< Zakaria 14 >

1 Indro, hisy andron’ i Jehovah ho avy, ka ny babo aminao hozaraina ao ampovoanao.
Behold, the day of Jehovah cometh, When thy spoil shall be divided in the midst of thee.
2 Ary hangoniko ny jentilisa rehetra hamely an’ i Jerosalema, dia ho afaka ny tanàna, ka horobaina ny trano, ary hosavihina ny vehivavy; ary ny an-tsasaky ny tanàna dia ho lasan-ko babo, fa ny vahoaka sisa tsy dia hofongorana avokoa amin’ ny tanàna.
For I will gather all nations against Jerusalem to battle; And the city shall be taken, And the houses shall be rifled, And the women shall be ravished; And half of the city shall go forth into captivity, And the residue of the people shall not be cut off from the city.
3 Dia hivoaka Jehovah ka hiady amin’ ireny jentilisa ireny, tahaka ny fameliny amin’ ny andro fiadiana.
Then shall Jehovah go forth, And fight against those nations, As he once fought in the day of battle.
4 Ary amin’ izany andro izany ny tongony hijoro eo an-tendrombohitra Oliva, izay eo atsinanana tandrifin’ i Jerosalema, ary ny Tendrombohitra Oliva hitresaka eo afovoany hiatsinanana sy hiankandrefana, ka hisy lohasaha lehibe; ary ny antsasaky ny tendrombohitra hifindra hianavaratra, fa ny an-tsasany kosa hianatsimo.
And his feet shall stand in that day upon the Mount of Olives, Which is before Jerusalem on the east; And the Mount of Olives shall be cloven in the middle of it, eastward and westward, Into a very great valley; And half of the mountain shall remove toward the north, And half of it toward the south.
5 Dia handositra ho any amin’ ny lohasahan’ ny tendrombohitro ianareo, fa hipaka hatrany Azela ny lohasahan’ ny tendrombohitra; eny, handositra ianareo tahaka ny nandosiranareo ny horohorontany tamin’ ny andron’ i Ozia, mpanjakan’ ny Joda; ary ho avy Jehovah Andriamanitro mbamin’ ny masìna rehetra momba Azy.
And ye shall flee through the valley of my mountains, For the valley of the mountains shall reach to Azal; Yea, ye shall flee, as ye fled before the earthquake In the days of Uzziah, king of Judah. And Jehovah, my God, will come, And all his holy ones with him.
6 Ary amin’ izany andro izany dia tsy hisy mazava, ary ireo mamirapiratra tsy hiseho intsony;
And it shall come to pass in that day That there shall he no light, but cold and ice;
7 fa hisy andro iray, izay fantatr’ i Jehovah, tsy andro na alina; nefa, raha hariva ny andro, dia hisy mazava.
And there shall be one day, (Known to Jehovah is it, ) It shall be neither day nor night; But at the time of evening there shall be light.
8 Ary amin’ izany andro izany dia hisy rano velona hivoaka avy any Jerosalema, ka ny antsasany hankany amin’ ny ranomasina atsinanana, ary ny antsasany hankany amin’ ny ranomasina andrefana, na amin’ ny fahavaratra na amin’ ny ririnina dia samy hisian’ izany.
And it shall come to pass in that day That living waters shall go out from Jerusalem, Half of them toward the eastern sea, And half of them toward the western sea; In summer and in winter shall they be.
9 Ary Jehovah ho Mpanjakan’ ny tany rehetra; amin’ izany andro izany dia iray no Jehovah, sady iray no anarany.
And Jehovah shall be king over all the earth; In that day shall Jehovah be one, and his name one.
10 Ho tonga tahaka ny tani-hay ny tany rehetra hatrany Geba ka hatrany Rimona ao atsimon’ i Jerosalema; ary hasandratra sy honenana ao amin’ ny fitoerany izy hatramin’ ny vavahadin’ i Benjamina ka hatreo amin’ ny vavahady voalohany, hatramin’ ny vavahady an-jorony, ary hatramin’ ny tilikambo Hananela ka hatramin’ ireo famiazam-boaloboky ny mpanjaka.
The whole land shall be turned into a plain, From Geba to Rimmon, south of Jerusalem; And the city shall be exalted and inhabited in her place, From the gate of Benjamin to the place of the former gate, And to the corner gate, And from the tower of Hananeel to the king's wine-presses.
11 Dia hisy mponina any, ary tsy hisy ozona intsony, fa Jerosalema handry fahizay.
Men shall dwell therein, And there shall be no more destruction; But Jerusalem shall dwell securely.
12 Ary izao no areti-mandringana hamelezan’ i Jehovah ny firenena rehetra izay efa nanafika an’ i Jerosalema: Hataony mihalevona am-pitsanganana ny nofony, ary hihalevona eo amin’ ny itoerany ny masony, ary ny lelany koa hihalevona ao am-bavany.
And this shall be the plague With which Jehovah will smite all the nations Which warred against Jerusalem: Their flesh shall consume away while they stand upon their feet, And their eyes shall consume away in their sockets, And their tongue shall consume away in their mouth.
13 Ary amin’ izany andro izany dia hisy fifanaritahana lehibe avy amin’ i Jehovah ao aminy, ary hifampihazon-tanana izy, sady samy hanainga tanana hifamely.
And it shall come to pass in that day, That there shall be a great tumult among them from Jehovah; And they shall lay hold every one on the hand of his neighbor, And his hand shall rise up against the hand of his neighbor.
14 Ary ny Joda koa hamely an’ i Jerosalema, ary hovorina ny haren’ ny firenena manodidina rehetra, dia volamena sy volafotsy ary fitafiana betsaka.
And Judah also shall fight against Jerusalem; But the wealth of all the nations round about shall be gathered together, Gold and silver and apparel in great abundance.
15 Ary ho toy izany koa ny areti-mandringana hamely ny soavaly sy ny ampondra sy ny rameva sy ny boriky mbamin’ ny biby fiompy rehetra izay ao amin’ ireny toby ireny, eny, ho tahaka izany areti-mandringana izany ihany.
And so shall be the plague of the horse, Of the mule, of the camel, and of the ass, And of every beast which shall be in those camps, Even as this plague.
16 Ary ny sisa rehetra amin’ ny jentilisa rehetra, izay niakatra namely an’ i Jerosalema, dia hiakatra isan-taona isan-taona hiankohoka eo anatrehan’ ny Mpanjaka, dia Jehovah, Tompon’ ny maro, sy hitandrina ny andro firavoravoana fitoerana an-trano rantsan-kazo.
And it shall be, that every one that is left Of all the nations which come against Jerusalem, Even they shall go up, from year to year, To worship the King, Jehovah of hosts, And to keep the feast of tabernacles.
17 Ary na iza na iza amin’ ny firenena samy hafa amin’ ny tany no tsy hiakatra ho any Jerosalema hiankohoka eo anatrehan’ ny Mpanjaka, dia Jehovah, Tompon’ ny maro, dia tsy mba hisy ranonorana mivatravatra any aminy.
And it shall be that whoso will not go up, Of the families of the earth, to Jerusalem, To worship the King, Jehovah of hosts, Upon them shall be no rain.
18 Ary raha ny firenen’ i Egypta tsy mba miakatra ka tsy tonga, dia tsy hisy koa any aminy, sady ho tonga ny areti-mandringana izay hamelezan’ i Jehovah ny firenena tsy miakatra hitandrina ny andro firavoravoana fitoerana an-trano rantsan-kazo.
And if the family of Egypt go not up, and come not, Then not for them shall there be water. The plague shall come upon them With which Jehovah shall smite the nations Which go not up to keep the feast of tabernacles.
19 Izany no fampijaliana an’ i Egypta sy fampijaliana ny firenena rehetra izay tsy miakatra hitandrina ny andro firavoravoana fitoerana an-trano rantsan-kazo.
This shall be the punishment of Egypt, And the punishment of all the nations That come not up to keep the feast of tabernacles.
20 Amin’ izany andro izany dia hisy ao amin’ ny famohamandrin-tsoavaly manao hoe: HAMASININA HO AN’ I JEHOVAH; ary ny vilany ao an-tranon’ i Jehovah ho tahaka ny lovia famafazana eo anoloan’ ny alitara.
In that day, upon the bells of the horses Shall be written, “Holy to Jehovah.” And the pots in the house of Jehovah Shall be as the bowls before the altar.
21 Eny, ny vilany rehetra any Jerosalema sy Joda dia hohamasinina ho an’ i Jehovah, Tompon’ ny maro; ary izay rehetra mamono zavatra hatao fanatitra dia ho avy haka amin’ ireny ka hahandro aminy. Ary amin’ izany andro izany dia tsy hisy Kananita intsony ao an-tranon’ i Jehovah, Tompon’ ny maro.
And every pot in Jerusalem and in Judah Shall be holy to Jehovah of hosts; And all that sacrifice shall come, And shall take of them, and seethe therein. And there shall be no more a trader In the house of Jehovah of hosts, in that day.

< Zakaria 14 >