< Tonon-kiran'i Solomona 8 >
1 Enga anie ka ho tahaka ny anadahiko, izay ninono an’ ineny, ianao! Dia ho nahita anao teny ala-trano aho ka ho nanoroka anao. Eny tsy ho azon’ olona notevatevaina aho.
Ukanakhala kuti ndiwe mlongo wanga, amene anayamwa mawere a amayi anga! Ndikanakumana nawe pa njira, ndikanakupsompsona, ndipo palibe wina aliyense akanandinyoza.
2 Dia ho entiko ka hampidiriko ho ao an-tranon’ ineny ianao, ary hampianarinao aho; Hampisotroiko divay noharoharoan-java-manitra mbamin’ ny ranon’ ampongaben-danitro ianao.
Ndikanakutenga ndi kukulowetsa mʼnyumba ya amayi anga, amayi amene anandiphunzitsa, ndikanakupatsa vinyo wotsekemera kuti umwe, zotsekemera za makangadza.
3 Aoka hanondana ahy ny tànany ankavia, ary aoka hanohona ahy ny tànany ankavanana.
Mutu wanga watsamira dzanja lake lamanzere ndipo dzanja lake lamanja landikumbatira.
4 Mampianiana anareo aho, ry zanakavavin’ i Jerosalema: Aza manaitra na mamoha ny fitiavana, raha tsy efa sitrapony.
Inu akazi a ku Yerusalemu, ndithu ndikukupemphani: musachigwedeze chikondi kapena kuchiutsa mpaka pamene chifunire ichocho.
5 Iza moa iry vehivavy miakatra avy any an-efitra, mitehina amin’ ny malalany? Teo ambanin’ iny hazo poma no namohazako anao; Teo no niterahan-dreninao anao, eny, teo no nahararian’ ilay niteraka anao.
Kodi ndani uyo akutuluka ku chipululuyo, atatsamira wokondedwa wakeyo? Mkazi Ndinakudzutsa pa tsinde pa mtengo wa apulosi, pamenepo ndi pamene amayi anachirira, pamenepo ndi pamene wokubereka anamva ululu pokubala iweyo.
6 Ataovy toy ny fanombohan-kase ao am-ponao aho sy toy ny fanombohan-kase eo an-tsandrinao; Fa mahery toy ny fahafatesana ny fitiavana, masiaka tahaka ny fiainan-tsi-hita ny fahasaro-piaro; Ny lelafony dia lelafo midedadeda, eny, lelafon’ i Jehovah. (Sheol )
Undiyike pamtima pako ngati chidindo, ngati chidindo cha pa dzanja lako; pakuti chikondi nʼchamphamvu ngati imfa, nsanje ndiyaliwuma ngati manda. Chikondi chimachita kuti lawilawi ngati malawi a moto wamphamvu. (Sheol )
7 Na dia ny ony maro aza tsy mahavono ny afon’ ny fitiavana, ary ny renirano tsy mahapaoka azy; Na dia misy olona manome ny fananany rehetra ao an-tranony aza hamidy fitiavana, dia hatao tsinontsinona izy.
Madzi ochuluka sangachizimitse chikondi, mitsinje singachikokolole chikondicho. Ngati wina apereka chuma chonse cha mʼnyumba mwake chifukwa cha chikondi, adzangonyozeka nazo kotheratu.
8 Manana zandrivavy tsy mbola misy nono izahay; Ahoana no hataonay amin’ ny zandrivavinay, raha mby amin’ izay andro hangatahan’ olona azy ho vady?
Ife tili naye mlongo wathu wamngʼono, koma alibe mawere, kodi tidzamuchitira chiyani mlongo wathuyu pa tsiku limene adzamufunsire?
9 Raha manda izy, dia hanangananay tilikambo volafotsy eo an-tampony; Fa raha varavarana kosa izy, dia hotampenanay hazo fisaka sedera.
Ngati iye ndi khoma, tidzamumangira nsanja ya siliva. Ngati iye ndi chitseko, tidzamutchinga ndi matabwa a mkungudza.
10 Mànda aho, dia toy ny tilikambo ny nonoko. Raha eo imasony dia toy ny efa mahita soa aho.
Ine ndili ngati khoma, ndipo mawere anga ndi nsanja zake. Tsono mʼmaso mwa bwenzi langa ndine wobweretsa mtendere.
11 Solomona nanan-tanim-boaloboka tao Bala-hamona; Nahofany tamin’ olona mpiandry voly ny tanim-boaloboka, ka samy tsy maintsy mitondra sekely volafotsy arivo ho solon’ ny vokatra.
Solomoni anali ndi munda wampesa ku Baala-Hamoni; iyeyo anabwereketsa munda wamphesawo kwa alimi, aliyense mwa iwo ankayenera kupereka ndalama zasiliva 1,000 mʼmalo mwa zipatso zake.
12 Ny tanim-boaloboko, eny, ilay an’ ny tenako, dia eto anatrehako, Ny arivo kosa dia anao, ry Solomona, ary ny roan-jato ho an’ izay mpiandry voly.
Koma munda wanga wampesa ndi wangawanga ndiponso wa ine ndekha. Iwe Solomoni, khala nazo ndalama zasiliva 1,000 ndipo ndalama zasiliva 200 ndi za amene akusamalira mundawo.
13 Ry mitoetra eny an-tsaha! Te-hihaino ny feonao ireo namako; Mba ampandreneso izany koa aho.
Iwe amene umakhala mʼminda uli pamodzi ndi anzako, ndilole kuti ndimve liwu lako!
14 Mandosira, ry malalako, ary aoka ianao mba ho toy ny gazela na ny diera tanora eny an-tendrombohitry ny zava-manitra.
Fulumira wokondedwa wanga, ndipo ukhale ngati gwape kapena mwana wa mbawala wothamanga mʼmapiri mʼmene mumamera mbewu zokometsera chakudya.