihalalia, le hahazo, hañeneke ty hafalea’ areo.
Mandraka ankehitriny dia tsy mbola nangataka na inona na inona tamin’ ny anarako ianareo; mangataha, dia hahazo ianareo, mba ho tanteraka ny fifalianareo.
25 Nivolañako am-pandrazañañe irezay; fe antitotse ty andro t’ie tsy handrazañe, fa hitalily malange i Rae.
Fanoharana no nilazako izany zavatra izany taminareo; fa ho avy ny andro izay tsy hilazako fanoharana aminareo intsony, fa hambarako tsotra aminareo ny amin’ ny Ray.
26 Hihalaly ami’ty añarako nahareo amy andro zay; tsy anoeko ty hoe: Izaho ty hihalaly aman-dRaeko ho anahareo;
Amin’ izany andro izany dia hangataka amin’ ny anarako ianareo; ary tsy milaza aminareo Aho fa Izaho no hangataka amin’ ny Ray ho anareo;
27 Aiy! toe ikokoan-dRae ie nikoko ahy, naho natoky te nihirik’ aman’ Añahare iraho.
fa ny Ray dia tia anareo satria ianareo efa tia Ahy, ary efa nino fa nivoaka avy tamin’ ny Ray Aho.
28 Niboak’ aman-dRae iraho, nizilik’ ami’ty voatse toy, vaho hiavotako ty voatse toy ho mb’ aman-dRae.
Eny, nivoaka avy tamin’ ny Ray Aho ka tonga amin’ izao tontolo izao; ary hiala amin’ izao tontolo izao indray Aho ka hankany amin’ ny Ray.
29 En! hoe o mpiama’eo tama’e, Malange o saontsi’o henaneo, amy te tsy mandrazan-drehake.
Hoy ny mpianany: Indro, milaza tsotra Hianao ankehitriny, fa tsy manao fanoharana akory.
30 Rendre’ay henaneo te kila arofoana’o, naho tsy paia’o ty hañontanea’ ondaty; izay ty iantofa’ay t’ie hirik’ aman’ Añahare.
Ankehitriny dia fantatray fa mahalala ny zavatra rehetra Hianao ka tsy mitady olona hanontany Anao; izany no inoanay fa nivoaka avy tamin’ Andriamanitra Hianao.
31 Tinoi’ Iesoà ami’ty hoe: Miantoke hao henaneo?
Jesosy namaly azy hoe: Mino va ianareo ankehitriny?
32 Toe ho avy ty ora, eka fa tondroke t’ie hiparatsiake, songa hamonje ty aze, le ho farie’ areo ho joriñe iraho; f’ie toe tsy ho bangiñe fa itraofan-dRae.
Indro, avy ny andro, eny, efa tonga, izay hielezanareo samy ho any amin’ ny azy avy, ary hilaozanareo ho irery Aho; kanefa tsy irery Aho, fa ny Ray no ato amiko.
33 Nitaroñako irezay soa t’ie hierañerañe amako. Halovilovy ami’ty voatse toy nahareo; fe manintsiña, fa rinebako ty voatse toy.
Izany teny izany efa nolazaiko taminareo mba hanananareo fiadanana amiko. Atỳ amin’ izao tontolo izao no ahitanareo fahoriana; nefa matokia; Izaho efa naharesy izao tontolo izao.