< Zakaria 8 >
1 Ary tonga ny tenin’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, nanao hoe:
A HIKI hou mai la ka olelo a Iehova o na kaua, i mai la,
2 Izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro: Saro-piaro dia saro-piaro an’ i Ziona Aho, eny, saro-piaro azy amin’ ny fahatezerana mafy Aho.
Penei ka Iehova o na kaua e olelo mai nei, I lili no au ia Ziona me ka manao nui, A i lili hoi au nona me ka inaina nui.
3 Izao no lazain’ i Jehovah: Efa tafaverina ho eto Ziona Aho ka honina eto afovoan’ i Jerosalema; ary Jerosalema dia hatao hoe Tanànan’ ny fahamarinana, ary ny tendrombohitr’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, dia hatao hoe Tendrombohitra masìna.
Ke olelo mai nei Iehova penei, Ua hoi mai nei au i Ziona, a e noho auanei au iwaena o Ierusalema; A e kapaia o Ierusalema, he kulanakauhale no ka oiaio, A o ka mauna o Iehova o na kaua, he mauna hoano.
4 Izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro: Mbola hisy lahy antitra sy vavy antitra hipetraka eny an-dalamben’ i Jerosalema, samy hitehina amin’ ny tehina eny an-tànany isan-olona noho ny fahanterany;
Ke olelo mai nei o Iehova o na kaua, Ma ia hope e noho na elemakule a me na luwahine ma na kuamoo o Ierusalema, A e lawe kela kanaka keia kanaka i kona kookoo ma kona lima no ka nui o na la;
5 ary eny an-dalambe any an-tanàna dia ho feno ankizilahy madinika sy ankizivavy madinika milalao eny an-dalambe.
A e paapu na kuamoo o ua kulanakauhale nei i na keikikane, A me na kaikamahine e paani ana ma na alanui ona.
6 Izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro: Raha mahagaga izany eo imason’ ny sisa amin’ ity firenena ity amin’ izany andro izany, moa hahagaga eo imasoko koa va? hoy Jehovah, Tompon’ ny maro.
Ke olelo mai nei o Iehova o na kaua penei, Ina he paakiki keia imua o keia koena kanaka i kela manawa, He mea paakiki hoi anei ia imua o'u? Wahi a Iehova o na kaua.
7 Izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro: Indro, hamonjy ny oloko avy any amin’ ny tany atsinanana sy amin’ ny tany andrefana Aho;
Ke olelo mai nei o Iehova o na kaua, Aia hoi, e hoopakele auanei au i o'u poe kanaka, Mai ka aina hikina mai, a mai ka aina komohana mai:
8 ary hitondra azy Aho, ka honina any Jerosalema izy; dia ho oloko izy, ary Izaho kosa ho Andriamaniny amin’ ny fahamarinana sy ny fahitsiana.
A e alakai mai au ia lakou, e noho lakou iwaena o Ierusalema: E lilo mai no lakou i kanaka no'u, A owau auanei ko lakou Akua ma ka oiaio a ma ka pono.
9 Izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro: Aoka hatanjaka ny tananareo izay mandre izany teny izany amin’ izao andro izao avy amin’ ny vavan’ ny mpaminany, izay teo tamin’ ny andro nanaovana ny fanorenan’ ny tranon’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, dia ny nanaovana ny tempoly.
Ke olelo mai nei o Iehova o na kaua penei, E hooikaika i ka oukou mau lima, E ka poe lohe i keia mau la ia mau olelo, Ma ka waha o na kaula, O ka poe e noho ana i ka wa i hookumuia'i ka hale o Iehova o na kaua, I kukuluia'i ka luakini.
10 Fa talohan’ izany andro izany dia tsy nisy valim-pahasasarana ho an’ ny olona, na valim-pahasasarana ho an’ ny biby fiompy; ary tsy nisy fiadanana ho an’ izay nivoaka sy izay niditra noho ny fahavalo, fa nalefako samy hifamely amin’ ny namany avy ny olona rehetra.
No ka mea, mamua o ia mau la, Aole i loaa i ke kanaka ka uku, Aole hoi he uku no ka holoholona; Aole hoi i maluhia ka mea i hele aku iwaho a i hoi mai iloko, no ka enemi; No ka mea, hookuee aku la au i na kanaka a pau i ko lakou mau hoalauna.
11 Fa amin’ izay kosa dia tsy ho toy ny tamin’ ny fahiny intsony amin’ ny sisa amin’ ity firenena ity Aho, hoy Jehovah, Tompon’ ny maro.
Aka, i neia manawa, aole au e hana aku i keia koena kanaka, E like me ka'u i na la mamua, wahi a Iehova o na kaua.
12 Fa hisy vokatry ny fiadanana, ny voaloboka hamoa, ary ny tany hahavokatra, ary ny lanitra hampilatsaka ny andony, ary ny sisa amin’ ity firenena ity no hampandovaiko izany rehetra izany.
No ka mea, e maluhia ka hua kanu, A e hua mai ke kumuwaina i kona hua, A e hooulu mai hoi ka honua i kana mea ulu, A e haawi mai hoi ka lani i kona hau, A e haawi auanei au i keia mau mea a pau no keia koena kanaka.
13 Ary toy ny nahatongavanareo ho fanozonana tany amin’ ny firenena, ry taranak’ i Joda sy ry taranak’ Isiraely, dia ho toy izany no hamonjeko anareo, ka dia ho tonga fitsofan-drano kosa ianareo; aza matahotra, fa aoka hatanjaka ny tananareo.
No ka mea, me oukou i hoinoia iwaena o ko na aina e, E ka ohana a Iuda, a me ka ohana a Iseraela, Pela no au e hoola ai ia oukou, a e hoopomaikai ia oukou; Mai makau oukou, e hooikaika hoi i ko oukou mau lima.
14 Fa izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro: Toy ny nisainako hahatonga loza aminareo tamin’ ny nampahatezeran’ ny razanareo Ahy, hoy Jehovah, Tompon’ ny maro, ka tsy nanenina Aho,
No ka mea, penei ka olelo ana mai a Iehova o na kaua, Me ka'u i manao ai e hoopai aku i ko oukou hewa, I ka wa o ko oukou mau makua i hoonaukiuki mai ai ia'u, wahi a Iehova o na kaua, Aole hoi au i hoololi hou i ka manao;
15 dia ho toy izany kosa no hisainako hanisy soa an’ i Jerosalema sy ny taranak’ i Joda amin’ izao andro izao: aza matahotra ianareo.
Pela hoi, manao iho au i neia mau la, E lokomaikai aku ia Ierusalema, A i ka ohana a Iuda; mai makau oukou.
16 Izao no zavatra hataonareo: Samia miteny marina amin’ ny namany avy ianareo; mitsarà marina, eny, mitsarà hahatonga fiadanana ao am-bavahadinareo;
Eia na mea a oukou e hana'i; E olelo oiaio aku kela kanaka keia kanaka i kona hoalauna; A e hookolokolo ma ka oiaio, a ma ka mea e malu ai iloko o na ipuka o oukou.
17 ary aza misy mieritreritra ao am-ponareo hanisy ratsy ny namanareo ianareo, ary aza tia fianianan-tsy tò; fa izany rehetra izany dia halako, hoy Jehovah.
Mai manao ino aku kekahi o oukou i kona hoalauna maloko o ko oukou naau: Mai makemake hoi i ka hoike wahahee ana: No ka mea, o keia mau mea o pau ka'u e inaina nei, wahi a Iehova.
18 Ary ny tenin’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, dia tonga tamiko nanao hoe:
Hiki mai la hoi ka olelo a Iehova i o'u nei, i ana mai,
19 Izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro: Ny fifadian-kanina amin’ ny volana fahefatra sy ny fifadian-kanina amin’ ny fahadimy sy ny fifadian-kanina amin’ ny fahafito ary ny fifadian-kanina amin’ ny fahafolo dia samy ho tonga fifaliana sy firavoravoana ary fotoana mahafinaritra avokoa ho an’ ny taranak’ i Joda; koa tiava ny fahamarinana sy ny fiadanana.
Penei ka Iehova a na kaua e olelo nei, O ka hookeai ana o ka malama aha, me ka hookeai ana o ka alima. Me ka hookeai ana o ka ahiku, a me ka hookeai ana o ka umi, E lilo ia i mea olioli a me ka hauoli, A i mau ahaaina olioli i ka ohana a Iuda; Nolaila e makemake oukou i ka oiaio a me ke kuikahi
20 Izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro: Mbola hisy firenena sy mponina avy amin’ ny tanàna maro ho avy;
Penei ka olelo ana a Iehova o na kaua, Ma ia hope aku no, E hele mai ai na kanaka, A me na kamaaina o na kulanakauhale he nui;
21 ary ny mponina ao amin’ ny anankiray hankany amin’ ny anankiray kosa ka hanao hoe: Aoka handeha tokoa isika hifona amin’ i Jehovah sy hitady an’ i Jehovah, Tompon’ ny maro; izaho koa mba handeha.
A e hele aku na kamaaina o kekahi wahi i kekahi, me ka i aku, E haele pu kakou e pule imua o Iehova, A e imi aku ia Iehova o na kaua: Owau hoi kekahi e hele.
22 Eny, ho avy ny olona maro sy ny firenena mahery mba hitady an’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, any Jerosalema sy hifona amin’ i Jehovah.
A e hele mai na kanaka he nui loa, A me na lahuikanaka ikaika, E imi ia Iehova o na kaua ma Ierusalema, A e pule imua o Iehova.
23 Izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro: Amin’ izany andro izany dia hisy folo lahy avy amin’ ny firenena samy hafa fiteny rehetra hihazona ny sisin-damban’ ny Jiosy anankiray ka hanao hoe: Mba handeha hiaraka aminareo izahay; fa efa renay fa momba anareo Andriamanitra.
Penei ka olelo ana mai o Iehova o na kana, ia manawa, E lalau mai na kanaka he umi no na lahuikanaka o na olelo a pau, E lalau mai auanei lakou i ke kapa o ke kanaka Iudaio, Me ka i ana mai, E hele pu makou me oe; No ka mea, ua lohe makou, me oe pu no ke Akua.