< Tonon-kiran'i Solomona 7 >
1 Endrey! mahate-hijery ny famindran’ ny tongotrao mikiraro, ry zazavavy zanak’ andriana! Dia tahaka ny firavaka ny amboam-penao, nataon’ ny tanan’ ny mahay zavatra.
王女啊,你的脚在鞋中何其美好! 你的大腿圆润,好像美玉, 是巧匠的手做成的。
2 Ny foitrao dia tahaka ny tomaboha kivorivory; Tsy ho diso divay noharoharoan-java-manitra anie izy! Ny kibonao dia tahaka ny vary tritika voatoby sady voaravaka lilia manodidina.
你的肚脐如圆杯, 不缺调和的酒; 你的腰如一堆麦子, 周围有百合花。
3 Ny nononao roa dia tahaka ny gazela kambana mbola tanora.
你的两乳好像一对小鹿, 就是母鹿双生的。
4 Ny vozonao dia tahaka ny tilikambo ivory; Ny masonao dia tahaka ny kamory any Hesbona, dia eo am-bavahadin’ ny tanàna be olona; Ny oronao dia tahaka ny tilikambo any Libanona, izay manandrify an’ i Damaskosy.
你的颈项如象牙台; 你的眼目像希实本、巴特·拉并门旁的水池; 你的鼻子仿佛朝大马士革的黎巴嫩塔。
5 Ny lohanao dia tahaka an’ i Karmela, ary ny volon-dohanao milantolanto dia somary volomparasy. Voatanan’ ny volo olioly ny mpanjaka!
你的头在你身上好像迦密山; 你头上的发是紫黑色; 王的心因这下垂的发绺系住了。
6 Endrey! tsara tarehy sady mahafinaritra ianao, ry malala, amin’ izao zava-mahafinaritra rehetra izao!
我所爱的,你何其美好! 何其可悦,使人欢畅喜乐!
7 Izato tsangananao dia tahaka ny rofia, Ary ny nononao dia tahaka ny sampahony.
你的身量好像棕树; 你的两乳如同其上的果子,累累下垂。
8 Hoy izaho: Hananika ny rofia aho ka handray ny rantsany; Ary aoka ny nononao ho toy ny sampahom-boaloboka amiko, ary ny fofonainao ho tahaka ny an’ ny poma,
我说:我要上这棕树,抓住枝子。 愿你的两乳好像葡萄累累下垂, 你鼻子的气味香如苹果;
9 Ny vavanao dia toy ny divay tsara, eny, divay mikorotsaka mora eo an-tendan’ ny malalako sady miditra misononoka amin’ ny molotry ny matory.
你的口如上好的酒。 〔新娘〕 女子说:为我的良人下咽舒畅, 流入睡觉人的嘴中。
10 An’ ny malalako aho, sady manina ahy izy.
我属我的良人, 他也恋慕我。
11 Avia, ry malalako, aoka handeha ho any an-tsaha isika; Andeha handry any ambanivohitra isika.
我的良人,来吧! 你我可以往田间去; 你我可以在村庄住宿。
12 Dia aoka hifoha maraina koa ho any an-tanim-boaloboka isika; Aoka hizahantsika raha mitsimoka ny voaloboka, sy mivelatra ny voniny, ary mamony ny ampongabendanitra any no hanehoako ny fitiavako anao.
我们早晨起来往葡萄园去, 看看葡萄发芽开花没有, 石榴放蕊没有; 我在那里要将我的爱情给你。
13 Mamerovero tsara ny dodaima, sady ao am-bavahadintsika misy voankazo tsara samy hafa, na ny vao na ny ela: Efa notehiriziko ho anao izany, ry malalako.
风茄放香, 在我们的门内有各样新陈佳美的果子; 我的良人,这都是我为你存留的。