< Zefania 3 >

1 Lozan’ ny tanàna miodina sady voaloto, Dia ilay mampahory!
Woe to her that is filthy and polluted, to the oppressing city!
2 Tsy nihaino ny feo izy, Na nino anatra; Jehovah tsy nitokiany, Andriamaniny tsy nohatoniny.
She obeyed not the voice; she received not correction; she trusted not in the LORD; she drew not near to her God.
3 Liona mierona ao aminy ireo lehibeny; Amboadia hariva ny mpitsarany Ka tsy mamela ho tra-maraina.
Her princes within her are roaring lions; her judges are evening wolves; they gnaw not the bones till the next day.
4 Vavana sady mpamitaka ny mpaminaniny; Mandoto izay masìna ny mpisorony, Eny, mamadika ny lalàna izy.
Her prophets are light and treacherous persons: her priests have polluted the sanctuary, they have done violence to the law.
5 Jehovah no marina ao afovoany, Tsy manao izay tsy marina Izy; Isa-maraina isa-maraina no amoahany ny fitsarany ho amin’ ny mazava, ka tsy diso izany. Fa ny tsy marina tsy mba mahalala henatra.
The just LORD is in the midst thereof; he will not do iniquity: every morning does he bring his judgment to light, he fails not; but the unjust knows no shame.
6 Efa nahafongana firenena Aho, Rava ny tilikambo eny amin’ ny zorony; Nosimbako ny lalany tsy hisy mpandeha; Rava ny tanànany, ka tsy misy olona, Eny, tsy misy mponina.
I have cut off the nations: their towers are desolate; I made their streets waste, that none passes by: their cities are destroyed, so that there is no man, that there is none inhabitant.
7 Hoy Izaho: Hatahotra Ahy tokoa ianao ka hino anatra, Dia tsy ho rava ny fonenanao, Araka izay rehetra voatendriko hamelezana anao; Kanefa nifoha maraina koa izy ka nanao Izay ratsy rehetra.
I said, Surely you will fear me, you will receive instruction; so their dwelling should not be cut off, howsoever I punished them: but they rose early, and corrupted all their doings.
8 Koa miandrasa Ahy ianareo, hoy Jehovah, Ambara-pihavin’ ny andro hitsanganako haka babo; Fa izao no kasaiko hatao: Hamory firenena sy hanangona fanjakana Aho, Hanidinako ny fahatezerako amin’ ireo, dia ny firehetan’ ny fahatezerako rehetra, Ka ho levon’ ny afon’ ny fahasaro-piaroko ny tany rehetra.
Therefore wait all of you upon me, says the LORD, until the day that I rise up to the prey: for my determination is to gather the nations, that I may assemble the kingdoms, to pour upon them mine indignation, even all my fierce anger: for all the earth shall be devoured with the fire of my jealousy.
9 Fa amin’ izany dia hovako ho madio ny molotry ny firenena, Hiantsoan’ izy rehetra ny anaran’ i Jehovah, hanompoany Azy amin’ ny firaisan-kina.
For then will I turn to the people a pure language, that they may all call upon the name of the LORD, to serve him with one consent.
10 Avy any an-dafin’ ny onin’ i Etiopia no hitondrana ny mpivavaka amiko, Dia ny zanakavavin’ izay naeliko, ho fanatitra ho Ahy.
From beyond the rivers of Ethiopia my suppliants, even the daughter of my dispersed, shall bring mine offering.
11 Amin’ izany andro izany dia tsy ho menatra ianao tamin’ izay nataonao rehetra, Izay nanotanao tamiko; Ka dia hesoriko aminao ireo mibitaka amim-pireharehana, Ary tsy hiavonavona eo an-tendrombohitro masìna intsony ianao.
In that day shall you not be ashamed for all your doings, wherein you have transgressed against me: for then I will take away out of the midst of you them that rejoice in your pride, and you shall no more be haughty because of my holy mountain.
12 Nefa hamelako olona ory sy malahelo ihany ao aminao, Ary ny anaran’ i Jehovah no hialofany,
I will also leave in the midst of you an afflicted and poor people, and they shall trust in the name of the LORD.
13 Ny sisa amin’ ny Isiraely dia tsy hanao meloka na handainga, Ary tsy hisy lela mamitaka eo am-bavany; Fa hihinana sy handry izy, ka tsy hisy hanaitaitra azy.
The remnant of Israel shall not do iniquity, nor speak lies; neither shall a deceitful tongue be found in their mouth: for they shall feed and lie down, and none shall make them afraid.
14 Mihobia, ry Ziona zanakavavy; Manaova feo fifaliana, ry Isiraely; Mifalia sy miravoravoa amin’ ny fonao rehetra, ry Jerosalema zanakavavy.
Sing, O daughter of Zion; shout, O Israel; be glad and rejoice with all the heart, O daughter of Jerusalem.
15 Jehovah efa nampitsahatra ny fitsarana anao ka nandroaka ny fahavalonao; Jehovah, Mpanjakan’ ny Isiraely, no ao aminao; Tsy hahita loza intsony ianao.
The LORD has taken away your judgments, he has cast out your enemy: the king of Israel, even the LORD, is in the midst of you: you shall not see evil any more.
16 Amin’ izany andro izany dia holazaina amin’ i Jerosalema hoe: Aza matahotra Ary aza miraviravy tanana, ry Ziona.
In that day it shall be said to Jerusalem, Fear you not: and to Zion, Let not your hands be slack.
17 Jehovah Andriamanitrao no ao aminao, Mahery Izy ka hamonjy; Hiravoravo anao amin’ ny fifaliana Izy; Ho sondriana amin’ ny fitiavany Izy; Hifaly anao amin’ ny fihobiana Izy.
The LORD your God in the midst of you is mighty; he will save, he will rejoice over you with joy; he will rest in his love, he will joy over you with singing.
18 Hangoniko izay manina ny fotoam-pivavahana; Avy aminao ihany ireny, Ary itambesaran’ ny latsa izy.
I will gather them that are sorrowful for the solemn assembly, who are of you, to whom the reproach of it was a burden.
19 Indro, hasiako amin’ Izany andro izany izay rehetra nampahory anao; Hovonjeko ny mandringa, ary hovoriko ny noroahina, Eny, hataoko ho fiderana sy ho anarana ireny izay efa nitondra henatra tany amin’ ny tany rehetra.
Behold, at that time I will undo all that afflict you: and I will save her that haltes, and gather her that was driven out; and I will get them praise and fame in every land where they have been put to shame.
20 Amin’ izany andro izany no hitondrako anareo miditra, Eny, amin’ izany andro izany no hanangonako anareo; Fa hataoko ho anarana sy ho fiderana any amin’ ny firenena rehetra amin’ ny tany ianareo, Raha hampodiko avy amin’ ny fahababoana ianareo, ka ho hitan’ ny masonareo izany, hoy Jehovah.
At that time will I bring you again, even in the time that I gather you: for I will make you a name and a praise among all people of the earth, when I turn back your captivity before your eyes, says the LORD.

< Zefania 3 >