< Zakaria 5 >

1 Dia natopiko indray ny masoko, ka hitako fa, indro, nisy horonan-taratasy manidina.
我また目を擧て觀しに卷物の飛あり
2 Ary hoy izy tamiko: Inona moa no hitanao? Dia hoy izaho: Mahita horonan-taratasy manidina aho; roa-polo hakiho ny lavany, ary folo hakiho ny sakany.
彼われに汝何を見るやと言ければ我言ふ我卷物の飛ぶを見る其長は二十キユビトその寛は十キユビト
3 Dia hoy izy tamiko: Izany no ozona mivoaka ho eny amin’ ny tany rehetra; fa izay rehetra mangalatra dia hosorohina araka izany, ary izay rehetra mianiana dia hosorohina araka izany koa.
彼またわれに言けるは是は全地の表面を往めぐる呪詛の言なり凡て竊む者は卷物のこの面に照して除かれ凡て誓ふ者は卷物の彼の面照して除かるべし
4 Ho entiko mivoaka izany, hoy Jehovah, Tompon’ ny maro, ka hiditra ao an-tranon’ ny mpangalatra sy ao an-tranon’ izay mianian-tsy tò amin’ ny anarako ary hitoetra ao amin’ ny tranony ka handevona azy mbamin’ ny hazony sy ny vatony.
萬軍のヱホバのたまふ我これを出せり是は竊盗者の家に入りまた我名を指て僞り誓ふ者の家に入てその家の中に宿りその木と石とを並せて盡く之を焼べしと
5 Dia nivoaka ilay anjely niresaka tamiko ka nanao tamiko hoe: Atopazy ny masonao, ka jereo io mivoaka io.
我に語へる天の使進み來りて我に言けるは請ふ目を擧てこの出きたれる物の何なるを見よ
6 Dia hoy izaho: Inona moa io? Ary hoy izy: Io ilay vata famarana’ mivoaka. Hoy koa izy: Izao no tarehiny any amin’ ny tany rehetra
これは何なるやと我言ければ彼言ふ此出來れる者はエパ舛なり又言ふ全地において彼等の形状は是のごとしと
7 (ary, indro, nisy vongam-piraka boribory naingaina); ary io no vehivavy iray mipetraka ao anatin’ ny vata famarana.
かくて鉛の圓き蓋を取あぐれば一人の婦人エパ舛の中に坐し居る
8 Ary hoy izy: Faharatsiana io. Ka dia natontany tao anatin’ ny vata famarana io; ary natontany teo am-bavan’ io ny vato firaka.
彼是は罪惡なりと言てその婦人をエパ舛の中に投いれ鉛の錘をその舛の口に投かぶらせたり
9 Dia natopiko ny masoko, ka hitako fa, indreo, nisy vehivavy roa nivoaka, ary nahazo rivotra ny elany, fa nanana elatra toy ny elatry ny vano izy; ary naingainy ho eo anelanelan’ ny tany sy ny lanitra ny vata famarana.
我また目を擧て觀しに婦人二人出きたれり之に鶴の翼のごとき翼ありてその翼風を含む彼等そのエパ舛を天地の間に持擧ぐ
10 Dia hoy izaho tamin’ ilay anjely niresaka tamiko: Ho aiza no itondran’ ireto ny vata famarana.
我すなはち我に語ふ天の使にむかひて彼等エパ舛を何處へ携へゆくなるやと言けるに
11 Ary hoy izy tamiko: Hanaovana trano ho azy any amin’ ny tany Sinara, ary rehefa vita izany, dia hapetraka ao amin’ ny fipetrahany izy.
彼我に言ふシナルの地にて之がために家を建んとてなり是は彼處に置られてその臺の上に立ん

< Zakaria 5 >