< Isaia 46 >
1 Mibotreke ty Bele, Midrokoke ty Nebò; vavè’ o bibio, o añombe mijiny kilankañeo, ty sare’e; nampilogologoeñe o raha endese’ areoo o biby mokotseo.
Mangozohozo Bela, efa miraika Nebo, ny sampiny dia nampitondraina ny biby folahina sy ny biby fiompy; Ny zavatra fitondranareo dia asampy ka tonga enta-mavesatra entin’ ireo biby reraka.
2 Mibokoboko iereo, mitrao-piondreke, tsy nitafete’ iareo i kilankañey; vaho songa nasese mb’am-pandrohizañe añe.
Miraika sy mangozohozo avokoa izy, ka tsy mahavonjy ny entana akory; Fa na dia ny tenany aza dia lasan-ko babo koa.
3 Mijanjiña ahy ry anjomba’ Iakobeo, naho ry sehangan’ anjomba’ Israeleo, o nivesareko boak’am-pisamaha’eo, o notroñeñe boak’ an-koviñe ao
Mihainoa Ahy, ry taranak’ i Jakoba sy izay sisa rehetra amin’ ny taranak’ Isiraely, izay nobabena hatrany an-kibo sy nentina hatrany am-bohoka:
4 pak’ an-ka’anterañeo, Izaho ro Ie, ho babèko pak’ a maròy foty irehe; Izaho ty namboatse, izaho ty hinday; eka hotroñeko mbore hampipalireko.
Na dia mandra-pahantitrareo aza, dia tsy miova Aho, ary mandra-pahafotsy volonareo, dia Izaho ihany no hisahirana mitondra anareo. Izaho no nanao, ka Izaho ihany no hitrotro, eny, izaho no hitondra sy hanafaka.
5 Ia ty hampañirinkiriña’ areo amako, naho hampihambaña’areo, vaho hampanahafa’ areo, soa te hifañoronkoroñe?
Hampitovinareo amin’ iza moa Aho, sy amin’ iza no hanoharanareo Ahy ary iza no hataonareo ho tahaka Ahy mba hitahany amiko?
6 Mandrarake volamena boak’ an-kotrañe ao ty ila’e, naho mandanja volafoty am-balantsy; vaho mañarama mpanefe volamena hañamboare’e ndrahare, hibokobokoa’e naho hitalahoa’e.
Izay mandraraka volamena avy ao an-kitapo sy mandania volafotsy amin’ ny mizana dia manakarama mpanefy volamena mba hanao izany ho andriamanitra, hiankohofany sy hivavahany.
7 Jinie’ iereo an-tsoroke, endeseñe, apo’ iereo amy toe’ey, ie mijagarodoñe eo, tsy hienga i toe’ey; eka, ndra t’ie kaikaiheñe tsy mete manoiñe, tsy haharombak’ aze amy hasosora’ey.
Dia betainy ho eny an-tsorony iny ka entiny ary apetrany eo amin’ ny fitoerany iny, ka dia mitoetra eo; Tsy mahay miala eo amin’ ny fitoerany iny; ary na dia misy mitaraina aminy aza, dia tsy mahay mamaly izy, na mahavonjy azy amin’ ny fahoriany.
8 Tiahio le mijadoña; ampolio an-troke ao, ry mpanan-kakeo.
Tsarovy izany ka mahereza ianareo eritrereto tsara izany, ry mpiodina.
9 Tiahio o raha taoloo, eka haehae; te Izaho ro Andrianañahare naho tsy aman-tovo; Izaho ro Andrianañahare vaho tsy eo ty hambañe amako,
Tsarovy ny zavatra taloha izay efa lasa ela; Fa Izaho no Andriamanitra, ka tsy misy hafa; Izaho no Andriamanitra, ka tsy misy tahaka Ahy,
10 Mitaroñe ty figadoña’e hirik’am-baloha’e, boake haehae añe o mbe tsy nanoeñeo, ami’ty hoe: Hijadoñe ty ereñereko, vaho hene hanoeko ze mahafale ty troko;
Izay manambara ny farany hatramin’ ny voalohany, ary nanambara hatramin’ ny ela izay tsy mbola natao akory, dia ilay manao hoe: Ho tò ny fikasako, ary hefaiko ny sitrapoko rehetra,
11 Ho tokaveko boak’ atiñanañe añe ty voroñe mipay hena; t’indaty nisafirieko boak’ an-tsietoitane añe; eka fa nivolan-dRaho le ho henefeko, niereñeren-dRaho vaho hanoeko.
Izay miantso vorona mpihaza avy any atsinanana, dia lehilahy avy any an-tany lavitra hahefa ny fikasako; sady efa niteny izany Aho no hahatanteraka azy koa, sady nikasa Aho no hahefa azy.
12 Haoño iraho, ry gan-katokeo, ry lavitse havañonañeo.
Mihainoa Ahy ianareo madi-po izay lavitra ny fahamarinana:
13 Hendeseko marine eo ty havantañako, tsy ho lavitse, tsy halaoñe i fandrombahakoy; vaho hatoloko amy Tsione ty fandrombahañe, ho a’ Israele engeko.
Hampanatoniko ny fahamarinako, ka tsy ho lavitra intsony; ary ny famonjeko tsy hitaredretra; fa hametraka famonjena ao Ziona Aho sy ny voninahitro ho an’ ny Isiraely.