< 2 Samoela 2 >

1 Ie añe izay, le nañontane Iehovà t’i Davide ami’ty hoe: Hionjonako hao o rova’ Israeleo? le hoe t’Iehovà ama’e: Mionjona. Aa le hoe t’i Davide: Ty aia ty handenàko? le hoe re: Mbe Kebrone mb’eo.
Ary rehefa afaka izany, Davida dia nanontany tamin’ i Jehovah hoe: Hiakatra ho any amin’ ny tanànan’ ny Joda anankiray va aho? Dia hoy Jehovah taminy: Miakara. Ary hoy Davida: Any aninona no hiakarako? Dia hoy Izy: Any Hebrona.
2 Aa le nionjomb’eo t’i Davide rekets’ i vali’e roe rey, i Akinoame nte Iezreele naho i Abigale vali’i Nabale nte-Karmele.
Dia niakatra nankany Davida mbamin’ ny vadiny roa, dia Ahinoama Jezirelita sy Abigaila, ilay novinadin’ i Nabala Karmelita.
3 Le nampionjone’ i Davide ondaty mpiama’eo songa rekets’ o keleia’eo vaho nimoneña’ iareo o rova’ i Kebroneo.
Ary ny olona izay tao amin’ i Davida mbamin’ ny ankohonan’ ireo dia samy nentiny niakatra koa, ka nonina tao amin’ ny tanàna momba an’ i Hebrona izy ireo.
4 Nimb’eo amy zao o roandria’ Iehodao, le noriza’ iareo eo t’i Davide ho mpanjaka’ i anjomba’ Iehoday. Le natalily amy Davide te o nte-Iabese-Giladeo ty nandenteke i Saole.
Ary dia avy ny lehilahy amin’ ny Joda ka nanosotra an’ i Davida tao mba ho mpanjaka amin’ ny taranak’ i Joda. Ary nisy nanambara tamin’ i Davida hoe: Ny olona any Jabesi-gileada no nandevina an’ i Saoly.
5 Nañitrik’ amy Iabese-Gilade t’i Davide, le nanoe’e ty hoe, Andriañeñe t’Iehovà ami’ty fitretreza’ areo i talè’ areoy, amy nandenteha’ areo i Saoley.
Ary Davida dia naniraka olona hankany amin’ ny mponina any Jabesi-gileada hanao aminy hoe: Hotahin’ i Jehovah anie ianareo noho ny soa nataonareo tamin’ i Saoly tomponareo tamin’ ny nandevenanareo azy.
6 Aa le ho ferenaiña’ Iehovà naho haboa’e ama’ areo ty hatò; vaho handroroñako ama’ areo i hasoa nanoe’ areoy.
Koa haneho famindram-po sy fahamarinana aminareo anie Jehovah, sady izaho koa efa manao izao soa izao aminareo noho ny nanaovanareo izany zavatra izany.
7 Aa le ampaozaro o fità’ areoo, le mahasibeha; fa vilasy t’i Saole talè’ areo vaho fa noriza’ Iehoda iraho ho mpanjaka’ iareo.
Ary ankehitriny, aoka hampaherezina anie ny tananareo, ary aoka hatanjaka ianareo; fa maty Saoly tomponareo, ary izaho no nohosoran’ ny firenen’ i Joda ho mpanjakany.
8 Ie amy zao, rinambe’ i Abnere ana’ i Nere, mpifehe’ ty valobohò’ i Saole, t’Is’bosete ana’i Saole vaho nendese’e ni­tsake mb’e Maknaime mb’eo;
Fa Abnera, zanak’ i Nera, komandin’ ny miaramilan’ i Saoly, efa naka an’ Isboseta, zanakalahin’ i Saoly, ka nitondra azy nankany Mahanaima,
9 le nanoe’e mpanjaka’ i Gilade naho o nte-Asoreo naho Iezreele naho Efraime naho i Beniamine naho Israele iaby.
dia nampanjaka azy tamin’ i Gileada sy ny Asorita sy Jezirela sy ny Efraima sy ny Benjamina ary ny Isiraely rehetra.
10 Ni-efa-polo taoñe t’Is’bosete t’ie niorotse nifehe Israele, le nifeleke roe taoñe. Fe nañorike i Davide ty anjomba’ Iehoda.
(Ary efa-polo taona no nahaveloman’ Isboseta, zanak’ i Saoly, fony izy vao nanjaka amin’ ny Isiraely, ary roa taona no nanjakany.) Fa ny firenen’ i Joda nomba an’ i Davida.
11 Le fito-tao-tsi-enem-bolañe ty naha-mpanjaka’ i anjomba’ Iehoday e Kebrone ao i Davide.
Ary ny andro nanjakan’ i Davida tao Hebrona tamin’ ny taranak’ i Joda dia fito taona sy enim-bolana.
12 Niavotse boake Maknaime t’i Abnere ana’ i Nere rekets’ o mpitoro’ Is’ Bosete ana’i Saoleo le nomb’e Gibone mb’eo.
Ary Abnera, zanak’ i Nera, sy ny mpanompon’ Isboseta, zanak’ i Saoly, niala tao Mahanaima ka nankany Gibeona.
13 Niavotse t’Ioabe, ana’i Tseroià naho o mpitoro’ i Davideo nifanalaka am’ iereo amy antara’ i Giboney; ie nifampigaoñe le añ’ila’ i antara etoañey ty firimboña’e raike vaho alafe’ i antara eroañey ty firimboña’e raike.
Ary Joaba, zanak’ i Zeroia, sy ny mpanompon’ i Davida nivoaka ka nihaona tamin’ ireo teo amoron’ ny kamory tao Gibeona; ary samy nipetraka teo amin’ ny lafin’ ny kamory avy izy.
14 Le hoe t’i Abnere am’ Ioabe, Angao hiongake o gaon-dahio hihisa añatrefan-tikañe. Le hoe t’Ioabe: Angao hiongake.
Ary hoy Abnera tamin’ i Joaba: Masìna ianao, aoka hitsangana ny zatovo hanao kilalao eto anatrehantsika. Ary hoy Joaba; Aoka ary izy hitsangana.
15 Niongak’ amy zao t’i nte-Beniamine, folo-ro’amby ty mpiam’ Is’bosete, ana’ i Saole, naho folo-ro’amby ty mpitoro’ i Davide.
Dia nisy nitsangana ka nita, dia roa ambin’ ny folo lahy tamin’ ny Benjamina, izay an’ Isboseta, zanak’ i Saoly, ary roa ambin’ ny folo lahy koa tamin’ ny mpanompon’ i Davida.
16 Sindre nitan-ty lohan-drahalahi’e naho natsorofo’e an-deme’ i raha­lahi’ey ty fibara’e vaho songa nitsingoritritse eo; aa le natao ty hoe Kelkate-kats’ tsorime i toetse e Gibone izay.
Ary izy rehetra samy nifanavika nifampihazon-doha ka nifandefon-tehezana tamin’ ny sabatra, dia niara-nikarapoka; koa izany no nanaovana izany fitoerana ao Gibeona izany hoe Helkata-hazorima.
17 Nampalovilovy ty hotakotak’ amy andro zay; le nigioke t’i Abnere naho o ana’ Israeleo añatrefam-pitoro’ i Davide.
Ary mafy ny ady tamin’ izany andro izany; ary dia resy teo anoloan’ ny mpanompon’ i Davida Abnera sy ny lehilahy amin’ ny Isiraely.
18 Teo ty ana-dahy telo’ i Tseroià; Ioabe, naho i Abisày, vaho i Asaele, le nalisa am-pandia t’i Asaele manahake ty fanaloke tora’e.
Ary mba teo koa izy telo lahy zanak’ i Zeroia, dia Joaba sy Abisay ary Asahela; ary Asahela dia haingan-tongotra tahaka ny gazela any an-efitra.
19 Nañinjake i Abnere t’i Asaele; tsy niviombio­ñe mb’an-taña’e havana ndra havia amy fañitrihitriañ’ orike i Abnerey.
Ary Asahela nanenjika an’ i Abnera, ka ny fandehany nanenjika an’ i Abnera dia tsy nivily akory na tamin’ ny ankavanana na tamin’ ny ankavia.
20 Nitoli-boho amy zao t’i Abnere nanao ty hoe: I Asaele v’iheo? hoe ty natoi’e: Izaho.
Ary Abnera niherika ka nanao hoe: Hianao moa izany, no Asahela? Dia hoy izy: Izaho ity.
21 Le hoe t’i Abnere tama’e: Mitsilea, mb’an-taña’o havana ndra havia, naho tsepaho ty gaon-dahy vaho holiro o fikala’eo, f’ie tsy nete tsy nañori­k’ aze avao.
Dia hoy Abnera taminy: Mivilia ianao, na ho amin’ ny ankavanana, na ho amin’ ny ankavia, ary zatovo anankiray no sambory, ka baboy ho anao izay eny aminy rehetra. Fa Asahela tsy nety nivily, fa nanenjika azy ihany.
22 Nindrae’ i Abnere amy Asaele ty hoe: Mivi­oña tsy hañorik’ ahy; ino ty hanjevoñako azo an-tane? Aia amy zao ty hiatrefako laharañe am’ Ioabe raha­lahi’oy?
Ary hoy indray Abnera tamin’ i Asahela: Mivilia ianao, fa aza manenjika ahy; fa hataoko inona moa izay hamely anao hikarapoka amin’ ny tany, ary hataoko ahoana no fijery an’ i Joaba rahalahinao?
23 F’ie nifoneñe tsy hivioñe, aa le tinombo’ i Abnera amy kitron-defo’ey ambane’ ty pa’e faha lime eo le nipotìtse am-boho’e ao i lefoñey vaho nitsingorokoron-ko mate eo. Ie amy zao, ze nizo i nikorovoha’ i Asaele nivetrakey, le nijohañe eo.
Nefa tsy nety nivily ihany izy, ka dia nasian’ i Abnera ny antsedefona ny kibony, ka dia niboroaka teo an-damosiny ny lefona, ary nikarapoka teo izy ka maty niaraka tamin’ izay. Ary izay rehetra tonga teo amin’ ilay nikarapohan’ i Asahela sy nahafatesany dia nijanona.
24 Fe nañoridañe i Abnere t’Ioabe naho i Abisày; le nitsofots’ andro t’ie pok’ an-kaboa’ i Amà, i aolo’ i Già an-dala’ mb’ am-patrambei’ i Giboney.
Ary Joaba sy Abisay dia nanenjika an’ i Abnera; ka nony tonga teo amin’ ny havoana Ama izy, izay tandrifin’ i Gia amin’ ny lalana mankany amin’ ny efitr’ i Gibeona, dia maty ny masoandro.
25 Nifanontoñe amy Abnere amy zao o ana’ i Beniamineo vaho nijohañe an-kaboañe ey.
Ary ny taranak’ i Benjamina niangona teo amin’ i Abnera ka nifoko ho iray toko ary nijanona teo an-tampon’ ny havoana anankiray.
26 Kinoi’ i Abnere amy zao t’Ioabe ami’ty hoe: Hamo­tseke nainai’e hao i fibaray? Tsy fohi’o hao t’ie higa­doñe an-kafairañe avao? Ampara’ te mb’ia vaho halalie’o ondatio ty tsy hañoridañe i rahalahi’ey?
Ary Abnera niantso an’ i Joaba hoe: Handany mandrakizay va ny sabatra? Tsy fantatrao va fa hangidy ny hiafaran’ izany? Koa mandra-pahoviana no tsy hampivereninao ny olona tsy hanenjika ny rahalahiny?
27 Le hoe t’Ioabe: Kanao veloñe t’i Andrianañahare, naho tsy nisaon­tsy irehe, le ampara’ te niporea’ ty maraindray leo raike tsy ho nimpoly am-pañinjaha’e i rahalahi’ey.
Ary hoy Joaba: Raha velona koa Andriamanitra, raha tsy ilay teninao, dia efa lasa nody any naraina avokoa ny olona ka tsy nanenjika ny rahalahiny akory.
28 Aa le nampipopò antsiva t’Ioabe vaho ni­tsangañe ondaty iabio, tsy nañoridañe Israele ka, tsy nifanehak’ añ’aly ka.
Dia nitsoka ny anjomara Joaba, ka dia nijanona ny olona rehetra, ary tsy nanenjika ny Isiraely intsony na niady taminy intsony izy.
29 Nikatsakatsake niranga i Arabà amy haleñe iabiy t’i Abnere naho ondati’eo; nitsake Iordaney naho niranga i Bitrone vaho nigodañe e Maknaime.
Ary Abnera sy ny olony nandeha mandritra ny alina namaky ny tani-hay, dia nita an’ i Jordana sy namaky an’ i Bitrona rehetra, ka dia tonga tao Mahanaima izy.
30 Nimpoly amy fañoridaña’e i Abnerey t’Ioabe; le ie natonto’ iareo i mpitoro’ i Davide rey le tsy niampe folo-sive’ amby naho i Asaele.
Ary rehefa niverina Joaba avy nanenjika an’ i Abnera, dia novoriny ny olona rehetra, ary sivy ambin’ ny folo lahy ihany mbamin’ i Asahela no tsy teo ny mpanompon’ i Davida.
31 Fe zinevo’ o mpitoro’ i Davideo amo lahilahi’ i Beniamine naho a i Abnereo: t’indaty telon-jato-tsi-enem-polo, fonga nikorokomake.
Fa ny mpanompon’ i Davida efa nahafaty enim-polo sy telon-jato lahy tamin’ ny Benjamita sy ny olon’ i Abnera.
32 Nitakone’ iereo t’i Asaele vaho nalente’e an-donan-drae’e e Betlekheme ao. Nikatsakatsak’ amy haleñey ka t’Ioabe, am-para’ te niporea am’ iereo e Kebrone añe i àndroy.
Ary Asahela dia nentiny ka naleviny tao amin’ ny fasan-drainy, izay tao Betlehema. Ary Joaba sy ny olony nandeha mandritra ny alina, dia tonga tao Hebrona raha vao nazava ratsy ny andro.

< 2 Samoela 2 >