< Ezekiela 35 >
1 Mboe niheo amako ty tsara’ Iehovà nanao ty hoe:
Ary tonga tamiko ny tenin’ i Jehovah nanao hoe:
2 O ana’ ondatio, atrefo ty vohi-tSeire vaho itokio,
Ry zanak’ olona, manandrifia ny tendrombohitra Seïra, ka maminania ny hamelezana azy,
3 ami’ty hoe: Hoe ty tsara’ Iehovà Talè: Ry Vohi-tSeire, atreatrèko irehe, vaho hatorakitsiko ama’o ty tañako hampangoakoahako azo ho tane bangý.
dia ataovy aminy hoe: Izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Indro, avy hamely anao Aho, ry tendrombohitra Seïra, ary hahinjitro aminao ny tanako, ka hataoko foana sy lao ianao.
4 Fonga ho rotsaheko o rova’oo le ho vahiny irehe vaho ho fohi’o te izaho Iehovà;
Ny tanànanao hataoko korontam-bato, ary ianao ho lao; Ka dia ho fantatrao fa Izaho no Jehovah.
5 amy t’ie nitan-keloke nainai’e naho nanolotse o ana’ Israeleo ami’ty haozaram-pibara amy andron-kekoheko’ iareoy, amy sam-pigadoñan-kaloloañey;
Noho ny fandrafianao hatry ny fony ela sy ny nanoloranao ny zanak’ Isiraely ho fatin’ ny sabatra, fony tamin’ ny andro nahitany loza, dia ny fotoan’ ny heloka mahafaty,
6 kanao velon-dRaho hoe t’Iehovà Talè, le hañentseñako lio, hañoridañe azo ty lio; toe niheje’o ty lio’o, vaho lio ro hañotioty azo.
Dia izao no lazain’ i Jehovah: Raha velona koa Aho, dia hataoko manjary rà ianao, ary rà no hanenjika anao; Satria tsy nankahalainao ny rà, dia rà kosa no hanenjika anao.
7 Le hampangoakoaheko naho ho babangoañeko t’i Seire, vaho haitoako ama’e ty miranga naho ty mimpoly.
Hataoko foana sy lao ny tendrombohitra Seïra, sady hataoko tsy misy intsony ny mandroso sy ny miverina,
8 Hatsefeko zamañe o vohi’eo, an-kaboa’o ey naho am-bavatane’o ao; vaho an-tsaka’o iaby ao ty hikorovoha’ o zinevom-pibarao.
Ary hofenoiko ny olony voavono ny tendrombohiny; Eny, ao amin’ ny havoananao sy ny lohasahanao Ary amoron’ ny lohasahan-driakanao rehetra no hiampatramparan’ izay voatrabaky ny sabatra.
9 Hampangoakoaheko nainai’e naho tsy hatroatse ka o rova’oo; vaho ho fohi’o te Izaho Iehovà.
Hataoko rava mandrakizay ianao, ary tsy honenana intsony ny tanànanao; Ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah.
10 Amy te ihe nanao ty hoe, Ho ahiko i fifelehañe roe rey naho i tane roe rey, ho tavane’ay; fe tao t’Iehovà.
Ary noho ny nanaovanao hoe: Ireto firenena roa ireto sy ireto tany roa ireto dia ho ahy avokoa, Ka hanana azy izahay kanefa teo ihany Jehovah
11 Aa kanao velon-dRaho hoe t’Iehovà Talè, le ho toloñeko amy haviñerañe naho amy fikirañañe nitoloña’o an-karafelahiañey, vaho ho fohi’ iereo te izaho ty nizaka azo.
Dia izao no lazain’ i Jehovah: Raha velona koa Aho, dia hanao araka ny fahatezeranao sy ny fialonanao Aho, izay nataonao noho ny fandrafianao azy; Ary hampahafantariko ao aminy ny tenako amin’ ny hitsarako anao.
12 Le ho fohi’o te Izaho Iehovà ty nahatsanoñe ty fifosa nanoe’ areo amo vohi’ Israeleo ami’ty hoe: Kanao nengañe bangiñe, le natolotse antika habotseke.
Ka dia ho fantatrao fa Izaho Jehovah no efa nandre ny fanaratsiana, izay nolazainao ny amin’ ireny tendrombohitry ny Isiraely hoe: Foana ireny ka nomena anay ho fivelomanay.
13 Niebotsebotse amako am-bava irehe, vaho nampitoabore’o rehake; hene tsinanoko.
Ary nanao teny miavonavona namely Ahy ianareo sy nanamaro ny teninareo namely Aha; efa reko izany.
14 Hoe ty nafè’ Iehovà Talè: Toly ndra hirebeke ty tane-bey toy naho koaheko irehe,
Izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Rehefa mifaly ny tany rehetra, dia hofoanako kosa ianao,
15 manahake ty nirebeha’o amy lovan-anjomba’ Israeley, t’ie nangoakoake; izay ka ty hanoako azo; ho bangìñe ka irehe, ry Vohi-Seire, naho i Edome iaby, eka ie iabike; vaho ho fohi’ iereo te Izaho Iehovà.
Toy ny nifalianao ny amin’ ny lovan’ ny taranak’ Isirady, satria nofoanana ireny, dia toy izany kosa no hataoko aminao: Ho foana ianao, ry tendrombohitra Seïra sy Edoma rehetra; Ka dia ho fantatra fa Izaho no Jehovah.