< Zakaria 1 >

1 Tamin’ ny volana fahavalo tamin’ ny taona faharoa nanjakan’ i Dariosa no nahatongavan’ ny tenin’ i Jehovah tamin’ i Zakaria mpaminany, zanak’ i Berekia, zanak’ Ido, nanao hoe:
Le huitième mois, la seconde année de Darius, la parole de l'Éternel fut adressée à Zacharie, fils de Barachie, fils de Iddo, le prophète, en ces mots:
2 Tezitra indrindra tamin’ ny razanareo Jehovah.
L'Éternel a été irrité, irrité contre vos pères.
3 Koa lazao aminy hoe: Izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro: Miverena amiko ianareo, hoy Jehovah, Tompon’ ny maro, dia mba hiverina ho aminareo kosa Aho, hoy Jehovah, Tompon’ ny maro.
Dis-leur donc: Ainsi parle l'Éternel des armées: Revenez à moi, dit l'Éternel des armées, et je reviendrai à vous, dit l'Éternel des armées.
4 Aza mba toy ny razanareo, izay nantsoin’ ny mpaminany fahiny hoe: Izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro: Mialà amin’ ny lalanareo ratsy ianareo sy amin’ ny ratsy fanaonareo; nefa tsy nitandrina izy, na nihaino Ahy, hoy Jehovah.
Ne soyez pas comme vos pères à qui les premiers prophètes criaient et disaient: « Ainsi parle l'Éternel des armées: Quittez donc vos voies mauvaises et vos mauvaises œuvres! » mais ils n'écoutèrent point et ne tinrent nul compte de moi, dit l'Éternel.
5 Ny razanareo ― aiza moa ireny izao? Ary ny mpaminany ― moa velona mandrakizay va ireny?
Vos pères, où sont-ils? et les prophètes vivent-ils éternellement?
6 Fa ny teniko sy ny didiko, izay nandidiako ny mpaminany mpanompoko, tsy nahatratra ny razanareo va izany? Ary izy nitodika ka nanao hoe: Araka izay nosainin’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, hatao amintsika, araka ny alehantsika sy ny ataontsika, dia araka izany no nataony tamintsika.
Cependant mes paroles et mes décrets dont j'avais chargé mes serviteurs, les prophètes, n'ont-ils pas atteint vos pères? Et ils se convertirent et dirent: Comme l'Éternel des armées avait résolu de nous traiter selon nos voies et nos œuvres, ainsi nous a-t-Il traités.
7 Tamin’ ny andro fahefatra amby roa-polo tamin’ ny volana fahiraika ambin’ ny folo (volana Sebata izany) tamin’ ny taona faharoa nanjakan’ i Dariosa dia tonga tamin i Zakaria mpaminany, zanak’ i Berekia, zanak’ Ido, ny tenin’ i Jehovah nanao, hoe:
Le vingt-quatrième jour du onzième mois (c'est le mois de Sébat), la seconde année de Darius, la parole de l'Éternel fut adressée à Zacharie, fils de Barachie, fils de Iddo, le prophète, en ces mots:
8 Nahita tamin’ ny alina aho fa, indro, nisy lehilahy nitaingina soavaly mena ka nijanona teny amin’ ny rotra teny an-dohasaha, ary teo aoriany nisy soavaly mena sy mavo ary fotsy.
J'eus une vision pendant la nuit, et voici, c'était un homme monté sur un cheval rouge, et il se tenait parmi les myrtes qui étaient dans un fond, et derrière lui étaient des chevaux rouges, fauves et blancs.
9 Dia hoy izaho: Tompoko ô, inona moa ireo? Ary ilay anjely niresaka tamiko dia nanao tamiko hoe: Izaho haneho anao ny amin’ ireo.
Et je dis: Qui sont-ils, mon Seigneur? Et l'ange qui parlait avec moi, me dit: Je te ferai voir qui ils sont.
10 Ary ralehilahy izay nijanona teny amin’ ny rotra dia namaly hoe: Ireo dia nirahin’ Jehovah hivoivoy eny amin’ ny tany.
Et l'homme qui se tenait parmi les myrtes, prit la parole et dit: Ce sont ceux que l'Éternel a envoyés parcourir la terre.
11 Ary namaly Ilay Anjelin’ i Jehovah nijanona teny amin’ ny rotra ireo ka nanao hoe: Efa nivoivoy teny amin’ ny tany izahay, ary, indro, ny tany rehetra dia miadana sy mandry fahizay.
Et ils répondirent à l'ange de l'Éternel qui se tenait parmi les myrtes, et dirent: Nous avons parcouru la terre, et voici, toute la terre est calme et tranquille.
12 Ary Ilay Anjelin’ i Jehovah namaly hoe: He, Jehovah, Tompon’ ny maro ô! mandra-pahoviana no tsy hamindranao fo amin’ i Jerosalema sy amin’ ny tanànan’ ny Joda, izay efa nahatezitra Anao fito-polo taona izay.
Et l'ange de l'Éternel répondit et dit: Éternel des armées, jusques à quand seras-tu sans pitié pour Jérusalem et les villes de Juda contre lesquelles tu fus irrité ces soixante-dix ans?
13 Dia novalian’ i Jehovah teny tsara sy mampionona ilay anjely niresaka tamiko.
Et l'Éternel répondit à l'ange qui parlait avec moi, des paroles de bonté, des paroles de consolation.
14 Ary ilay anjely niresaka tamiko dia nanao tamiko hoe: Miantsoa hoe: Izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro: Saro-piaro dia saro-piaro an’ i Jerosalema sy Ziona Aho.
Et l'ange qui parlait avec moi, me dit: Proclame ces paroles: Ainsi parle l'Éternel des armées: J'ai pour Jérusalem et Sion une vive passion;
15 Ary tezitra indrindra Aho amin’ ireo firenena miadana; satria Izaho dia tezitra kely ihany, fa ireo kosa dia nampitombo ny fahoriana.
aussi suis-je ému d'un grand courroux contre les nations [maintenant] en sécurité: quand j'étais un peu irrité [contre Juda], elles contribuèrent à son malheur.
16 Koa izao no lazain’ i Jehovah: Efa tafaverina eto Jerosalema amin’ ny indrafo Aho; ny tranoko haorina eto, hoy Jehovah, Tompon’ ny maro, ary ny famolaina hohenjanina eto Jerosalema.
Aussi ainsi parle l'Éternel: Je reviens à Jérusalem avec des miséricordes; ma maison y sera bâtie, dit l'Éternel des armées, et le cordeau sera tendu sur Jérusalem.
17 Miantsoa indray hoe: Izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro: Hihoa-pampana ny fanambinana ny tanànako; ary Jehovah hampionona an’ i Ziona ary mbola hifidy an’ i Jerosalema indray.
Proclame encore ces paroles: Ainsi parle l'Éternel des armées: Mes villes regorgeront encore de biens et l'Éternel consolera encore Sion et fera encore choix de Jérusalem.
18 Ary natopiko ny masoko, ka hitako fa, indreo, nisy tandroka efatra.
Et je levai les yeux et regardai, et voici quatre cornes.
19 Ary hoy izaho tamin’ ilay anjely niresaka tamiko: Inona moa ireo? Dia hoy izy tamiko: Ireo no tandroka izay nampihahaka ny Joda sy ny Isiraely ary Jerosalema.
Et je dis à l'ange qui parlait avec moi: Qu'est-ce? Et il me dit: Ce sont les cornes qui ont dispersé Juda, Israël et Jérusalem.
20 Ary dia nanehoan’ i Jehovah mpiasa efatra aho.
Et l'Éternel me fit voir quatre forgerons.
21 Dia hoy izaho: Avy hanao inona moa ireto? Ary Izy nanao hoe: Ireo no tandroka nampihahaka ny Joda, ka tsy nisy olona nanandrandra loha; fa ireto kosa dia avy hampahatahotra azy mba hampiongana ny tandroky ny firenena, dia izay nanandratra ny tandrony tamin’ ny tanin’ ny Joda hanely azy.
Et je dis: Que viennent-ils faire? Et Il dit: Ce sont les cornes qui ont dispersé Juda de telle sorte que nul homme ne releva la tête; et ceux-ci viennent pour les épouvanter, pour abattre les cornes des nations qui ont levé la corne contre le pays de Juda pour le disperser.

< Zakaria 1 >