< Zakaria 7 >

1 Ary tamin’ ny taona fahefatra nanjakan’ i Dariosa no nahatongavan’ ny tenin’ i Jehovah tamin’ i Zakaria, tamin’ ny andro fahefatra tamin’ ny volana fahasivy (Kisleva izany);
Mwaka wa minne wa utawala mfalme Dario, siku ya nne ya mwezi wa Kisleu(ambao ni mwezi wa tisa), neno la Yahwe lilimjia Zekaria kusema.
2 ary Betela efa naniraka an’ i Serezera sy Regema-meleka sy ny olony hifona amin’ i Jehovah
Watu wa Betheli wamemtuma Shareza, Regemu Meleki na watu wao kuomba mbele ya uso wa Yahwe.
3 ka hiteny amin’ ny mpisoron’ ny tranon’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, sy amin’ ny mpaminany hoe: Hitomany amin’ ny volana fahadimy va aho ka hifady toy ny fanaoko tamin’ ny taon-dasa ela?
Wakaongea na makuhani waliokuwa katika nyumba ya Yahwe wa majeshi na kwa manabii; wakasema, “Je niomboleze katika mwezi wa tano kwa njia ya kufunga, kama nilivyofanya miaka mingi hii?”
4 Dia tonga tamiko ny tenin’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, nanao hoe:
Ndipo neno la Yahwe wa majeshi liliponijia kusema,
5 Lazao amin’ ny vahoaka rehetra amin’ ny tany sy amin’ ny mpisorona hoe: Raha nifady hanina sy nitomany tamin’ ny volana fahadimy sy ny fahafito tamin’ izao fito-polo taona izao, ianareo moa nifady ho Ahy va ianareo?
“Ongea na watu wote wa nchi na makuhani uwaambie, “Mlipofunga na kuomboleza katika mwezi wa tano na wa saba katika hii miaka sabini, je kweli mlifunga kwa ajili yangu?
6 Ary raha mihinana sy misotro ianareo, moa tsy mihinana sy misotro ho an’ ny tenanareo ihany va ianareo?
Na mlipokula na kunywa, hamkula na kunywa kwa ajili yenu wenyewe?
7 Moa tsy tokony ho nihaino ny teny izay nasain’ i Jehovah nantsoin’ ny mpaminany fahiny va ianareo, fony mbola nonenana sy nandry fahizay Jerosalema sy ny zana-bohiny manodidina azy, sady nonenana koa ny tany atsimo sy ny tany lemaka amoron-tsiraka?
Je hayo siyo maneno aliyosema Yahwe kwa vinywa vya manabii wa zamani, mlipokuwa bado mnaishi Yerusalemu na miji ya kandokando yenye mafanikio na iliyokaa Negebu, na upande wa magharibi chini ya vilima?”
8 Ary tonga tamin’ i Zakaria ny tenin’ i Jehovah nanao hoe:
Neno la Yahwe likamjia Zekaria kusema,
9 Izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro: Manaova fitsarana marina, ary samia mifampiantra sy mifamindra fo amin’ ny rahalahiny avy;
“Yahwe wa majeshi asema hivi, 'Hukumuni kwa haki, uaminifu wa agano, na rehema. Kila mtu na amtendee hivi ndugu yake.
10 ary aza mampahory ny mpitondratena na ny kamboty, na ny vahiny, na ny mahantra; ary aza misy mihevitra ao am-ponareo hanisy ratsy ny rahalahinareo ianareo.
Juu ya mjane na yatima, mgeni, na masikini - usiwanyanyase, na asiwepo miongoni mwenu anayepanga madhara yoyote dhidi ya mwingine mioyoni mwenu.
11 Nefa tsy nety nihaino ireny, fa nampihemotra ny sorony, ary nataony lalodalovana ny sofiny; mba tsy handre.
Lakini waliyashupaza mabega yao na hawakujari. Waliziba masikio yao ili wasisikie.
12 Eny, nanao ny fony ho mafy, toy ny diamondra Izy, mba tsy hihaino ny lalàna sy ny teny izay nampitondrain’ ny Fanahin’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, holazain’ ny mpaminany fahiny, ka dia tonga izay fahatezerana mafy avy tamin’ i Jehovah, Tompon’ ny maro,
Waliifanya mioyo yao kuwa migumu kama mwamba ili wasiisikie sheria au neno la Yahwe wa majeshi. Alipeleka ujumbe kwa watu nyakati za zamani kwa Roho wake, kwa vinywa vya manabii. Lakini watu hawakusikia, hivyo Yahwe wa majeshi aliwakasirikia sana.
13 Koa toy ny niantsoan’ ireny, fa tsy nohenoiny, dia ho toy izany no hiantsoany kosa, fa tsy hohenoiko, hoy Jehovah, Tompon’ ny maro;
Hata ikawa alipoita hawakusikia. Vilevile,” asema Yahwe wa majeshi, “wataniita, lakini sitasikiliza.
14 fa haeliko amin’ ny tafio-drivotra ho any amin’ ny firenena rehetra izay tsy fantany izy. Toy izany no nahalao ny tany tao aoriany, ka tsy nisy olona nandroso na niverina; fa nahatonga ny tany mahafinaritra ho tany lao izy.
Kwa maana nitawatawanya kwa upepo wa kisurisuri katika mataifa yote ambayo hawajawai kuyaona, na baada yao nchi itakuwa wazi. Kwa kuwa hakuna hata mmoja atakayepita au kukaa katika hiyo nchi kwa kuwa wameigeuza nchi yao yenye kupendeza kuwa isiyofaa.

< Zakaria 7 >