< Zakaria 3 >
1 Ary dia nasehony ahy fa, indro, Josoa mpisoronabe nitsangana teo anatrehan’ Ilay Anjelin’ i Jehovah, ary Satana nitsangana teo an-kavanany hiampanga azy.
И Господ ми показа великия свещеник Исуса стоящ пред ангела Господен; и Сатана стоеше отдясно му за да му се възпротиви.
2 Ary hoy Jehovah tamin’ i Satana: Hananatra anao anie Jehovah, ry Satana; eny, Jehovah Izay nifidy an’ i Jerosalema anie hananatra anao; tsy forohana nosarihana tamin’ ny afo va ity?
И Господ рече на Сатана: Господ да те смъмри, Сатано, да! да те смъмри Господ, Който избра Ерусалим. Не е ли този една главня изтръгната из огън?
3 Ary Josoa nitafy fitafiana maloto ary nitsangana teo anoloan’ Ilay Anjely.
А Исус бе в нацапани дрехи като стоеше пред ангела.
4 Dia namaly Jehovah ka nilaza tamin’ izay nitsangana teo anoloany hoe: Esory aminy ny fitafiana maloto. Ary hoy koa Izy taminy: Indro, efa nesoriko ny helokao, ary hampiakanjoiko akanjo fihaingoana ianao.
И ангелът проговаряйки рече на стоящите пред него, като думаше: Съблечете от него нацапаните дрехи. А нему рече: Ето, отнеха от тебе беззаконието ти, и ще те облека в богати одежди.
5 Dia hoy izaho: Aoka hasiany hamama madio eo an-dohany. Ka dia nasiany hamama madio teo an-dohany, sady nampitafiny izy; ary Ilay Anjelin’ i Jehovah dia nitsangana teo.
Тогава рекох: Нека турят хубава митра на главата му. И тъй, туриха хубава митра на главата му, и го облякоха с дрехи, докато ангелът Господен стоеше близо.
6 Ary Ilay Anjelin’ i Jehovah nilaza marimarina tamin’ i Josoa hoe:
И ангелът Господен заяви на Исуса казвайки:
7 Izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro: Raha mizotra amin’ ny lalako ianao sy mitandrina ny didiko, dia ianao no hitsara ny amin’ ny tranoko sy hitandrina ny kianjako, sady homeko lalana ho amin’ ireo mitsangana ireo ianao.
Така казва Господ на Силите: Ако ходиш в пътищата Ми, и ако пазиш наредбите Ми, тогава ти пак ще пазиш дома Ми, и пак ще пазиш дворовете Ми, и ще ти дам свободен достъп до стоящите тук.
8 Koa mihainoa, ry Josoa mpisoronabe, dia ianao sy ny namanao izay mipetraka eo anoloanao; fa olona atao fahagagana ireo; fa, indro, ho entiko Rantsana Mpanompoko.
Слушай сега велики свещениче Исусе, ти и другарите ти, които седят пред тебе, (понеже и те са човеци посветени за знамение; ) защото, ето, Аз ще доведа служителя Си Отрасъла.
9 Fa, indro, ny vato izay napetrako teo anoloan’ i Josoa, ny vato iray dia banjinin’ ny maso fito; indro, hosoratako ny sorany, hoy Jehovah Tompon’ ny maro, ary hesoriko indray andro monja ny helok’ ity tany ity.
Защото, ето камъка, Който положих пред Исуса, на тоя единствен камък има седем очи; ето, Аз ще изсека издълбаното на него, казва Господ на Силите, и ще изгладя беззаконието на тая земя в един ден.
10 Amin’ izany andro izany, hoy Jehovah, Tompon’ ny maro, dia samy hiantso ny namanareo avy ho eo ambanin’ ny voaloboka sy ho eo ambanin’ ny aviavy ianareo.
В оня ден, казва Господ на Силите, ще поканите всеки ближния си под лозата си и под смоковницата си.