< Zakaria 5 >

1 Dia natopiko indray ny masoko, ka hitako fa, indro, nisy horonan-taratasy manidina.
A LAWA hou ae la ko'u mau maka iluna, ike aku la au, aia hoi, he owili pepa e lele ana.
2 Ary hoy izy tamiko: Inona moa no hitanao? Dia hoy izaho: Mahita horonan-taratasy manidina aho; roa-polo hakiho ny lavany, ary folo hakiho ny sakany.
I mai la kela ia'u, Heaha kau mea ike? I aku la au, Ke ike aku nei au i ka owili pepa lele ana; he iwakalua hailima ka loa, a he umi hailima ka laula.
3 Dia hoy izy tamiko: Izany no ozona mivoaka ho eny amin’ ny tany rehetra; fa izay rehetra mangalatra dia hosorohina araka izany, ary izay rehetra mianiana dia hosorohina araka izany koa.
Olelo mai la kela ia'u, Eia ka hoahewa ana e hele aku maluna o ka ili a pau o ka honua. No ka mea, o kela mea keia mea aihue, e hookiia auanei oia ma keia aoao, e like me ka keia; a o kela mea keia mea e hoohiki wahahee ana, e hookiia'e oia ma kela aoao, e like me ka kela.
4 Ho entiko mivoaka izany, hoy Jehovah, Tompon’ ny maro, ka hiditra ao an-tranon’ ny mpangalatra sy ao an-tranon’ izay mianian-tsy tò amin’ ny anarako ary hitoetra ao amin’ ny tranony ka handevona azy mbamin’ ny hazony sy ny vatony.
Ua lawe mai nei au in, wahi a Iehova o na kaua, a e komo aku ia iloko o ka hale o ka aihue, a o ka hale o ka mea e hoohiki wahahee ana ma ko'u inoa; e noho ia iloko o kona hale, a e hoopau oia ia mea me ka laau a me ka pohaku ona.
5 Dia nivoaka ilay anjely niresaka tamiko ka nanao tamiko hoe: Atopazy ny masonao, ka jereo io mivoaka io.
Alaila, hele aku la ka anela i kamailio pu me au, a i mai la ia'u, E nana ae oe iluna, a e ike i kela mea e hele aku ana.
6 Dia hoy izaho: Inona moa io? Ary hoy izy: Io ilay vata famarana’ mivoaka. Hoy koa izy: Izao no tarehiny any amin’ ny tany rehetra
I aku la au, Heaha ia mea? I mai la kela, He epa ia mea e hele aku ana. I mai la hoi oia, Eia ko lakou helehelena ma ka honua a pau.
7 (ary, indro, nisy vongam-piraka boribory naingaina); ary io no vehivavy iray mipetraka ao anatin’ ny vata famarana.
Aia hoi, ua kaikaiia'e he popo kepau; a o ka mea e noho ana iwaenakonu o ka epa, he wahine ia.
8 Ary hoy izy: Faharatsiana io. Ka dia natontany tao anatin’ ny vata famarana io; ary natontany teo am-bavan’ io ny vato firaka.
I mai la kela, O keia ka aia. A hoolei aku la oia ia mea mawaena konu o ka epa; a hoolei iho la ia i ka pohaku kepau maluna iho o kona waha.
9 Dia natopiko ny masoko, ka hitako fa, indreo, nisy vehivavy roa nivoaka, ary nahazo rivotra ny elany, fa nanana elatra toy ny elatry ny vano izy; ary naingainy ho eo anelanelan’ ny tany sy ny lanitra ny vata famarana.
Alaila, nana ae la au iluna, ike aku la, aia hoi, puka mai la na wahine elua iwaho, a iloko o ko laua mau eheu ka makani; no ka mea, he mau eheu ia laua e like me na eheu o ka setoreka: a kaikai ae la lakou i ka epa iluna iwaena o ka honua a me ka lani.
10 Dia hoy izaho tamin’ ilay anjely niresaka tamiko: Ho aiza no itondran’ ireto ny vata famarana.
Ninau aku la au i ka anela i kamailio me au, Mahea la laua nei e lawe aku ai i ka epa?
11 Ary hoy izy tamiko: Hanaovana trano ho azy any amin’ ny tany Sinara, ary rehefa vita izany, dia hapetraka ao amin’ ny fipetrahany izy.
I mai la kela ia'u, No ka hana i hale nona ma ka aina i Sinara; ilaila ia e hoonohoia'i, a e kau ia maluna o kona kumu.

< Zakaria 5 >