< Zakaria 6 >

1 Ary natopiko indray ny masoko ka hitako fa, indreo, nisy kalesy efatra nivoaka avy teo anelanelan’ ny tendrombohitra roa; ary tendrombohitra varahina ireo tendrombohitra ireo.
Ningĩ ngĩtiira maitho rĩngĩ, na rĩrĩ, ngĩona ngaari inya cia ita igĩũka ciumĩte gatagatĩ ka irĩma igĩrĩ, irĩma icio ciarĩ cia gĩcango!
2 Tamin’ ny kalesy voalohany dia nisy soavaly mena; tamin’ ny kalesy faharoa dia soavaly mainty;
Ngaari ya mbere yaguucĩtio nĩ mbarathi ndune, na ya keerĩ ĩkaguucio nĩ mbarathi njirũ,
3 tamin’ ny kalesy fahatelo dia soavaly fotsy; ary tamin’ ny kalesy fahefatra dia soavaly sadamena.
na ya gatatũ ĩkaguucio nĩ mbarathi njerũ, nayo ya kana ĩkaguucio nĩ mbarathi cia marooro; ciothe ciarĩ mbarathi ciarĩ na hinya.
4 Dia nanontany tamin’ ilay anjely niresaka tamiko aho ka nanao hoe: Inona moa ireo, tompoko?
Ngĩũria mũraika ũcio wanjaragĩria atĩrĩ, “Mwathi wakwa, ici nacio nĩ ndũũ?”
5 Ary ilay anjely namaly ka nilaza tamiko hoe: Ireo no rivotra efatry ny lanitra, izay mivoaka avy nitsangana teo anatrehan’ ny Tompon’ ny tany rehetra.
Nake mũraika ũcio akĩnjookeria atĩrĩ, “Maya nĩ maroho marĩa mana ma igũrũ, maroima harĩa marũgamaga mbere ya Mwathani wa thĩ yothe.
6 Io misy ny soavaly mainty dia mivoaka mankamin’ ny tany avaratra; ary ny fotsy nivoaka nanaraka azy; ary ny sada nivoaka nankamin’ ny tany atsimo.
Ngaari ĩyo ĩguucĩtio nĩ mbarathi njirũ yerekeire bũrũri wa gathigathini, nayo ĩyo ĩguucĩtio nĩ mbarathi njerũ yerekeire bũrũri wa ithũĩro, nayo ĩyo ĩguucĩtio nĩ mbarathi irĩ na maroro yerekeire bũrũri wa gũthini.”
7 Ary ny mena dia nivoaka ka nitady handeha hivoivoy eny amin’ ny tany; dia hoy izy: Mandehana ianareo, mivoivoiza eny amin’ ny tany. Ka dia nandeha nivoivoy teny amin’ ny tany izy.
Rĩrĩa mbarathi icio irĩ hinya cioimagarire-rĩ, nĩciageragia mũno ũrĩa ingĩthiĩ thĩ yothe. Nake agĩciĩra atĩrĩ, “Thiĩi mũcange thĩ yothe!” Nĩ ũndũ ũcio igĩthiĩ thĩ yothe.
8 Dia nitaraina mafy tamiko izy ka niteny tamiko hoe: Indro, ireo izay mivoaka mankamin’ ny tany avaratra dia nampionona ny fanahiko tany amin’ ny tany avaratra.
Ningĩ agĩcooka akĩnjĩta akĩnjĩĩra atĩrĩ, “Ta rora, icio cierekeire bũrũri wa gathigathini nĩitũmĩte Roho wakwa ũgĩe na ũhurũko kũu bũrũri wa gathigathini.”
9 Ary tonga tamiko ny tenin’ i Jehovah nanao hoe:
Ndũmĩrĩri ya Jehova nĩyanginyĩrire ngĩĩrwo atĩrĩ,
10 Mandraisa avy amin’ ny babo, dia amin’ i Helday sy Tobia ary Jedaia, eny, mandehana amin’ izany andro izany ihany ianao, ka midìra ao an-tranon’ i Josia, zanak’ i Zefania, izay novantaniny nony vao tonga avy tany Babylona izy,
“Amũkĩra betha na thahabu kuuma kũrĩ andũ arĩa maatahĩtwo, na nĩo Helidai, na Tobija, na Jedaia, arĩa mokĩte kuuma Babuloni. Thiĩ o ũmũthĩ mũciĩ kwa Josia mũrũ wa Zefania.
11 eny, mandraisa volafotsy sy volamena, ka ataovy satro-boninahitra, dia apetraho eo an-dohan’ i Josoa, zanak’ i Jozadaka, mpisoronabe;
Oya betha na thahabu icio ũthondeke thũmbĩ, ũcooke ũmĩigĩrĩre mũtwe wa Joshua mũrũ wa Jehozadaki, mũthĩnjĩri-Ngai ũrĩa mũnene.
12 dia lazao aminy hoe: Izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro: Indro Lehilahy atao hoe Rantsana; ary hitsimoka eo am-pitoerany ihany Izy sady hanao ny tempolin’ i Jehovah.
Mwĩre atĩ Jehova Mwene-Hinya-Wothe ekuuga ũũ: ‘Ũyũ nĩwe mũndũ ũrĩa wĩtagwo Rũhonge, nake nĩakaruta honge arĩ handũ haake na ake hekarũ ya Jehova.
13 Eny, Izy no hanao ny tempolin’ i Jehovah, ary Izy no hitondra voninahitra ka hipetraka sy hanapaka eo amin’ ny seza fiandrianany; ary ho mpisorona eo amin’ ny seza fiandrianany Izy; ary hisy fisainam-pihavanana amin’ izy roroa.
Ũcio nĩwe ũgaaka hekarũ ya Jehova, na nĩakahumbwo riiri, na nĩagaikarĩra gĩtĩ gĩake kĩa ũnene aathane. O na nĩagatungata arĩ mũthĩnjĩri-Ngai aikarĩire gĩtĩ gĩake kĩa ũnene; na maũndũ macio meerĩ nĩmakaganĩrĩra wega.’
14 Ary ny satro-boninahitra dia ho an’ i Helema sy Tobia sy Jedaia ary Hena, zanak’ i Zefania, ho fampahatsiarovana ao amin’ ny tempolin’ i Jehovah.
Nayo thũmbĩ ĩyo ĩigwo thĩinĩ wa hekarũ ya Jehova, ĩrĩ kĩririkano kĩa Helidai, na Tobija, na Jedaia, na Heni mũrũ wa Zefania.
15 Ary izay lavitra dia ho avy ka hanao ao amin’ ny tempolin’ i Jehovah, ka dia ho fantatrareo fa Jehovah, Tompon’ ny maro, no naniraka ahy ho aminareo. Dia ho tonga izany, raha hazoto hihaino ny feon’ i Jehovah Andriamanitrareo ianareo.
Arĩa marĩ kũraya nĩmagooka gũteithia gwaka hekarũ ya Jehova, na inyuĩ nĩmũkamenya atĩ Jehova Mwene-Hinya-Wothe nĩwe ũndũmĩte kũrĩ inyuĩ. Ũndũ ũyũ nĩũgekĩka mũngĩgaathĩkĩra Jehova Ngai wanyu mũrĩ na kĩyo.”

< Zakaria 6 >