< Zakaria 8 >

1 Ary tonga ny tenin’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, nanao hoe:
Now this message of the Lord of hosts came to me:
2 Izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro: Saro-piaro dia saro-piaro an’ i Ziona Aho, eny, saro-piaro azy amin’ ny fahatezerana mafy Aho.
The Lord of hosts says: I passionately care for Zion, and I am fiercely protective of her.
3 Izao no lazain’ i Jehovah: Efa tafaverina ho eto Ziona Aho ka honina eto afovoan’ i Jerosalema; ary Jerosalema dia hatao hoe Tanànan’ ny fahamarinana, ary ny tendrombohitr’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, dia hatao hoe Tendrombohitra masìna.
The Lord says, I have returned to Zion, and will dwell in the midst of Jerusalem and Jerusalem will be called, ‘The City of Truth’ and the mountain of the Lord of hosts, ‘The Holy Mountain.’
4 Izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro: Mbola hisy lahy antitra sy vavy antitra hipetraka eny an-dalamben’ i Jerosalema, samy hitehina amin’ ny tehina eny an-tànany isan-olona noho ny fahanterany;
The Lord of hosts says: Old men and old women will sit again in the squares of Jerusalem, each leaning on a staff because of old age.
5 ary eny an-dalambe any an-tanàna dia ho feno ankizilahy madinika sy ankizivavy madinika milalao eny an-dalambe.
And the streets of the city will be full of boys, and of girls playing in its squares.
6 Izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro: Raha mahagaga izany eo imason’ ny sisa amin’ ity firenena ity amin’ izany andro izany, moa hahagaga eo imasoko koa va? hoy Jehovah, Tompon’ ny maro.
The Lord of hosts says: Just because it seems impossible to the remnant of this people in these days, is it also impossible for me? says the Lord of hosts.
7 Izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro: Indro, hamonjy ny oloko avy any amin’ ny tany atsinanana sy amin’ ny tany andrefana Aho;
The Lord of hosts says: I will rescue my people from the land of the east and the land of the west.
8 ary hitondra azy Aho, ka honina any Jerosalema izy; dia ho oloko izy, ary Izaho kosa ho Andriamaniny amin’ ny fahamarinana sy ny fahitsiana.
I will bring them and they will live in Jerusalem, and they will be my people, and I will be their God, in truth and righteousness.
9 Izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro: Aoka hatanjaka ny tananareo izay mandre izany teny izany amin’ izao andro izao avy amin’ ny vavan’ ny mpaminany, izay teo tamin’ ny andro nanaovana ny fanorenan’ ny tranon’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, dia ny nanaovana ny tempoly.
The Lord of hosts says: Let your hands be strong, you who hear in these days the words of the prophets spoken when the foundations for the house of the Lord of hosts were laid.
10 Fa talohan’ izany andro izany dia tsy nisy valim-pahasasarana ho an’ ny olona, na valim-pahasasarana ho an’ ny biby fiompy; ary tsy nisy fiadanana ho an’ izay nivoaka sy izay niditra noho ny fahavalo, fa nalefako samy hifamely amin’ ny namany avy ny olona rehetra.
For before those days there were no wages for people or animals. No one could go out or return safe from enemies, because I set each against their neighbor.
11 Fa amin’ izay kosa dia tsy ho toy ny tamin’ ny fahiny intsony amin’ ny sisa amin’ ity firenena ity Aho, hoy Jehovah, Tompon’ ny maro.
But now I will treat the remnant of the people differently from former days, says the Lord of hosts.
12 Fa hisy vokatry ny fiadanana, ny voaloboka hamoa, ary ny tany hahavokatra, ary ny lanitra hampilatsaka ny andony, ary ny sisa amin’ ity firenena ity no hampandovaiko izany rehetra izany.
Peace will be sown. The vine will bear its fruit and the ground will yield its produce, and the skies will give their dew. I will give the remnant of this people all these things.
13 Ary toy ny nahatongavanareo ho fanozonana tany amin’ ny firenena, ry taranak’ i Joda sy ry taranak’ Isiraely, dia ho toy izany no hamonjeko anareo, ka dia ho tonga fitsofan-drano kosa ianareo; aza matahotra, fa aoka hatanjaka ny tananareo.
Just as you were accursed among the nations, house of Judah and house of Israel, so I will save you and you will be a blessing. Do not be afraid, but let your hands be strong.
14 Fa izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro: Toy ny nisainako hahatonga loza aminareo tamin’ ny nampahatezeran’ ny razanareo Ahy, hoy Jehovah, Tompon’ ny maro, ka tsy nanenina Aho,
For the Lord of hosts says: As I planned to do evil to you when your ancestors provoked me to anger, says the Lord of hosts, and I did not relent,
15 dia ho toy izany kosa no hisainako hanisy soa an’ i Jerosalema sy ny taranak’ i Joda amin’ izao andro izao: aza matahotra ianareo.
so again have I planned in these days to do good to Jerusalem and to the house of Judah. Do not be afraid.
16 Izao no zavatra hataonareo: Samia miteny marina amin’ ny namany avy ianareo; mitsarà marina, eny, mitsarà hahatonga fiadanana ao am-bavahadinareo;
These are the things that you should do: Speak the truth to each other. Render peaceful decisions in your gates.
17 ary aza misy mieritreritra ao am-ponareo hanisy ratsy ny namanareo ianareo, ary aza tia fianianan-tsy tò; fa izany rehetra izany dia halako, hoy Jehovah.
Let none of you devise evil in your heart against one another. Do not love perjury. All these are things I hate, says the Lord.
18 Ary ny tenin’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, dia tonga tamiko nanao hoe:
And this message of the Lord of hosts came to me:
19 Izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro: Ny fifadian-kanina amin’ ny volana fahefatra sy ny fifadian-kanina amin’ ny fahadimy sy ny fifadian-kanina amin’ ny fahafito ary ny fifadian-kanina amin’ ny fahafolo dia samy ho tonga fifaliana sy firavoravoana ary fotoana mahafinaritra avokoa ho an’ ny taranak’ i Joda; koa tiava ny fahamarinana sy ny fiadanana.
The Lord of hosts says: The fast of the fourth month, and the fast of the fifth, and the fast of the seventh, and the fast of the tenth, will be festivals of joy and gladness, and cheerful feasts for the house of Judah. Therefore love truth and peace.
20 Izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro: Mbola hisy firenena sy mponina avy amin’ ny tanàna maro ho avy;
The Lord of hosts says: Peoples, and the inhabitants of many cities will come,
21 ary ny mponina ao amin’ ny anankiray hankany amin’ ny anankiray kosa ka hanao hoe: Aoka handeha tokoa isika hifona amin’ i Jehovah sy hitady an’ i Jehovah, Tompon’ ny maro; izaho koa mba handeha.
and the inhabitants of one city will go to another, saying, “Let us go speedily to entreat the favor of the Lord, and to seek the Lord of hosts; I will go also.”
22 Eny, ho avy ny olona maro sy ny firenena mahery mba hitady an’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, any Jerosalema sy hifona amin’ i Jehovah.
Many peoples and strong nations will come to seek the Lord of hosts in Jerusalem, and to entreat the favor of the Lord.
23 Izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro: Amin’ izany andro izany dia hisy folo lahy avy amin’ ny firenena samy hafa fiteny rehetra hihazona ny sisin-damban’ ny Jiosy anankiray ka hanao hoe: Mba handeha hiaraka aminareo izahay; fa efa renay fa momba anareo Andriamanitra.
The Lord of hosts says: In those days ten people from all languages and nations will take hold of the robe of a Jew, saying, “We will go with you, for we have heard that God is with you.”

< Zakaria 8 >