< Zakaria 10 >

1 Mangataha ranonorana amin’ i Jehovah ianareo amin’ ny andro fara-orana, Dia amin’ i Jehovah, Izay manao ny helatra; Ranonorana mivatravatra no homeny azy, Eny, samy homeny ny zava-maitso any an-tsaha ireny.
E NOI aku oukou ia Iehova i ka ua i ka manawa ua hope; E hana mai o Iehova i ka uila, A e haawi mai ia lakou i ka ua nui, I kela kanaka i keia kanaka i ka laauikiai o ke kula.
2 Fa ny sampy niteny zava-poana, Ary ny mpanao fankatovana nahita lainga Ka nilaza nofy lainga, Foana ny nampiononany; Koa izany no naniavany toy ny ondry Ory izy, satria tsy misy mpiandry.
No ka mea, ua olelo lapuwale na kii, A ua wanana na kaula i ka mea wahahee, A ua hoike mai i na moeuhane hoopunipuni; He mea ole ko lakou hooluolu ana; Nolaila auwana aku la lakou e like me na ohana hipa; Ua popilikia lakou, no ka mea, aohe kahuhipa.
3 Amin’ ny mpiandry ondry no irehetan’ ny fahatezerako, Ary ireo osilahy no hovaliako; Fa Jehovah, Tompon’ ny maro, efa namangy ny taranak’ i Joda ondriny Ka manao azy toy ny soavaliny miravaka eo amin’ ny ady.
Hoaia aku la kuu inaina i na kahuhipa, A e hoopai auanei au i ka poe kao Kane. No ka mea, na Iehova o na kaua e ike mai i kona ohana, i ka ohana a Iuda; A e hoolike ia lakou me kona lio maikai iloko o ke kaua.
4 Avy ao aminy no hihavian’ ny fehizoro, Avy ao aminy no hihavian’ ny fihantonan-javatra, Avy ao aminy no hihavian’ ny tsipìka fiadiana, Avy ao aminy no hihavian’ ny mpampahory rehetra.
Mailoko ae ona ka pohaku kumu kihi, Mailoko ae ona ka makia, Mailoko ae ona ke kakaka kaua; Mailoko pu aku no hoi ona i hele mai ai na mea hookoikoi a pau.
5 Ary ho toy ny lehilahy mahery ireo, Izay manitsaka ny fotaka eny an-dalana amin’ ny ady, Hiady izy, satria Jehovah no momba azy; Ary homenarina ny mpitaingin-tsoavaly.
A e like auanei lakou me na koa, E hehi iho ana i ka nenelu o na alanui iloko o ke kaua: A e hookaua aku lakou, No ka mea, me lakou pu o Iehova, A e hoohokaia ka poe hoohololio.
6 Hampahery ny taranak’ i Joda Aho, Ary ny taranak’ i Josefa hovonjeko ka hampodiko, Satria mamindra fo aminy Aho, Ka ho toy izay tsy nariako izy; Fa Izaho no Jehovah Andriamaniny ka hihaino azy.
A e hooku paa no au i ka ohana a Iuda, A e hoola au i ka ohana a Iosepa, A e hoihoi hou mai au ia lakou e hoonoho ia lakou, no ka mea, ua aloha au ia lakou; A e like auanei lakou me ka poe a'u i hoohemo ole ai; No ka mea, owau no Iehova o ko lakou Akua, a e hoolohe auanei au ia lakou.
7 Ho toy ny lehilahy mahery Efraima, Ary hifaly toy ny azon’ ny divay ny fony; Ny zanany hahita ka ho faly; Hifaly amin’ i Jehovah ny fony.
A e like ko Eperaima me ke kanaka koa, A e olioli ko lakou naau, e like me ka mea inu waina: E nana aku ka lakou poe keiki, me ka olioli, A e hauoli ko lakou naau ia Iehova.
8 Hisiaka hiantso azy Aho ka hanangona azy, Fa efa nanavotra azy Aho; Ka dia mbola hihamaro toy ny efa nihamaroany ihany izy.
E pio aku no au ia lakou, a e houluulu au ia lakou, No ka mea, e hoola auanei au ia lakou; A e mahuahua auanei lakou, me ka lakou i mahuahua'i mamua.
9 Ary hafafiko any amin’ ny firenena izy, Ka any amin’ ny tany lavitra no hahatsiarovany Ahy; Ary samy ho velona izy mbamin’ ny zanany ka hiverina
E lulu aku hoi au ia lakou iwaena o na lahuikanaka, Aka, e hoomanao mai lakou ia'u ma na aina mamao aku; A e ola lakou me ka lakou poe keiki, a e huli hou mai.
10 Dia hampody azy avy any amin’ ny tany Egypta Aho sy hanangona azy avy any Asyria; Ary ho any amin’ ny tany Gileada sy Libanona no hitondrako azy, Ka tsy ho omby azy izany
E alakai hou au ia lakou mai ka aina o Aigupita mai, A e houluulu ia lakou mai Asuria mai, A e alakai au ia lakou i ka aina o Gileada a o Lebanona, Aole hoi e lawa ka aina no lakou.
11 Dia hamaky ny ranomasim-pahoriana izy ka hamely ny onjan-dranomasina, Ho ritra ny rano lalin’ i Neily rehetra, Haetry ny avonavon’ i Asyria, Ary hiala ny tehina fanapahan’ i Egypta.
A e hele aku ia mawaena o ke kai me ka pilikia, Aka, e hahau ia i na ale o ke kai, A e hoomaloo ia i na wahi hohonu a pau o ka muliwai; E hoohioloia ke kiekie o Asuria, A e laweia'ku ke kookoomoi o Aigupita.
12 Dia hampahereziko ao amin’ i Jehovah izy, Ka ny anarany no handehanany, hoy Jehovah.
A e hooikaika aku au ia lakou ma o Iehova la, A ma kona inoa lakou e hele ai, wahi a Iehova.

< Zakaria 10 >