< Zakaria 13 >

1 Amin’ izany andro izany dia hisy loharano voasokatra ho an’ ny taranak’ i Davida sy ho an’ ny mponina any Jerosalema hanafaka fahotana sy fahalotoana.
在那一天,為達味家和耶路撒冷的居民將開放一個水泉,為洗滌罪過和不潔。
2 Ary amin’ izany andro izany, hoy Jehovah, Tompon’ ny maro, dia hofoanako ny anaran-tsampy amin’ ny tany, ka tsy hotsarovana intsony ireny; ary hesoriko amin’ ny tany ny mpaminany sy ny fanahim-pahalotoana.
在那一天,──萬軍的上主的斷語──我要由地上剷除一切偶像的名號,不再為人所記念;並且我還要將假先知們和不潔的神由地上滅絕。
3 Ary raha mbola hisy haminany, ny ray aman-dreniny izay niteraka azy dia hanao aminy hoe: Tsy ho velona ianao, satria miteny lainga amin’ ny anaran’ i Jehovah; ary ny ray aman-dreniny izay niteraka azy dia handefona azy, raha maminany izy.
將來如果有人還要冒充先知,生養他的父母必要對他說:你不能生存,因為你藉上主的名字說了謊話。生養他的父母就在他說妙語時,要把他刺死。
4 Ary amin’ izany andro izany ny mpaminany dia samy hahazo henatra noho ny fahitany avy, raha maminany; ary tsy hikapôty volom-biby hamitahana izy,
在那一天,每個假先知,在他說妙語時,必因自己的神視感到羞慚;他們必不再穿毛外氅,去行欺騙;
5 fa hanao hoe: Tsy mpaminany aho, fa mpiasa tany, satria nisy nanandevo ahy, fony aho mbola kely.
他反要說:我不是先知,我是一個種田的人,因為我自幼就以務農為業。
6 Dia hisy hanao aminy hoe: Ka inona itony ratra amin’ ny tananao itony? Dia hovaliany hoe: Naratra tao an-tranon’ ny sakaizako ireny.
若有人問他說:怎麼在你兩手上有這些傷痕﹖他要答說:那是我在愛我的人家裏所受的傷。
7 Mifohaza, ry sabatra, hamely ny mpiandriko sy ny lehilahy namako, hoy Jehovah, Tompon’ ny maro. Asio ny mpiandry, dia hihahaka ny ondry, ary hamerina ny tanako ho amin’ ny madinika Aho.
刀劍,起來攻擊我的牧人,攻擊那作我同伴的人──萬軍上主斷語。打擊牧人,羊群就要四散,然而我要向弱小的羊伸出我的手。
8 Ary amin’ ny tany rehetra, hoy Jehovah, ny androatokony dia haringana ho faty ao; fa ny ampahatelony sisa no havela ao kosa.
將來在全國──上主的斷語──三分之二必被剷除而死去,其中只留下三分之一。
9 Ary ho entiko miditra amin’ ny afo ny ampahatelony, ary harendrika toy ny fandrendrika volafotsy izy, ary hizahako toetra toy ny fizaha toetra ny volamena izy; hiantso ny anarako izy, ary Izaho hamaly azy; Izaho hanao hoe: Oloko izy ary izy hanao hoe: Jehovah no Andriamanitro.
我要使這三分之一經過火煉,煉淨他們如同煉淨銀子,試驗他們如同試驗金子。 他們必要呼號我的名字我也必要俯聽他們;我要說:「這是我的百姓。」他們每人也要說:「上主是我的天主」。

< Zakaria 13 >