< Zakaria 14 >
1 Indro, hisy andron’ i Jehovah ho avy, ka ny babo aminao hozaraina ao ampovoanao.
Tazama! Siku ya Yahwe inakuja wakati mateka wenu watakapogawanywa katikati yenu.
2 Ary hangoniko ny jentilisa rehetra hamely an’ i Jerosalema, dia ho afaka ny tanàna, ka horobaina ny trano, ary hosavihina ny vehivavy; ary ny an-tsasaky ny tanàna dia ho lasan-ko babo, fa ny vahoaka sisa tsy dia hofongorana avokoa amin’ ny tanàna.
Kwa maana nitayakusanya mataifa yote kinyume cha Yerusalemu kwa vita na mji utatekwa. Nyumba zitatekwa na wanawake watabakwa. Nusu ya mji itapelekwa matekani, lakini kumbukumbu ya watu haitaondolewa mjini.
3 Dia hivoaka Jehovah ka hiady amin’ ireny jentilisa ireny, tahaka ny fameliny amin’ ny andro fiadiana.
Lakini Yahwe ataondoka na kufanya vita dhidi ya mataifa kama apigavyo vita katika siku ya vita.
4 Ary amin’ izany andro izany ny tongony hijoro eo an-tendrombohitra Oliva, izay eo atsinanana tandrifin’ i Jerosalema, ary ny Tendrombohitra Oliva hitresaka eo afovoany hiatsinanana sy hiankandrefana, ka hisy lohasaha lehibe; ary ny antsasaky ny tendrombohitra hifindra hianavaratra, fa ny an-tsasany kosa hianatsimo.
Siku hiyo miguu yake itasimama juu ya Mlima wa Mizeituni, uliopo kando ya Yerusalemu upande wa mashariki. Mlima wa Mizeituni utagawanyika katikati kati ya mashariki na magharibi kwa bonde kubwa sana na nusu ya mlima itarudi nyuma kuelekea kaskazini na nusu kuelekea kusini.
5 Dia handositra ho any amin’ ny lohasahan’ ny tendrombohitro ianareo, fa hipaka hatrany Azela ny lohasahan’ ny tendrombohitra; eny, handositra ianareo tahaka ny nandosiranareo ny horohorontany tamin’ ny andron’ i Ozia, mpanjakan’ ny Joda; ary ho avy Jehovah Andriamanitro mbamin’ ny masìna rehetra momba Azy.
Ndipo mtakapokimbia katika bonde kati ya milima ya Yahwe, kwa kuwa bonde kati ya hiyo milima litafika hata Azali. Mtakimbia kama siku mliyokimbia tetemeko la nchi siku za Uzia, mfalme wa Yuda. Ndipo Yahwe Mungu wangu atakapokuja na watakatifu wake wote.
6 Ary amin’ izany andro izany dia tsy hisy mazava, ary ireo mamirapiratra tsy hiseho intsony;
Hakutakuwa na nuru katika siku hiyo, lakini hakuna baridi wala barafu.
7 fa hisy andro iray, izay fantatr’ i Jehovah, tsy andro na alina; nefa, raha hariva ny andro, dia hisy mazava.
Siku hiyo, siku aijuaye Yahwe peke yake, hakutakuwa tena na mchana wala usiku, kwani jioni itakuwa wakati wa nuru.
8 Ary amin’ izany andro izany dia hisy rano velona hivoaka avy any Jerosalema, ka ny antsasany hankany amin’ ny ranomasina atsinanana, ary ny antsasany hankany amin’ ny ranomasina andrefana, na amin’ ny fahavaratra na amin’ ny ririnina dia samy hisian’ izany.
Siku hiyo maji yaliyo hai yatatiririka kutoka Yerusalemu. Nusu yake yatatiririka kuelekea bahari ya mashariki na nusu bahari ya magharibi, wakati wa masika na wakati wa kiangazi.
9 Ary Jehovah ho Mpanjakan’ ny tany rehetra; amin’ izany andro izany dia iray no Jehovah, sady iray no anarany.
Yahwe atakuwa mfalme juu ya dunia yote. Katika siku hiyo kutakuwa na Yahwe, Mungu mmoja, na jina lake pekee.
10 Ho tonga tahaka ny tani-hay ny tany rehetra hatrany Geba ka hatrany Rimona ao atsimon’ i Jerosalema; ary hasandratra sy honenana ao amin’ ny fitoerany izy hatramin’ ny vavahadin’ i Benjamina ka hatreo amin’ ny vavahady voalohany, hatramin’ ny vavahady an-jorony, ary hatramin’ ny tilikambo Hananela ka hatramin’ ireo famiazam-boaloboky ny mpanjaka.
Nchi yote itakuwa kama Araba, kuanzia Geba hadi Rimoni kusini mwa Yerusalemu. Na Yerusalemu itaendelea kuwa juu. Ataishi mahali pake mwenyewe, kutoka lango la Benjamini hata mahali lilipokuwa lango la kwanza, hata Lango la Pembeni, na kutoka Mnara wa Hananeli hata shinikizo la mfalme.
11 Dia hisy mponina any, ary tsy hisy ozona intsony, fa Jerosalema handry fahizay.
Watu watakaa Yerusalemu na hakutakuwa na maangamizi kamili tena kutoka kwa Mungu dhidi yao. Yerusalemu itakuwa salama.
12 Ary izao no areti-mandringana hamelezan’ i Jehovah ny firenena rehetra izay efa nanafika an’ i Jerosalema: Hataony mihalevona am-pitsanganana ny nofony, ary hihalevona eo amin’ ny itoerany ny masony, ary ny lelany koa hihalevona ao am-bavany.
Hii itakuwa tauni ambayo kwayo Yahwe atawapiga jamaa zote za watu wapigao vita juu ya Yerusalemu: miili yao itaoza hata wakiwa wamesimama kwa miguu yao. Macho yao yataoza katika matundu yake na ndimi zao zitaoza katika vinywa vyao.
13 Ary amin’ izany andro izany dia hisy fifanaritahana lehibe avy amin’ i Jehovah ao aminy, ary hifampihazon-tanana izy, sady samy hanainga tanana hifamely.
Siku hiyo ile hofu kuu kutoka kwa Yahwe itakuwa miongoni mwao. Kila mmoja ataushika mkono wa mwingine, na mkono wa mwingine utainuliwa kinyume cha mkono wa mwenzake.
14 Ary ny Joda koa hamely an’ i Jerosalema, ary hovorina ny haren’ ny firenena manodidina rehetra, dia volamena sy volafotsy ary fitafiana betsaka.
Yuda pia atapigana na Yerusalemu. Watakusanya utajiri wa mataifa yote yanayowazunguka - dhahabu, fedha, na wingi wa nguo safi.
15 Ary ho toy izany koa ny areti-mandringana hamely ny soavaly sy ny ampondra sy ny rameva sy ny boriky mbamin’ ny biby fiompy rehetra izay ao amin’ ireny toby ireny, eny, ho tahaka izany areti-mandringana izany ihany.
Tauni itakuwa pia juu ya farasi na nyumbu, ngamia na punda, na kila mnyama katika kambi hizo atapigwa kwa hilo pigo.
16 Ary ny sisa rehetra amin’ ny jentilisa rehetra, izay niakatra namely an’ i Jerosalema, dia hiakatra isan-taona isan-taona hiankohoka eo anatrehan’ ny Mpanjaka, dia Jehovah, Tompon’ ny maro, sy hitandrina ny andro firavoravoana fitoerana an-trano rantsan-kazo.
Kisha itakuwa wote watakaosalia katika mataifa yaliyo kinyume na Yerusalemu watakwenda mwaka kwa mwaka kumwabudu mfalme, Yahwe wa majeshi, na kutunza Sikukuu ya Vibanda.
17 Ary na iza na iza amin’ ny firenena samy hafa amin’ ny tany no tsy hiakatra ho any Jerosalema hiankohoka eo anatrehan’ ny Mpanjaka, dia Jehovah, Tompon’ ny maro, dia tsy mba hisy ranonorana mivatravatra any aminy.
Na itakuwa kwamba ikiwa mtu yeyote kutoka katika mataifa yote ya dunia haendi Yerusalemu kumwabudu mfalme, Yahwe wa majeshi, ndipo Yahwe hataleta mvua juu yao.
18 Ary raha ny firenen’ i Egypta tsy mba miakatra ka tsy tonga, dia tsy hisy koa any aminy, sady ho tonga ny areti-mandringana izay hamelezan’ i Jehovah ny firenena tsy miakatra hitandrina ny andro firavoravoana fitoerana an-trano rantsan-kazo.
Na ikiwa nchi ya Misri hawatakwenda, ndipo hawatapata mvua. Tauni kutoka kwa Yahwe itayashambulia mataifa yote yasiyokwea kutunza Sikukuu ya Vibanda.
19 Izany no fampijaliana an’ i Egypta sy fampijaliana ny firenena rehetra izay tsy miakatra hitandrina ny andro firavoravoana fitoerana an-trano rantsan-kazo.
Hii itakuwa ni adhabu kwa Misri na adhabu kwa kila taifa lisilopanda kutunza Sikukuu ya Vibanda.
20 Amin’ izany andro izany dia hisy ao amin’ ny famohamandrin-tsoavaly manao hoe: HAMASININA HO AN’ I JEHOVAH; ary ny vilany ao an-tranon’ i Jehovah ho tahaka ny lovia famafazana eo anoloan’ ny alitara.
Lakini katika siku hiyo, kengele za farasi zitasema, “Jitengeni kwa ajili ya Yahwe,” na makalai katika nyumba ya Yahwe yatakuwa kama mabakuri mbele ya madhabahu.
21 Eny, ny vilany rehetra any Jerosalema sy Joda dia hohamasinina ho an’ i Jehovah, Tompon’ ny maro; ary izay rehetra mamono zavatra hatao fanatitra dia ho avy haka amin’ ireny ka hahandro aminy. Ary amin’ izany andro izany dia tsy hisy Kananita intsony ao an-tranon’ i Jehovah, Tompon’ ny maro.
Kwa kuwa kila chungu katika Yerusalemu na Yuda kitatengwa kwa ajili ya Yahwe wa majeshi na kila mmoja aletaye sadaka atakula ndani yake na kuyachemshia. Hakutakuwa na wafanyabiashara tena katika nyumba ya Yahwe wa majeshi siku hiyo.