< Titosy 1 >

1 Paoly, mpanompon’ Andriamanitra sy Apostolin’ i Jesosy Kristy hampandroso ny finoan’ ny olom-boafidin’ Andriamanitra sy ny fahalalana tsara ny marina izay manaraka ny toe-panahy araka an’ Andriamanitra,
Paulo, mtumishi wa Mungu na mtume wa Yesu Kristo kwa ajili ya imani ya wateule wa Mungu na kuijua kweli iletayo utauwa:
2 amin’ ny fanantenana ny fiainana mandrakizay izay nampanantenain’ Andriamanitra tsy mahay mandainga hatry ny fony fahagola; (aiōnios g166)
imani na ujuzi ulioko katika tumaini la uzima wa milele, ambao Mungu, asiyesema uongo, aliahidi hata kabla ya kuwekwa misingi ya ulimwengu, (aiōnios g166)
3 fa tamin’ izay andro voatendry dia nasehony ny teniny tamin’ ny tori-teny izay natolotra ho adidiko, araka ny didin’ Andriamanitra, Mpamonjy antsika;
naye kwa wakati wake aliouweka alilidhihirisha neno lake kwa njia ya mahubiri ambayo mimi nimewekewa amana kwa amri ya Mungu Mwokozi wetu:
4 ho an’ i Titosy, tena zanako araka ny finoana iombonantsika, anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’ Andriamanitra Ray sy Kristy Jesosy, Mpamonjy antsika.
Kwa Tito, mwanangu hasa katika imani tunayoshiriki sote: Neema iwe kwako na amani itokayo kwa Mungu Baba na kwa Kristo Yesu Mwokozi wetu.
5 Izao no namelako anao tany Kreta, dia ny handaminanao izay mbola tsy tanteraka sy hanendrenao loholona amin’ ny isan-tanàna, araka ny nandidiako anao;
Sababu ya mimi kukuacha huko Krete ni ili uweke utaratibu mambo yale yaliyosalia na kuwaweka wazee wa kanisa katika kila mji, kama nilivyokuagiza.
6 raha misy tsy manan-tsiny, dia lehilahy manambady tokana, manana zanaka mino izay tsy mba ampangaina ho mpanaram-po amin’ ny ratsy na ho maditra.
Mzee wa kanisa asiwe na lawama, awe mume wa mke mmoja, mtu ambaye watoto wake ni waaminio na wala hawashtakiwi kwa ufisadi.
7 Fa ny mpitandrina dia tsy maintsy ho tsy manan-tsiny, fa mpitandrina ny an’ Andriamanitra, tsy mitompo teny fantatra, tsy mora tezitra, tsy mpimamo lian’ ady, tsy mpikapoka, tsy tia harena maloto,
Kwa kuwa mwangalizi, kama wakili wa Mungu, imempasa kuwa mtu asiye na lawama, asiwe mwenye majivuno au mwepesi wa hasira, wala mlevi, wala asiwe mtu mwenye tamaa ya mapato yasiyo ya halali.
8 fa mampiantrano vahiny, tia ny tsara, mahonon-tena, marina, masìna, mahonom-po,
Bali awe mkarimu, anayependa mema, mwenye kiasi, mwenye haki, mwadilifu, mnyofu, mtakatifu na mwenye kuitawala nafsi yake.
9 mitana mafy ny teny marina araka ny efa nampianarina, mba hahaizany hananatra amin’ ny fampianarana tsy misy kilema sady handresy lahatra ny mpanohitra.
Inampasa alishike kwa uthabiti lile neno la imani kama lilivyofundishwa, kusudi aweze kuwaonya wengine kwa mafundisho manyofu na kuwakanusha wale wanaopingana nayo.
10 Fa maro no maditra, mpitaria foana sy mpamitaka, indrindra fa ny avy amin’ ny voafora ―
Kwa maana wako wengi wasiotii, wenye maneno yasiyo na maana, hasa wale wa kikundi cha tohara.
11 tsy maintsy hotampenam-bava ireo ― izay mampivadika mpianakavy maro, fa mampianatra izay tsy mety, mba hahazoany harena maloto.
Hao ni lazima wanyamazishwe, kwa sababu wanaharibu watu wa nyumba nzima wakifundisha mambo yasiyowapasa kufundisha. Wanafanya hivyo kwa ajili ya kujipatia mapato ya udanganyifu.
12 Hoy ny anankiray amin’ ireny, izay mpaminany teo aminy: “Mpandainga mandrakariva ny Kretana, biby ratsy, kamo be tenda”.
Hata mmojawapo wa manabii wao mwenyewe amesema, “Wakrete ni waongo siku zote, wanyama wabaya, walafi, wavivu.”
13 Marina izany vavolombelona izany. Ary noho izany dia anaro mafy izy mba hatanjaka amin’ ny finoana,
Ushuhuda huu ni kweli. Kwa hiyo, uwakemee kwa ukali wapate kuwa wazima katika imani,
14 tsy mitandrina ny anganonganon’ ny Jiosy sy ny didin’ ny olona izay mivily miala amin’ ny fahamarinana.
ili wasiendelee kuangalia hadithi za Kiyahudi au maagizo ya wale watu wanaoikataa kweli.
15 Madio avokoa ny zavatra rehetra raha amin’ ny olona madio; fa raha amin’ ny olona voaloto sady tsy mino kosa dia tsy misy madio na inona na inona; fa voaloto na ny sainy na ny fieritreretany.
Kwa wale walio safi, kila kitu ni safi kwao. Lakini kwa wale waliopotoka na wasioamini, hakuna chochote kilicho safi. Kwa kweli nia zao na dhamiri zao zimepotoka.
16 Manaiky fa mahalala an’ Andriamanitra izy, nefa mandà Azy amin’ ny asany, dia olona vetaveta sady tsy manaraka ary olona tsy izy, izay tsy manao asa tsara na inona na inona.
Wanadai kumjua Mungu, lakini kwa matendo yao wanamkana. Hao watu ni chukizo, wasiotii, wasiofaa kwa jambo lolote jema.

< Titosy 1 >