< Zefania 1 >
1 Ny tenin’ i Jehovah, izay tonga tamin’ i Zefania, zanak’ i Kosy, zanak’ i Gedalia, zanak’ i Amaria, zanak’ i Hezekia, tamin’ ny andro nanjakan’ i Josia, zanak’ i Amona, mpanjakan’ ny Joda.
Hili ni neno la Yahwe ambalo lilikuja kwa Sefania mwana wa Kushi mwana wa Gedalia mwana wa Amaria mwana Hezekia, katika siku za Yosia mwana wa Amoni, mfalme wa Yuda. “
2 Hakifako tokoa ny zavatra rehetra tsy ho eny ambonin’ ny tany, hoy Jehovah;
Nitaangamiza kabisa kila kitu kutoka usoni mwa dunia - hili ni tamko la Bwana mwenyewe.
3 Eny, hakifako ny olona sy ny biby; Hakifako ny vorona eny amin’ ny habakabaka sy ny hazandrano any an-dranomasina. Ary ny zavatra mahatafintohina mbamin’ ny ratsy fanahy, Haringako tsy ho amin’ ny tany ny olona, hoy Jehovah.
Nitamwangamiza mtu na mnyama; Nitawaangamiza ndege wa mbinguni na samaki wa baharini, uharibifu pamoja na waovu. Hivyo nitamfutilia mbali mtu kutoka uso wa dunia - hili ni tamko la Bwana mwenyewe.
4 Ary hahinjitro ny tanako hamely ny Joda sy ny mponina rehetra any Jerosalema; Dia haringako tsy ho eo amin’ ity tany ity ny sisa amin’ i Bala, Sy ny anaran’ ny mpisorona amin’ ny andriamani-tsi-izy mbamin’ ny tena mpisorona,
Nitafika kwa mkono wangu juu ya Yuda na wote wenyeji wa Yerusalemu. Nitafutilia mbali kila mabaki ya Baali kutoka sehemu hii na majina ya watu waabuduo sanamu miongoni mwa makuhani,
5 Sy izay mivavaka any an-tampon-trano amin’ izay eny amin’ ny lanitra, Ary izay miankohoka sy mianiana ho an’ i Jehovah Sady mianiana amin’ i Malkama,
watu ambao juu ya nyumba huabudu miili ya mbinguni, na watu ambao huabudu na kuapa kwa Yahwe bali ambao pia huapa kwa mfalme wao.
6 Ary izay nihemotra niala tamin’ i Jehovah, Sy izay tsy nitady an’ i Jehovah na nanontany taminy.
Nitawafutilia mbali pia wale ambao wamegeuka nyuma kutoka kumfuata Yahwe, wale ambao pia humtafuta Yahwe pasipo kuuliza ulinzi wake.
7 Mangìna eo anatrehan’ i Jehovah Tompo! Fa efa antomotra ny andron’ i Jehovah; Fa Jehovah efa niomana hamono zavatra hatao fanatitra Ka efa nanamasina ny olona nasainy.
Uwe kimya mbele ya Bwana Yahwe! Kwa kuwa siku ya Yahwe ni karibu, Yahwe ameandaa dhabihu na amewatenga wageni wake.
8 Ary raha mby amin’ ny andro hamonoan’ i Jehovah zavatra hatao fanatitra, Dia hovaliako ny lehibe sy ny zanak’ andriana Mbamin’ izay rehetra mitafy ny fitafin’ ny firenena hafa.
“Itakuja katika siku ya dhabihu ya Bwana, hivyo nitawapiga wakuu na wana wa mfalme, na kila mmoja aliyevikwa mavazi ya kigeni.
9 Ary amin’ izany andro izany dia hovaliako izay rehetra miezaka mihoatra ny tokonana, Dia ireo mameno loza sy fitaka ny tranon’ ny tompony.
Katika siku hiyo nitawapiga wote wale ambao huruka juu ya kizingiti, wale ambao hujaza nyumba ya bwana wao kwa vurugu na udanganyifu.
10 Ary amin’ izany andro izany, hoy Jehovah, Dia hisy feo re mitaraina any am-bavahadin-kazandrano, Sy fidradradradrana ao amin’ ny tanàna ambany, Ary fidarabohana miezinezina any amin’ ny havoana.
Itakuwa katika siku ile - hili ni tangazo la Yahwe - kwamba kilio cha huzuni kitakuja kutoka kwenye mlango wa samaki, ikipiga yowe kutoka Wilaya ya Pili, na sauti ya kishindo kikuu kutoka vilimani.
11 Midradradradrà, ianareo mponina ao Maktesy; Fa ringana avokoa ny mpandranto rehetra, Eny, lany ringana izay rehetra nivesatra volafotsy.
Pigeni yowe, wenyeji wa Soko la Wilaya, kwa wote wafanyabiashara watakuwa wameharibiwa, wote wale ambao hupima fedha watakuwa wamefutiliwa mbali.
12 Ary amin’ izany andro izany dia hotsiloviko amin’ ny jiro Jerosalema, Ka hovaliako ny olona izay efa lefy ao amin’ ny faikany, Dia izay manao anakampo hoe: Sady tsy hanao soa Jehovah no tsy hanao ratsy.
Itakuwa katika siku ile nitaitafuta Yerusalemu kwa taa na kuwapiga wanaume ambao watakuwa wamekaa kwenye mvinyo wao na kusema mioyoni mwao, 'Yahwe hatafanya chochote, ama kizuri au kiovu.'.
13 Ka dia ho tonga babo ny fananan’ ireny, Ary ho lao ny tranony; Dia hanao trano izy, nefa tsy hitoetra ao, Hamboly voaloboka izy, nefa tsy hisotro ny divay avy aminy.
Mali zao zitakuja kuporwa, na nyumba zao zitakuwa zimetelekezwa kwa maangamizi! Watajenga nyumba lakini hawataishi humo, na kupanda mizabibu lakini hawatakunywa mvinyo wake.
14 Efa antomotra ny andro lehiben’ i Jehovah; Eny, efa antomotra sady mihafaingana indrindra, Injay! feon’ ny andron’ i Jehovah! Ny lehilahy mahery dia mitomany mafy any.
Siku kubwa ya Yahwe ni karibu, karibu na inaharakisha upesi! Sauti ya siku ya Yahwe itakuwa ya kilio cha uchungu wa kishujaa!
15 Andro fahatezerana izany andro izany, Andro fahoriana sy fahalahelovana, Andro fandravana sy fanafoanana, Andro maizina sy manjombona, Andro mandrahona sy maizim-pito.
Siku hiyo itakuwa siku ya ghadabu, siku ya huzuni na uchungu, siku ya dhoruba na maangamizi, siku ya giza na utusitusi, siku ya mawingu na giza nene.
16 Andro fahaveloman’ ny anjomara sy ny akora, Hamelezana ny tanàna mimanda sy ny tilikambo avo eny amin’ ny zorony.
Itakuwa siku ya parapanda na kengele dhidi ya ngome mijini na buruji ndefu.
17 Ary hampahory ny olona Aho, Handehanany toy ny jamba, Satria efa nanota tamin’ i Jehovah izy; Ny ràny dia haidina toy ny vovoka, Ary ny nofony ho toy ny zezika.
Hivyo nitaleta dhiki juu ya wanadamu, kwa hiyo watatembea karibu kama wanaume vipofu tangu walipofanya dhambi dhidi ya Yahwe. Damu yao itamwagwa kama vumbi, na sehemu zao za ndani kama kinyesi.
18 Na ny volafotsiny na ny volamenany dia samy tsy hahavonjy azy amin’ ny andro fahatezeran’ i Jehovah, Fa holevonin’ ny afon’ ny fahasaro-piarony ny tany rehetra; Fa fahafonganana, eny, fahafonganana tampoka tokoa no hataony amin’ ny mponina amin’ ny tany.
Wala fedha zao wala dhahabu zao hazitaweza kuwaokoa juu ya ghadhabu ya Yahwe. Ndani ya moto wa wivu wake dunia yote itateketezwa, hivyo ataleta ukamilifu, miwisho wa kutisha kwa wote wakaao duniani.”