< Titosy 1 >
1 Paoly, mpanompon’ Andriamanitra sy Apostolin’ i Jesosy Kristy hampandroso ny finoan’ ny olom-boafidin’ Andriamanitra sy ny fahalalana tsara ny marina izay manaraka ny toe-panahy araka an’ Andriamanitra,
ⲁ̅ⲡⲁⲩⲗⲟⲥ ⳿ⲫⲃⲱⲕ ⳿ⲙⲫϯ ⳿ⲡ⳿ⲁⲡⲟⲥⲧⲟⲗⲟⲥ ⳿ⲛⲧⲉ Ⲓⲏ̅ⲥ̅ Ⲡⲭ̅ⲥ̅ ⲕⲁⲧⲁ ⳿ⲫⲛⲁϩϯ ⳿ⲛⲛⲓⲥⲱⲧⲡ ⳿ⲛⲧⲉ ⲫϯ ⲛⲉⲙ ⳿ⲡⲥⲟⲩⲉⲛ ϯⲙⲉⲑⲙⲏⲓ ⲕⲁⲧⲁ ϯⲙⲉⲧⲉⲩⲥⲉⲃⲏⲥ.
2 amin’ ny fanantenana ny fiainana mandrakizay izay nampanantenain’ Andriamanitra tsy mahay mandainga hatry ny fony fahagola; (aiōnios )
ⲃ̅ϧⲉⲛ ⲟⲩϩⲉⲗⲡⲓⲥ ⳿ⲛⲧⲉ ⲟⲩⲱⲛϧ ⳿ⲛⲉⲛⲉϩ ⲫⲁⲓ ⲉⲧⲁϥⲱϣ ⳿ⲙⲙⲟϥ ⳿ⲛϫⲉ ⲡⲓⲁⲧⲙⲉⲑⲛⲟⲩϫ ⲫϯ ϧⲁϫⲱⲟⲩ ⳿ⲛⲛⲓⲥⲏⲟⲩ ⳿ⲛⲉⲛⲉϩ. (aiōnios )
3 fa tamin’ izay andro voatendry dia nasehony ny teniny tamin’ ny tori-teny izay natolotra ho adidiko, araka ny didin’ Andriamanitra, Mpamonjy antsika;
ⲅ̅ⲁϥⲟⲩⲟⲛϩ ⲇⲉ ⳿ⲉⲃⲟⲗ ϧⲉⲛ ⲛⲉϥⲥⲏⲟⲩ ⳿ⲙⲡⲉϥⲥⲁϫⲓ ϧⲉⲛ ⲟⲩϩⲓⲱⲓϣ ⲫⲁⲓ ⳿ⲁⲛⲟⲕ ⲉⲧⲁⲩⲧⲉⲛϩⲟⲩⲧ ⳿ⲉⲣⲟϥ ⲕⲁⲧⲁ ⲡⲓⲟⲩⲁϩⲥⲁϩⲛⲓ ⳿ⲛⲧⲉ ⲫϯ ⲡⲉⲛⲥⲱⲧⲏⲣ.
4 ho an’ i Titosy, tena zanako araka ny finoana iombonantsika, anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’ Andriamanitra Ray sy Kristy Jesosy, Mpamonjy antsika.
ⲇ̅⳿ⲛⲧⲓⲧⲟⲥ ⲡⲁⲙⲉⲛⲣⲓⲧ ⳿ⲛϣⲏⲣⲓ ⲕⲁⲧⲁ ϯ ⲙⲉⲧ⳿ϣⲫⲏⲣ ⳿ⲛⲧⲉ ⳿ⲫⲛⲁϩϯ ⳿ⲡ⳿ϩⲙⲟⲧ ⲛⲉⲙ ⳿ⲧϩⲓⲣⲏ ⲛⲏ ⳿ⲉⲃⲟⲗ ϩⲓⲧⲉⲛ ⲫϯ ⳿ⲫⲓⲱⲧ ⲛⲉⲙ Ⲡⲭ̅ⲥ̅ Ⲓⲏ̅ⲥ̅ ⲡⲉⲛⲥⲱⲧⲏⲣ.
5 Izao no namelako anao tany Kreta, dia ny handaminanao izay mbola tsy tanteraka sy hanendrenao loholona amin’ ny isan-tanàna, araka ny nandidiako anao;
ⲉ̅ⲉⲑⲃⲉⲫⲁⲓ ⲁⲓⲥⲟϫⲡⲕ ϧⲉⲛ ⳿ⲕⲣⲓⲑⲏ ϩⲓⲛⲁ ⲛⲓⲥⲱϫⲡ ⳿ⲛⲧⲉⲕⲧⲁϩⲱⲟⲩ ⳿ⲉⲣⲁⲧⲟⲩ ⲟⲩⲟϩ ⳿ⲛⲧⲉⲕⲥⲉⲙⲛⲓ ⳿ⲛϩⲁⲛ⳿ⲡⲣⲉⲥⲃⲩⲧⲉⲣⲟⲥ ⲕⲁⲧⲁ ⲃⲁⲕⲓ ⲕⲁⲧⲁ⳿ⲫⲣⲏϯ ⲉⲧⲁⲓⲟⲩⲁϩⲥⲁϩⲛⲓ ⲛⲁⲕ.
6 raha misy tsy manan-tsiny, dia lehilahy manambady tokana, manana zanaka mino izay tsy mba ampangaina ho mpanaram-po amin’ ny ratsy na ho maditra.
ⲋ̅ⲟⲩⲁⲓ ⲉϥⲟⲓ ⳿ⲛⲁⲧⲗⲱⲓϫⲓ ⳿ⲉⲁϥⲉⲣϩⲁⲓ ⳿ⲛⲟⲩ⳿ⲥϩⲓⲙⲓ ⳿ⲛⲟⲩⲱⲧ ⳿ⲉⲟⲩⲟⲛⲧⲁϥ ⳿ⲙⲙⲁⲩ ⳿ⲛϩⲁⲛϣⲏ ⲣⲓ ⳿ⲙⲡⲓⲥⲧⲟⲥ ⳿ⲛⲥⲉϧⲉⲛ ⲟⲩⲕⲁⲧⲏⲅⲟⲣⲓⲁ ⲁⲛ ⳿ⲙⲙⲉⲧⲁⲧⲟⲩϫⲁⲓ ⲓⲉ ⲉⲩⲟⲓ ⳿ⲛⲁⲧϭⲛⲉϫⲱⲟⲩ.
7 Fa ny mpitandrina dia tsy maintsy ho tsy manan-tsiny, fa mpitandrina ny an’ Andriamanitra, tsy mitompo teny fantatra, tsy mora tezitra, tsy mpimamo lian’ ady, tsy mpikapoka, tsy tia harena maloto,
ⲍ̅⳿ⲥϣⲉ ⲅⲁⲣ ⳿ⲛⲧⲉ ⲡⲓⲉⲡⲓⲥⲕⲟⲡⲟⲥ ϣⲱⲡⲓ ⲉϥⲟⲓ ⳿ⲛⲁⲧⲗⲱⲓϫⲓ ϩⲱⲥ ⲟⲩⲟⲓⲕⲟⲛⲟⲙⲟⲥ ⳿ⲛⲧⲉ ⲫϯ ⳿ⲛⲟⲩⲁⲩⲑⲁⲧⲏⲥ ⲁⲛ ⲡⲉ ⳿ⲛⲟⲩⲣⲉϥϫⲱⲛⲧ ⲁⲛ ⲡⲉ ⳿ⲛⲟⲩⲥⲉ ϩⲟⲩ⳿ⲟ ⲏⲣⲡ ⲁⲛ ⲡⲉ ⳿ⲛⲟⲩⲣⲉϥϯⲧⲉⲛϣⲓ ⲁⲛ ⲡⲉ ⳿ⲛⲟⲩⲙⲁⲓϩⲏⲟⲩ ⲉϥϣⲏϣ ⲁⲛ ⲡⲉ.
8 fa mampiantrano vahiny, tia ny tsara, mahonon-tena, marina, masìna, mahonom-po,
ⲏ̅⳿ⲉⲟⲩⲙⲁⲓϣⲉⲙⲙⲟ ⲡⲉ ⳿ⲙⲙⲁⲓⲡⲉⲑⲛⲁⲛⲉϥ ⳿ⲛⲥⲁⲃⲉ ⳿ⲛ⳿ⲑⲙⲏⲓ ⲉϥⲧⲟⲩⲃⲏⲟⲩⲧ ⳿ⲉⲟⲩⲉⲅ⳿ⲕⲣⲁⲧⲏⲥ ⲡⲉ.
9 mitana mafy ny teny marina araka ny efa nampianarina, mba hahaizany hananatra amin’ ny fampianarana tsy misy kilema sady handresy lahatra ny mpanohitra.
ⲑ̅ⲉϥ⳿ⲁⲙⲟⲛⲓ ⳿ⲙⲡⲓⲥⲁϫⲓ ⲉⲧⲉⲛϩⲟⲧ ⳿ⲉϯ⳿ⲥⲃⲱ ϩⲓⲛⲁ ⳿ⲛⲧⲉϥϫⲉⲙϫⲟⲙ ⳿ⲛϯⲛⲟⲙϯ ϧⲉⲛ ϯ⳿ⲥⲃⲱ ⲉⲑⲟⲩⲟϫ ⲟⲩⲟϩ ⳿ⲛⲧⲉϥⲥⲟϩⲓ ⳿ⲛⲛⲏⲉⲧⲉⲣ⳿ⲁⲛⲧⲓⲗⲉⲅⲓⲛ.
10 Fa maro no maditra, mpitaria foana sy mpamitaka, indrindra fa ny avy amin’ ny voafora ―
ⲓ̅ⲟⲩⲟⲛ ⲟⲩⲙⲏϣ ⲅⲁⲣ ⲉⲩⲟⲓ ⳿ⲛⲁⲧϭⲛⲉϫⲱⲟⲩ ⲟⲩⲟϩ ⳿ⲛⲣⲉϥⲥⲁϫⲓ ⳿ⲙⲙⲉⲧⲉⲫⲗⲏⲟⲩ ⲉⲩⲟⲓ ⳿ⲛⲣⲉϥⲉⲣϩⲁⲗ ⳿ⲛϩⲏⲧ ⲙⲁⲗⲓⲥⲧⲁ ⲛⲓ⳿ⲉⲃⲟⲗ ϧⲉⲛ ⳿ⲡⲥⲉⲃⲓ.
11 tsy maintsy hotampenam-bava ireo ― izay mampivadika mpianakavy maro, fa mampianatra izay tsy mety, mba hahazoany harena maloto.
ⲓ̅ⲁ̅ⲛⲁⲓ ⲉⲧ⳿ⲥϣⲉ ⳿ⲛⲑⲱⲙ ⳿ⲉⲣⲱⲟⲩ ⲛⲏⲉⲧⲣⲓⲕⲓ ⳿ⲉⲃⲟⲗ ⳿ⲙ⳿ⲡⲧⲏⲣϥ ⳿ⲛⲧⲉ ϩⲁⲛⲏⲓ ⲉⲩϯ⳿ⲥⲃⲱ ⳿ⲛⲛⲏⲉⲧ⳿ⲥϣⲉ ⲁⲛ ⲉⲑⲃⲉ ⲟⲩϩⲏⲟⲩ ⲉϥϣⲟϣϥ.
12 Hoy ny anankiray amin’ ireny, izay mpaminany teo aminy: “Mpandainga mandrakariva ny Kretana, biby ratsy, kamo be tenda”.
ⲓ̅ⲃ̅ⲟⲩⲁⲓ ⲇⲉ ⳿ⲉⲃⲟⲗ ⳿ⲛϧⲏⲧⲟⲩ ⲁϥϫⲟⲥ ⲟⲩ⳿ⲡⲣⲟⲫⲏⲧⲏⲥ ⳿ⲛⲧⲱⲟⲩ ϫⲉ ⲛⲓ⳿ⲕⲣⲏⲧⲏⲥ ϩⲁⲛⲣⲉϥϫⲉⲙⲉⲑⲛⲟⲩϫ ⳿ⲛⲥⲏⲟⲩ ⲛⲓⲃⲉⲛ ϩⲁⲛⲑⲏⲣⲓⲟⲛ ⲉⲩϩⲱⲟⲩ ⲛⲉ ϩⲁⲛⲛⲉϫⲓ ⳿ⲛⲁⲣⲅⲟⲥ ⲛⲉ.
13 Marina izany vavolombelona izany. Ary noho izany dia anaro mafy izy mba hatanjaka amin’ ny finoana,
ⲓ̅ⲅ̅ⲧⲁⲓⲙⲉⲧⲙⲉⲑⲣⲉ ⲟⲩⲙⲏⲓ ⲧⲉ ⲉⲑⲃⲉ ⲧⲁⲓⲗⲱⲓϫⲓ ⲥⲟϩⲓ ⳿ⲙⲙⲱⲟⲩ ϧⲉⲛ ⲟⲩϣⲱⲧ ⳿ⲉⲃⲟⲗ ϩⲓⲛⲁ ⳿ⲛⲥⲉⲟⲩϫⲁⲓ ϧⲉⲛ ⳿ⲫⲛⲁϩϯ.
14 tsy mitandrina ny anganonganon’ ny Jiosy sy ny didin’ ny olona izay mivily miala amin’ ny fahamarinana.
ⲓ̅ⲇ̅⳿ⲛⲥⲉϯ ⳿ⲛ⳿ϩⲑⲏⲟⲩ ⲁⲛ ⳿ⲛϩⲁⲛ⳿ϣϥⲱ ⳿ⲙⲙⲉⲧⲓⲟⲩⲇⲁⲓ ⲛⲉⲙ ϩⲁⲛⲉⲛⲧⲟⲗⲏ ⳿ⲛⲣⲱⲙⲓ ⲉⲩⲫⲱⲛϩ ⳿ⲙⲙⲱⲟⲩ ⲥⲁⲃⲟⲗ ⳿ⲛ⳿ⲑⲙⲏⲓ.
15 Madio avokoa ny zavatra rehetra raha amin’ ny olona madio; fa raha amin’ ny olona voaloto sady tsy mino kosa dia tsy misy madio na inona na inona; fa voaloto na ny sainy na ny fieritreretany.
ⲓ̅ⲉ̅ϩⲱⲃ ⲅⲁⲣ ⲛⲓⲃⲉⲛ ⲥⲉⲟⲩⲁⲃ ⳿ⲛⲛⲏⲉⲧⲧⲟⲩⲃⲏ ⲟⲩⲧ ⲛⲏ ⲇⲉ ⲉⲧⲥⲟϥ ⲛⲉⲙ ⲛⲓⲁⲑⲛⲁϩϯ ⳿ⲙⲙⲟⲛ ⳿ϩⲗⲓ ⲉϥⲟⲩⲁⲃ ⲛⲱⲟⲩ ⲁⲗⲗⲁ ⲁϥⲥⲟϥ ⳿ⲛϫⲉ ⲡⲟⲩϩⲏⲧ ⲛⲉⲙ ⲧⲟⲩⲥⲩⲛⲏⲇⲏⲥⲓⲥ.
16 Manaiky fa mahalala an’ Andriamanitra izy, nefa mandà Azy amin’ ny asany, dia olona vetaveta sady tsy manaraka ary olona tsy izy, izay tsy manao asa tsara na inona na inona.
ⲓ̅ⲋ̅ⲥⲉⲟⲩⲱⲛϩ ⳿ⲙⲫϯ ⳿ⲉⲃⲟⲗ ϫⲉ ⲥⲉⲥⲱⲟⲩⲛ ⳿ⲙⲙⲟϥ ⳿ⲛ⳿ϩⲣⲏⲓ ⲇⲉ ϧⲉⲛ ⲛⲟⲩ⳿ϩⲃⲏⲟⲩ⳿ⲓ ⲥⲉϫⲱⲗ ⳿ⲙⲙⲟϥ ⳿ⲉⲃⲟⲗ ⲉⲩⲟⲣⲉⲃ ⲉⲩⲟⲓ ⳿ⲛⲁⲧϯⲙⲁϯ ⲉⲩⲟⲓ ⳿ⲛⲁⲧϣⲁⲩ ⳿ⲙ⳿ⲡⲕⲱϯ ⳿ⲛϩⲱⲃ ⲛⲓⲃⲉⲛ ⲉⲑⲛⲁⲛⲉⲩ