< Tonon-kiran'i Solomona 5 >

1 Efa tonga eto an-tsahako aho, ry havako ampakariko; Mioty ny miorako mbamin’ ny zava-manitro aho; Efa homana ny toho-tanteliko mbamin’ ny tanteliko aho, ary efa misotro ny divaiko mbamin’ ny rononoko; Homàna ianareo, ry sakaizako, misotroa, eny, mivokisa divay, ry malala.
¡Vine a mi huerto, oh hermana mía y esposa mía. Recogí mi mirra con mi bálsamo, Comí mi panal con mi miel, Bebí mi vino con mi leche! ¡Coman, amigos! ¡Beban y embriáguense, oh amados!
2 Natory aho, nefa nahatsiaro ihany ny foko; Injay! ny feon’ ny malalako, izay mandondòna ka manao hoe: Vohay aho, ry havako ampakariko, Ry voromailalako, ilay ahy tsy misy kilema; Fa vonton’ ando ny lohako, Ny voloko milantolanto dia kotsan’ ny andon’ ny alina.
Yo dormía, Pero mi corazón velaba: ¡Una voz! ¡Mi amado llama! ¡Ábreme, hermana mía, amada mía, Paloma mía, perfecta mía! Porque mi cabeza está empapada de rocío, Y mis cabellos con las gotas de la noche.
3 Fa hoy izaho: Efa niala akanjo aho, ka hataoko ahoana indray no fiakanjo? Efa nioza tongotra aho, ka hataoko ahoana no fandoto azy?
Me quité el vestido. ¿Cómo me volveré a vestir? Me lavé los pies, ¿Los volveré a ensuciar?
4 Nampiditra ny tànany teo amin’ ny loaka ilay malalako, dia nangorakoraka azy ny foko.
Mi amado metió su mano por la ventanilla, Y mis entrañas se conmovieron por él.
5 Nitsangana hamoha varavarana ny malalako ihany aho, ary nitete miora ny tanako, eny, ny rantsan-tanako nitete ranon’ ny miora teo amin’ ny famohana ny hidin-trano.
Me levanté para abrir a mi amado, Mis manos destilaron mirra, De mis dedos se escurrió la mirra por la manecilla del cerrojo.
6 Namoha varavarana ny malalako aho, kanjo efa nihodina izy ka lasa; Very hevitra aho tamin’ ny nitenenany; Nitady azy aho, fa tsy nahita; Niantso azy aho, fa tsy novaliany.
Abrí a mi amado, Pero mi amado ya se había ido. Había pasado, Y mi alma salió tras su hablar. Lo busqué, Pero no lo hallé. Lo llamé, Pero no me respondió.
7 Nahita ahy ny antily izay mandehandeha eny an-tanàna, dia nikapoka ka nandratra ahy; Ny mpiambina ny manda nanala ny lamba fisaronako.
Me hallaron los guardas que rondan la ciudad. Me golpearon y me hirieron. Los guardas de las murallas Me despojaron de mi manto.
8 Mampianiana anareo aho, ry zanakavavin’ i Jerosalema: Raha mba hitanareo re ny malalako, dia ahoana no holazainareo aminy? Lazao fa mararim-pitia aho.
Las conjuro, oh hijas de Jerusalén, Que si hallan a mi amado, ¡Le digan que estoy enferma de amor!
9 Inona ny malalanao mihoatra noho ny malala sasany, ry tsara tarehy amin’ ny vehivavy? Inona ny malalanao mihoatra noho ny malala sasany, no dia mampianiana anay toy izao ianao?
¿Qué es tu amado más que otro amado, Oh tú, la más hermosa entre las mujeres? ¿Qué es tu amado más que otro amado, Que así nos conjuras?
10 Ny malalako dia sady fotsy mangatsakatsaka no mena, notsongaina tamin’ ny alinalina.
Mi amado es radiante y lozano, Distinguido entre 10.000.
11 Ny lohany dia toy ny tena volamena tsara; Ny volony dia milantolanto sady mangilohilo toy ny goaika.
Su cabeza es como el oro más fino, Sus cabellos, ondulados, Negros como el cuervo.
12 Ny masony dia tahaka ny voromailala eo anilan’ ny sakeli-drano, mandro amin’ ny ronono sady tahaka ny vato soa alatsaka an-tranontranony izy.
Sus ojos son como palomas junto a corrientes de agua, Bañados con leche, Que descansan en la orilla.
13 Ny takolany dia tahaka ny tanim-boninkazo misy zava-manitra eo an-tsaha, dia tahaka ny tany navosaina misy voninkazo manitra. Ny molony dia tahaka ny lilia sady mitete ranon’ ny miora.
Sus mejillas, como un jardín de especias, Que exhalan su fragancia, Sus labios son como lirios, Que destilan abundante mirra.
14 Ny tenany dia tahaka ny anja-bolamena voaisy krysolita; Ny tenany dia tahaka ny ivory voarafitra tsara sady misarona safira;
Sus brazos como barras de oro engastados con piedras de Tarsis, Su torso, tallado de marfil, Recubierto de zafiros.
15 Ny ranjony dia tahaka ny andry vatosanga miorina amin’ ny faladia tena volamena; Ny tarehiny dia tahaka an’ i Libanona, tsara toy ny sedera.
Sus piernas son columnas de alabastro, Asentadas sobre basas de oro puro. Su aspecto, como el del Líbano, Majestuoso como los cedros.
16 Mamy dia mamy ny vavany, eny, maha-te-ho-tia avokoa izy. Toy izany ny malalako, ary toy izany ny sakaizako, ry zanakavavin’ i Jerosalema!
Su paladar es dulcísimo, Y todo él, la dulzura misma. ¡Es mi amado y es mi amigo, oh hijas de Jerusalén!

< Tonon-kiran'i Solomona 5 >