< Ezekiela 9 >
1 Aa le napaza’e am-piarañanañañe an-tsofiko ao ty hoe, Ampombao mb’etoy o mpifehe’ ty rova toio, songa minday fialiañe mpijoy am-pità’e.
Ary niantso tamin’ ny feo mahery teo anatrehako Jehovah ka nanao hoe: Manakeke ianareo, ry mpiambina ny tanàna, ka samia mitondra ny fiadiany eny an-tànany avy ho enti-mandringana.
2 Le ingo te nimb’ etoy ty lahilahy eneñe boak’ amy lalambey ambone mitolike mañavaratsey, songa indaty ninday fialiam-panjamanañe am-pità’e, ty raike nisikin-damba leny reketse tsifan-drano-mainte añ’ila’e eo; aa le nimoak’ ao iereo nijohañe marine’ i kitrely torisìkey eo.
Ary, indreo, nisy lehilahy enina avy tamin’ ny lalana mankamin’ ny vavahady ambony, izay manatrika ny avaratra, sady samy nitondra ny fiasany fanorotoroana teny an-tanany avy izy; ary ny anankiray tamin’ ireo dia nitafy rongony fotsy, sady nisy fitoeran-dranomaintin’ ny mpanoratra teo am-balahany; ary niditra izy ireo ka nitsangana teo anilan’ ny alitara varahina.
3 Le nionjoñe boak’ an-toe’e ambone’ o kerobeo ty engen’ Añahare’ Israele naho nivotrak’ an-tsarirañe eo vaho kinoi’e indaty misaroñe lamba-leny minday tsifan-drano-mainte añ’ ila’eoy;
Ary ny voninahitr’ Andriamanitry ny Isiraely efa niakatra niala teo amin’ ny kerobima, izay nitoerany, ho eo amin’ ny tokonam-baravaran’ ny trano, ary Izy niantso ilay olona nitafy rongony, totsy izay nisy fitoeran-dranomaintin’ ny mpanoratra teo am-balahany.
4 le hoe t’Iehovà tama’e, Akia rangao i rovay, maneñateñà Ierosalaime, vaho tomboho alama ze ondaty miselekaiñe naho mitoreo ty amo hativañe anoeñe añivo’eo.
Ary hoy Jehovah taminy: Mandehana mamaky ny tanàna, dia Jerosalema, ka asio marika ny handrin’ ny olona izay misento sy mitaraina noho ny fahavetavetana rehetra atao eo aminy.
5 Le hoe re amo ila’eo, am-pitsanoñako, Akia oriho re miranga amy rovay naho lafao; ko imetea’o hiheveam-pihaino, vaho ko mitretrè.
Ary reko Izy nanao tamin’ ny sasany hoe: Mandehana manaraka azy ianareo hamaky ny tanàna, ka mameleza; aoka tsy hamindra fo aminy ny masonareo, ary aza ananana antra izy,
6 Zamano ty bey naho o ajalahio naho o somondrarao, o ajajao vaho o rakembao, fe ko harineañe ze tinombok’ alama; mifotora an-toeko miavak’ eo. Aa le nafoto’ iareo am’ondatio, amo androanavy aolo’ i kivohoio.
Fa na lahy antitra, na zatovo, na virijina, na zaza madinika, na vehivavy, dia aringano avokoa; fa izay olona misy ilay marika ihany no aza kasihina ary atombohy hatreo amin’ ny fitoerako masìna izany. Dia nanomboka tamin’ ny lahy antitra izay teo anoloan’ ny trano ireo.
7 Le hoe re am’ iereo, Leoro i anjombay vaho atsafo an-dolo’ o zinamañeo i kiririsay; mionjona! Aa le nimb’eo iereo nampibaibay amy rovay ao.
Ary hoy Izy taminy: Lotoy ny trano, ary fenoy faty ny kianja; dia mivoaha ianareo. Ary dia nivoaka izy ka namely ny tao an-tanàna.
8 Ie amy zao, naho fa zinama’ iareo ondatio, izaho avao ty eo, le nihotrak’ an-tareheko iraho nipazake ty hoe, Hoke! ry Iehovà Talè! ho fonga rotsahe’o hao ty sehanga’ Israele ami’ty fampidoaña’o am’ Ierosalaime o haviñera’oo?
Ary raha mbola namely izy, ary izaho ihany no sisa teo, dia niankohoka aho ka nitaraina hoe: Indrisy! Jehovah Tompo ô! haringanao va ny sisa rehetra amin’ ny Isiraely amin’ izao ampidinanao ny fahatezeranao amin’ i Jerosalema izao?
9 Aa hoe re amako, Losotse o hakeo’ anjomba’ Israele naho Iehodào, naho milopolopo lio i taney vaho lifo-keloke i rovay, ie nanoe’ iereo ty hoe, Naforintse’ Iehovà ty tane toy, vaho tsy mahavazoho t’Iehovà.
Dia hoy Izy tamiko: Lehibe dia lehibe ny heloky ny taranak’ ny Isiraely sy ny Joda, ary feno ran’ olona nalatsaka ny tany, sady feno fitsarana miangatra ny tanàna, satria hoy izy: Jehovah efa nahafoy ny tany ary Jehovah tsy mahita.
10 Aa naho izaho, tsy hiheve ty masoko, tsy hitretrè, fa hondrohako am’iereo o sata’ iareoo.
Ary Izaho kosa, dia tsy hiantra ny masoko, sady tsy hamindra fo aho, fa hatsingeriko ho eo an-dohany ny nataony.
11 Hehek’ amy zao indaty misaroñe lamba-leny reketse tsifan-drano-mainte añ’ila’eoy, namolily ty hoe, Nanoeko i namantoha’o ahiy.
Ary, indro, ralehilahy, ilay nitafy rongony fotsy sady nisy fitoeran-dranomainty teo am-balahany, dia nitondra teny niverina nanao hoe: Efa vitako izay nandidianao ahy.