< Zakaria 10 >

1 Mangataha ranonorana amin’ i Jehovah ianareo amin’ ny andro fara-orana, Dia amin’ i Jehovah, Izay manao ny helatra; Ranonorana mivatravatra no homeny azy, Eny, samy homeny ny zava-maitso any an-tsaha ireny.
当春雨的时候, 你们要向发闪电的耶和华求雨。 他必为众人降下甘霖, 使田园生长菜蔬。
2 Fa ny sampy niteny zava-poana, Ary ny mpanao fankatovana nahita lainga Ka nilaza nofy lainga, Foana ny nampiononany; Koa izany no naniavany toy ny ondry Ory izy, satria tsy misy mpiandry.
因为,家神所言的是虚空; 卜士所见的是虚假; 做梦者所说的是假梦。 他们白白地安慰人, 所以众人如羊流离, 因无牧人就受苦。
3 Amin’ ny mpiandry ondry no irehetan’ ny fahatezerako, Ary ireo osilahy no hovaliako; Fa Jehovah, Tompon’ ny maro, efa namangy ny taranak’ i Joda ondriny Ka manao azy toy ny soavaliny miravaka eo amin’ ny ady.
我的怒气向牧人发作; 我必惩罚公山羊; 因我—万军之耶和华 眷顾自己的羊群,就是犹大家, 必使他们如骏马在阵上。
4 Avy ao aminy no hihavian’ ny fehizoro, Avy ao aminy no hihavian’ ny fihantonan-javatra, Avy ao aminy no hihavian’ ny tsipìka fiadiana, Avy ao aminy no hihavian’ ny mpampahory rehetra.
房角石、钉子、争战的弓, 和一切掌权的都从他而出。
5 Ary ho toy ny lehilahy mahery ireo, Izay manitsaka ny fotaka eny an-dalana amin’ ny ady, Hiady izy, satria Jehovah no momba azy; Ary homenarina ny mpitaingin-tsoavaly.
他们必如勇士在阵上 将仇敌践踏在街上的泥土中。 他们必争战,因为耶和华与他们同在; 骑马的也必羞愧。
6 Hampahery ny taranak’ i Joda Aho, Ary ny taranak’ i Josefa hovonjeko ka hampodiko, Satria mamindra fo aminy Aho, Ka ho toy izay tsy nariako izy; Fa Izaho no Jehovah Andriamaniny ka hihaino azy.
我要坚固犹大家,拯救约瑟家, 要领他们归回。 我要怜恤他们; 他们必像未曾弃绝的一样, 都因我是耶和华—他们的 神, 我必应允他们的祷告。
7 Ho toy ny lehilahy mahery Efraima, Ary hifaly toy ny azon’ ny divay ny fony; Ny zanany hahita ka ho faly; Hifaly amin’ i Jehovah ny fony.
以法莲人必如勇士; 他们心中畅快如同喝酒; 他们的儿女必看见而快活; 他们的心必因耶和华喜乐。
8 Hisiaka hiantso azy Aho ka hanangona azy, Fa efa nanavotra azy Aho; Ka dia mbola hihamaro toy ny efa nihamaroany ihany izy.
我要发嘶声,聚集他们, 因我已经救赎他们。 他们的人数必加增, 如从前加增一样。
9 Ary hafafiko any amin’ ny firenena izy, Ka any amin’ ny tany lavitra no hahatsiarovany Ahy; Ary samy ho velona izy mbamin’ ny zanany ka hiverina
我虽然播散他们在列国中, 他们必在远方记念我。 他们与儿女都必存活,且得归回。
10 Dia hampody azy avy any amin’ ny tany Egypta Aho sy hanangona azy avy any Asyria; Ary ho any amin’ ny tany Gileada sy Libanona no hitondrako azy, Ka tsy ho omby azy izany
我必再领他们出埃及地, 招聚他们出亚述, 领他们到基列和黎巴嫩; 这地尚且不够他们居住。
11 Dia hamaky ny ranomasim-pahoriana izy ka hamely ny onjan-dranomasina, Ho ritra ny rano lalin’ i Neily rehetra, Haetry ny avonavon’ i Asyria, Ary hiala ny tehina fanapahan’ i Egypta.
耶和华必经过苦海,击打海浪, 使尼罗河的深处都枯干。 亚述的骄傲必致卑微; 埃及的权柄必然灭没。
12 Dia hampahereziko ao amin’ i Jehovah izy, Ka ny anarany no handehanany, hoy Jehovah.
我必使他们倚靠我,得以坚固; 一举一动必奉我的名。 这是耶和华说的。

< Zakaria 10 >