< 1 Tantara 13 >
1 Aa le nisafiry amo mpifelek’ arivo naho zatoo vaho amo mpifehe iabio t’i Davide.
Ary Davida naka saina tamin’ ny mpifehy arivo sy ny mpifehy zato, dia ny mpifehy rehetra,
2 Le hoe t’i Davide amy valobohò’ Israele iabiy, Aa naho mete ama’ areo naho am’ Iehovà Andrianañaharen-tika, antao hañitrike mb’eo mb’eo hikoike o longontika sisa amo hene tane’ Israeleo, rekets’ o mpisoroñe naho nte-Levý androva naho am-paripari’ iareoo, hifanontoñe,
Ka hoy Davida tamin’ ny Isiraely rehetra izay tafangona: Raha ataonareo ho mety, sady avy amin’ i Jehovah Andriamanitsika izany, dia andeha isika haniraka faingana any amin’ ny rahalahintsika rehetra izay sisa amin’ ny tanin’ ny Isiraely rehetra ary amin’ ny mpisorona sy ny Levita koa, izay any amin’ ny tanànany sy ny tany manodidina azy, mba hivory atỳ amintsika;
3 hampolian-tika mb’etoa i vatan’ Añaharen-tikañey, ie tsy nipaiaen-tika tañ’ andro’ i Saole.
Ary aoka ho entintsika atỳ amintsika indray ny fiaran’ Andriamanitsika; fa tsy nahoantsika tamin’ ny andron’ i Saoly izany.
4 Le nanao ty hoe i valobohòkey, t’ie hanoeñe, fa nimete am-pihaino’ ze hene ondaty.
Ary ny olona rehetra izay tafangona dia nanaiky hanao izany, satria marina teo imason’ ny olona rehetra izany.
5 Aa le natonto’ i Davide t’Israele iaby, boake Sikore e Mitsraime añe pak’ am-pimoahañe e Kamate añe, hindesa’ iareo boake Kiriate-Iearime ao i vatan’ Añaharey.
Dia novorin’ i Davida ny Isiraely rehetra hatrany Sihora any Egypta ka hatrany akaikin’ i Hamata haka ny fiaran’ Andriamanitra avy any Kiriata-jearima.
6 Aa le nindre am’ Israele iaby t’i Davide nionjomb’e Baalà—i Kiriate-Iearime’ Iehoda—mb’eo hindesa’ iareo boak’ao i vatan’ Añahare iambesara’ Iehovà amo kerobeoy, i fikanjiañe i tahina’eiy.
Dia niakatra Davida sy ny Isiraely rehetra hankany Bala any Joda (Kiriata-jearima izany) hampakatra ny fiaran’ i Jehovah Andriamanitra, Izay mipetraka amin’ ny kerobima, dia ilay niantsoany ny anarany.
7 Le nente’ iareo an-tsarete vao boak’ añ’ anjomba’ Abinadabe ao i vatan’ Añaharey; vaho ninday i saretey t’i Ozà naho i Akio.
Ary nentiny tamin’ ny sariety vaovao niala tao an-tranon’ i Abinadaba ny fiaran’ Andriamanitra, ary Oza sy Ahio no nampandeha ny sariety.
8 Le nifale añatrefan’ Añahare an-kaliforan-kaozarañe t’i Davide naho Israele; reke-tsabo naho marovany, jejobory, fikorintsañe, fikarantsañe vaho an-trompetra.
Ary Davida sy ny Isiraely rehetra dia nitsinjaka fatratra teo anatrehan’ Andriamanitra tamin’ ny hira sy ny lokanga sy ny valiha sy ny ampongatapaka sy ny kipantsona ary ny trompetra.
9 Ie nivotrak’ an-tanem-pifofoha’ i Kidone eo, le nahiti’ i Ozà ty fità’e hikalañ’ i vatay, fa ho nabalitaboa’ o añombeio.
Ary nony tonga teo amin’ ny famoloan’ i Kidona izy, dia naninjitra ny tànany hihazona ny fiara Oza, satria nazeran’ ny omby izany.
10 Le nisolebotse amy Ozà ty haviñera’ Iehovà naho zinevo’e amy te nitakare’e fitàñe i vatay vaho nihomak’ añatrefan’ Añahare.
Dia nirehitra tamin’ i Oza ny fahatezeran’ i Jehovah, ka namely azy Izy noho ny naninjirany ny tànany tamin’ ny fiara, dia maty teo anatrehan’ Andriamanitra izy.
11 Tsy nahafale i Davide ty fitorotosi’ Iehovà amy Ozày; aa le natao Perets’ Ozà i toetsey pak’ henaneo.
Ary dia tezitra Davida noho ny namelezan’ i Jehovah an’ i Oza, ka dia nataony hoe Perez-oza no anaran’ izany tany izany mandraka androany.
12 Nahahembañe i Davide t’i Andrianañahare amy andro zay, le hoe re: Akore ty hampipoliako amako i vatan’ Añaharey?
Ary Davida natahotra an’ Andriamanitra tamin’ izany andro izany ka nanao hoe: Nahoana aho no hitondra ny fiaran’ Andriamanitra ho atỳ amiko?
13 Aa le tsy nendese’ i Davide moly ama’e mb’an-drova’ i Davide mb’eo i vatay fa nampitsile’e mb’ añ’anjomba’ i Ovededome nte Gate ao.
Dia tsy nafindran’ i Davida ho ao aminy ao an-tanànan’ i Davida ny fiara, fa naviliny ho ao an-tranon’ i Obed-edoma Gatita.
14 Nitobok’ an-kasavereña’ i Ovededome añ’ anjomba’e ao telo volañe i vatan’ Añaharey; vaho nitahie’ Iehovà ty anjomba’ i Ovededome naho ze hene fanaña’e.
Ary nipetraka telo volana tao amin’ ny ankohonan’ i Obed-edoma tao an-tranony ny fiaran’ Andriamanitra; ka dia notahin’ i Jehovah ny ankohonan’ i Obed-edoma sy izay rehetra nananany.