< Zefania 1 >

1 Ny tenin’ i Jehovah, izay tonga tamin’ i Zefania, zanak’ i Kosy, zanak’ i Gedalia, zanak’ i Amaria, zanak’ i Hezekia, tamin’ ny andro nanjakan’ i Josia, zanak’ i Amona, mpanjakan’ ny Joda.
Das Wort Jehovahs, welches geschah zu Zephanjah, dem Sohne Kuschis, des Sohnes Gedaljahs, des Sohnes Amarjahs, des Sohnes Chiskijahs, in den Tagen Joschijuhus, des Sohnes Amons, König von Jehudah.
2 Hakifako tokoa ny zavatra rehetra tsy ho eny ambonin’ ny tany, hoy Jehovah;
Ich raffe alles weg von der Fläche des Bodens, spricht Jehovah.
3 Eny, hakifako ny olona sy ny biby; Hakifako ny vorona eny amin’ ny habakabaka sy ny hazandrano any an-dranomasina. Ary ny zavatra mahatafintohina mbamin’ ny ratsy fanahy, Haringako tsy ho amin’ ny tany ny olona, hoy Jehovah.
Ich raffe weg Menschen und Vieh, raffe weg das Gevögel des Himmels und des Meeres Fische, und das Anstößige samt den Ungerechten, und rotte den Menschen aus von der Fläche des Bodens, spricht Jehovah.
4 Ary hahinjitro ny tanako hamely ny Joda sy ny mponina rehetra any Jerosalema; Dia haringako tsy ho eo amin’ ity tany ity ny sisa amin’ i Bala, Sy ny anaran’ ny mpisorona amin’ ny andriamani-tsi-izy mbamin’ ny tena mpisorona,
Und recke Meine Hand aus über Jehudah, und über alle, die da wohnen in Jerusalem, und rotte aus von diesem Orte des Baals Überrest mit den Namen der Götzenpfaffen, mit den Priestern.
5 Sy izay mivavaka any an-tampon-trano amin’ izay eny amin’ ny lanitra, Ary izay miankohoka sy mianiana ho an’ i Jehovah Sady mianiana amin’ i Malkama,
Und die auf den Dächern das Heer der Himmel anbeten, und die anbeten, die schwören bei Jehovah, und schwören bei ihrem König.
6 Ary izay nihemotra niala tamin’ i Jehovah, Sy izay tsy nitady an’ i Jehovah na nanontany taminy.
Und die von Jehovah zurückgewichen, und Jehovah nicht gesucht, und nicht nach Ihm gefragt.
7 Mangìna eo anatrehan’ i Jehovah Tompo! Fa efa antomotra ny andron’ i Jehovah; Fa Jehovah efa niomana hamono zavatra hatao fanatitra Ka efa nanamasina ny olona nasainy.
Seid stille vor dem Herrn Jehovah, denn Jehovahs Tag ist nahe; denn ein Opfer hat Jehovah bereitet, geheiligt, die von Ihm Gerufenen.
8 Ary raha mby amin’ ny andro hamonoan’ i Jehovah zavatra hatao fanatitra, Dia hovaliako ny lehibe sy ny zanak’ andriana Mbamin’ izay rehetra mitafy ny fitafin’ ny firenena hafa.
Und an dem Tage von Jehovahs Opfer soll geschehen, daß Ich heimsuche die Obersten und die Königssöhne und alle, die in ausländisches Kleid sich kleiden.
9 Ary amin’ izany andro izany dia hovaliako izay rehetra miezaka mihoatra ny tokonana, Dia ireo mameno loza sy fitaka ny tranon’ ny tompony.
Und will heimsuchen an jenem Tag alle, die über die Schwelle springen, die, so ihres Herrn Haus mit Gewalttat und Betrug erfüllen.
10 Ary amin’ izany andro izany, hoy Jehovah, Dia hisy feo re mitaraina any am-bavahadin-kazandrano, Sy fidradradradrana ao amin’ ny tanàna ambany, Ary fidarabohana miezinezina any amin’ ny havoana.
Und wird sein an jenem Tage, spricht Jehovah, die Stimme des Geschreis vom Tore der Fische und ein Geheul von dem zweiten, und großes Zerbrechen von den Hügeln.
11 Midradradradrà, ianareo mponina ao Maktesy; Fa ringana avokoa ny mpandranto rehetra, Eny, lany ringana izay rehetra nivesatra volafotsy.
Heult, die ihr in dem Machtesch wohnet; denn all das Volk der Händler ist untergegangen und ausgerottet alle, die beladen sind mit Silber.
12 Ary amin’ izany andro izany dia hotsiloviko amin’ ny jiro Jerosalema, Ka hovaliako ny olona izay efa lefy ao amin’ ny faikany, Dia izay manao anakampo hoe: Sady tsy hanao soa Jehovah no tsy hanao ratsy.
Und zu der Zeit wird es geschehen, daß mit Leuchten Ich Jerusalem durchsuche, und die Leute heimsuche, die verhärtet auf ihren Hefen sitzen, die in ihrem Herzen sagen: Jehovah tut nicht Gutes und nicht Böses.
13 Ka dia ho tonga babo ny fananan’ ireny, Ary ho lao ny tranony; Dia hanao trano izy, nefa tsy hitoetra ao, Hamboly voaloboka izy, nefa tsy hisotro ny divay avy aminy.
Und ihr Vermögen soll geplündert werden, und zur Verwüstung ihre Häuser. Und sie bauen Häuser, aber wohnen nicht darin, und pflanzen Weinberge und trinken nicht ihren Wein.
14 Efa antomotra ny andro lehiben’ i Jehovah; Eny, efa antomotra sady mihafaingana indrindra, Injay! feon’ ny andron’ i Jehovah! Ny lehilahy mahery dia mitomany mafy any.
Nahe ist der große Tag Jehovahs, nahe und eilt sehr: Die Stimme des Tages Jehovahs, bitterlich schreit dort auf der Held.
15 Andro fahatezerana izany andro izany, Andro fahoriana sy fahalahelovana, Andro fandravana sy fanafoanana, Andro maizina sy manjombona, Andro mandrahona sy maizim-pito.
Ein Tag des Wütens ist jener Tag, ein Tag der Drangsal und der Angst, ein Tag des Tosens und des Getöses, ein Tag der Finsternis und der Dunkelheit, ein Tag der Wolke und des Wolkendunkels.
16 Andro fahaveloman’ ny anjomara sy ny akora, Hamelezana ny tanàna mimanda sy ny tilikambo avo eny amin’ ny zorony.
Ein Tag der Posaune und des Feldgeschreis über den festen Städten und den hohen Ecken.
17 Ary hampahory ny olona Aho, Handehanany toy ny jamba, Satria efa nanota tamin’ i Jehovah izy; Ny ràny dia haidina toy ny vovoka, Ary ny nofony ho toy ny zezika.
Und Ich werde die Menschen in Drangsal bringen; sie werden wie die Blinden umhergehen, weil sie wider Jehovah sündigten. Und ihr Blut soll hingeschüttet werden wie Staub und wie Kot ihr Fleisch.
18 Na ny volafotsiny na ny volamenany dia samy tsy hahavonjy azy amin’ ny andro fahatezeran’ i Jehovah, Fa holevonin’ ny afon’ ny fahasaro-piarony ny tany rehetra; Fa fahafonganana, eny, fahafonganana tampoka tokoa no hataony amin’ ny mponina amin’ ny tany.
Weder ihr Silber, noch ihr Gold vermag sie zu erretten am Tage von Jehovahs Wüten, und mit Seines Eifers Feuer wird das ganze Land aufgefressen; denn eine Vollendung, ja eine bestürzende macht Er mit allen, die im Lande wohnen.

< Zefania 1 >